Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Desambra, 2012
Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao
Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.
Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila
Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça da República, ao afovoan-tanàna ny Diaben'ny Mpifindra-monina VI ary nandalo teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna ao São Paulo, ka nijanona tao nandritra...
Mpiasa An-Trano Malagasy Naolana sy Nampijaliana Tany Libanona
Noteren'ny nenintoany hifindra ho any Libanona hiasa an-trano i Marie, 14 taona. Rehefa tonga tany izy dia zary fahazarana ny nanolanan'ny mpampiasa azy. Rehefa fantany fa bevohoka izy dia noroahiny. Rehefa niteraka irery izy, dia natsipiny avy eny amin'ny rihana fahavalon'ny fanorenana avo ny zaza.
Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana
Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby...