Global Voices teny Malagasy » Labor
Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao
Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana - maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum”  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny?
Tranga
Nivady nandritra ny 8 taona i Rina ary manan-janaka vavy mianatra amin'ny taona fahasivy. Eo an-dalam-pisaraham-panambadiana izy izao ary mitantara ampahany vao haingana tamin'ny fiainam-panambadiany izay niraikitra tao an-tsainy nanomboka tamin'izay.
Fony mbola zaza ny zanany vavy, nihareraka i Rina satria tsy ampy torimaso noho ny tomanin-janany isan-kalina. Nanavy be izy ary tsy afaka nikarakara ny zanany vavy nefa tsy nety nangataka andro tsy iasàna nefa andraisana karama, na hody alohan'ny mahazatra ny vadiny. Diso fanantenana tokoa i Rina satria tsy mba niantso akory aza ingahy rainy. Roa volana vao nihatsara ny fahasalamany ary tsy mety hadinony mihitsy ny tsy nanampian'ny vadiny azy na dia kely akory aza.
Fanontaniana
ここういう状態の場合、会社を休めないまでもせめて定時で帰ってきてほしいというのはわがままでしょうか。
みなさんのご家庭はどうですか？妻が病気の時、夫は会社を休んで子供の世話をしてくれますか？また、会社で「妻が病気だから」と言って休んでいる人をどう思いますか？
Amina tranga toy itony, tia tena ve aho raha mangataka amin'ny vadiko  farafaharatsiny mba hody aloha fa tsy hanao ora ambony ampanga, rehefa tsy nagataka andro tsy iasàna ihany izy? Manao ahoana ny tokantranonareo? Mijanona tsy miasa ve ny vadinareo mba hikarakara ireo ankizy rehefa marary ny vehivavy? Misy lehilahy ve ao amin'ny toeram-piasànareo mijanona tsy miasa satria marary ny vadiny?
Valiny
Avy hatrany dia maro ireo reny efa “za-draharaha” namoaka ny tantaram-piainany nandritra ny fotoana naharariany  nefa mbola tsy maintsy miarina ihany mikarakara tena sy ireo ankizy, fa ny vadin'izy ireo tsy mba manampy - tsy hoe nanantena na nila fanampiana avy aminy koa izy ireo.
‘Manam-bady ary manan-janaka roa' dia niteny:
インフルエンザで寝込んでいるときも、４０度の熱が三日間下がらない時も、一週間３８度から熱が下がらずいた時も夫に休ん で欲しいと思ったことはありませんでした。夫の職種が営業だったので客先と約束があれば休めないのも仕方がないし、客先と急に約束が入ったら帰れないのも 仕方がないので。会社に勤めてお給料を頂いている以上会社に損害を与えるような休暇をとれないのは当たり前。
トピ主様のご主人の業種がわかりませんが当人の体調不良と家族の体調不良はまた別でしょう。夫の風邪を理由に仕事を休む妻というのもありえないと思いますがどう思いますか？
Na dia tao am-pandriana noho ny gripa aza aho, na nanana maripàna 40° nandritra ny telo andro misesy, na 38° mandritra ny herinandro iray manontolo, tsy mbola nandalo tato an-tsaiko mihitsy ny hangataka ny vadiko hijanona ao an-trano. Miasa eo amin'ny sehatra varotra izy ka mila mihaona amin'ireo mpanjifa ary tsy maintsy miasa alina raha misy ny tena tsy maintsy ifanampiana. Rariny amiko raha hoe mandray karama ny olona iray ka tsy afaka maka andro tsy hiasàna mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny orinasa iasany. Tsy dia fantatro loatra ny asan'ny vadinao, fa zavatra roa samy hafa ny hoe izy marary sy ny hoe  olona iray ao an-tokatrano marary. Tsy mino aho hoe misy vehivavy mangataka ny vadiny hampiato ny asany noho izy hoe marary fotsiny. Inona no hevitrao?
Miri dia miteny fa tokony hojerena koa ny toeran- [lazan-]drangahy vadinao.
旦那さんのお仕事の形態にもよると思いますが、急なお休みは周りにとても迷惑をかける事となります。それに自分(妻）の管理が出来ていない事で夫の会社に迷惑をかけるなぞ夫の評価を下げる事と思って居ます。
妻が病気(入院する様な病気以外）夫が会社休むは普通とは思えません。ヘルパーさん頼むとか考えます。
Miankina amin'ny asa ataon'ny vadinao io, nefa ny hiato tampoka amin'ny asa dia matetika miteraka olana maro ho an'ny mpiara-miasa amin'io lehilahy io sy ny mpanjifany. Ny tsy fahampian'ny fikarakarànao (ara-pahasalamàna) ny tenanao dia manimba ny lazan'ny vadinao amin'ny fiterahana olana ho an'ny orinasa iasany.  Tsy eritreretiko ho manara-penitra loatra  ho an'ny lehilahy ny mampiato ny asany satria marary ny vadiny, raha tsy hoe mila fidirana hopitaly angaha. Raha izaho dia aleoko maka mpitsabo mpanampy na mpikarakara manokana.
Mahatsiahy ny zava-niainany nitovitovy tamin'izany i Ranomaso [Teardrop]. Nandeha nisotrosotro niaraka tamin'ny mpiara-miasa aminy ny vadiny nefa izy marary, ka niteraka ady be.
でももっとびっくりしたのはこの話をした時の女性達の反応！「そんなことで・・・。」という反応なんですよね。ウチなんてもっとひどいわよ～って。
妻たちはみんなこういう仕打ちに慣れてしまって、感覚がマヒしてしまっているんだなぁって、悲しく思ったことを覚えています。
でもあれから数年・・・完全に私もマヒしてます。
Ny tena nahazendana ahy [mihoatra lavitra ny hoe nandehanany nisotrosotro] dia ny fihetsik'ireo vehivavy namako! Hoy izy ireo “Izany fotsiny ve no mahatezitra anao? Mbola loza lavitra àry ny ahy!”  Tsaroako ny nieritreritra hoe tena mampalahelo fa lasa zatra amin'izany fanaovana tsinontsinona izany ireto vehivavy ka na ny fisainany aza lasa donto.
Taona vitsivitsy izao no lasa nanomboka tamin'izay… ary maizina (donto)  tanteraka ny fisainako.
Miteny i Kanon fa maneho ny fitiavany amin'ny fomba hafa mihitsy ny vadiny.
夫の会社の激務や夫の社内での立場を思えば「体調悪いから帰ってきて！」とは言えません。私の体調の悪い時に夕飯を外で済ませてきてくれる。駅の自販機でポカリを買ってきてくれる。私にはそれだけで十分に優しい夫です。
Raha eritreretiko ny habetsahan'ny asa ataon'ny vadiko sy ny toerana misy azy ao amin'ny orinasa dia tsy afaka hiteny mihitsy aho hoe “Mba modia aloha fa tsy dia salama loatra aho izany!”. Rehefa marary aho dia any amin'ny trano fisakafoanana izy no mihinan-kanina hariva. Ividianany zava-pisotro mampatanjaka vita anaty boaty eny amin'ny milina mibaiko tena eny amin'ny tobin'ny fiarandalamby aho. Amiko, vady mikarakara izy matoa manao izany.
Miteny i ‘Kengyo-shufu' (mpiasa mpikarakara tokantrano) :
ちゃんと仕事をしたことないから言える言葉だと思います。
ご主人だって休みたいんだと思います。でも休めないんですよ。自分が体調悪くて休むのは周りに風邪をうつしてはいけないとかそういったことではないですか?
簡単に休めないという現在の多くの日本の企業が問題だと思いますが休めないのが現実です。
Ireny dia teny avy amin'ny olona tsy mbola tena niasa. Amiko dia te-hijanona ao an-trano ny vadinao, nefa tsy afa-manoatra.
Olana any amina orinasa Japoney maro ny fahasarotan'ny fakàn'ireo mpiasa andro tsy hiasàna, fa ny marina dia hoe tsy afaka mijanona fotsiny izy.
Mitsetra ny sasany, toa an'i nabe.
リナさんの言うことは正しいです。全然わがままではありません。
私はもちろん休んでいます。 […] 妻が病気になっても働く時代は終わってます。
二人で力を合わせて生活守って時代です
Rina, marina ny teneninao. Tsy fitiavan-tena mihitsy izany! Mijanona tsy miasa aho rehefa marary ny vadiko. […] Efa dila ny vanim-potoana nandaozan'ireo lehilahy ny vadiny marary. Ankehitriny, tokony manambatra hery isika sady miaro ny fidiram-bolantsika.
Gaga amin'ny fahasiahan'ny rehetra i Pochi, ary manontany ankolaka raha miasa 15 hatramin'ny 16 ora isan'andro izy ireo mandavan-taona.
家族がせっぱつまった状態のときに、仕事のほうがどうにか都合がつきそうだったら、少々遅刻して病院につれていくとか、コ ンビニで食料を調達するとか、残業はせずに急いで帰ってくるとかするのは社会人失格？頭から「休めるわけない！！」と決めつけるのは、ストイックな姿を会 社の人に見せたいから？自分の楽しみのために有給をとることもあるでしょう。（有給をとって友人とゴルフにいく上司をなんども見てます）
Raha mitondra olona iray ao anatin'ny fianakaviana ho any amin'ny hopitaly aho ka tara ora vitsivitsy vao tonga, mividy sakafo any amin'ny tranom-barotra ho an'izany, na maika ny hody fa tsy manao ora ambony ampanga rehefa mba misy ny azo anaovana izany, izany ve no hadika  fa tsy tena  ao anatin'ilay fiarahamonina (sosaiety)  aho? Te-hiteny mialoha ve ianao fa “Tsy misy fomba hakako andro tsy hiasàna mihitsy!” satria te-hampiseho amin'ireo mpiara-miasa ianao fa tena mahery fo?
Misy ny olona maka andro tsy fiasàna andraisam-bola noho ny rendrarendra, sa tsy izany? (Efa im-betsaka aho no nahita tale naka andro tsy fiasàna andraisam-bola mba handehanana hilalao ‘golf' miaraka amin'ny namany.)
Tokumei dia miteny fa miankina amin'ny hasarotan'ny aretinao io ary hoy izy  manohy:
結婚生活を快適に過ごすこつは、お互いに相手に期待しないことではないかともうすぐ銀婚式の私は思っています。期待すると裏切られたと思うし、期待しなければ些細な優しさもありがたく感じられます。再婚の際の参考までに
Hankalaza ny faha-25 taonan'ny mariaziko aho atsy ho atsy ary azoko lazaina anao fa ny fomba hananana fiainam-panambadiana mamy dia ny tsy manantena be avy amin'ny ankilany. Raha tsy manantena izany ianao dia hahafaly anao ny hetsika fanehoam-pitiavana faran'ny bitika indrindra. Mba toro-hevitra iny rehefa hiverina hanambady ianao.
Ity ny toro-hevitr'i Echika:
うちの会社の場合、男性が家庭の事情で会社を休むと、上司はあまりよく言いません。なので、私も自分の体調不良と偽って休暇をとり、妻の看病をしました。
Tsy dia nanan-kevitra be amin'ny lehilahy maka andro tsy iasàna ho an'ny olam-pianakaviana ny lehibeko. Ny ataoko dia ny miteny any am-piasàna fa marary aho dia mijanona any an-trano aho mikarakara ny vadiko.
Miteny i ‘Usuaji' fa tsy azony atao izany any amin'ny oriasa iasàny.
でも、文句を言い続けて一生夫婦であり続けることよりも、離婚と言う手段を選んだトピ主さんの勇気は素晴らしいと思います。
Ao anatin'izany rehetra izany, mitehaka ny herim-ponao nifidy ny fisaraham-panambadiana aho, toy izay handany ny andronao sisa amin-drangahy vadinao be taraina.
Manahiran-tsaina izany hoy Nya saingy tsy àry ho takatry ny lehilahy veroka foana izay tadiavin'ireo vehivavy, raha tsy hoe efa voafaritra mialoha angaha.
妻が病気の時、「食事を作るのは難しいだろうから、外食して帰るよ」という夫さん、よくいますよ。高熱で起きられない妻の 食事は??思いつきません。面倒だけど「作れないのでコレコレを買ってきて(何か買ってとまかせると、こってりしたコンビニ弁当とか買ってきてしまう)」
Maro amin'ny lehilahy no hilaza hoe  “Dia efa hisakafo mialohan'ny hodiana aho satria tsy maintsy ho sahirana ianao hahandro sakafo”. Toa tsy ao an-tsain'izy ireo velively ny hoe mba mila mihinana koa anie ilay ramatoa vadiny tsy salama. Mety hahasadaikatra anao nefa tsy maintsy miteny aminy ianao  “Tsy afaka hahandro aho anio ka azafady mba ividiano an'itsy sy iroa ho ahy”. Raha zareo no avelanao hifidy, dia ireny sakafo be menaka tonga dia raisina  sy ny toy izany ireny no ho entiny.
Tsara ny anamarihana fa  Hatsugen Komachi dia tena mitodika betsaka amin'ireo vehivavy na dia ny vehivavy mikarakara tokantrano aza. Ny tena lehibe amin'ity tantara ity dia ny mahita fa ny fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Hatena, firaisa-monina mirona betsaka  amin'ny lehilahy, dia tena hafa tanteraka mihitsy, (Eto ambonin'ny tany,  tsy misy asa manan-danja indrindra noho ny fandraisako an-tànana ny fahasalamako sy ny an'ny fianakaviako. 自分、もしくは家族の健康にも優先する仕事なんてこの世に一つもない。) tsy misy hafa amin'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ilay vohikala matihanina SNS LinkedIn (Ilàna solonarana ny fidirana ao: Ataon'ny Bevozona (mpanao afera)  Japoney sorona hatramin'ny ankohonany) saingy mbola tantara ho amin'ny andro hafa indray ny amin'izay.
Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan
Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy mihinan-kanina ny silamo amin'io, tsy misotro, tsy mifoka ary tsy manao firaisana ara-nofo ny maraina vao miposaka mandrapilentiky ny masoandro, mandany andro mivavaka sy mangataka amin'Andriamanitra ny hamelana ny fahotany tamin'ny lasa. Mankalaza ity volana ity koa ny mpitoraka bilaogy manoratra amin'ny teny arabo, ka efa tamin'ny herinandro niandohany, tao amin'ity lahatsoratra ity, no nizaranay ny famoronana ara-javakanto sasantsasany niarahabana ny mpamaky nahatratra ny volana.
Avy any Ejipta i Ahmed El Gamil no nandefa ity sary ity, izay nirariany ny mpamaky hahazo volana feno fitahiana:
Kuwaitism kosa nankalaza ny volana ka nandefa ity sary ity, sary maneho mpiasa vahiny any Kuwait:
Nanoratra koa izy:
مبارك عليكم الشهر
و أحب أزف أطيب التهاني و التبريكات لكل الفراشين اللي يشتغلون بمطابخ الشركات بمناسبة الإجازة أو الراحة من هالمعازيب الحنة بالدوام! ماكو “راجو جيب قهوة” … “راجو جيب شاي”!
و عسا كل أيامكم أفراح و سعادة جميعا
Arahabaina nahatratra ny volana!
Arahabaiko eto ny mpiasa rehetra, izay miasa any an-dakozian'ny orinasa satria nahazo fialan-tsasatra sy fakan-drivotra, niala tamin'ny antsoantson'ny mpiasa tsy an-kijanona hoe “itondray kafe”, sy ny hoe “itondray dite!”.
Mirary fahafinaretana ho anareo aho.
I Ba7rani87 koa amin'ny teny Barhain mankalaza ny ramadan ary nandefa ity soratra natao tanana ity izay milaza an'i Allah na Andriamanitra:
Allah
Amira Al Hussaini
Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana
Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana izany, ka tsy latsa-danja amin'ny ady hevitra ireo mpitoraka blaogy.
Hoy indrindra i Talking Under the Random Dribble, izay nilaza tamin'ny lohateniny fa mahazo mihoatra noho ny nangatahany tamin'ireo sinoa ny alzeriana.
A fight has broken out between Chinese and Algerians in Algeria…Algerians complain the new migrants drink alcohol and don’t respect Islam (”They drink alcohol and do not respect our religion. They must leave.“)…
Vaky ny ady eo amin'ny sinoa sy ny alzeriana any Alzeria … Mitaraina ireo Alzeriana fa misotro zava-pisotro misy alikaola ireo mpiavy ary tsy manaja ny finoana Silamo. (”Misotro zava-pisotro misy alikaola izy ireo, ary tsy manaja ny finoantsika. Tsy maintsy miala eto izy ireo.“) …
Fifandonana ao Chinatown, hoy i Kal ao amin'ny The Moor Next Door. Hoy indrindra izy mampahatsiaro ny tantaran'ny fifandraisana nivelatra teo  amin'ireto firenana roa ireto :
Algeria and China have quite fine relations. To say “Algeria and China” is to say the governments of the Democratic and Popular Republic of Algeria and the People’s Republic of China enjoy long and friendly relations The PRC was the first country to recognize independent Algeria. Quite a few Algerian military officers, engineers and others were educated in the PRC. Chinese television once broadcast programs on the Algerian “people’s revolution”. Algerian communists counted many, many Maoists in their ranks in the 1960’s and 1970’s, and the Chinese Embassy is historically one of the more important in Algiers. Any Algerian who has done his national service has held a Chinese made rifle and served in a military modeled after the People’s Liberation Army.
Azo lazaina fa tsara ny fifandraisan'i Alzeria sy i Shina. Ny hoe “Alzeria sy Shina” dia midika hoe ny governemantan'ny Repoblika Demokratika mamim-bahoakan'i Alzeria, sy ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, miaraka mahazo ny tombon-tsoa amin'ny fiarahana mahafinaritra. Ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina no firenena voalohany nanaiky ny fahaleovan-tenan'i Alzeria. Maromaro ihany ireo miaramila, injeniera sy ny hafa nandranto fianarana tany Shina. Nandefa ireo “fihetseham-bahoaka” tany Alzeria ireo fahitalavitra sinoa taloha. Maro tamin'ireo kominista Alzeriana no nanaraka ny foto-kevitr' i Mao tamin'ny taona 1960-1970, ary isan'ireo manan-danja ao Alger ny masoivoho sinoa. Ny Alzeriana rehetra izay nanao fanompoam-pirenena dia efa nilanja basy vita sinoa, ary nanompo ny firenena araka ny lalana miaramila novolavolain'ny Armée populaire de libération.
Miresaka lalina kokoa ny fifandraisana amin'izao fotoana izao i Kal avy eo. Hoy indrindra izy mikasika izany :
Algerians have not taken well to the large numbers of Chinese that have arrived in Algeria over the last decade, mostly to build the housing units and infrastructure projects president Bouteflika promised Algerians in 1999, 2004 and 2009. Algerians want those jobs. But they’ve gone to Chinese firms on Chinese terms.
Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fahatongavan'ireo Sinoa maro tao Alzeria nandritra ny taona maromaro izao, indrindra ireo tonga hanangana ireo trano araka ny nampanantenain'ny filoha Bouteflika tamin'ny 1999, 2004 ary 2009. Tian'ny Alzeriana ho azy ireo asa ireo. Niantso ny orin'asa sinoa nefa izy ireo, araka ny fepetran'ny sinoa.
Hoy ihany izy :
So the flare ups in Sino-Algerian relations recently have been the result of domestic politics; in other words, areas the two governments historically have ignored in their dealings with one another. But now, rebells in Algeria are setting upon Chinese interests based on the conduct of a Chinese rebellion; and ordinary Algerians are roughing up Chinese nationals, brought to the country as a result of this otherwise long and happy relationship.
Noho izany, izao fifandonana izao dia noho ny korontana ara-politika ao anatiny ihany ; izany hoe, ireo korontana tsy nomen'ny governamanta roa lanja tamin'ny fifandraisana taloha. Amin'izao fotoana izao dia manohitohina ny tombon-tsoan'ny Shina ireo mpikomy ao Alzeria noho ny fitondran-tenan'ireo mpikomy sinoa ; ary kotabain'ireo mponina Alzeriana ireo mponina Sinoa izay nifindra tany noho ny fifandraisana tsara taloha.
Hisy fiatraikany amin'ny fifandraisan'ny Sinoa sy ny Alzeriana ve izao fifandonana izao ? Tsy nampiova inona ao Alzeria izany, hoy ihany ny The Moor Next Door.
A headline like “Brawl breaks out in Algeria,” is the North African equivalent of something like “dog bites man”. One should consider that the day before Bab Ezzouar violence, there were youth riots in El Tarf, on the Tunisian border and that for a little more than a year intermittent violence has taken place between Ibadite Berbers and Arabic speakers Berriane, just north of Ghardaia. This is to say nothing of the numerous fits of car and tire burning that go on quite often elsewhere in Algeria. This is part of the setting of Bouteflika’s Algeria, and it is the failure of the socio-economic order he has setup, that addresses only macro-level economic and social problems, but fails to address the basic tensions in Algerian society in an effective way.
Mitovitovy amin'ny hoe “Manaikitra olona ny alika” ihany ny lohateny toy ny hoe “Teraka ny Korontana ao Alzeria“. Tokony hodinihina ohatra fa nisy korontana koa tao El Tarf, manaraka ny sisintanin'i Tonizia,  ny andro mialohan'ny herisetra tao Bab Ezzouar ; ary naharitra herintaona mahery ny herisetra teo amin'ireo silamo Ibadite Berbers sy ireo mpiteny arabo ao Berriena, avaratry i Ghardaia. Tsy ho tanisaina ireo fandorana sy fiara sy kodiarana izay mateti-pitranga ao Alzeria. Izay no endriky i Alzeria nentin'i Bouteflika, mampiseho indrindra ny tsy fahombiazan'ny fifampifehezana sosialy sy ara-toekarena izay mijery ankapobeny fotsiny, fa tsy mitondra vahaolana mahomby amin'ny ireo olana ara-tsosialy ao Alzeria.
Ekoatora: Fitsapam-pahaizana atao amin'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka
Isan'ny tanjona iray napetraky ny governemanta ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Ekoatora, ary ankehitriny ho fanatanterahana izany dia manara-maso akaiky ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka manerana  ny firenena izy. Ny sampana mpanatanteraka dia vao avy nandàny  lalàna  vaovao iray(.pdf doc) mangataka  ireo mpampianatra rehetra handalo fitsapam-pahaizana mandritry ny herinandron'ny  faha 25 Mey. Na eo  zaza izany, ny Fiombonam-bem-pirenen'ny mpampianatra [es] (UNE ho an'ny fanafohezana azy amin'ny teny Espaniôla) dia manohitra sy mihantsy mivantana ilay fanapahana amin'ny filazàna fa tsy mazava loatra ny maha-ara-dalàna na tsia ny fanaovana fitsapam-pahaizana toy izany. Ampahany kely dia kely raha ny isan-jaton'ireo mpampianatra mpikambana ao aminy no nandray anjara tamin'ilay fitsapam-pahaizana, ary dia mipoitra ankehitriny  ny fanontaniana hoe fomba ahoana no hahazoana antoka fa hahazo ny fampianarana mendrika sy sahaza azy,  avy amin'ireo mpanabe eto amin'ny firenena ireo kilonga.
Ireo mpampianatra mivondrona manao diabe fitakiana fisondrotan-karama teny an-dàlamben'i  Machala, faritanin'i El Oro, Ekoatora. Famoahan-tsary nahazoana alàlana tamin'i http://www.diariocorreo.com.ec
Vondrona maro avy amin'ny Fiombonan'ny Mpampianatra no naneho ny hevitr'izy  ireo momba ilay fitsapam-pahaizana. Ny UNE ao Carchi [es], ohatra, dia nanomboka hetsi-panoherana ho fanehoam-panohanana ireo sekoly nandà ny hanaovana fitsapam-pahaizana[es].
David Guamba avy amin'ny Ecuador Noticias [es] dia manazava ny antom-pisian'ilay fitsapam-pahaizana sy ny hoe nahoana ireo mpampianatra no matahotra:
Según el Ministro del ramo, Raul Vallejo, se aplicarán dos tipos de evaluaciones: interna y externa. La interna la realizan colegas, directivos, estudiantes, padres y madres, y el mismo maestro (autoevaluación); además se realiza la observación de una hora de clase. Todas estas evaluaciones internas suman el 50 por ciento de la calificación. Por otra parte está la evaluación externa, que consiste en la aplicación de pruebas sobre conocimientos específicos que tendrán un peso del 30 por ciento, prueba de conocimientos pedagógicos que tendrá un peso del 10 por ciento y prueba de habilidades didácticas que tendrá un peso del 10 por ciento de la calificación total.
Los docentes que obtengan una evaluación final mayor a 90 por ciento (excelente) accederán a becas o pasantías, serán maestros en programas de capacitación, y recibirán un estímulo económico de 1.200 dólares cada año, hasta la nueva evaluación, que será después de cuatro años.
Raha ny filàzan'ny Minisitra, Raul Vallejo, hànana endrika roa ny fitsapam-pahaizana: anatiny sy ivelany. Ny anatiny dia harafitry ny mpiara-miasa, ny mpanara-maso, ireo ankizy, ny raiamandreny, ary ny samy mpampianatra [fitsaran-tena](self-evaluation), ary ampidirina ao anatin'io ny fijerena mivantana ao an'efitrano fampianarana mandritry ny ora iray. Izany fitsapam-pahaizana rehetra izany dia hanome ny 50 isan-jaton'ny isa atolotra. Hisy koa ny fitsapam-pahaizana ivelany, izay idiran'ny fahalalàna manokana ka hanomezana ny 30 isan-jaton'ny isa, ny fanànana fahaizana mampianatra hahazoana ny 10 isan-jato, ary ny traik'efa amin'ny fampianarana hanome ny 10 isan-jaton'ny isa rehetra mitambatra.
Ireo mpampianatra mahazo isa 90 isan-jato no mihoatra  (mendrika indrindra) dia hanan-jo hahazo  fanampiana ara-bola na hanaraka fiofanana momba ny asany, ho lasa mpampianatra mpanofana aminà tetikasam-panabeazana izy ireny, ary hahazo famporisihana ara-bola manodidina ny  1,200 dolara isan-taona mandra-pisian'ny hetsika vaovao indray, izay mbola any aorian'ny efatra taona any.
Ireo mpampianatra tsy tafita tamin'ilay fitsapam-pahaizana voalohany kosa dia asaina manaraka fiofanana mandritry ny herintaona ka aorian'izay dia homena vintana izy ireny hamerina indray hitsapa fahaizana. Aorian'izay ihany, raha tsy afaka i ramose na i madama, vao roahana tsy ho mpanabe intsony.
Belem Proaño avy amin'ny Temas Para Debatir [es] dia manaiky fa ny fandàvana tsy hotsapàna fahaizana dia hampihen-danja ireo mpampianatra ary ilay fitsipahana dia raisina ho toy ny fandàvana fanavaozana, izay zavatra efa irosoan'ny firenena:
La educación es un tema muy sensible dentro de una sociedad porque tiene relación con su futuro. Si los maestros se niegan a ser evaluados, más bien presionados por su sindicato, se enfrentan a una imagen mediocre frente a los ciudadanos. Este es un tema muy comentado en el país pero todo se ha quedado prácticamente en la polémica.
Personalmente pienso que ningún profesional debería tener miedo a una evaluación porque las evaluaciones no son represiones sino un instrumento que permite conocer la realidad de la educación. Con ello las medidas que se tomen o las planificaciones que se realicen serán más exactas o menos propensas al error.
Zavatra saropady ny fanabeazana eo anivon'ny fiarahamonina  satria iankinan'ny  hoaviny. Raha mandà tsy hotsapaina fahaizana ireo mpampianatra, sahala amin'izay haneren'ny Fiombonamben'izy ireo azy, dia hanome sary ratsy eo anoloan'ireo mpiray tanindrazana amin'izy ireo. Isan'ny anton-dresaka iray tena voizina be eto amin'ny firenena io izao, saingy mbola betsaka ny zavatra mifanipanipaka.
Amiko manokana, heveriko fa ny tsy matihanina ihany no tokony hangovitra amin'ny fitsapam-pahaizana satria ny fitsapam-pahaizana tsy hoe famoretana tsy akory,  fa fitaovana iray hahafantarana ny tena zava-misy eo amin'ny seha-panabeazana. Miaraka amin'ireny fepetra rehetra ireny, ho matotra kokoa ny fandaminan-draharaha ary  tsy hahitàna hadisoana firy intsony.
Ny fitsipahana toy ity dia nitondra adihevitra manodidina ny anjara toerana raisin'ny Fiombonamben'ny mpampianatra sy ny fisiana na tsia fironana pôlitika manosika ilay Fiombonambe. Na dia ny mpitoraka blaogy ao amin'ny Ecuador Sin Censura [es] izay manohitra mivantana ny governemantan'i Filoha Rafael Correa aza, dia mihevitra fa rariny ny hijoroan'ity farany manoloana ny Fiombonamben'ny mpampianatra izay manana fifandraisana akaiky amin'ny antoko pôlitika  Democratic People's Movement (MPD).
Ny Minisitry ny Fampianarana teo aloha Alfredo Vera Arrata dia manakiana ny  MPD ao anatin'ny blaoginy satria vondron'olona  30 mpikambana ao amin'ny  Democratic Popular Movement (MPD), izay milaza tena ho mpampianatra na dia tsy mbola nanitsaka akory ny tokonam-baravaran'ny efitrano fampianarana aza, no milalao ity raharaha ity ary izy ireo dia mandray karama.   Vera dia iray amin'ireo mpankasitraka ny fanavaozana,  miaraka amin'ny Minisitry ny Fampianarana ankehitriny Vallejo, izay ao ambadiky ny hetsika manohitra ny UNE. Ny Unitary Front of Education Workers (FUTE) izay  nampangaina ho manao izay hampizarazara ny UNE izay tena lehibe tokoa [es]. Ity sampana vaovaon'ireo mpampianatra mivondrona ity dia ahitàna hatramin'ny  40 000 ny mpiakambana ao aminy  ary mitoetra ho tsindrin'entan'ny  UNE.
Raha mihamahazo vàhana hatrany ny fankasitrahana ny fanaovana fitsapam-pahaizana, mbola mahazo fanohanana manerana ny firenena ihany koa ireo mpampianatra. Ilay mpanao gazety Fernando Balseca ao amin'ny gazety   El Universo dia milaza fa adinon'ny governemanta fa karama varymasaka no raisin'ireo mpampianatra ireo ary ny firenena dia tsy nanana mihitsy Ministeran'ny Fampianarana niainga avy any an-tsekoly izany. Amin'ny endrika fanesoana ihany koa no anamarihany fa ireo lohandohany mpitarika ny fitsipahana dia saiky avy aminà sekoly iray avokoa ary matetika koa dia mpianatr'ireo mpampianatra tandindonin'ny fandroahana amin'izao fotoana izao raha tsy manaiky ny hanao fitsapam-pahaizana.
Na izany aza, maro no manakiana ny Filoha Correa momba ny fitantanany ireo raharaha fitsipahana sy ny fitsapaham-pahaizana.Indray mandeha indray, ny mpitoraka blaogy ao amin'ny Ecuador Sin Censura [es] dia tsy mahita loatra ny antony iventesan'ny governemanta ny Artikla faha-38,andalana momba ny asan'ny mpampianatra ho fototra iorenan'ny fandroahana ireo mpampianatra mandà ny tsy hiatrika fitsapam-pahaizana. Milaza izy io fa ireo mpampianatra dia azo roahana rehefa voaporofo ny tsy fahaiza-manaony, nefa kosa ny fandàvana tsy hiatrika fitsapana dia tsy porofo mihitsy azo hanamarinana izany zavatra izany .
Farany,  Julio C. Enriquez avy amin'ny Ultimatum [es] dia mihevitra fa manana ny tsy azony ihoarana i Correa sady miantso fifanatonana eo amin'ny roa tonta. Manontany izy hoe nahoana i  Correa, raha handany andro hifampitàna amin'ireo mpitarika sy ny mpikambana ao amin'ny UNE ihany, maninona izy raha mampanao fihaonambem-pirenena sy manaiky mba hihaino ireo mpanabe sy ny hanoloran'izy ireo ny vivavinany  hahafahan'izy ireo miara-miasa hikatsaka izay tsara indrindra ho an'ny fanabeazana Ekoatoriana:
Siendo así las cosas ¿Porqué Correa aparece altisonante, con una política de amenazas hacia los profesores de la UNE, francamente tonta. ¿Por qué no convoca al magisterio a un gran diálogo nacional para enfrentar juntos el desafío de transformar para siempre el pesado fardo de una educación básica preterida por todos los gobiernos de turno? ¿Por qué Correa no interroga a la UNE acerca de que propuesta tiene para transformar la educación y la compara con su visión del mundo ahora que como máximo representante de su clase social –la pequeña burguesía progresista–,se erige en clase dominante en el poder? ¿Por qué el método de choque?
Amin'ny fitrangan'ny raharaha amin'izao fotoana, nahoana i Correa no mbola miseho milay amin'ny pôlitikan'ny fampihorohoroana ireo mpampianatry ny  UNE ihany? Tena tsorina, mandreraka be izany. Maninona no tsy miantso fihaonambem-pirenena amin'ireo mpampianatra ireo izy mba hanamafisana miaraka ilay fanamby hanovàna ireo lova mavesatra mitambaby amin'ny fanabeazam-pirenena nodian'ireo governemanta nifandimby tsy hita, indray mandeha tsy miverina?  Maninona no tsy anontanian'i   Correa ny  UNE momba izay soso-kevitry ry zareo ho fanavaozana ny fanabeazana sy mba hampitahàna izany  amin'ny fomba fijeriny  manokana ny tontolon'ny fanabeazana, amin'izao fotoana maha-sangan'ny sarangam-piarahamonina misy azy izao - dia ny sarangan'ny  bourgeois vao misondrotra izay hanjary ho saranga mitàna ny fahefana atsy ho atsy? Fa maninona no miditra amin'ity fomban'ny fifandirana ity?
Ireo mpitarika ny UNE dia mihevitra ny hankalàza ny  National Council meeting amin'ny Alatsinainy 1 Jona mba hifanakalozana hevitra momba izay tetik'ady hiatrehana ny hoavy, ary efa miantso sahady diabem-pirenena izy ireo ny 11 Jona izao.  Rafael Méndez dia mihevitra ny hanatrika ny fampihaonana hokarakarain'i  Correa ao Guayaquil ny Zoma 29 Mey ho fanohanany ny tolo-keviny amin'ny fitsapana fahaizana.   Méndez dia mino ny maha-zava-dehibe ny tokony hanohanana ny Filoha  Correa ary mitantara ny antony mbola nandraisan'ireo  mpampianatra 12000  (mpikambana ao amin'ny UNE) karama ihany na dia tsy niasa aza izy ireo.  Ho izy manampy:
de ser así, ellos no tendrían autoridad moral para dejar de año a los estudiantes que se nieguen a hacer exámenes en los colegios.
Araka izany, ry zareo (mpampianatra) dia tsy manana ny fahefana ara-moraly hampamerina kilasy ireo mpianany izay tsy manaiky hiatrika ny fanadinana (azy ireo) any an-tsekoly.
Israel: Manohana ireo mpiasa mitokona mitaky ny zony ny mpitoraka bilaogy
Anankiray amin'ny zavatra tena hifantohan'ny mpitoraka bilaogy Israeliana ny fitakian-jo ataon'ireo mpiasa. Taona vitsivitsy izay dia sindikan'ny mpiasa maro miasa amin'ny sehatra tsy miankina toy ny mpandroso sakafo any amin'ny café, ny mpiambina, ny mpanao gazety, no namahana bilaogy ho fitakiana ny zony ary nahavita namorona ady hevitra matanjaka sy nahazo fanohanana tamin'ny mpitoraka bilaogy.
Amin'izao fotoana izao dia zavatra 2 no mibahana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Israeliana: ny fanohanana ny mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe, izay efa nitokona nandritra ny 5 herinandro izay. Fitokonana izay hita taratra sahady fa ho ela vao hisy vahaolana; sy ny fitsipahan'ny AMPM(Fikambanan'ny mpivarotra fanafody sy ny super marchés any Tel Aviv) izany fitokonana izany satria tsy mba manaja ny lalànan'ny asa mantsy izy ireo.
Ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe no anjerimanontolo lehibe indrindra any an-toerana satria misy mpianatra 42 000 sy mpampianatra  1300. Raha tsy niresaka intsony ny momba ny fitokonana ny gazety mahazatra taorian'ny 2 herinandro dia mpitoraka bilaogy Israeliana maherin'ny 30 kosa no nanohy izany mba hanome hafanana ny fitakiana sy ny ady hevitra.
Nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Keren Fite, manam-pahaizana ambony amin'ny literatiora anglisy:
“Nandritra ny 13 taona dia noheveriko fa tsy nanam-pidiny aho: tsy afaka nandray ahy ny anjerimanontolo raha tsy feno ny isan'ny mpianatra hanatrika ny fampianarako satria manana hevitra ekonomika niainany izy. Vokatr'izany dia herinandro monja alohan'ny fanombohan'ny 6 volana hampianarana aho no ampandrenesina, ary mitaintaina foana raha handray karama indray amin'ny volana manaraka. Vokatr'izany ihany koa dia voaroaka aho isaky ny vita ny 6 volana ary miandry indray na mbola horaisina (na tsia).
Kanefa tsy raharahan'ny anjerimanontolo ny momba ahy: tsy mahazo marary aho ary tsy nandray fanampiana ara-tsosialy mihitsy, ary rehefa bevohoka aho dia tsy havaozina intsony ny fifanarahana hiasa ho amin'ny 6 volana manaraka.
Amin'izao fotoana izao raha mitokona aho dia tsy hajain'ny anjerimanontolo ny zoko hitokona sy hanao tsia amin'ireo zavatra mampietry voninahitra ataony ireo. Hatramin'ny nanombohan'ny fitokonana dia nahazo hafatra fampitahorana aho manery ahy hilaza fa raha mitokona aho dia tsy mandray karama. Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe, fantatr'izany ireo tsara fa ao ny foto-pivelomako ary andrasany izay hahatonga ahy ho noana tsara dia mijanona ho azy tsy manao fitokonana intsony avy eo.
Noho izany, ny anjerimanontolo natao ho an'ny daholobe hahazoan'ny rehetra mianatra amin'ny ambaratonga ambony no tsy manome asa sahaza ho ahy sy ny manakana ny zoko tsy hiaina ara-dalàna.”
Manoratra ao amin'ny bilaoginy i Labyrinth:
“Mety hihemotra ny fanadinana, mety hihena ny naotiko na koa ato anatin'ny 1 volana dia mety ho sempotry ny fanenjehana ny tsy vita aho. Kanefa efa miomana koa fa ny mpampianatra dia miala sasatra kely anelanelan'ny fampianarana sy ny fanadinana, satria hiakatra kely ny karaman'izy ireo. Afaka manoro hevitra ny namako aho hanantona koa ireo mpampianatro ireo mba hahazoan'izy ireo asa tsy voaelingelina ka afaka miantoka ny 6 volana. mety hiseho koa ny hoe hisokatra amin'ny sindikan'ny mpiasa matanjaka kokoa ny sindika, amin'ireo toeram-pianarana ambony tsy miankina izayhiharan'ny zavatra iainanan'ny anjerimanontolo koa.
Angamba indray andro any raha tonga eo amin'ny toeran'izy ireo aho (izany no faniriako…) dia ho sambatra aho satria nandray anjara tamin'ny fitokonana, satria hiainako tokoa amin'izany fotoana izany ny ady nataoko”.
Manampy izany koa i Tomer Reznik ao amin'ny bilaoginy:
“Raha nanontany tena aho hoe ahoana no fomba hanoratako zavatra mahaliana mikasika ny zo fototra (fifanarahana iombonana, fiahiana eo ami'nny asa…) dia taitra tampokatamin'ny fitakian'ny mpampianatra aho: tsy maintsy mamaly ny fitakian'izy ireo ny anjerimanontolo ary hampitsahatra ny fitondrana azy ireo ho toy ny mpisolo toerana!”
Milaza i Limor64, mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo efa ho 11 taona izao:
“Tsy te ho fitaovana hanamaivana ny anjerimanontolo intsony izahay. tena miroborobo ny anjerimanontolo natao ho an'ny daholobe, kanefa izany fahombiazana izany dia avy amin'ny fianarana ny maha olona. Tsy nandray karama izahay efa ho 5 herinandro izao, tsy azo antoka ny ho avy amin'ny 6 volana manaraka, kanefa mihevitra toeram-piasana tsaratsara kokoa izahay amin'ny ho avy. Tena zava-dehibe mihitsy amin'izao fotoana izao ny zo eo amin'ny asa, ary iraisam-pirenena izany, satria ny mpiasa no manentsina ny lavaka vokatry ny krizy ekonomika eo anatrehan'ny mpampiasa sy ny governemanta”.
Manampy ireo mpitoraka bilaogy ireo dia misy fiarah-mientana koa ao amin'ny Facebook. ny iray amin'ireny, Roy Chicky Arad, mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy tafiditra ao amin'ny mpanohitra-kolotoraly, no nampanao fifaninanana mamaky ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe “Anjerimanontolo filamatra”, natao ny 12 may lasa teo manoloana ny tranon'ny lehiben'ny anjerimanontolo ho an'ny daholobe.
Andro vitsivitsy lasa izay dia fanentanana fanoherana ireo fivarotam-panafody no nataon'ireo mpitoraka bilaogy: tsy mividy zavatra intsony any amin'ny AMPM vokatry ny heloka bevava nataony izay ny mpiasa ao aminy ihany no voa mafy, mpiasa jiosy-etiopiana ny ankamaroany.
Ilay mpitoraka bilaogy, Sharon Gefen , niandohan'ny hevitra tsy hividy any no nanoratra:
“Tsy fantatro ny fanaony amin'ny fampitomboana faktiora na ny fitomboan'isany tsy an-kijanona ka manery ireo mpivarotra tantanan'ny fianakaviana hikatona, fa tsy zakako fotsiny ny hoe manitsakitsaka ny zon'ny mpiasa izy ireo. Ohatra fotsiny, raha sendra tara ny mpandray vola dia mandoa lamandy 15 shekels. raha tsy tonga miasa dia mandoa 45 shekels, izay avo 2 heny amin'ny karamany. Ampy izay. Aleoko ihany mividy sigara( ronono, mofo…) any amin'ny toeran-kafa, indrindra fa hoe mahatsapa ny rehetra fa “Tsara ny miaina eto an-tanàna” araka ny sora-baventy fanevan'ny AMPM, na dia mpiasa ao aminy aza izy ireo ”.
Carmel L. Vaisman
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa  tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny  Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna fankatoavana avy amin'ireo mpampiasa azy ireo. Natao izao  hetsika izao hanafoanana ny fomba  fanohànana tamba-be mpiasa maro fanaon'ny Bahrainis, izay matetika no tonga avy any amin'ireo tany madinika manodidina, izay ampandoavin'izy ireo vola ho  “sàran'ny visa” raha toa izy ireo ka manapa-kevitra hiasa aminà mpampiasa hafa.
Nefa kosa ho an'ny sasany any Barhain, izay misedra olana ara-ponenana sy tsy fanànana asa ny mponina ao aminy, miteraka ahiahy ilay hevitra hanamoràna ny asan'ireo vahiny eo an-toerana.
Ny mpitoraka blaogy Mohammed Marhoon no mamaritra  trangam-piainana iray tsy ela akory:
في صيف البحرين الحارق، وسط المنامة، بانتظار ضوء الإشارة الأخضر بعد مرور “الهوامير” تسند رأسك على زجاج السيارة لتهب نسمات مكيف السيارة البارد منعنشة غليل الإنتظار وجذوة الشمس عند آخرها، يقطع هذا الإكليل المنهك طرقات “هندي” على النافذة.. “طخ، طق، طق..”.
للوهلة الأولى افتكرت أنّه يريد ابتياعي “عبوة مياه”، إلا أني لم أرى أيّ عبوات بين يديه ونوضح هنا ما نقصده “ماي صحة”، بالهندي “بوني” وأولاد ميري يقولون “water” حتى لا نتعرض للمسائلة أو ننتمي للمنظمات الإرهابية على أي حال، فتحت النافذة، وإذا به يستجدي: “بابا.. فقيير أنا فلوس مافيي، الله يهرم واديك، فقييير بابا.. فقيير بابا”، أستغربت حينها، أكان صدفة أم أن هناك مثله مئات!؟ وهنا لن أسلّط الضوء على الفقر والعوز فمثله من جاليات أخرى قاطنون شوارع المنامة بطولها وعرضها وليس بغريب عليكم إلا أنّ هندي يشحذ، أول مرّة أشوف!
Anatin'ny andro migaingaina tao Barhain, tao afovoan'i  Manama, teo am-piandrasana ny jiro mavo hirehitra, raha nandalo ireo trondro hamoor [big shots]. Apetrakao amin'ny varavarankelin'ny fiara ny lohanao mba hahazo ny tsioka malefakin'ny milina fampangatsiahana hampisinda ny hatezeranao noho ny fiandràsana ela sy ny daniky ny masoandro. Izany fitsotsorana izany no notapahan'ny Indiana iray tampoka nandondona teo amin'ny varavarankely…tap, tap, tap…
Tamin'ny voalohany dia noheveriko fa te-hivarotra rano amin'ny tavoahangy tamiko izy, saingy tsy nahita aho na tavoahangin-drano iray aza teny an-tànany. Rano mineraly no tiako hambara eto an!, ‘pani' amin'ny teny Hindi, ary izay ambaran'ny zanak'i  Mary [ireo mpiteny Anglisy] hoe  “water”, mba tsy ho tratry ny fanontaniana isika na fanamelohana hoe mpikatroka anaty fikambanana mpampihorohoro. Mazava ho azy, novohako ny varavarankely, ary hitako izy mangataka famonjena: “Baba, mahantra aho…tsy manam-bola…Andriamanitra hitahy ny raiamandreninao… mahaaaantra, baba, mahantra aho, baba.” Gaga be aho. Kisendrasendra ve ity, sa misy an-jatony ny toa azy? Tsy hafantoko loatra amin'ny fahantrana sy ny filàna eto, satria misy vondrom-piarahamonina hafa maro tahaka azy miaina manerana an'i Manama, ary tsy mahagaga ny mahita azy ireny - saingy sambany kosa no nahamarihako Indiana nangataka!
طقوس.. يوم الجمعة..
تستقطب منطقة المنامة يوم الجمعة من ساعات الصباح الأولى الهنود وهم “ضاربي دهن الراس”، “وثياب مكوية”، “وأذواق مختلفة” وتلاقح ثقافات وطقوس، فتجدهم يتبادلون التحايا ويتحاضنون “Hug’” ويصطفون لصلاة الظهر، يتدفقون من كل حدب وصوب.. لينتهي الحال الجلوس على عتبات باب البحرين عصرا.. وارتياد الكورنيشات.. يوم حافل لديهم..
Ireo fombafomban'ny andro Zoma…
Ny ora vao misandratr'andron'ny Zoma maraina ao amin'ny  souq faritra manodidina an'i Manama dia mahasarika Indiana maro, miaraka amin'ilay volo mifotetaky ny menaka, fitafiana marevaka, ary ireo fankafizan-javatra samy mànana ny azy. Ambohipihaonan'ny kolontsaina sy fombafomba maro samihafa io. Hitanao mifampizara firariantsoa sy orokoroka izy rehetra, avy eo dia mitandahatra hanao ny vavaka mitatao vovonana fanaon-dry zareo. Avy amin'ny lafin-tany rehetra izy ireo, ary amin'ny tolakandro dia miara-mipetrapetraka mankeny amin'ny  Bab Al Bahrain, na mitsidika ny elo-drano  [fitsangatsanganana eny amoron-drano]. Andro maha-somadodoka ho azy ireo io…
حاجتنا للهنود.. حاجتنا للهواء
إذا ما نظرنا للأعمال المتعددة التي يقوم بها “الهنود” في خدمة الشعب من أصغرها حتى أكبرها، فمن غسيل السيارات، بيع الياسمين في الطرقات إلى بناء الشاهقات، المحلات التجارية، رياض الألعاب، وصولا لمدراء و”كبارية” أينما “قلبت” وجهتك فثمّة “هندي” ولا غرو في ذلك!
Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Raha jerentsika akaiky ireo asa maro ataon'ny Indiana ho fanomezana fahafaham-po ny daholobe, manomboka amin'ny tanora indrindra ka hatramin'ny antitra, manasa fiara izy ireny ary mivarotra jasmin eny an-dàlambe, manàngana ireny trano avo manaka-danitra ireny, ireny toeram-pivarotana lehibe sy toeram-pilalaovana ireny, ary misy ny lasa tompon'andraikitra sy mpandraharaha.  Na aiza na aiza alehanao dia misy Indiana foana, ary tsy mahagaga izany!
A.T.M
تجدهم مصطفين بنتظام طابور طويل على آلة السحب الآلي “A.T.M” ذلك لأخذ كشف الحساب، على أرباب العمل أن يمنحوا الهنود شهادة راتب ليزيحوا بذلك العناء النفسي والهوس لدى عامليهم “يجي فلوس”،”ما يجي”، “ناقص موجود”،”أرباب كنجوز”.. ويخفوا علينا “شوي”.
الهنود هم أكبر الجاليات المنتشرة في العالم التي تقدر عدد أفرادها حوالي 25 مليون هندي يعيش حول العالم! شريحة واسعة في البحرين مع فتح باب “فري ويزا” راح يكون الوضع مرعب! أكرر أول مرّة أشوف هندي “بابا فقيير.. بيزات مافيي” يطلب في وضح النهار من السيارات المارّة هنا وهناك! اليوم متعقّد من الهنود صراحة..!!!
ATM (Milina mpizara vola mibaiko tena)
Hitanao mitandahatra lavabe eny amin'ireny ATM ireny ry zareo, mba hàka ny toe-bolany. Tokony hanome taratasy filazàn-karama ho an'ireo Indiana ireo ny mpampiasa azy ireo mba hanamaivanana ny rarin-tsaina mianjady amin'ireo mpiasany mieritreritra ny hoe , “tonga ary ve izay ny vola?”, “Tsy mbola ao ilay izy”, “Tsy ampy izy izany”, “Tena fangoloka ny mpampiasa ahy”, ary ny  “Tena kely [karama vary masaka] izy izany”.
Ny Indiana no foko isan'ny tena miparitaka be indrindra manerana ny tany. Vinavinaina ho  25 tapitrisa ny  Indiana miaina ivelan'ny fireneny. Ny be indrindra amin'ireny dia any  Bahrain ary miaraka amin'ny famohàna ny varavarana ho an'ny visa maimaim-poana ho an'ny mpiasa, ho sarotra ny teo-draharaha! Toy izay efa nolazaiko, Ity no voalohany nahitako Indiana niteny hoe, “Baba, mahantra aho, tsy misy vola.” Ankarikary be izao izy no nangataka tamin'ireo fiara rehetra nandalo tetsy sy teroa. Tsy asiako fihatsaram-belatsihy, mihevitra aho androany fa tena nanana complexe manoloana ireo Indiana.
Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto
Deng Yujiao, mpandroso sakafo  iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy.  Ny resaka mandeha eo anivon”ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny filazana azy ho  Yang Jia iray vaovao  nijoro tamin'ny fahamarinana.
Lehibe ao amin'ny birao fampiroboroboana ny fampiasam-bola ao Canton i Deng Guida, ilay lehilahy maty. Nandeha niaraka tamin'ny namany roa izy mba hanararaotra fanorana tao  amin'ny Dream City, ary tany no nahitany ilay mpandroso sakafo. Nangataka  ‘fikarakarana manokana', midika hoe ‘filàn'ny nofo' izy io  any Sina, izy ireo saingy  nolavina izany.
Raha ny voalaza dia namoaka vola taratasy avy tany am-paosiny i Deng Guida ary nokapohiny tamin'iny ny lohan'ilay tovovavy. Nahatsiaro menatra noho izay fihetsika izay, ary  niezaka nandositra nivoaka ny  trano i Deng saingy indroa natosik'ilay niharam-bono ho eo ambony sezalava iray izy. Nahita antsy ilay tovovavy ka notsindroniny ny tendan'ilay lehilahy, nitarika ny fahafatesany sy nandratra ny iray tamin'ireo namany.
Fotoana fohy taorian'izay dia niantso ny polisy ilay vehivavy  ka nitolo-batana  hotanana an-tranomaizina.
Vantany vao vaky ny resaka dia niteraka avy hatrany resa-be teny amin'ireo toerana falehan'ny besinimaro. Ny voalohany dia ny fahafantàrana raha tokony ho raisina ho fiarovan-tena ny fihetsik'ilay tovovavy. Na dia misy amin'ireo mpahay làlana aza no manaiky fa mety ho meloka izy, ny sasany ao amin'ny Xing-Dao Daily, gazety mpampita vaovao any Hong Kong, kosa miady hevitra:
邓贵大要求邓玉娇提供“特殊服务”，邓玉娇不从，使用暴力手段，两次将邓玉娇按倒在沙发上，已构成强奸行为，且该不法侵害正在进行，并即将邓玉娇的人身造成严重损害。邓玉娇的防卫行为，是在情况紧急，精神高度紧张的情况下采取的自卫行为…不负刑事责任。
Nangataka  ‘fikarakarana manokana' ilay mpiasam-panjakana, nefa nolavina! Natosiny tamin-kerisetra ho eo ambony  sezalava i Deng, izay fihetsika azo lazaina ho saika hanolana azy. Nisy izany ny fanohintohinana ny zo maha olona an'i Deng ary saiky niteraka ratra lehibe teo aminy. Fiarovany ny tenany izany ilay famonoany tamin'ny antsy ary noho ilay tranga tao anaty hamehana….tsy tokony tondroina ho meloka izy!
Maro tamin'ireo mponin'ny aterineto no nanandra-peo momba an'i Deng. Yi Li in Tianya dia nitondra fanamarihana momba ny vaovao, manao hoe,
邓玉娇，你是好样的。敬佩你，支持你，向你学习。望保重。
Deng Yujiao, hendry ianao. Midera anao aho  ary manohana anao, ary manan-javatra alain-tahaka avy aminao. Masiana indrindra.
Ankoatra izay, ny tantarany dia voasoratra anaty lahatsoratra fohy amin'ny teny Sinoa tranainy izay ampiasain'ireo mpahay ny tantara fahiny hiraketana ho ohatra ny nasehon'ny olona iray nanam-pahasahiana. Ho an'ireo mahay  tsara ny Sinoa, ity ilay lahatsoratra:
邓玉娇者，荆州巴东人也，美而烈，以修脚为业。
一夕，浣纱于室，野三关镇吏黄德智、邓贵大、邓某相携寻欢不遇，见玉娇，遂破门而入，欲强狎焉。玉娇严词斥之，邓贵大怒，鞭面以币，曰：吾辈多金，岂惧汝不从哉。玉娇不顾，贵大愈怒，乃按其于卧塌，强起，复按之，三者相视而笑。玉娇羞愤，遂操细刃刺之，三创而毙，德智复犯，玉娇又刺之，重创，邓者大惧，不敢前。玉娇乃投刃自首于官。
jy_xyp dia milaza fa:
娶女如此,此生足已!!!!
Sambatra aho raha tovovavy toy izany no azoko ampakarina ho vady.
Zava-tsarobidy ny fahadiovana [ maha-virjiny] any Sina, ary maro ireo tantara maneho ny fomba niarovan'ireo vehivavy ny haja sy voninahiny. Eto  ny teo-po nidera tovovavy iray niaro ny fahadiovany dia miharo fankahalàna ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly ihany koa.
Ao amina'ny  People.com, i  Sun Xiaobo mpitoraka blaogy iray dia manontany hoe:
一是这些官员哪里有那么钱？因为在争执中，被刺死的邓贵大曾从怀中拿出一沓钱抽打邓某的头部，一个靠工资过日子的公务员哪来的那么多钱，而且一点也不怜惜。到底是公款，还是腐败得来的。官员为何热衷于去娱乐场所？为何热衷于特殊服务？
Fomba nanao ahoana moa no tena nanànan'ireto mpiasam-mpanjakana ireo vola be toy izao? Nandritry ny fifanolanana dia novelesin'ilay nidiran'andro taminà antontam-bola taratasy ny lohan'ilay tovovavy. Raha avy amin'ny karamany, ahoana no hananan'ny mpiasam-bahoaka iray vola be toy izany holanilaniana fotsiny ka tsy hampanontany tena sy hiteraka ahiahy? Volam-bahoaka ve io sa vola nahodina angamba?
Ahoana no ahafahan'izy ireny mandeha matetika any amin'ny toeram-pialamboly toy izany sy adala tafahoatran'ny  ‘fikarakarana manokana' toy izao?
Mpitoraka blaogy, mponin'ny aterineto sy avara-pianarana maro no niara-nanao hetsika ho fanohanana an'i  Deng Yujiao. Taratasy iray  misokatra ho an'ny daholobe manentana ny rehetra handefa ny teny fampaherezana avy amin'izy ireo ho an'i Deng, izay migadra ankehitriny, no hita any anaty aterineto any milaza an'i  Deng ho  ‘heroine'. Maro koa anefa ireo nihevitra fa mety ho lalaovin'ny polisy ny porofo [ny tena zava-misy marina] mba hanampiana ny fitsarana hanameloka an'i  Deng.
Tamin'ny tatitra sava-ranonando, nambara fa i Deng dia tsy dia milamina ara-tsaina loatra. Sady koa, nolazain'ny polisy fa ny fitaovana nampiasain'i  Deng dia antsy fandidiana voankazo fa tsy ny fitaovana fikarakarana hoho tokony hampiasainy amin'ny asany rehefa mikarakara ny hohon'ireo mpanjifany. Momba io teboka iray io, ny mpitoraka blaogy Zhou Zhongming dia nanoratra lahatsoratra iray:
首先,他们故意不提招商办官员用钱打修脚女的细节.
其次,他们将自卫工具修脚刀换为水果刀.这看似细微的差别,所能形成的造案效果却不可低估:用修脚刀自卫,说明是在工作被挑戏激愤慌张中自卫,用水果刀则不同,洗脚物包间通常不会有,这就为构陷修脚女”折出拿刀再返回刺杀”埋下伏笔.这样就使显而易见正当防卫往故意杀人上靠.
Voalohany, tsy miresaka mihitsy ilay antontam-bola taratasy ny polisy!
Faharoa, Lazain'izy ireo fa antsy fandidiana voankazo ilay fitaovana, fa tsy fikarakarana hoho! Efa misy fahasamihafàna kely izay satria ilay izy fitaovana fikarakarana hoho, ary maneho izany fa tao anaty fisavoritahana ilay tovovavy no niaro ny tenany tamin'izay zavatra tratry ny tànany teny. Raha antsy fandidiana voankazo ilay izy, midika izay fa nandeha naka ilay antsy tany ananona tany ilay tovovavy ary namono ilay mpiasam-panjakana fa tsy fihetsika fiarovan-tena tsotra fotsiny
再次,他们声称在修脚女的包里查出治疗抑郁症的药.这一招最狠毒:可以维护官员的形象;又可以将修脚女投入精神病院折磨,谁都知道进政治精神病院是比死刑恐怖千百倍的事.
Ery ambanimbany indray, lazain'izy ireo fa nahitàna fanafody fitsaboana aretin-tsaina tao anaty pôketran'ilay tovovavy. Dia tena tsikombakomba ratsy entina hiarovana ny lazan'ny mpiasam-panjakana fotsiny izao e! Azon'izy ireo atao mihitsy aza ny mandefa ilay tovovavy ho any amin'ny toby fitsaboana marary saina. Ny tsirairay anefa  samy mahalàla fa ratsy lavitra noho ny fanamelohana ho faty ny fandefasana any amin'ny toerana [an'ny Fanjakana] natao hametrahana ny marary saina.
Manome sarisary momba izay heveriny ho fehin-kevitra havoakan'ny polisy ilay mpitoraka blaogy: ilay tovovavy, noho ny aretin-tsainy sy ny fahavononana hamono, dia nanatsatok'antsy ireo mpiasam-panjakana roa taminà antsy efa nomanina indrindra ho amin'izany.
Dia ho marina ve ny filazàna toy izany? Miandry izay valin-teny farany avy amin'ny polisy ny mponin'ny aterineto rehetra.
Tontolon’ny Arabo: Very eny an-dalana ny asa?
Araka ny lohatenim-baovao izay milaza mazava ny faharavan’ny toekarena dia manohy ny famehezan-kibony tahaka ny governemanta ireo orinasa sy ny isam-batan’olona, ireo mpitoraka blaogy manerana an’I tontolon’ny Arabo dia miditra an-tsehatra ary manontany hoe: “ho avy eto aminay ve ny tsy fisian’ny asa?”
Any Arabia Saodita, manoratra Nzingha momba ny havany very asa tao aorian’ny  “fikorosoan” ny orinasa iasany. Manazava izy:
Nahita asa tamin’ny volana vitsivitsy lasa teo ny zaobaviko, mananotena ary mitaiza zaza telo. Mandray telefonina amina orinasa mivarotra hetra ho an’ny fiara no asany, hita feno hafaliana tokoa izy amin’izany asany izany ary vola fanampiny ampidiriny ao an-tokantrano. Amin’ny maha-mananotena azy sady  efa nanam-bady efa niasa tao amin’ny governemanta dia mandray fanampiana 1500 SR (pension) isam-bolana izy. Mitentina 375 dolara izany ary tsy ampy ny vidin’ny bisikileta izay novidiko akory. Tsy ampy hivelomana ny vola mitentina 1500 SR, indrindra fa manalehibe zaza anankitelo mbola mitombo ianao.
Mariho tsara fa ampiasaiko ny matoanteny amin’ny fotoana lasa mba hanazavako ny vanim-potoana niasany hoe tsy an’asa tokoa  izy ankehitriny. Voaroaka izy niaraka tamin’ireo mpiasa hafa tao amin’ny orinasa satria rendrika ny orinasa. Nomena fampilazana roa herin’andro izy ,dia avy eo, izay no izy fa vita. Betsaka ny vehivavy eto amin’izao tontolo izao no mitovy tantara aminy, miasa  ianao amin’ny andro iray dia avy eo mahazo filazana fandroahana indrindra rehefa heverinao fa mipaka eran’izao tontolo izao ny olana ara-toekarena. Na dia izany aza, toy ny vehivavy avy any Saodita dia dia voafetra mafy dia mafy  ny fahafahany miasa izay hita fa tsy mitovy amin’ireo orinasa maneran’izao tontolo izao ary  izany antony izany anefa dia satria vehivavy izy.
Avy amin’ny UAE, manao tamba-zotra mankany amin’ny horonantsary CNN izay miady hevitra momba ny vokatry ny olana ara-toekarena ao Dubai I the Grapeshisha Blog ary manamarika izy fa:
Fa raha miheno tsara ianao, dia midika zavatra ny fihenan’ny mponina 8% - Miha-mihena ny asa… eo amin’ny orinasa sasantsasany.
Miresaka mikasika ny blongana I WebJunky manao hoe:
Maminaviana amim-pahatsoarana aho fa ny tsy fisian’ny asa dia hitombo avo roa heny. Fara fahakeliny eo amin’ny 6 - 12 volana eo ho eo no mitohy milentika I Dubai alohan’ny isian’ny singa enti-milaza ny fiverenan’ny varotra amin’ny laoniny ao amin’ny faritra ankehitriny.
Manome tamba-zotra ao amin’io horonantsary io ihany I Moey, avy any Jordanie izay miasa sy mipetra ao Kuwait ary manontany izy hoe:
Tokony hiandrandra zavatra ao Kuwait ve isika ?
Dia namaly azy ny mpamaky The M Code:
Tsy tokony hiandrandra n’inona n’inona n’aiza n’aiza isika, olana ara-toekarena fahobe io fa ny olona kosa no mijery an’I Dubai hoe voa mafy izy satria jeren-dry zareo fa miakatra izany. Antenaina fa ho tafarina izany indray andro any. Ireo mantsy no rehareha sy fonenana ho an’ny Arabo manerana izao tontolo izao, mirary ny tsara indrindra ho azy ireo aho.
Tao amin’ny  UAE community blog dia nisy lehilahy mpivazivazy nanao izao filazana manaraka izao mba:
Hibaboka sy hanamafy ireo mpandraharaha Dubai telo voatokana fa ny toe-draharahan’ny tsena dia tena mari-toetra tokoa ka ny tsaho milaza fa malemy ny toe-karena sy ny fomba fijery malemy dia propagandy fotsiny ihany. Manamafy ny fankasitrahana ireo fahafahana manao zavatra maro ho an’ny Dubai ny mpandraharaha Sinoa, Anglisy ary Indianina raha toa ka ny governemanta atokisana no maniditsidiana tsy afa-maanapaka ny hitandrovana  ny fiarovana azy ireo.
Ny vazivazin-teny ao anatin’ity blaogy ity dia tsy ho very ho an’ny mpamaky, izay nandefa ny fanamarihan’izy ireo eto
Lohahevitra ao amin’ity bolongana ity ny fihenan’ny asa ao Dubai, nentin’ny Shamsi ao amin’ny  Dubai Metblogs.
Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana
Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray no hitondra ho any an-tany lavitra ny tanànany any.
Ny Dia lavitra rehefa Lanonamben'ny Lohataona, na Chunyun, no tena lehibe indrindra raha resaka fivezivezen'olona isan-taona ary ahitàna hatrany amin'ny mpandeha 2 lavitrisa isan-taona, anatin'ny fotoana fohy tsy mihoatra ny 40 andro akory. Tamin'ity taona ity ny Taombaovao dia ny faha 26 Janoary. 15 andro talohan'io no efa niainga ny Chunyun; androany, 31 Janoary, manomboka kosa ny dia be fodiana.
Fifamoivoizana mampivanaka, miaraka amin'ireto vahoaka marobe mihaohao eraky ny toby fiantsonan'ny fiaran-dàlamby, fiantsonan'ny fiaramanidina, na taxi-brousse, no entin”ny [ateraky ny] fandalàna fatratra ilay lanonambe, izay tsy hafa fa fihaonamben'ny fianakaviana ihany koa.
Ny fanitarana ny tanàn-dehibe haingam-pandeha loatra nefa mikorontana koa indraindray tao Sina dia nanome teorana ny dikan'ity “fivoriam-pianankaviana” ity. Mpiasa 200 tapitrisa avy any amin'ireo faritra ambanivohitra no miasa any an-tanàn-dehibe ary mamela ny fianakaviany manontolo any aoriany mba hahafahana miaina tsaratsara kokoa. Ny fetin'ny lohataona, ho an'ny maro amin'izy ireo, no hany fomba hihaonany amin'ny fianakaviany indray noho ny halafon'ny fodiana an-trano.
Iray amin'ireo vokatr'izany ihany koa ilay fahasarotan'ny fodiana an-trano. Tsy maharaka ny habetsahan'ny fangatahana ny fitaterana. Amin'ny lafiny iray, ny zotra an-dalamby, izay ampihi-mamba sy ambany vahohon'ny fanjakana dia tratry ny fanakianana mivaivay foana isan-taona. Noho ny habetsahan'ny fangatahana sy ny famerana ny vidiny, miroborobo ny fanararaotana. Mandritra izany, ny mpiasa ao amin'ny birao fanaovana famandrihan-toerana no eritreretin'ny maro ho mpiray tsikombakomba amin'ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko mba hampisondrotana ny vidin'ny tapakila. Raha asiana fanadihadiana dia sahiko ilokana fa  io asa io no tsy lanin'ny vavonin'ny olona indrindra any Sina.
Tany Beijing, mpivarotra tapakila iray, namoaka tapakila avy amin'ny milina nefa tsy nivarotra izany tamin'ny mpandeha, fa nampirina izany, na teo aza ny laharan'olona lava be niandry teo, nisy naka horonan-tsary an-tsokosoko tamin'ny finday, ary tsy ela taorian'izay dia efa nipariaka tamin'ny aterineto izany. Ahian'ny olona ho natokana ho an'ny mpivarotra an-tsokosoko ireny tapakila ireny. Olona an'arivony, tanaty fientanana lehibe ho fanehoana firaisan-kina, no niara-nanameloka io mpiasa io.
楚天阁 any Tianya dia miteny:
看过这几段视频，再想想那些在寒风中为了一张火车票排很久队的人。北京站37窗口的售票员同志良心何在?
Jereo ny ampahan-tsary, ary avy eo dia eritrereto ny amin'ireo olona niandry hatry ny ela teo ireo tanaty rivotra mangatsiaka, ho ana tapakila iray fotsiny. Fa lasa aiza ny fahatsiarovan-tenan'ilay mpiasa (guichet No.37 , gare de Beijing)?
Tandindon'ny fomba fiasan'ny vondrona iray manontolo ihany ny an'ilay mpiasa, ny Minisiteran'ny lalamby, izay mitantana ny lalamby rehetra manerana an'i Sina, antsoin'ny olona hoe “Zokiben'ny lalamby.” Ilay mpitoraka blaogy Zhu Weidong dia manao fanamarihana amin'ny maha-kidaladala ny ampihimamba amin'ny lalamby, izay heveriny fa resaka saro-takarina:
铁老大独家经营的垄断地位也一直未变。
铁路保持国有垄断经营是否会效益更好、服务更优呢？事实刚好相反。铁路部门经常性亏损尽人皆知。服务如何？过去说政府部门门难进、脸难看、事难办，铁路部门是有过之而无不及。
Tsy niova mihitsy ny ampihimamba amin'ny lalamby nandritry ny taona maro.
Na izany aza, hitondra tombon-tsoa sy tolotra manara-penitra ve ny ampihimamba?
Ny zava-mitranga dia maneho ny mifanohitra amin'izany. Ny seha-pihariana lalamby dia tao anatin'ny mena foana. Ka ahoana ny resaka tolotra? Mbola ratsy lavitra noho ny biraon'ny governemanta, izay mbola sarotra idirana, sarotra ahazoan-javatra, ary matetika mandray anao amina fomba mangatsiaka.
Lahatsoratra iray notanisain'ny haino aman-jery ofisialy Xinhua, mitondra ny lohateny hoe “ny olan'ny famatsiana tapakila dia mahalaza betsaka momba ny fanitàrana ny tanan-dehibe“, no nandalina sy nanipika ny anton'ny fahasarotan'ny fiverenana mody. Raha ny fijerin'i Den Yu-wen, mpitoraka blaogy, dia tsy tsara toy ny fanaovana ny tanàn-dehibe ho toeram-ponenana sahaza ireo mpiasa nafindra toerana ny fanatsaràna ny fitaterana.
另一方面要减少人们回家的需求，特别是把农民工留在他工作的城市里。而要把农民工留在城市，就必须把他的家庭也留在城市。
……Amin'ny lafiny hafa dia tokony avelantsika any amin'izay toerana hiasany any mpiasa nafindra toerana. Mba hanatanterahana izany dia tokony hapetratsika miaraka aminy any an-tanàn-dehibe ny fianakaviany.
由于农民在居住、养老和子女入学等方面遭遇一系列难题，目前农民不可能从心里真正把城市作为自己的家，也就难以真正融入当地社会，所以他们不得不每年候鸟般地在农村和城市之间来回奔走。
Noho ny olana maro atrehan'ny mpiasa nifindra toerana, tafiditra amin'izany ny fampiantranoana, ny fandriam-pahalemana sy ny fanabeazana ho an'ny ankizy, tsy afaka mandray ny tanàn-dehibe ho toy ny tena fonenany izy ireo, ary tsy afaka miditra ao anatin'ny fiaraha-monin'ny tanàn-dehibe ihany koa. Ka mivezivezy eo foana izy isan-taona, toy ny vorona mandalo.
Ny ekena amin'izao aloha dia tsy mitovy ny fandriam-pahalemana ho an'ny mpiasa nifindra monina sy ny mponina an-tanàn-dehibe. Tsy loharanon-karena velively ho azy ireo ny tanàn-dehibe, fa izy ireo aza no loharanon-kery trandrahana amin'ny vidiny mora ho an'ny tanàn-dehibe.
Ankilan'ny fanavakavahana ataon'ireo sampan-draharaha amin'ireo mpiasa mpifindra monina ireo dia  manamarika ihany koa ny mpanoratra:
主要在于我们的城市化是一个被动的、盲目的过程，多数城市主政者只想解决城市发展所需要的廉价劳动力.而不去认真探究和解决它所衍生的一系列问题。就此来说，春运难的背后，实际反映了中国的地区发展差距特别是城市化的滞后。
Zavatra natao an-jambany sy tsy mitera-bokatra ny fanitarana tanan-dehibe nataontsika. Maro amin'ireo mpiandraikitra tanàn-dehibe no tsy mikasa afa-tsy ny hampiditra herin-tsandry azo karamaina mora, fa tsy mieritreritra akory ny olana aterak'izany. Amin'izay lafiny izay, ny fetin'ny lohataona ankehitriny dia fitaratry ny tsy firindràn'ny fivoarana isam-paritra, ary indrindra fa ny fitarazohan'ny tena fanitarana tanàn-dehibe.
Ilay mpitoraka blaogy Willings (驿动的心) dia  manoratra lahatsoratra manohina ary mamintina hoe, “Rehefa takatrao ny  Sina ankehitriny dia fantatrao ny Chunyun ( ny dia lavitr'ezaky ny lohataona ).”
只有乘坐长途火车，经历过春运的人，才能真正理解中国，才可以称之为一个真正的中国人。中华民族的所有苦难，都集中体现在春运历程中。
Ireo izay efa nandeha tamin'ny fiaran-dalamby mandeha lavitra  ihany, efa nandeha tamin'ny Dian'ny Lohataona, ireo ihany no mahafantatra an'i Sina, ary afaka misaina sahala amin'ny tena Sinoa. Mandritry ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona no tena ahatarafana mazava tsara ny fisavoritahan'ny Sinoa.
选项A：买不到票；选项B：买到高价票；选项C：买到假票；选项D：不回家。
Safidy A: tsy misy tapakila
Safidy B: tapakila lafo vidy
Safidy C: tapakila hosoka
ary D: Aza mody
但在当今中国，即使穷人之间也一样互相倾轧，票贩子心安理得的赚取高额利润，小偷们心满意足的清点钞票，从打工妹，打工仔身上毫不留情的大赚特赚，只留下她们坐在地上嚎啕大哭的背影。在当今中国，利益的攫取，已经取代了仁义礼智信的古训，人民失去了信仰，除了对金钱的崇拜。
Ao anatin'i Sina ankehitriny, na ny mahantra aza dia mifanambaka. Tsy mahatsapa ny tenany ho meloka ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko amin'ny tombontsoa malotony, manisa amim-pahafam-po ny volany ny mpangalatra, mitrandraka tsy misy indra fo an'ireo mpikarama, mamela azy ireo hifotetaka sy hidradradradra amin'ny tany eo . Ao anatin'i Sina ankehitriny, naka ny toeran'ny anatry ny oha-pitenenana fahiny ny fitadiavana zana-bola. Very finoana ny olona, afa-tsy ny amin'ny vola.
火车站的广场上，站满了数万数十万渴望回家的人们。他们披星戴月，他们风餐露宿，他们饥寒交迫的站在广场上，密密麻麻一眼望不到边，每个人都是那样的焦急，他们是最底层的中国人，他们只有最简单渴望回家的愿望，却无人给他们帮助。既然他们买不起飞机票，于是他们就注定命如蝼蚁，注定命贱如草….
Eny amin'ny toeram-piantsonan'ny fiaran-dalamby, olona an'arivony no miandry am-pitaintainana ny fodiana an-trano. Miandry andro aman'alina izy ireo, matory amin'ny tany, mijanona eny,  na dia ao anatina hanoanana aza. Lava tokoa ny laharan'ny olona ain'izany. Sino tambanivohitra ireo. Tsy maniry afa-tsy ny mba hody any aminy, saingy tsy misy iray akory mba manampy azy ireo. Noho izy ireo tsy afaka mividy tapakilana fiaramanidina, dia tsy maintsy mandeha mifatratra toy ny vitsika.
车厢里密密麻麻，过道里水泄不通，空气浑浊不堪，厕所极度肮脏，这些都是春运的常态，不是你我所应抱怨的……
Ny fiaran-dalamby feno dia ahitana olona amin'ny toerana rehetra, hatreny an-dàlantsara.  Lasa manempotra ny rivotra, ary maloto ny toeram-pivoahana. Nefa dia efa iainana andavan'andro izany amin'ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona, tsy misy tokony hitarainantsika……
我们办得好春晚，办得好奥运，却始终办不好春运。
Afaka manao Gala goavana ho an'ny Fetin'ny Lohataona isika, afaka manana lalao Olaimpika goavana, nefa toa tsy hanan-jo velively amin'ny fananana Dia lavitr'ezaky ny Lohataona mihitsy.
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ary isika hiresaka momba ireo lohateny nifandirana: Fitaovam-pananahana. Tafiditra tao anatin’ny korotana ara-pitondra-tena ny mpanao politika Malezianina: mpanao politika iray nanao firaisana tao an-trano fandraisam-bahiny no voaray tao anaty horonan-tsary; ary ministry ny cabinetra teo aloha no voapanga nanolana vehivavy iray.
Nanoratra momba ny olana amin’ny fanampiasana ny fivaviana sy ny vehivavy entina hampisongadinana ny dokam-barotra eo amin’ny Televizionina ny mpanoratra Tharum an’ny GV avy ao Cambodia. Nangataka ny fialan-tsiny avy amin'ny BBC ny mpanao lalana Filipianina iray mikasika ny fandaharana tora-kehy(fampihomehezana) izay nampiseho vehivavy mpiasa an-trano filipianina “ho toy ny fitaovana fampimehezana ara-pitondratena.” Hita ihany koa tao Filipina fa tratra nivanitika tao an-tranom-padidiana ireo dokotera nandritra ny fotoana nanesorana ilay tavoahangin-dranomanitra tafiditra tao anatin’ny vodin'ilay marary (fitombenana).
Nisy ihany koa ny olana ara-panambadiana. Namaritra tsikera momba ny filazana ny fihenam-bidim-bodiondry (vidin’ny vehivay ho vadiana)ny lahatsoratra nivoaka tao Singaporo. Najanon’I Cambodia ny fanamboarana ny taratasim-pisoratam-panambadian'ireo olom-pireneny amin'ny vahiny mba hampihenana ny fanodikodinan’olona mety hitranga
Nanome lalana ny mpanolotsaim-pirenenana Fatwa an’I Malaysia izay milaza fa ny endrika ivelan'ny taranja yoga dia ekena fa ny singa ara-panahy entiny kosa no rarana. Nanao fiantsina fihetsiketsehana ao indonezia momba ny “hafatra entina manohitra ny silamo.” ny horonantsarin’ny Geert Wilders, Fitna
Mikasika ny fampandrosoana ny renivohitra dia mihevitra ny mpitoraka blaogy fa betsaka loatra ny toera-pilokana (casino) ao an-drenivohitry Cambodia. Mibosesika ny mpivarotra an-dalambe mamboka eny amin’ny lalam-ben’I Hanoi. Miresaka ny fanoheran’ireo tompon-trano Singaporo ny mba hananganan’izy ireo trano fatorian'ny mpiasa vahiny ny mpanoratra GV Angshah.
Nanoratra momba ny korontana vokatr’ireo boky fanomezana very tao amin’ny faritanin’ny Filipina I Karlo, mpanoratr’I GV. Milaza ankarihary ny lalana vaovao sy ny hetra-tsigaran’I Singaporo ny resaka sasany tao anatin’ny Blogosphere. Nisy fifanoherana hafa ihany koa ny momba ireo tolo-kevitra mety ahazahoan-dalana ara-panjakana izay mahakasika ny fivarotana taova eo amin’ny firenena.
Niaina tao anaty tahotra I Singaporo rehefa vakin'ny mpampihoroho iray ny fonja avo lenta. Nahatsiaro ny taloha I Indonezia rehefa nananteraka ny famonoana ireo mpandatsaka baomban'ny Bali. Nandritra io fotoan io izay tamin’ity taona ity no nitondrana tatitra tao Myanmar ireo baomba niparitaka
Faharavan'ny sambo mpitatitra no voalaza fa nisy tao Filipina. Mihoatra ny 700 ny olona maty rehefa niondrana an-dranomasina ny sambo iray tao Filipina afovoany tamin’ny volana Jona farany teo. Mpifindra monina Myanmar maro dia maro no novonoina tao anaty fiara rehefa niditra antsokosoko tao Thailand atsimo izy ireo ny volana Aprily teo. Mponina mihoatra ny 3000 no tsy nanan-kialofana noho hain-trano tao Yangon sy tao Mandalay ny volana Febroary lasa teo.
lelafo tao amin’ny tsena YadanarPon an’ny Mandalay tao Myanmar. Sary avy tamin’ny blaogin'i Aung Chan Lin.
Mahagaga
Niresaka ny toe-javatra ahatahorana (fianianana) eo amin’ny foko Penan ny mpanoratra mahain’I GV Daniel. Nofinganiny tsy hitohy ihany koa ny finoanonam-poana mikasika ny ala mikitrok'i Malaysia. Nanoratra koa izy momba ny Pontianak mampatahotra.
Lasa malaza eran’izao tontolo izao ny trano fidiovan'ny pelaka (sarim-bavy tena izy) Thailand. Niatrika ny rotsa-panala voalohany teo amin’ny tantara ihany koa I Thailand. Tanteraka antsakany sy andavany ny Bangkok Freeze sy Singapore Freeze
Miditra ao anatin’ny sehatra politika ny maha-izy azy ny ranty ao Indonezia. Noho ny fahalafosan’ny menaka dia lasa malaza indray ny menaka buffaloes ao amin’ny sahan’ny Laos sy Thailand.
Misy programan’asa manampy amin'ny fampianarana ny ankizy amoron-dalan'i Laos ho tonga mpahandro sakafo ao Vietnam . Araka ny fantatra, dia niditra an-dalana ao amin’ny vohitry Vietnam ny “mpandroba, feather-boa bicycle”
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/uZkQtHYPPJ4&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&feature=player_embedded&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/uZkQtHYPPJ4&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
video ny Singapore freeze
Ady eo amin’ny Gazety sy ny governemanta
Voatatitra teny amin’ny faritra ireo toe-javatra maro mikasika ny fandikana ny fahafahan’ny mpanao Gazety. Voalazan’ I Caroline mpanoratry GV ny mikasika ny fisamborana ireo mpanao gazety roa tao Vietnam, ny helon’izy ireo tamin’izany dia ny fampisehoana ireo risoriso misy eo amin’ny masoivohon’ny governemanta. Ohatra iray hafa: nofohanan’ny fitondra-panjakana ny tatitra voatokan’ny mpahay toe-karena.
Vaovao etsy sy eroa:nofihinina tao Cambodia ny taratasin’ny The Burma Daily. Tsy mbola mijanona ny fampitahorana ireo mpanao Gazety ao Cambodia. Voahosoka i Irrawaddy, tranok’alan’ny gazety lehibe sady mahaleo tena.
Misedra fandoavan-ketra hosoka ny mpihetsika toraka blaogy Vietnamianina. Nosamborina ny mpitoraka Singaporo mpanohitra. betsaka ny tranok'ala notapahan’I Indonezia.
Gazetim-pirenena
Lasa mpanao politika ny mpitoraka blaogy teratany Malaysian; lasa mpanao blaogy koa ny mpanao politika Malaysian. Efa nomena fampitandremana ny mety ho fikasana hamorona rotaka monohitra ny politika maloton’ny Malaysia ny mpitoraka blaogy. Niteny ny govenemanta fa tiany ny hinamanana amin'ny mpitoraka blaogy noho ny herin’ny toraka blaogy misy.
Nanohana ny andro fankalazana ny hetsika blaogy 2008 hiadiana amin’ny fahantrana ny mpitoraka blaogy Filipianina. Nitory teny tao amin'ny YouTube ny eveka Katolika tao Filipina. Nanangana blaogy ny vondron’ny mpifindra monina filipianiana mba hanerena ny govenemanta hanadihady ny antony nahafaty ny mpiasa Filipianina iray. Miraika amin’ny fandefasana hafatra anapitrisa mankany amin’ny Aung San Suu Kyi ao Myanmar ny programan’asan-gazety mpandray anjara The Twitter Suu, “mba ampahafantarana azy fa manana fanohanana maneran’izao tontolo izao izy”. Nitoraka blaogy ny tsy fankasitrahana manohitra ny orinasa mpanjifa Malaysianina ny be antitra teratany iray.
Ny fitorahana blaogy ao Vietnam dia fantatra fa fitaovana matanjaka ahafahana milaza hevitra. Mpitoraka blaogy Cambodianina no nankasitrahana ho mpahay raha eo amin'ny vaovaom-pirenena. Tao Myanmar, nisy mpanao gazety zokiolona nitsikera ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy maro. Mpitoraka blaogy Australian iray no lasa nalaza/nitodra ady hevitra tao Filipina rehefa nampiseho ireo hetsika mahamoafadin’ilay namany, mpanan-karena tao Manila.
Voninahitra no omena ireto mpikaraka ny fotoana ireto: Sabah Bloggers Gathering 2008, Mindanao Bloggers Summit, Twitter Saigon, Philippine Blog Awards, Pesta Blogger, BarCamp Malaysia, BarCamp Cambodia, Wordcamp Philippines.
Ho an’ireo mpanoratra rehetra, ekipan’ny Southeast Asia ny Global Voices, Arabaina ny tsirairay tratra ny taona vaovao!