· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Aogositra, 2008

Shina: Fitoriana miaraka

  13 Aogositra 2008

Misy vohikala iray natsangana mba handrindrana fitoriana miaraka ataon'olona maromaro hanoherana ny sivana manjaka amin'ny aterineto any Shina.

Joridania: Voarara any Isiraely ny Harry Potter amin'ny teny arabo

  12 Aogositra 2008

Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any  Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny...

Bahamas: Herisetra an-tokantrano

  09 Aogositra 2008

“Araka ny nolazain'ny vaovao tamin'ny radio dia ‘vokatry ny fifamaliana an-tokantrano’ no nahatonga ny fahafatesan'ilay namako Bloneva Bethel. Nahoana moa io no ‘tsy fahafatesana tsy tokony ho nitranga €vokatry ny tsy fahatongavan'ny polisy œara-potoana namaliana ny antso vonjeo tonga tany aminy?'” Weblog Bahamas no misarika ny saina amin'ity raharahan'herisetra mpitranga...

Korea: Fanompoam-pirenena sy fandavana raharaha miaramila

  07 Aogositra 2008

Tsy niverina tany amin'ny vondro-tafika nisy azy ny zatovolahy iray manatontosa ny raharaha miaramilany any amin'ny polisy rehefa avy nahazo fialantsasatra kely ary nanambara ny adin-tsaina mahazo azy (ho fandavana ny raharaha miaramila). Araka ny nolazainy dia mahatsiaro tena ho meloka izy taorian'ny fandravana fihetsiketseham-panoherana iray amin'ny alalan'ny fijoroana an-dalambe...

Madagasikara tamin'i Hong Kong:”Avereno ny Emeraodanay”

  02 Aogositra 2008

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena...

Barbada: Tsimokaretina tsy mahatombitsiraka

  02 Aogositra 2008

Ho tohin'ny ahiahin'ny maro manodidina ilay fahafatesana tsy dia mazava loatra nanjo an'i l'Akobi Tacuma Maloney, Barbados Free Press no nilaza fa: “Sehon'aretina efa mikiky tsikelikely ny fototry ny fiarahamonina mihitsy no nahatonga ny fahafatesan'i I’Akobi – aretin'ny kolikoly zary efa latsa-paka ao anatin'ny kolontsaintsika.”