· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Jolay, 2008

Goiana: Fandrarana filazana fanameloha aho faty

  31 Jolay 2008

Living Guyana no  mitatitra fa mikasa ny handrara ny filazana na fampielezana ny fanameloha aho faty ny Filoha Goianey satria “ratsy loatra ny mandre azy ka manao izay mampalahelo ny olona ihany koa”, Tonga moa dia nanamarika i MediaCritic hoe: “Tsy mbola hita mihitsy izay paikady mazava entina miady amin'ny...

Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

  25 Jolay 2008

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia ary ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana. Fa ny tena malaza manohitra kosa — aorain'i Seribia — dia i...

Rosia: Golàgy aseho an-tserasera

  25 Jolay 2008

Robert Amsterdam no manintona ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika – natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” – ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra...

Sodàna: Aiza izany fihetsiketsehana lehibe izany?

  24 Jolay 2008

Heba Aly ao amin'ny bolongana Untold Stories [tantara tsy voalaza] avy amin'ny foibe Pulitzer mitatitra ny  Kirizy no mitatitra fihetsiketseham-panoherana ny mety hisamboran'ny fitsarana iraisam-pirenena ny filoha Al-Bashir izay nataon'olona vitsy ka manontany tena hoe nahoana moa no tsy be mpanaraka araka izay nodradradradraina ny fihetsiketsehana.

Malaysia: Mpamaham-bolongana voampanga noho ny fanendrikendrehana

  19 Jolay 2008

Ampangaina noho ny fanendrikendrehana famonoana olona ilay mpamaham-bolongana Malaysiana malaza Raja Petra Kamarudin. I Benstakes no mampahafantatra antsika ny fifandraisan'io fiampangana io amin'ny “fanendrikendrehan'ny ” mpamaham-bolongana ny vadin'ny Praiminisitra ho tafiditra tamin'ny famonoana ilay mpilatro Môngôla.

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

  18 Jolay 2008

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...

Egypta: Mirodana ireo tranobe

  17 Jolay 2008

Zava-mahazatra eto Egypta ny lohateny vaventin’ireo gazety milaza fikorotsahana tranobe , ary koa ireo vatana mangatsiakan’ankizy sintonina avy any ambanin’ireny korontan-javatra ireny. Ibn Al Dunya, [anglisy], ao amin’ny blaogy Fustat, dia mitatitra ny zava-doza farany hatreto, izay namoizana ain’olona tsy manatsiny dimy. Hoy ny mpitoraka blaogy manazava [anglisy]: Tranobe iray...

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny ady tany

  14 Jolay 2008

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fihokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia...