· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2008

Barbados: Mpanao gazety voasambotra

  30 Desambra 2008

Misaritaka ny tontolon'ny fitorahana blaogy Barbadiana tao aorian'ny fisamborana mpanao gazety malaza anankiroa – fihetsika izay nadikan'ny mpitoraka blaogy ho fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ilay blaogy fanta-daza sy be mpanaraka Barbados Free Press dia milaza fa io fisamborana io dia valifaty tamin'ny “fitaterana momba ny manam-pahefana iray izay voampanga...

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

  24 Desambra 2008

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany. Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely 😉...

Meksika: Manam-pahaizana manokana momba ny ady amin'ny fakana an-keriny nisy naka an-keriny

  18 Desambra 2008

Mampatahotra ny maro ny heloka bevava any Meksika. Ny fakana an-keriny manokana moa dia mpitranga manerana ny firenena indrindra fa amin'ny ilany avaratra amin'ny firenena. Tranga mampihomehy amin'ity raharaha he recent abduction of U.S. anti-kidnapping expert Félix Batista is an ironic twist in this ongoing fight against organized crime, leaving some to wonder if experts are not safe, then where does that leave ordinary Mexicans?

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

  13 Desambra 2008

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza vao telo (taona) monja.

Torkia: Momba an'i Volombavamena manontolo

  13 Desambra 2008

Amin'izao resaka mpijirika (izay ity voambolana ity vao tadidiko) manintona ny lohateny lehibe amin'ny haino amanjery izao dia manome leson'ny tantara amin'ny lahatsoratra iray i Talk Turkey miresaka momba ilay Amiraly Ottoman iray antsoina hoe Barbarossa (Volombavamena) izay fantatra kokoa amin'ny maha-mpijirika azy ary manontany hoe: “Mety ho eny anivon-dranomasina...

Isiraely: Fomba fijery ny fampinonoan-dreny amin'ny riba jiosy

  11 Desambra 2008

Ao amin'ny “ Fampinonoan-dreny sy ny Jodaisma: Nahoana ny renin'i Mosesy no tsy nametraka tavoahangy (biberao) tao amin'ny lakanjozoro ,” Hannah Katsman ao amin'ny Green Prophet no manazava ny mahazava-dehibe ny fampinonoan-dreny teo amin'ny lalàna jiosy sy ny nentin-drazany raha oharina amin'ny fiaraha-monina any Isiraely amin'izao fotoana izao. Maya Norton

Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

  10 Desambra 2008

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta. Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray: Believe...

Zamaika: Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA

  05 Desambra 2008

Natokana ho andro eran-tany ho an'ny SIDA ny anio [01 desambra], ary amin'ny maha-faritra iray manana tahan'olona somary ambonimbony ihany miaina miaraka amin'ny otrik'aretina VIH/SIDA azy, dia mety halaim-panahy hieritreritra ny maro hoe hiresaka momba azy io ny ankamaroan'ireo mpamaham-bolongana Karibeana – saingy ny tontolon'ny fitoràhana bolongana ao Zamaika irery...

Ezypta: Sarobidy kokoa ny mahavirijiny noho ny famonoana olona

  05 Desambra 2008

Voasariky ny tantaran'ny famonoana olona mampihoronkoditra iray indray i Ezypta, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo roa ireto nisy namono teny an-tohatra tany amin'ny tanànan'ny 6 oktobra (mampahatsiahy an'i 67ha lahy izy izany!) fivondronan'i Sheikh Zayed ireto. Zanaka vavin'ny mpihira Maraokana Laila Ghofran ny iray tamin'ireo novonoina. Ity vono olona ity dia...