The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fifandraisana iraisam-pirenena Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fifandraisana iraisam-pirenena

2009-09-17

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny FrantsafrikaVideo post

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...

2009-09-05

Bangladesh: Misaona ny loholona namana, Edward Kennedy

Senator Edward Moore “Ted” Kennedy (22 febroary 1932 – 25 aogositra 2009), mpikambana faharoa zokiny indrindra ao amin'ny loholona amerikana, dia matin'ny homamiadana ny talata lasa teo. Mitomany ity olo-malazan'ny politika ity daholo i Etazonia sy izao tontolo izao noho ny asany manohana ireo olona manana olana, ireo mpitsoam-ponenana Bengalais ...

2009-08-18

Kioba: Ny Maleconazo

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

2009-08-14

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael BogarPodcasts post

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

2009-08-13

Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i TaiwanSary post

Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny ...

Alzeria : Taorian'ny Fifandonan'ireo Sinoa sy Alzeriana

Niteraka fifandonana teo amin'ireo mpifindra monina sy ireo teratany alzeriana ao an-drenivohitr'i Alzeria ny fidiran'ireo mpiavy sinoa. Zato teo ho eo ny fitambaran'ny teratany sy ny mpifindra monina nifanandrina tamin'izany, ary nampiasa antsy sy fonjam-by ry zareo. Nisarika resa-be mikasika ny fampiasan'ny sinoa vola ao amin'ity firenena ity izany fifandonana ...

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...

2009-08-02

“Miala fa raha tsy izany…”: Na ny endri-pamoretana mahazo ny gazety ao Madagasikara

Tanora miasa ao amin'ny fanaovan-gazety lehibe iray i VNR. Nafeniny ny laharam-pindainy tamin'ny voalohany niantsoany ahy haontaniany izay antony hitadiavako tafa aminy. Nanaiky ny hihaona tamiko, teny amin'ny toerana be mpandalo eny Anosy Antananarivo, izy sy ny namany mpanao gazety ihany koa ka eny indray no mijery toerana ahafahana miresaka ...

Iran: Horaka “Ho lavenona i Rosia” nandritra ny vavaka zomaVideo post

Nandritra ny vavaka zoma ny 17 jolay lasa teo izay natao tao amin'ny anjerimanontolon'i Téhéran dia nangataka ny hamotsorana ireo mpanao fihetsiketsehana marobe nosamborina tany Iran taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 jona lasa teo ny filoha teo aloha Ali Akbar Hashemi. Fifidianana nahalany an'i Mahmoud Ahmadinejad. Manohana tsy misy fepetra an'ilay ...

2009-07-28

Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana

Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina  ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia. Ny 19 Jona,  mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao  Budapest, renivohitr'i  ...