Tantara misongadina momba ny Internet & Telecoms
2009-10-27
Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].
2009-10-10
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.
Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009:
Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana ...
2009-10-08
Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana
4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ...
2009-09-15
Nigeria: Tonga ao Lagos ny tariby vaovao avy any anaty ranomasina ho an'ny aterineto
Mahaliana ireo mpitoraka blaogy any Afrika Andrefana ny fahatongavan'ny tariby ambany ranomasina GLO-1 any Lagos tamin'iny herinandro iny. Mampifandray an'i Nigeria sy firenena 13 hafa any Afrika Andrefana ny GLO-1 amin'ny fotodrafitrasam-pifandraisana mandalo any Eropa, izay mitondra fatranonja [bandwidth]vaovao midadasika ho an'ny faritra.
2009-08-31
Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?
Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao.
Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny "fanamboarana") mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady (jereo ...
2009-08-26
Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky
Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.
2009-08-17
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.
2009-08-15
Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday
Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao ...





