· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Febroary, 2009

Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

  26 Febroary 2009

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

  24 Febroary 2009

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io. Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray miaraka amin'izao fanazavana manaraka...

Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra

Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.

Lebanona: fanambadiana sivily tamin'ny andron'ny mpifankatia

  22 Febroary 2009

Nisy antso vaovao mba hanomezan'I Liban alalana ny fanambadiana sivily izay tontosaina amin'ny andron'ny mpifankatia tany amin'ny bara iray tany Beyrouth tamin'iny faran'ny herinandro iny. Mpifankatia maro avy amin'ny finoana maro samihafa  no nanao sarintsarim-pampakarambady tao amin'ny Gemmayze trano fisotroana iray  be mpahalala ao mba ho fanoherana ny lalàna mifehy...

Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch

  20 Febroary 2009

I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao Phnom Penh. Izy no nitantana ny fonjan'ny Tuol Sleng Prison tao Phnom Penh, izay nahafatesana olona manodidina ny 12 000...

USA: Manambady noho ny Fitiavana sy ny Firenena

  17 Febroary 2009

Na ny fitiavana, na ny viza (visa), na ny fanapahan-kevitra ny hivady dia zavatra tsy moramora. Ao Etazonia izay isian’ny olona mpifindra monina “Tsy ara-dalana” miisa 12 lavitr’isa, dia ny firaiketam-pitia sy ny fampakaram-bady Amerikana no fomba iray ahafahana mamaha ny olana ho ara-dalana. Mitantara ireo mpitoraka blaogy mpifindra monina.

Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!

  15 Febroary 2009

Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?