GlobalVoices anaty

Tafatafa

Tahiry Lohahevitra · 6 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Tafatafa

27/02/2013

Video Lahatsoratra
Mianatra Ny Ojibwe Miaraka Amin'i Jennifer Bobiwash

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

"Tsapako fa fotoana iray io, ho ahy, hianarako misimisy kokoa momba ny lovako ahy manokana. Ary raha mijery ny lahatsariko ny hafa ka mianatra, dia efa tombony iray izay. Heveriko amin'ny fomba tsotra hoe ireo lahatsariko izay ety anaty aterineto dia efa vavolombelona iray hiantoka ny fisiany ety anaty aterineto... Ary dia ny fomba hahitan'ny olona azy sisa no resaka, sy ny fankalazàna azy mba hahitàn'ny olona azy" hoy i Jennifer miresaka ny tetikasany hametraka ny Ojibwe mba ho fantatra ety anaty Youtube.

11/01/2012

Okraina: Ny Anjara asan'ny Mpiandraikitra ny Fampahalalam-baovaon'ny ASTAU

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

I Svetlana Sharamok dia mpiandraikitra ny Fampahalalam-baovaon'ny Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU). Anatin'ity fanadihadiana amin'ny alàlan'ny mailaka nataon'ny Rising Voices ity dia miresaka momba ny asany sy ny fifaliana amin'ny fahazoany anjara asa goavana amin'ny fifandraisana sy ny fahenoana zava-tsoa avy amin'ireo mpikambana izy.

16/10/2011

Video Lahatsoratra
Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Phil Cash Cash dia mpandalina momba ny teny ary mpikambana amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra. Izy koa dia liana manokana amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny web 2.0 ho fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ny teny Nez Perce, izay tombanany fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara azy sisa no tavela.

05/09/2011

Bilaogera Asongadina: Oumar Dembélé

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Fihaonana tamin'i Oumar Dembélé, mpampianatra iray amin'ny fanabeazana fototra ao Cinzana-Gare, tanàna iray amin'ny Faritr'i Ségou.Oumar koa dia mpikambana amin'ny tetikasa Ségou Villages Connection Fifandraisan'ny Tananan'i Ségou, tohanan'ny Rising Voices. Amin'ity tafatafa ity, Oumar dia mizara ny mahakasika ny teknolojia ao Ségou, ny filàna hanatsara ny zava-misy, ary ny hetaheta lehibe ho amin'ny ho avy.

11/08/2011

Okraina: Fampianarana Mitoraka Bilaogy Hamelezana Ireo Vondrona Mampietry

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Anatina fanadihadiana amin'ny alàlan'ny mailaka, miresaka momba ny traikefany amin'ny fampianarana ny fahaizana misolo vava miaraka amin'ireo vondrona mampihena ny faharatsiana izay ampahany amin'ny Fikambanan'ny teratany Okrainiana rehetra momba ny Fisoloana vava ny Fitsaboana Fanolo (ASTAU) i Anastasia Bezverkha, ary ny tombontsoa azon'ireo vondrona ireo amin'ny fitantarana ny tantarany avy amin'ny fampiasana ireo fitaovan'ny mediam-bahoaka.

07/08/2011

Video Lahatsoratra
Arzantina: La Flecha Miara-Miasa Amin'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Fampielezam-Baovaon'Olon-tsotra

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

La Flecha [es] (Ilay Tsilo) dia fikambanana mitoby any an-tanànan'i Buenos Aires (Arzantina) izay miara-miasa amin'ireo tanora any amin'ny sekolim-panjakàna any an-tanàna hampianarana azy ireo ny fomba hamoronany ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra mba hanombohan-dry zareo sy ny hitaizàny ny adihevitra momba ireo olana hita amin'ny fiainanany andavan'andro.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny