· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2009

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

  31 Oktobra 2009

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya

  14 Oktobra 2009

Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.

Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly

  06 Oktobra 2009

Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy vitan'ny...