The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fiteny Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fiteny

2009-09-09

Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly

Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.

2009-05-22

Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray

Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny 5 ora ...

2009-05-07

Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana

Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana, dia ...

2009-03-14

Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.

Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana  hanamafy  ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy ny mpitoraka blaogy maro nandray izany. “Manolotra antoka ho an'i Ukraine ny Fiombonambe Eropeana,” hoy ny lohatenin'ny BBC. “Tsy mampanantena na ...

2009-02-25

Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”

Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:

2009-02-15

Hong Kong: Nihemotra ny volavolandalàna momba ny fifidianana…………. Resak'alika izany!

Raha toa ka ny fifanarahana tahaka ny filan-kevitry ny fifidianana no nanjary “adin’alika” eo imason’ireo ikoizan’ny lalana , Inona kosa ary izany no anjara asan’ny filan-kevitra momba ny fifidianana? Eny fa na dia ny tanjaky ny adin’alikan’ireo mpanao lalana LSD aza dia rava, mety hisy fanarenana mendrika ao amin’ny lamina tsy ara-demokratika ve ny ady hevitra eo amin’ny filan-kevitry ny fifidianana?

2008-12-25

Tonga soa Global Voices amin'ny teny Serba

Nomena teny hilaza aho ka mihasolanga milaza aminareo ny fisokafana amin'ny fomba ofisialy ny Global Voices amin'ny teny serba, izay hiara-dalana amin'ireo vohikala Lingua hafa (toy ny amin'ny teny malagasy). Atoa Sinisa Boljanovic izay mpanoratra eto amin'ny Global Voices ihany no angady nananana sy vy nahitana, nanokatra izany Global Voices amin'ny teny Serba izany.

2008-12-24

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany. Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...

2008-12-08

Japan

Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san hihetsi-po mahita ny hamaroan'ny vahiny — avy amin'ny vazantany efatra samy manana ny fiteniny azo eritreretina rehetra — nanapa-kevitra hanoka-tena hianatra ny teny Japoney.

oviana re no mba hisy tahaka izany koa ny an'ny teny Malagasy?