Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Jolay, 2010
Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana
Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.
Filipina: Fanavakavahana mihatra amin'ireo Filipiana any amin'ny Tobim-pitsaboan'i Baltimore
Mpiasa Filipana efatra ao amin'ny Bon Secours Baltimore Health System any an-tanànan'i Baltimore no voaroaka tamin'ny asany tsy ela akory izay, noho ny fampiasàna teny Filipiana nandritra ny ora fisakafoanana. Mizara ny heviny momba io olana io ireo mpitoraka blaogy.
Eoropa: Fifaninanana Horonantsary momba ny fahaizana tenim-pirenena maro
Raha monina any Eoropa ianao, eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona ary mahay miteny tenim-pirenena maherin'ny iray, mandraisa anjara amin'ny fifaninanana horonantsary amin'ny aterineto momba ny fahaizana tenim-pirenena maro, ary mahazoa toerana iray amin'ny hetsika famokarana sarimihetsika, izay handeha ary hokarakaraina any amin'ireo nosikelin'i Turku any Finland.
Sina: Mandranitra ireo olom-pirenena any Guangzhou ny soso-kevitra hampiasàna bebe kokoa ny teny Mandariny amin'ireo fandaharan'ny fahitalavitra
Nisy soso-kevitra vao haingana amin'ny hampiasàna indray ny teny Mandariny fa tsy Kantone intsony any amin'ireo fandaharam-baovao amin'ny fahitalavitra any Guangzhou, renivohitry ny faritany Sinoa Guangdong, dia nolavin'ireo mponina ao an-toerana mafy.