· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Oktobra, 2008

Haiti: ny faneken'i Powell

  23 Oktobra 2008

Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”

Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy

  23 Oktobra 2008

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany...

Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray

  23 Oktobra 2008

Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray  ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny...

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

  16 Oktobra 2008

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

Jamaika:Fisaonam-pirenena

  05 Oktobra 2008

Iray volana sy tapany lasa izay dia firenena ravo sy tretrika i Jamaika raha nankalaza ny fandresena azon’ireo mahery fo Olaimpikany. Tamin’ity herinandro ity, dia firenena iray fanina no nisaona tamin’ny nahitàna ny vatana tsy nisy lohan’ilay tovovavy kely Ananda Dean novinavinaina ho eo amin’ny 11 taona eo efa ho...

Nikaragoà: Tarika tsy mijoro ara-dalàna mahazo fanohanana ara-bola

  01 Oktobra 2008

Ampangain'ilay mpamaham-bolongana Nikaragoana Ingrid Bergman ny tarika (mpihira) maromaro tsy manana fijoroana ara-panjakana nefa dia tsy manana olana amin'ny fahazoana fanohanana ara-bola mihoa-mpampana. Ao amin'ny bolongana Sweet Orchid (voninkazo mamy) no anondroan'ny mpanoratra fa mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany saingy antsoiny fa “fanasana vola azo tamin'ny tsy rariny” ny...

Okraina: Sambo “azon'ny” piraty

  01 Oktobra 2008

The 8th Circle na ny faribolana faha-8 no miresaka momba ny fanafihan'ny piraty tamina sambo Okrainiana iray: “Ahoana moa ianao no hiatsambo miaraka amin'ny fiara mifono vy 30 MIAMPY fitaovana hafa fampiasan'ny miaramila no tsy ampy fiarovana hanosehana fanafihana piraty? Araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Okrainiana...