· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2009

Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky

  26 Aogositra 2009

Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.

Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

  18 Aogositra 2009

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany...

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

  15 Aogositra 2009

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao...

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

  09 Aogositra 2009

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny...

Pakistan: Niverina ny rariny?

  03 Aogositra 2009

Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana.