· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Septambra, 2008

Madagasikara : Ny Blaogiko sy Izaho

  24 Septambra 2008

Vao nanokatra blaogy vaovao ny namana Andry Rakotoniaina Andriatahiana izay monina any Madagasikara. Ambarany ho “mpanara-maso ny tontolon'ny Aterineto” ny tenany [the cyber observer]: My name is Andry Rakotoniaina Andriatahiana and I am Malagasy. I am a lawyer, more specifically I work as a legal counsel for an International business...

Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry

  23 Septambra 2008

Ny fahasarotam-piaianana any Ekoatera no iray amin'ny lazaina ho anton'ny fiakaran'ny halatra sy ny vono olona ao amin'ny firenena. Ny ankamaroan'izany fandikan-dalàna izany moa diaataon'ireo tsy an'asa izay tsy maintsy mitady ny fomba hahazoany hanina mba sitrany ahay velona aloha ka ny fomba ataony dia ny mangalatra na ny mamono olona. Sarotra ho an'ny olo-tsotra ihany ny hiaina anaty tsy fandriampahalemana ka mamoaka ny eritreriny ihany koa ny mpamaham-bolongana.

Bengladesh: Nananga-jaza tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ve McCain?

  21 Septambra 2008

Shada Kalo bolongana no manontany sao dia tsy ara-dalàna ny fananganan-jaza nataon'ilay mirotsaka hofidiana ho filohan'i Etazonia i John McCain sy i Cindy McCain tamin'ny zanany vavy bangla antsoiny hoe Bridget satriamanko araka ny lalàna bangla dia ‘tsy misy vahiny mahazo manangana zaza bangla ho zanany’.

Arabia Saodita: Ho taranja ianarana ny Zon'olombelona

  10 Septambra 2008

Crossroads Arabia no milaza ny heviny amin'ny mety hampidiran'i Arabia saodita ny zon'olombelona ho taranja ianaran'ny mpianatra lalàna: “Tahaka ny hampianarana izay heverina ho ‘Zon'ny Silamo manerana ny tontolo’, dia zava-dehibe ihany koa ny hampianarana ny ‘Zon'olombelona maneratany’ araka ny ametrahan'ny Firenena Mikambana azy. Zava-dehibe tokoa ny fanondroana mazava ny...

Kolombia: MP3 tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy

  07 Septambra 2008

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.