· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Marsa, 2012

Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta

  31 Marsa 2012

Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Asa vaovao, izay manamora ny fandroahana mpiasa sy mampihena ny zony ary manome tombony ho an'ny mpampiasa,...

Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?

  24 Marsa 2012

Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana tantara-tsangana sivy, ary hotely roambinifolo, tsy lazaina intsony ireo trano fisakafoanana sy magazay marobe. Izany no tetikasa nampahafantarin'ilay mpanakarambe Sheldon Adelson,...

Korea: Mitaky ny Zo Hahazo Manao Pataloha Ireo Mpanamory Ara-barotra

  09 Marsa 2012

Tamin'ny Andro Manerantany Ho an'ny Vehivavy dia nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety ireo mpanamory ara-barotra avy amin'ny iray amin'ireo zotram-piaramanidina goavana indrindra ao amin'ny firenena,teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana hangataka ny hahazo hanao pataloha. Tonga marobe naneho ny fanohanany ireo Korena mpampiasa aterineto.

Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

  08 Marsa 2012

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.

Goatemala: Famporisihana Ireo Vondrom-piarahamonina Amin'ny Alalan'ny Milina Voizin-tongotra

  07 Marsa 2012

Maya Pedal dia fikambanana iray ao Goatemala izay manokan-tena amin'ny fitondràna fampandrosoana amin'ny alalan'ireo bisikilety efa avy nampiasaina. Ireo izay mbola azon-dry zareo tsaboina, dia mahazo aina vaovao indray satria lafo ny fitaovam-pifamoivoizana eny an'arabe ao Goatemanala ary ireo izay tsy ho azo ampiasaina intsony kosa dia avadika ho milina voizin-tongotra hanampy amin'ny fiainana andavanandro tahaka ny fisintonana rano, fiotazana popocorn, fitotoana koba, fanafangaroana voanjavatra ary fanamboarana tafo taila.

Tonizia: Mampiasa Baomba Mandatsa-Dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Hetsika Sendikaly ny Polisy

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy hazo hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nampiseho ny fanohanana ny firaisankinan'ny sendikà toniziana ( fantatra amin'ny fanafohezana anarana hoe UGTT) ny polisy, tao an-drenivohitra Tunis, ny andron'ny 25 Febroary. Nampangain'ny sendikà ho nanimba ny biraon'izy ireo ny mpikambana ao amin'ny antoko mitondra Ennahdha ka nanomana fihetsiketsehana. Mbola itsakitsahan-jò eo ampanaovana ny asany hatrany ny mpanao gazety.

Ireo pejinay momba an i Sendikà

Resaka momba ny asa sy ny mpiasa na fifandaminana hafa mifandraika amin’izany