Tantara mikasika ny Lalàna
Manameloka ny fandraràna ny filma ‘Mentega Terbang’ ho endrika bontolo ifehezana votoaty ireo mpanakanto Maleziana
"Amin'ny maha vondrom-piarahamonina mampiroborobo ny fahafahana mamorona sy artistika, tsy maintsy miray saina izahay amin'ny fanamelohana ny fikasana hametraka fameperana tsy ara-drariny ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika na mpanakanto."
Naharay taratasy avy amin'ny rainy migadra any Azerbaidjan i Suad kely
Ny 21 Novambra 2023 i Hasanli no nohelohina efatra volana mialohan'ny fitsaràna, vesatra anenjehana azy ny "fanaovana risoriso vola vahiny". Raha voatazona ny fiampangàna, dia mety hiatrika sazy famonjàna hatramin'ny valo taona izy
Mahasoa ny Vazimba teratany ve ireo valan-javaboaharim-pirenena sy ireo lalàna mikasika ny fiarovana ny biby any Nepal ?
Nahita fahombiazana marobe teo amin'ny lafiny fiarovana ny bibidia i Nepal. Na izany aza, niaritra andiana fanitsakitsahana zon'olombelona ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany any Nepal noho ireo politikam-piarovana mampahory.
Nampihotakotaka an'i Suriname ny fanjavonan'i Desi Bouterse rehefa nohelohina izy
Niteraka tsi-finoana, fahatezerana ary tsi-fitokisana ny rafi-pitsarana ny fihodin'ny toe-draharaha nahasanganehana.
Lehilahy nogadraina telo volana noho ny akanjony misy teny faneva fanoherana
Lehilahy iray avy any Hong Kong no nosamborina teo akaikin'ny vavahady fiondranana amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Hong Kong tamin'ny volana Novambra lasa teo taorian'ny nahitana azy nanao t-shirt misy teny filamatra fanoherana.
Mariky ny rariny tamin'ny lasa misamboaravoara tao Suriname ve ny didim-pitsarana an'i Bouterse?
Niteraka fanontaniana momba ny maha-firenena ny fanamelohana an'i Bouterse tamin'ny 20 Desambra 2023. Maneho ny tolona nataon'i Suriname tamin'ny fanjanahantany Holandey taloha sy ny fikatsahany ho avy mampifandanja ny rariny amin'ny fampihavanana ireo fanehoan-kevitra mifanipaka.
Herisetra no nanombohana ny taona vaovao tao Trinidad & Tobago
Na lazaina ho avy amin'ny fanondranana zavamahadomelina sy ny fiantraikany aza ny ampahany betsaka amin'ireo herisetra, mbola itoloman'ilay firenena ihany koa ny momba iroe trangana herisetra an-tokantrano, ny fakàna an-kery sy ny famonoana vehivavy
Nosakanan'i Torkia ny fidirana amin'ireo mpamatsy VPN miisa 16
Milaza ireo manam-pahaizana fa ny tanjon'ny fandraràna dia ny hisakanana ny fidirana amin'ireo tranonkalam-baovao efa voasakana ao amin'ny firenena izay tsy azo nidirana afa-tsy tamin'ny fampiasana ny tolotra VPN.
Mandrahona ny FTMF-ONG ny lisitra ‘masombahiny’ ao Kazakhstan
Rehefa nivoaka tamin'ny septambra ny lisitra, ONG-FTMF iray farafahakeliny no voasingana hahazo fanadihadiana ara-bola fanampiny manokana.
Nahoana aho no mampiasa ny zoko ho afaka hanao hetsipanoherana aty Trinidad & Tobago
Tsy hetsipanoherana fanairana fotsiny ity diabe manokana ity : fihetsika fisaonana ihany koa. Maro amin'ireo vahoakanay no maty noho ny herisetra tamin'ity taona ity.