The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Labor Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Labor

2008-12-26

Bahrain: Fampitahana ny fomba fiasan'ny Bahrainita sy ny Japoney

Mpamaham-bolongana Bahrainita Yagoob izay mianatra any Japana amin'izao fotoana izao - dia manatri-maso ny lazan'ny fitiavan'asa eo amin'ny Japoney. Amin'ity lahatsoratra ity ary no anehoana anareo ny fampitahana ny fomba fiasan'ny maro amin'ny Bahrainita sy ny fanaon'ny Japoney.

2008-12-16

Brunei:Soritroritr' ‘Ali Baba'

Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano iray vaovao, na toeram-pandraharahana ara-barotra goavana iray vaovao, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Fanampin'izay, ny ankamaroan'ireny fandraharahana ireny dia ny ...

2008-12-04

Renata+Ainara=Fitiavana

Miresaka momba ny fiovan'ny fokonolona mandrafitra ny mponina ao Moskoa renivohitra ny mpamaham-bolongana Rosiana.

2008-12-03

Shina : Fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe

Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin’ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan, Fujian, Shantou, Wubei, Shaanxi ary tanàna hafa maro koa izany. Tahaka ny hoe nisy fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka ny 1 Desambra teo ...

2008-10-15

Iran: fitokonana noho ny hetram-barotra vaovao

Nitokona ho fanoherana ny hetra momba ny varotra 3% vaovao - na fanampin-tsandan-ketra nandritra ny roa volana ny mpivarotra any amin'ny Bazariben'i Teheran, sy ireo any amin'ny bazarin'ny tanàna lehibe Iraniana tahaka an'i Tabriz, Isfahan ary Mashad. Nahanton'ny fitondrana moa ny fampiharana ilay lalàna, ary manondro ny mpitatitra sasany fa niverina ...

2008-08-13

Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika

Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ...

2008-08-12

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy ...

2008-08-03

Cap_Vert:Politika ivelany sy ny zanany am-pielezana

Ao amin’ny blaoginy i Miguel Cruz Sousa [amin’ny teny portige] no mitondra fandalinana momba ny politika ivelan’i Cap Vert sy ny fifandraisan’ny firenena amin’ireo zanany ampielezana. “Ny tsy fananàna asa, ny elanelana ao anaty fiaraha-monina, ny tsy fandriampahalemana, ny karama varimasaka sy ny mety ho tsy fahampiana dia mitatao mandrakariva ...

2008-05-29

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny ¿Y ...

2008-05-28

Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy

Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny, dia nahanton'ny fanjakan'i Bahrain ny fanomezana fahazahoan-dalàna miasa hoan'ny teratany Bangladeshy rehetra. Misy aza vondrona Solombavam-bahoaka izay miketrika ny hanolorana ...