· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Sendikà tamin'ny Janoary, 2012

Goatemalà: Fampiasana Ankizy Any An-tsaha Fambolena Fary

  20 Janoary 2012

Ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazetin'ny Plaza Publica tao Goatemalà no nahitana ny mpitondra ao amin'ny fitondrana, izay manana adidy araka ny lalàna hisoroka ny fampiasana zaza, mamela ny zaza latsaky ny 14 taona hiasa eny amin'ny saha fambolena fary, toerana ilana herintsandry sy mampidi-doza. Singam-pary navoakan'i Chris McBrien CCBy Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny...

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.

Ireo pejinay momba an i Sendikà

Resaka momba ny asa sy ny mpiasa na fifandaminana hafa mifandraika amin’izany