· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Jona, 2011

Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

Mpandika an-tsitrapo ho an'ny Global Voices i Fabienne. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy, nefa koa mahaliana azy ny mikasika izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny Global Voices i Fabienne

Mozambika: Portiogey, ho tenin'ny Mozambikana

  05 Jona 2011

Rehefa nampidirina tao amin’ny rafi-panabeazana ny tenim-pirenena Mozambikana, niadian-kevitra ny fanapahan-kevitra hanamafy ny Fifanarahana Iombonana amin'ny Fomba Fanoratra ny teny Portiogey. Ny Global Voices dia nitondra fandalinana maromaro ny amin’ny anjara asa sahanin’ny teny eo amin’ny fanehoana ny tena maha-izy ny firenena.