2009-08-15
Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday
Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao ...
2009-08-09
Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana
Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...
2009-08-07
Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso
Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny "Mouvement Go Green" notarihan''i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana ...
Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana
Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny.
Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny ...
2009-07-31
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.
2009-07-30
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
2009-07-18
Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana
Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.
2009-06-04
Ejipta: Tsy ‘tongasoa' ve i Obama?
Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity ...
2009-06-02
Siria: Manomboka ny fanentanana hanao ankivy ireo orinasan-tserasera ary fangatahana sarany mirary
Sary nindramina tamin'i donknuth
Ao anatina tontolo iray efa tena misandrahaka be, mbola taraiky any aoriana any foana i Siria; nialoha kely ny taona 2000 dia niseho vahoaka ny aterineto ary ny taham-pitsofohana amin'izao fotoana dia manodidina ny 17%. Na izany aza anefa, ny maro amin'ireo mpampiasa ny aterineto dia mbola ...
2009-05-31
Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja
Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 ...




