Global Voices teny Malagasy » Aterineto & Fifandraisan-davitra
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haiana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vavahadin-tserasera, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Nametraka azy teo amin'ny laharana faha-11 amin'ny sokajy “fiaraha-monina” amin'ny aterineto Poloney ireo salan'isa farany teo.
Nipoitra tany amin'ny fitoraham-blaogy kiritika toy ny Blip.pl ireo tsaho voalohany. Nanoratra ity (POL) ny iray tamin'ireo mpampiasa azy - shunkiano - tamin'ny 11 Novambra:
Diso ve aho, sa foana ny OdSiebie?
Avy eo dia hoe nihidy ny OdSiebie.com, ary nipoitra tany amin'ireo blaogy maro ny  fanamafisana farany. Nanoratra i Paolo (POL):
[…] Mandeha ny tsaho fa natsahatra ny fampiantranoana “fichiers” maimaim-poana OdSiebie.com. Renay  fa nosamborin'ny mpitandro filaminana ny tompony sy mpamorona azy [Łukasz Ć.], ary nogiazan'izy ireo koa ireo CD 200 [nahitàna fitaovana tsy manana “copyright”  ara-dalàna] sy “disques durs” efatra. Efa azon'izy ireo ihany koa ny fidiran'ireo mpampiasa [userlogs]. […]
Nanomboka natahotra ireo mpampiasa satria niteny ireo manampahefàna fa afaka miditra amin'ny kaontin'ireo mpampiasa ny OdSiebie.com koa ry zareo, dia nipoitra indray ny tsaho hafa - tamin'ity indray dia hoe mety ho voasambotra koa hono ireo mpampiasa. Ao amin'ny Blip.pl, Nanoratra i frk (POL), mpampiasa:
Voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Afaka miditra amin'ny kaontin'ny mpampiasa ny manampahefana. Samia mitandrina.
Maro ny akon'ireny fihetsika ireny teo amin'ny tontolon'ny blaogy sy manerana ny aterineto tao Polona. Voalohany indrindra, nitondra tany amin'ny fanoherana nokarakarain'ireo mpampiasa hafa izany, izay tena nalaza be tao amin'ny Wykop.pl (tolotra mitovitovy amin'ny Digg):
Ary ity misy hevitra iray (POL) avy amin'i Piotr Vagla, mpitoraka blaogy manoratra momba ny resaka ara-dalàna sy ny aterineto:
Tsy mbola nosamborina mihitsy ireo mpamorona ny YouTube, nefa reko fa voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Nanolotra dinidinika ho an'ny daholobe i Łukasz Ć., tamin'ny filazany fa milay ny vohikalany, ary eo am-panomanana tetikasa ho an'ny hoavy izy. Nanambara koa izy fa ny raharaha manontolo momba ilay vohikala Swedish [The Pirate Bay] dia tsy inona fa vokatry ny tsy fiarahan-dry zareo miasa amina vondrona manohatra ny fanaovana piraty. Tsy fantatro raha niara-niasa tamina vondrona toy izany izy fa raha eny no valiny, dia tsy dia nanampy azy loatra izany. […]
Amin'izao fotoana izao, tsy dia mazava loatra raha hisambotra ireo mpampiasa ny OdSerbie.com ny manampahefana, na dia misy olona sasantsasany aza miteny izany. Tsy mbola nisy voasambotra aloha.
Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana
Nanana sehatra fanafamafisan'orina ny fiaraha-mientana hamaham- bolongana i Indonezia. Nahasarika mpamaham-bolongana sy mpitia teknolojia avy amin'ny vazantany efatr'ity firenena midadasika ity ny fetiben'ny mpamaham-bolongana (Pestablogger) fanao isan-taona any Indonezia.
Fahatongavana maro hanatrika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana Indonezia
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/cZwFCS2aO4U&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://www.youtube.com/v/cZwFCS2aO4U&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Sehatra hita tamin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana.
Fanintelony izao no nanatontosana ity hetsika fanao isan-taona ity ary mahafinaritra ny mahita ny fitomboan'isan'ny mpandray anjara isan-taona.
Tsy vitan'ny mitsinjara eo amin'ny lefiny jeografika ihany ny mpamaham- bolongana Indoneziana fa eo amin'ny fahasamihafan-taona sy asa fanao ihany koa.
Fotoana iray niresahana ny etikan'ny famahanam- bolongana
Fotoana iray niresahana ny fampitam-baovao ataon'olo-tsotra
Olom-pirenena mampita vaovao iray mizara ny traikefany amin'ny mpamaham- bolongana
Fotoana iray fampifandraisan-tanana an'i indonezia misaratsaraka amin'ny alalan'ny famahanam- bolongana. Niresaka ny fomba iseraseran'i Indonezia amin'izao tontolo izao [zary] ivelany amin'ny alalan'ny bolongana ihany koa ny mpandray anjara.
Tristam(misolo tena ny fikambanana mpanohana), Chip (mpankafy teknolojia avy any Vietnam) ary Retty (mpamaham-bolongana Indoneziana) eo am-piresahana. Tsy dia ahitana loatra ny fandraisana anjaran'ny vahiny tahaka ny mpitranga any amin'ny hetsika Kambojiana na thailandey ny hetsika Indoneziana. Mbola misy ihany ny olona liana tsiraidraika mitsiritsirika ary manantena izahay fa ho maro kokoa amin'ny manaraka ny olona avy amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Azia no ho tonga.
Mpanakanto batik eo am-panamboarana ny t-shirt-n'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana.
Mpamaham-bolongana maka rivotra avy amin'ny fiadian-kevitra ka mankafy mihira.
Preetam Rai
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra  voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.
Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009:
Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao  gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana I3C, dia nisy seminera fampiofanana momba ny ‘Fanaovan-gazety sy ny fitoraham-blaogy' notontosaina tao amin'ny Tranoben'ny fanaovan-gazety tao Abidjan. Natrehana mpanao gazety folo avy amina fampahalalam-baovao Ivoriana isan-karazany izany fampiofanana izany.
Nanao fampidirana fahalalana ireo karazam-pitaovana fampiasan'olo-tsotra tamin'ny mpandray anjara sy nampianatra azy ireo hitoraka blaogy [edit: mmaham-bolongana]i Théophile Kouamouo (mpanao gazety mpitoraka blaogy) sy i Manasseh Dehé (injenieran'ny solosaina). Ankoatra ny fianarana an-tsoratra dia mandray anjara amin'ireo asa fampiharana koa ireo mpitoraka blaogy vaovao.
Manoratra [fr] momba ilay atrikasa i Théophile Kouamouo :
Fantatr'izy ireo - indrindra ireo tanora - fa mivoatra ny asan-dry zareo. Efa namorona blaogy roa ry zareo, ny iray an'i Roger sy Cynthia, manampy ny an'i Prosper, izay efa nisy. Kaonty Twitter maromaro koa no noforonina.
Tena singa mpanova tokoa fa lasa evanjelisitry fitoraham-blaogy  ireo mpanao gazety izay nanatrika ny fiofanana. Navoaka tao amin'ny Le Nouveau Réveil, L'Expression, Fraternité-Matin, AIP, etc. … ireo lahatsoratr'izy ireo. Nahazo fotoana niresahana momba ny media an-tserasera sy ny blaogy izahay tao amin'ny Radio Côte d'Ivoire sy Radio Jam. (dika teny nataon'ny masinina)
Nampahalala ny vaovao momba ilay raharaha fakom-poizina nararaka tamin'ny 2006 avy tamin'ilay sambo Probo Koala i Roger Kassé.
Nanoratra tatitra mahaliana momba ireo mpanambaka amin'ny aterineto, antsoina koa hoe “mpihinam-bilona” koa i Roger:
Matetika ry zareo no manao sarim-bavy na miray tsikombakomba amin'ireo vehivavy manam-pahaizana amin'ny fanaovam-pitaka amin'ny aterineto. Ny mipetraka any Eoropa no kendren'izy ireo hofitahina. Tao anatin'ny folo taona dia lasa ivotoeran'ny fanaovana heloka bevava an-tserasera i Abidjan noho ireny “mpihinam-bilona” ireny. Ao anatin'ilay tambajotra lehibe avy any Nizeria ireo mpamitaka amin'ny aterineto ireny. Tsotra ny fanaon-dry zareo. Akorontan-dry zareo ny tontolon'ny aterineto any Abidjan. Ireo tambajotra sosialy tahaka an-dry Facebook na vohikala fikarajiana [chat] no tena tian-dry zareo. (dika teny nataon'ny masinina)
Manazava i Cinthia R Aka fa mitady ny fomba rehetra ny mpanao haivarotra hisarihana mpanjifa:
Tsy lany hevitra mihitsy ireo mpivarotra akanjo, kojakoja fikarakaram-batana ary sakafo ao an-tsenantsika rehefa hisarika olona hividy ny entan'izy ireo.
Manasseh Deheer indray manoratra momba ny fivorian'ny mpandraharaha hiresaka momba  “Ireo fitaovana vaovao any amin'ny aterineto ho enti-manatsara ny  fahafantarana olona (identité) amin'ny fomba nomerika (manokana / arak'asa).”
Mampafantatra Yoro fa ny vadin'i Théophile, Nadine Kouamouo, mpikambana ao amin'ity tetik'asa ity no nahazo ny lokan'ny “vehivavy mitati-baovao momba ny TIC mendrika indrindra” tao amin'ny Highway Africa Conference.
Nanoratra momba ny habetsahan'ireo teny filamatra momba ny fanafotsiana hoditra ampiasaina hivarotana ireo vokatra fikarakaram-batana any Abidjan i Nadine.
Manantena izahay ny hahita zavatra hafa hovakiana avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny Abidjan Blog Camp.
Rezwan
Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana
4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka  ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ny fampielezam-baovao mahazatra noho ny fampielezana azy amin'ny alalan'ny aterineto.
Mbola sarotra aloha ny manombana ny toetran'ny aterineto ao Georgia, saingy efa hivoaka tsy ho ela ny Lisitry ny bolongana Georgiana. Ho tafiditra ao anatin'ny Lisitra avokoa ny bolongana rehetra ary halahatra araka ny lohahevitra izy ireo hahatsotra ny fampahafantarana. Izany no natao dia hahamora ihany koa ny fitadiavana ny mpanoratra na ny bolongana ao amin'ny aterineto.
Heverina hampahafantarina amin'ity volana oktobra 2009 ity moa io lisitry ny bolongana io, ao anatin'ny New Media Forum Geogiana amin'ny herinandro ambony. Hiresaka momba ny media vaovao amin'ny ankapobeny, ny bolongana, ny fanaovan-gazety sy ny zavatra hafa ihany koa io forum io. Mialoha ny famoahana izany katalôgin'ny bolongana izany anefa dia efa misy ny lisitry ny bolongana Georgiana hita ao amin'ny http://blogroll.design.ge.
Hatramin'izao, rehefa nohadihadiana ny toe-draharaha, dia tahaka izao ny mombamomba an'i Georgia:  mihoatra ny 1500 ny bolongana miteny amin'ny teny Georgiana, miasa tsara ny ampahatelon'izy ireo ary mamoaka lahatsoratra iray isan'andro farafahakeliny. Misy ihany koa ny bolongan'ny vahiny mamangy ny tanindrazana, fa tsy dia maro loatra izy ireo ka tsy ho ampidirina ao anatin'ny lisitra.
Eo amin'ny lafiny hafa, ny bolongana Georgiana tena mazoto, sady misy  mpitsidika 200-300 ao anatin'ny indray andro dia ahitana an'i:
http://dodka.ge/
http://sweet.ge/
http://tomushka.blogspot.com/
http://linguistuss.wordpress.com/
http://tiny.ge/
Araka ny hitanao dia misahana lohahevitra isankarazany ny bolongana Georgiana ary mitantara ny fiainany andavanandro ny ankamaroany. Fa misy dia misy ny milaza haingana dia haingana ny heviny eo amin'ny fioarana politika, toe-karena, teathraly, hira, saripika na haiendrika. Saingy vitsy dia vitsy kosa ny bolongana miresaka lohahevitra iray manokana
Misy ihany anefa ny bolongana miresaka momba ny fikarakarana sakafo, divay, raharaha miaramila sy ny sisa. Ohatra, ბლოგი ღვინისა და გემოვნების შესახებ [GE] dia miresaka momba ny divay raha miresaka momba ny teorian'ny tafika ny Military Thoughts [GE] ary tahaka ny mahaliana ihany. Na dia tsy maro loatra aza ny bolongana tahaka itony dia azonay atao ihany ny milaza ny bolongan'i Gogi Gvakharia, Niko Nergadze ary ny mpanao gazety hafa ao amin'ny Radio Liberty.
Misy koa ny bolongana tahaka ny თავისუფალი სიტყვის ბლოგი [GE], izay mpanao gazety tsy matihanina ny mpanoratra ao aminy. Amin'ny manaraka ny zoro havoakanay dia hamintina ireo bolongana malaza mba hahaliana ny mpamaky sy hampahafantatra ny mpanoratra sy ny famahanam-bolongana amin'ny ankapobeny.
Nivoaka tamin'ny teny Georgiana, Rosiana ary Anglisy tao amin'ny Media.ge ny lahatsoratra fototra momba ity ny tontolom-bolongana Georgiana ity.
Giga Paitchadze
Filipina: Tondra-drano an-tsarimihetsika nataon'ireo mpampiasa aterineto
Sary avy amin'i reahguevarra mpampiasa Twitpic,
Faritra maromaro any Metro Manila sy ireo faritany manodidina no mbola tratry ny tondra-drano androany na dia efa nandao ny firenena aza ilay rivodoza tropikaly ‘Ondoy’ (Anarana iraisam-pirenena: Ketsana). Teo amin'ny 200 teo no maty ary an'hetsiny maro ireo nifindra monina tamin'ny nandalovan'ity rivodoza ity tao amin'ny renivohitra ny Sabotsy lasa teo.
Ny orana nivatravatra dia niteraka ny tondra-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity.  Nitondra orana betsaka lavitra noho i Hurricane Katrina aza ity rivodoza ity:
RT @wizkitabet: ZAV-MISY: rotsak'oran'i Hurricane Katrina =380 mm tany Louisiana. Rotsak'oran'ny rivodoza Ondoy = 410 mm tany Manila, Filipina.
Ireo vohikalana media ara-tsosialy dia nohamafisina mba hampahafantatra ireo mpamonjy voina momba ny toerana misy ireo tra-boina. Noforonina ny 'situation map'-n'ny rivo-doza Ondoy mba hanangonana vaovao momba ny zavatra ilain'ireo tra-boina. Google dia namorona pejy manokana mba hanangonana fanampiana. Ondoy Relief Efforts dia manana lisitra mazava amin'ny antsipirian”ireo fifandraisana amin'ny mpamonjy voina eny an-kianja, toeram-panaovana fanampiana, ary ireo ekipa mpamonjy voinan'ny governemanta.
Sarin'i Ali Figueroa
Nampiakarina tamin'ny aterineto ireo horonantsary nalain'ireo mponina, izay mampiseho ny fahavoazana mampitahotra vokatry ny tondra-drano. Ity misy horonantsary avy amin'ilay mpampiasa Youtube, didipusrex
Afaka naka horonantsarin'ny tondra-drano nateraky ny rivodoza Ondoy i Mamanay talohan'ny tsy maintsy nitsoahan-dry zareo tany amin'ny rihana faharoa noho ny fiakaran'ny rano. Tsy afa-nihetsika tao amin'ny rihana faharoa ry zareo, ny rano hatreny an-tratra, raha tsy nidina ny rano ny ampitson'iny.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/YIFL9YPeQPM&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/YIFL9YPeQPM&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ity horonantsary ity dia mampiseho mpandalo tsy afa-nihetsika tao anatina fiara raha nahery ny tondra-drano teny ivelan'ny tobim-pitsaboan'i Manila
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/L6nkxVaydmY&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/L6nkxVaydmY&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny tanànan'i Marikina, any atsinanan'i Manila, dia ravaravan'ny tondra-drano tanteraka
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/b9eAaA8PBl8&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/b9eAaA8PBl8&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ireo mpandeha an-tongotra, ary na ireo mpitondra moto any an-tanànan'i Paranaque, atsimon'i Manila, aza dia mampiasa bonezy [Fanamarihan'ny mpandika = ilay zavatra fotsifotsy hita rehefa mividy fitaovana vaovao toy ny vata fampangatsiahana, na fahitalavitra no lazaiana amian'io 'styrofoam' io ] mba hiampitàna ny arabe
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/cJJNd42lwgE&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/cJJNd42lwgE&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Lasan'ny rano mahery ireo fiara
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rS0TsusbmRs&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/rS0TsusbmRs&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny faritanin'i Bulacan koa, avaratr'i Manila, dia voadona mafy noho ilay rivodoza
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/6S5X12rgiY0&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/6S5X12rgiY0&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Techpinas dia misaotra ny toby fampielezampeo iray tamin'ny fanokanany ny fandaharany mba hanomezana fanampim-baovao amin'ny fotoanany ho an'ireo mpihaino momba ilay rivodoza. Maro amin'ireo mpihainony no niharan-doza tamin'ity rivodoza ity, izay miankina amin'ny fampielezampeo amin'ny findainy amin'ny fanampim-baovao momba ny vonjy voina:
Eo afovoan'ny tsy fahazoana antoka sy fijaliana entin'i Ondoy sy ny tsy fahampian'ny herinaratra any amin'ny faritra maro any Mega Manila, i DJ Gang, DJ Lambert ary DJ Steph dia nanolotra maimaim-poana ny fotoanan-dry zareo amin'ny fanomezana antoka fa ireo mpampiasa finday –   indrindra indrindra ireo tafahitsoka any amin'ireo faritra niharan-doza, izay tsy manana fangalam-baovao afa-tsy ny fampielezampeo amin'ny findain-dry zareo efa ho faty– dia mahazo fanampim-baovao momba ny fizotry ny asa famonjena sy velonin'ny fanapariahan'ny Jam 88.3 fanantenana mafy orina sy matihanina. Novàn-dry zareo ho loharanom-baovao momba ny famonjena sy  fandaminana ny filatsahana an-tsitrapo ilay endrika toby fampielezampeo tsy mpivaky loha mahazatra teo.
Nampiasaina ny SMS ho  fampahafantarana an'ireo tra-boina ny fomba hitazonana aina.
Ny tena nampihetsi-po dia ny fandraisan'ireo mpihaino anjara amin'ny ezaka ataon'ny Jam. Nisy ireo niantso ny fampielezampeo mba hanome fanampim-baovao momba ny toetoetry ny fivezivezena any amin'ny  metro. Ireo mpitsabo dia nandefa SMS ireo torohevitra momba ny fisorohana ny fihenan'ny maripàna anatin'ny vatana ho an'ireo tafahitsoka eny ambony tafon'ny tranon-dry zareo voatelin'ny rano, raha mizara ny fomba fikarakarana ‘iray sy valo' ['oral rehydration solution'] kosa ny mpilatsaka an-tsitrapo taloha ao amin'ny Vokovoko Mena
Sarin'i Celina Ann Natanauan Chan
Twitter dia loharanom-baovao azo antoka momba ilay loza sy hanarahana ireo ezaka famonjena. Amin'ny alalan'ny Twitter, afaka mitatitra ny toe-draharaha any amin'ireo faritra lavitra ireo mpampiasa aterineto
ageofbrillig: RT: nandeha tany Payatas ny iray amin'ireo tompon'andraikitra ao aminay omaly. Dami na daw faty. Tsy misy firaharahian'ny media any. Ary tsy dia misy fanampiana.
Cocoy: RT @mlq3 @jeyaiy Ny hany mba fantatro dia ny toe-javatra any Candaba. Any anaty rano ny tanàna iray manontolo, ankoatran'ny fiangonana. Tsy afaka mandao ny tanàna akory..
jovefrancisco: Saika nandritra ny Sabotsy manontolo, nieritreritra aho fa ny fiaraha-moniko no tena voadona mafy indrindra, talohan'ny nahitako ireo sary tamin'ny fahitalavitra
Ireo tweets dia manome torohevitra ho an'ireo ekipa mpamonjy voina sy manampahefana amin'ny toerana hanaterana sakafo.
alexderossi: RT @momma_erin REPOST: Rosario Pasig & Cavite dia TSY nahazo fanampiana ara-tsakafo mihitsy. Raha afaka ianareo dia mba vahao izany olana izany! - salamat po!!
maxenemagalona: GRABE. RT @kitel_anne  Ilaina ny mpitandro filaminana  any an-tanànan'i Marikina. Feno mpangalatra miezaka ny mamaky trano eny rehetra eny.
Ireo tweets dia mampatsiahy ny vahoaka momba ny fizotry ny ezaka famonjena
ANDREWdecastro: Amin'ny fomba ahoana no handrahoan'ireo tra-boina ireo pâtes instantanées ireo? Na hanokafany ireo zavatra am-bifotsy ireo? Mba miteny fotsiny aho
philredcross: Sahirana amin'ny fanohanana ny tanora amin'ny Asa Fanavotana ataonay izahay. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo liana dia afaka manatona ny PNRC NHQ (akaikin'ny Anda Circle
cocoy: RT @dementia: Iee, mba manomeza sakafo tonga-dia-vonona sy rano azafady. Tsy manana n'inon'inona handrahoana pâtes ireo tra-boina
Ity tweet avy amina loholon'ny repoblika ity dia mampiseho fa tratr'ity tondra-drano ity daholo na ny manan-karena na ny mahantra:
SayChiz: Monina any sinco hermanos ireo rafozako. Ny tafon-dry zareo sisa no tsy difotry ny rano. Nitady fialofana tany amin'ny trano manana rihana roa mpiray vodirindrina aminy ry zareo
Sarin'i Diane Lorenzana
Nigeria: Tonga ao Lagos ny tariby vaovao avy any anaty ranomasina ho an'ny aterineto
Mahaliana ireo mpitoraka blaogy any Afrika Andrefana ny fahatongavan'ny tariby ambany ranomasina GLO-1  any Lagos tamin'iny herinandro iny. Mampifandray an'i Nigeria sy firenena 13 hafa any Afrika Andrefana  ny GLO-1 amin'ny fotodrafitrasam-pifandraisana mandalo any Eropa, izay mitondra fatranonja [bandwidth] vaovao midadasika   ho an'ny faritra.
Ny GLO-1 no tariby anaty ranomasina vaovao indrindra  any Afrika.
Sarintany mandalo ny Many Possibilities.
Tamin'ny faramparan'ny volana Jolay, ny fahasimban'ny tariby  SAT-3 — izay hatramin'ny herinandro lasa dia izy irery no làlana nahafahan'i Nigeria nifanerasera tamin'ny tambajotra maneran-tany— dia niantraika tamin'ny asan'ny banky sy ny fidirana amin'ny aterineto manerana ny firenena iray manontolo.  Eo amin'ny 70 isan-jaton'ny fatranonja ampiasain'ny firenena no voadona.
Raha ny voalazan'ny lehiben'ny Globacom Limited, izay namatsy ara-bola ny GLO-1, ilay fotodrafitrasa vaovao dia afaka miatrika izay filàna fatranonja rehetra any Nigeria ho an'ny 15 hatramin'ny 20 taona ho avy. Miandrandra ny sanda  mora kokoa sy manara-penitra ary hafainganam-pandeha malaky  ireo mpitoraka blaogy.
Avy any Cameroon, manoratra i Bill Zimmerman :
Ny andrasana amin'ity tariby ity dia ny hampidinany ny vidin'ny fatranonja ary ny hanolorany hafainganana sy hamafisana amin'ny tolotra ho an'ny feo, data sy video. Ny sehatra ara-teknolojia any Afrika Andrefana  dia tokony hahazo tombony amin'ny Glo-1 noho ireo orinasa ho  afaka hifanerasera malalaka amin'ireo mpanjifa sy ireo mpiara-miombon'antoka any ivelany. Manome toky koa izy amin'ny hahazoana miditra amin'ny aterineto ho an'ireo olon-tsotra sy orinasa madinika izay tsy nanana fahafahana nanana ‘connexion'  manokana.
Ho an'i Yomi Adegboye ao amin'ny Mobility Nigeria, tsy mbola ato ho ato no ho tonga  ireo fampanantenan'ny GLO-1:
Talohan'izao, niankina tamin'ny tariby SAT-3 ny firenena iray manontolo teo ambany ampihimamban'ny NITEL tamin'ny fidirana tanatin'ny ‘connexion haut-débit'. Am-bolana maro izao no mijery akaiky ny Glo-1 ireo mpanara-maso ny sehatry ny indostria,  satria ny famoahana azy io dia hisy fiantraikany amin'ny sanda sy ny fidirana  amin'ny aterineto haingam-pandeha ao  Nigeria.
Amin'izao efa eto izao ny Glo-1, rahoviana marina no hanomboka hahazo fahafaham-po amin'ny tolotrasany isika?
Tsy manam-paharoa ny GLO-1 amin'ny maha-tariby  anaty ranomasina voalohany indrindra eran-tany azy fehezin'ny tombontsoan'ny tsy miankina.  Theresa Carpenter Sondjo ao amin'ny Appfrica dia manazava:
Ny ankamarony amin'ireo tariby anaty ranomasina, isan'izany ny  SAT-3 izay mampifandray an'i Afrika Andrefana amin'ny firenena eran-tany, dia natsangan'ireo consortiums ivondronan'ny tsy miankina sy ireo orinasa (-mpanjakana). Tsy dia mahazatra loatra ny Glo-1 noho izy novatsian'ny  GlobalCom avy ao Nigeria manontolo…. amin'izao fotoana izao i Nigeria dia miankina amin'ny ampihimamban'ny  NITEL vao afaka miditra amin'ny toby fampifandraisana amin'ny  SAT-3  ary tsy maintsy mividy fatranonja any amin'ny Benin mpifanila aminy.
Munashe Gumbonzvanda ao amin'ny TechMasai dia manampy:
Ny zava-mahaliana amin'ity tariby ity dia  tsy toy ny ventures hafa sahala amin'ny Seacom [fanamarihana avy amin'ny mpanoratra: Seacom, tariby izay mampifandray an'i Afrika atsinanana amin'i Eropa sy  Asia, nanomboka niasa tamin'ny Jolay 2009], fa ity dia famatsiana manontolo avy amin'ny   Glo samirery. Goavana ny ho  fiantraikan'ny  Glo-1, nefa mety ho elaela vao ho hita taratra.. Toy ny tamin'ny Seacom, fotoana lehibe ho an'ny fiavaozana ara-teknolojika Afrikana sy ny fandrosoana izy ity.
Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy
Maro tamin'ireo lohateny vaventy an-gazetin'ny Repoblika Dominikana tato ho ato no nivaky toy izao, “Halatra tariby tamin'ny tetezan'i  Duarte ,” “Voasamantsamaka ny tahirim-bakok'i Peña Gómez,” ary “ Tsy misy herinaratra ny Sekoly La Salle.”  Ireny lohateny vaventy ireny dia samy milaza zavatra mitovy maha-sanganehana ny olon-drehetra avokoa: ny halatra tariby sy vy manerana ny tanàna renivohitr'i  Santo Domingo sy ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena. Raha zohiana, izy ireny dia amidy amin'ny vidiny lafo tokoa avy eo.
Car: izingiziniko fa nisy tetezana teto aninkeheo maraina. Entin'ilay fiara vaventy ho any amin'ny Mpividy Vy ny tetezana. Sarisary nataon'i  Cristian Hernández avy ao amin'ny El Nacional ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny mpanakanto.
Nanomboka tsimoramora teny ireny halatra ireny tany amboalohany, miaraka amin'ny fanjavonan'irony saron-tatatra sy takelaka manaingo sarivarahina tamin'ny faritra maro nanerana ny tanàna irony. Tany am-piandohana, tsy dia nisy niraharaha loatra ny momba azy io satria toa zavatra tsy dia manaitra. Saingy, araka ny fandrosoan'ny fotoana no nitomboan'ny saron-tatatra mihanjahanja, sy nitomboan'ny isan'ireo sarivongana voatsiratsira manerana ny tanàna, teo vao nanomboka nibaribary koa fa misy zavatra mitranga any.  Megamonchy avy amin'ny  El Rincón del Mega [es] dia manoratra mikasika toerana vitsivitsy nitrangan'ny halatra, toy ny jiro  50 nanazava ny manodidina ny  Jacobo Majluta Avenue, izay ilàna grues sy fitaovana goavana mihitsy vao mahetsika azy ireo:
Ahora se estan robando los rieles de los trenes que funcionaron una vez en el país y en los ingenios. Ahora yo me pregunto ¿Es tan difícil dar con estos ladrones de metales, que lo usan para fundirlos? NO Simplemente no hay voluntad para acabarlos. Pues cuantas compañías en el país tienen la capacidad para fundir estos metales. Lo que hay es vigilarlas.
Si los representantes de guinness world records visitaran el país de seguro que le adicionarían varias páginas a la próxima impresión del libro donde los dominicanos estaríamos bailando.
Amin'izao fotoana ry zareo  dia mangalatra indray ny lalamby fandehanan'ny fiarandalamby namakivaky ny firenena sy ny tany fambolena fary fahiny. Manontany tena aho ankehitriny, tena zavatra sarotra be mihitsy ve ny manàkana ireny mpangalatra vy ireny e, iza no mandrendrika ny vy? TSIA. Ny marina dia ny finiavana hanàkana azy ireny no tsy misy. Orinasa firy manerana ny firenena no mànana fahafahana handredrika an'ireny vy ireny? Tokony haraha-maso izy ireny.
Raha misy solontenan'ny  Guinness World Records tonga mitsidika aty amin'ny tanàna, azo antoka ny hanampian-dry zareo  pejy vitsivitsy ao amin'ny boky havoakany, ahitàna ireo Dominikana mandihy (fa nahazo ny  record amin'ny habetsahan'ny vy nisy nangalatra).
Taoriana kely, nivoaka ny tatitra mahakasika ireo halatra tariby, ahitàna ny tariby mpitondra herinaratra, hatramin'ny fibre optique mahatonga ny tena hisaina fa mahasarika kokoa ny varahina, izay aondrana mankany Sina avy eo fa any no be ny tinady.  Héctor Minaya ao amin'ny  Diario Digital RD [es], manao famintinana ny fanondrànana entana toy izao manaraka izao  sy ny fanaovan'ny governemanta masobe tsy mahita:
Para detener el saqueo de cables, tapas, placas y monumentos de cobre que comenzó el año último alentado por el alto precio del metal, es necesario que se prohiba la exportación de cobre y otros metales, los cuales no son de producción nacional. De aquellos metales que se extraen en el país, se presume que el Gobierno, a través de la Dirección General de Aduanas y otras instituciones, tiene algún control y hay un registro para los exportadores. Se ha publicado que semanalmente viene un barco, al parecer ante la indiferencia de las autoridades, para llevarse material producto del saqueo de estos metales.
Mba ho fisorohana ny halatra tariby, saron-tàtatra, takelaby sy sarivarahina izay nanomboka tamin'ny taon-dasa noho ny fisondrotry ny vidin'ny vy, ilaina ny handraràna ny fanondrànana  varahina sy ireo karazam-by hafa, izay tsy vokarina eto an-toerana. Ho an'ireo vy trandràhana eto an-toerana kosa, ilaina ny hanànan'ny Governemanta, amin'ny alàlan'ny ladoany sy ny sampan-draharaha hafa, fomba azo anaraha-maso sy rejistra momba ireo mpanondrana entana. Isan-kerinandro,  mampahafantatra ry zareo fa hoe misy sambo tonga, mandalo eo ambany vavoron'ny manampahefana [tsy raharahainy], mba haka ireo entana avy amin'ny halatra vy ireo.
Noho ireny halatra ireny, làlankely maro, avenues, tetezana ary  làlambe maro ao  Santo Domingo sy manerana ny tanàna no miaina anaty haizina, mahatonga fifaninanana amin'ny fahatapahan'ny herinaratra izay efa niainana ampolon-taona maro tsy nisy vahaolana. Rehefa latsaka anaty haizina ny arabe sy ny avenues,  tsy misy asany  koa ny jiro fandrindràana fifamoivoizna, ka miteraka fikorontanan'ny fivezivezena.
Ary mba ahoana ny amin'ny orinasan-telefaona? Joan Guerrero avy amin'ny Duarte 101 [es] dia manoratra fa ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin'ny Repoblika Dominikana dia isan'ny iharam-pahavoazana amin'ny firongatry ny  “orinasan”-ny halatra tariby sy kojakoja, izay miantraika mivantana any amin'ny mpanjifa. Ireny orinasa ireny dia nikajy fa ny fitambaran'ny  fatiantok'izy ireo dia  53 tapitrisa pesos [es] (eo ho eo amin'ny  1.5 tapitrisa dollars eo) tamin'ity taona ity fotsiny. Rehefa raisina miaraka amin'io ireo fitarainan'ny mpanjifa, dia lasa olana goavam-be ilam-bahaolana izy ity. Guerrero koa dia nanamarika fa ny orinasam-pifandraisan-davitra Tricom dia nikitika ny  YouTube mba hamoaka video mikasika ireo halatra ka hanome valisoa ho an'izay vaovao mitarika ho amin'ny fisamborana ireo mpangalatra tariby:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Na teo aza ny fepetra napetraky ny governemanta hanavahana ny vy notsimponina amin'ny vd halatra, i Diario 27-F dia nanindry fa sarotra be ny hanasaraka ireo vy ireo. Nisy ihany fisamborana vitsivitsy ary olona roa no nentina teny amin'ny fitsarana. Kanefa, mitohy ihany ny fandrobàna, toy izay nitranga tao amin'ny  Sekoly  La Salle ao  Santiago tamin'ny fiandohan'ny herinandro,  izay voatery nampiatoana ny fampianarana mandritry ny fotoana tsy voafetra.
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.
Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ny ‘Fahanginana tanteraka eo anivon'ny blaogy Tibetana‘), tsy dia misy resaka politika loatra ny tamin'ity volana ity raha ny fahitako azy.
Hafatra fandisoana rehefa miezaka ny miditra ao amin'ny TibetABC
Tafiditra ao amin'ireo vohikala tsy azo idirana amin'izao fotoana izao ireo tena malaza, www.tibettl.com sy www.tibetabc.cn izay mampiantrano ny blaogin'ilay mpanoratra sy mpitoraka blaogy amin'ny teny Tibetana, Jamyang Kyi.  Ny vohikala sisa mandeha izao , tsy hita hohazavaina, dia ny ChodMe (Jiron-dibera) http://www.cmbod.cn/index.html
Mbola mandeha tsara i Chodme
Misy resaka mandeha amin'ny vohikalam-blaogy Tibetana fa hoe mifandray amin'ny fisamborana an'ilay mpanoratra Tibetana Tashi (solonanarana, Therang) izao fanakatonana izao. Raha mila fanazavana fanampiny momba an'i Tashi, jereo ny lahatsoratro teo aloha ato amin'ny Global Voices.
Mahagaga fa tamin'ny volana nanombohan'ireo blaogy amin'ny teny Tibetana nikatona no nivoahan'ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana miaraka amina vohikala eto: http://tibet.people.com.cn/
Famoahana ny People's Daily  amin'ny teny Tibetana
Anatina  tontolo iainana efa feno faneriterena, zavatra iray tena mampatahotra ny firongatry ny  famerana ny tontolon'ny blaogy miahy tena  sy ny fipoiran'ireo vohikala  tantanina amin'ny fomba ofisialy amin'ny teny Tibetana .
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Tamin’ny herinandro lasa, ny tontolon’ny blaogy maraokana dia nitraotra noho ny fanapahan-kevitry ny governemanta tamin’ny fangoronana ireo gazetiboky  maraokana malaza roa - TelQuel (amin’ny teny frantsay) ary Nichane - (Arabo)- tamin’ny namoahan'izy ireo fitsapan-kevitra ireo Maraokana tsotra momba ny fahitan'izy ireo ny ftondram-panjaka, ny Mpanjaka Mohammed VI, na dia teo aza ny filazana fa  91%-n’ireo Maraokana dia nankasitraka ny fitondrany nandritra ireo folo taona voalohany nitondrany.
Hetsika iray, mitondra ny anarana hoe “9% aho” (”I am a 9%”) dia natsangana maika mba hisehoan'ireo tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitra. Nandritra iny herinandro lasa iny, ny  Twittoma (vondrom-piarahamonina Maraokana mampiasa ny Twitter) dia nampiasa ny  hashtag #9pcMaroc mba hiresahana an’iny tranga iny (navoitra ao amin’ ity piece -n'ny UAE's The National ity), raha mitohy mandalina ity resaka ity kosa ny tontolon’ny blaogy. Fivoarana iray vaovao, ny nanivanana ny gazety frantsay Le Monde (izay namoaka am-pahibemaso ny vokatra ) dia nampiakatr'afo  ireo mpitoraka blaogy sasany.  Rachid Jankari dia manoratra:
Je pense que cette interdiction et son argumentaire est un vrai retour en arrière. Et pour cause, c'est une nouvelle consécration de la “sacralité” du Roi.  En invoquant cet argument, archaïque, je pense que l'avenir du débat sur le présent et l'avenir du pays est encore une fois hypothéqué.
Mieritreritra aho fa ity fandraràna ity sy ny tohan-kevitra momba azy dia fihemorana any aoriana. Antony, fanamasinana bebe kokoa ny “hasin'ny” mpanjaka. Amin'ny fandrosoana io tohan-kevitra io dia heveriko fa tandindonin-doza indray  ny ho avin’ny dinika momba ny ankehitrio sy ny hoavin'ny firenena.
Manoratra i The Lounsbury ao amin'ny ‘Aqoul:
Mampihomehy koa izany. Manome tombony ny fanjakana ity fitsapan-kevitra ity ka tena hadàlana be ny fandraràna ny famoahana azy. Na izany aza anefa, maneho ny toe-tsaina Makhzen efa ntaolo izay mbola raiki-tampisaka ao amin’ny governemanta izy io. Na dia manana fahadisoana aza ny Mpanjaka (M6), tsy tafiditra amin'ireny ny hadàlana mivandravandra toy  ity. (ireo endrika mampandry adrisa izay mbola mety ho  azo iadian-kevitra ihany, na dia mbola vonona ny ho azy foana aza aho, jereo fotsiny ireo mitovy laharana aminy…) Nefa ilay mpisolelaka Naciri dia nanao ny zava-drehetra mba hahazoany ny zavatra iriany. Noho izany, eny, ny tany rehetra dia tokony hahalala fa ireo  mpomba an’i Makhzen dia tsy mahatanty ny  hoe fantatr’ireo mponina marokanina fa   91% “monja” no   afa-po tamin’ny folo taona voalohany nitondran’i M6 araka ny fitsapan-kevitra  iraisam-pirenena iray. Hanaraka eto ihany ireo  vaovao fanampiny momba ilay fitsapan-kevitra.
Mafy ny adin'ireo  ntaolo adala.
Ny mpitoraka blaogy maraokana Larbi, mahalala ny herin’ny Aterineto, dia namoaka ireo valin'ny fitsapan-kevitra ao amin’ny blaoginy, sady  nanamarika fa sarotra be ny hanafina amin’ny vahoaka ilay izy:
Finalement c’est l’AFP qui a eu la primeur de publier le Sondage Interdit, en détail avec tous les chiffres.  Dépêche qui sera reproduite par tous les médias du monde. Maintenant à moins d’interdire tous les médias du monde les censeurs sont très mal barrés.
Tamin’ny farany, dia ny AFP no nahazo ny tombon-dahiny  namoaka ity fitsapan-kevitra voarara ity, tamin’ny antsipiriany, miaraka amin’ireo isa. Fanapariahana izay naverin’ireo media eran-tany novokarina. Amin’izao fotoana, tena tsy afa-miala ireo mpandrara afa tsy hoe mandrara ireo haino aman-jery eran-tany angaha.
Ny mpitoraka blaogy Ibn Kafka koa dia namoaka ireo vokatra ireo , ary koa ny lahatsoratry ny gazety Le Monde, manentana ireo mpitoraka blaogy maraokana hafa hanao toy io ihany koa. Ny mpitsikera Kaouthar Lbiati dia mamaly:
La position des autorités marocaines (ministère de la communication) est décevante encore une fois. Bien sûr que le peuple marocain, comme tous les peuples d’ailleurs, a le droit d’évaluer sa monarchie à laquelle il est lié par le pacte d’Al Beiâ depuis plusieurs siècles maintenant. Le peuple marocain veut désormais s’exprimer, s’expliquer, être écouté et prendre en main sa destinée. Arrêter l’oppression enfin!
Ny toerana misy ireo manam-pahefana Maraokana (Minisitry ny Fifandraisana) dia mbola nandiso fanantenana indray. Mazava ho azy fa ny vahoaka Maraokana, ohatran’ireo vahoaka hafa rehetra ihany, dia manana zo hitsara ny fanjakana izay mifamatotra aminy araka ny fifanarahan'i Al Beiâ nandritra ny taonjato maro izao. Te-haneho ny heviny amin’izay ny mponina Maraokana, te-hifanazava, ho henoina ary handray an-tànana ny ho aviny. Mba ajanony amin'izay ilay famoretana e!
Ho hamintinana, ny mpitoraka blaogy Maraokana ao amin'ny Réflexions et autres idées dia manambara:
Il faut voir plus loin que son nez. Que sera le Maroc dans 5, 10, 20 ou 50 ans ? C'est à quoi le gouvernement et le pouvoir doivent travailler et non à proclamer des fatwas contre des journaux et des livres…
Tokony hijery lavitra noho ny tendron'orony ny olona. Ho toy i Maraoka afaka  5, 10, 20, na  50 taona? Izany no tokony hiasan’ny Governemanta sy ny Fanjakana fa tsy ny fanambarana ireo Fatwas mandrara ireo gazety sy boky …
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nangonin'i Tarek Amr tamin'ny lahatsoratra teo aloha ny fihetsika voalohany nataon'ny tontolom-bolongana Ejipsiana teo am-pandrenesana politikan'ny fahaiza-mampiasa soratra fototra [TE-Data] (FUP) , narahina hetsi-panoherana. Niova hevitra ihany avy eo ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ny Teknolojian'ny Serasera Ejipsiana.
Maro ny lahatsary noforonina sy navoaka hanesoesoana ny  FUP; Nanoratra ny manimba ny fiainanao… ET Data i Ashraf Hamdy ary i Adham namoaka ny Lahatsarin'ny fakana tahaka an'i Hitler hanoherana ity fanapaha-kevitra tsy rariny ity.
Namoaka lahatsoratra manandratra ny fandresen'ny mpampiasa aterineto i ElLeithy :
استجابة للمطلب الجماهيري برفض قرار سابق حول تحديد الانترنت في مصر، قرر وزير الاتصالات الدكتور طارق كامل بابقاء جميع العقود الحالية لمشتركى الانترنت سارية بدون تعديل وأن نظام الانترنت الجديد “سياسة الاستخدام العادل” استرشادى لمدة شهرين للمشتركين الجدد فقط .
Nanambara ny Minisitry ny Fifandraisana sy ny Teknolojian-tserasera, Dr. Tarek Kamel, izay nilefitra teo anoloan'ny fangatahan'ny be sy ny maro , fa tsy hampiharina amin'izay efa mpampiasa azy amin'izao fotoana ny FUP. hanandrana ilay politika mandritra ny ora volana kosa ireo vao misoratra anarana ahafahan'ny governemanta manombatombana ny fomba fampiasan'ny mpiserasera ny aterineto.
Nitatitra ny fihetsiketsehana notontosaina tamin'ny 13 Aogositra kosa i Tarek Ez Alden:
وكان عدد من مشتركي الانترنت في مصر قد نظموا وقفة احتجاجية الخميس في القاهرة عبروا عن رفضهم للسياسة الجديدة للانترنت.
وكان الاقتراح يقضي بوضع حد معين لمشترك الانترنت من التحميل “download” خلال الشهر الواحد، وإذا تجاوز هذا الحد تقوم الشركة تلقائيا بتخفيض السرعة خلال ما تبقى من أيام الشهر.
ورفع المحتجون خلال وقفتهم أمام مقر إحدى الشركات المزودة للخدمة لافتات حملت شعارات “الداونلود مضر بالصحة.. وقد يؤدي إلى الوفاة” ، “ليه تزنق نفسك.. إحنا إللي حنزنقك بمعرفتنا”، “الانترنت المحدود = تخلف بلا حدود.”
Nikarakara fihetsiketsehana hanoherana ny politika vaovao mametra ny troka an-tserasera (téléchargement) ny mpiserasera teto Ejipta. Nitondra sora-baventy isan-karazany izy ireo nandritra ny fitokonana: “Ratsy ho an'ny fahasalamanao ny troka .. mety hamono anao ny troka!”, “Nahoana ianao no hametra anao … ho hitanay ny hamerana anao”, ary “Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra.”
Marwa Rakha