· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Novambra, 2012

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

  28 Novambra 2012

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

  28 Novambra 2012

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa iasàn-dry zareo.

Mpiasa voaroaka iharan'ny fandoavan-trosa ao Taiwan

  16 Novambra 2012

Zava-mitranga toa somary manaraby ihany, fa dia mitady hitory ireo mpiasa izay noroahin'ny tompon'orinasa efa ho enina amby folo taona lasa izay, ny Vaomieran'ny raharahan'ny mpiasa (CLA) ao Taiwan, ity farany izay misahana amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa. Mitady vola amin'ny fitoriana an'i Mpanao lalàna Yuan any amin'ny fitsarana ity vaomiera itya noho...

Nahomby ny Fitokonan'ny Mpiasan'ny Metro tao Kairo

Tafaverina indray ny metro ao Ejipta – taorian'ny fitokonana naharitra efatra ora. Tao amin'ny sampan-draharahan-damasinina, izay afaka mitondra olona 2 tapitrisa isan'andro manerana an'i Kairo, niato tamin'ny asany ireo saoferan-dalamby noho ny hetsi-panoherana ny filohan'ny filankevi-pitatanana ny metro, izay voampanga ho nanao kolikoly. Nitaky karama tsaratsara sy fepetra mendrika momba ny asa...

Herinandro Fitorahana Bilaogy Ao Maoritania Hanoherana Ny Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany Ataon'ny Vahiny

  14 Novambra 2012

Nanao hetsika fanentanana mitondra ny lohateny hoe "Fanoherana ny fitrandrahan’ireo orinasa vahiny ny harena an-kibon’ny tany" ny mpitoraka bilaogy Maoritaniana nandritry ny herinandro. Mizara amintsika ny lahatsoratra tanaty bilaogy sy ireo bitsika avy amin'io fanentanana io, izay mikendry ny anehoana ny voka-dratsy aterak'ireo orinasa ireo eo amin'ny sehatry ny toe-karena, tontolo iainana, maha-olombelona sy ny fahasalamana i Ahmed Ben Jedou.

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

  05 Novambra 2012

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...

Ireo pejinay momba an i Sendikà

Resaka momba ny asa sy ny mpiasa na fifandaminana hafa mifandraika amin’izany