Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Avrily, 2012
Iran: Mpamafa Làlana Nahita 500.000 Dolara Amerikana Ka Namerina Izany Tamin'ny Tompony
Mpamafa làlana iray antsoina hoe Ahmad Rabani avy ao Bojnourd, 700km miala an’i Tehran, no nahita 1 lavitrisa Toman (eo amin’ny 570.000 dollars Amerikana eo) ary namerina izany tamin’ny tompony. Ho fisaorana azy, dia nomena 200.000 Toman (120 dollars Amerikana) izy ho valisoa.
Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès
Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.
Espaina: Lahatsary Manaporofo Ny Herisetran'ny Polisy Nandritra Ny Fitokonana Faobe Tamin'ny 29 Marsa
|Amin'ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny filazana manokana] Tamin'ny #29M (29 martsa), niantso ho amin'ny fitokonana faobe ho fanoherana ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa [amin'ny teny frantsay] nataon'ny governemantan'i Mariano Rajoy (Parti Populaire) ny sendikà espainola. Fitokonana voalohany hatrehin'ny governemanta izany, tao anatin'ny 100 andro monja nandraisany...