· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Novambra, 2012

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa:

Tonga Indray Ny Hetsika Hay Festival Dhaka!

  09 Novambra 2012

Ao Bangladesh, nanjary malaza ny fampiasana teny Anglisy amin'ny literatiora. Tsy hihanoka fotsiny amin'ny fanoratana amin'ny teny Bangla, mpanoratra maro no nanapa-kevitra hanoratra amin'ny teny Anglisy. Zava-baovao malaza ao Bangladesh izany. Hihaona indray ireo mpanoratra amin'ny teny Anglisy ao Dhaka amin'ilay hetsika andiany faharoa Hay Festival. Amin'ny 15-17 Novambra 2012 no...