· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Marsa, 2013

Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana

  28 Marsa 2013

Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development na Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ireo olana amin'ny fandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra atao amin'ny aterineto isan-kerinandro.

Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina

  27 Marsa 2013

Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011. Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka nataony, ny pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ary ny faneken'ny ampahan'i Shina ny fahazoany drôna, ny fahafatesany.

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

  26 Marsa 2013

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny faritra.

Ny Faritra Mando Lehibe Indrindra Arovana Erantany Napetrak'i Bolivia

  22 Marsa 2013

Ao anatin'ny Fifanarahana Ramsar, nanendry faritra mando telo vaovao ny governemanta Boliviana ho isan'ny faritra arovana any ‘Llanos of Moxos’, faritra arovana izay manome ny haben'i Pays-Bas sy Belzika mitambatra. Midera ilay fanapahan-kevitra ireo mpikatroka mafàna fo sy fikambanana mpiaro tontolo iainana, no sady manentana ihany koa hiasàna mafy ho fiarovana ny Amazôna.

Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?

Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny. Mitatitra i Diana Lungu.

Tohana Ara-Miaramila Maleziana Hanafihana Ireo ‘Mpampihorohoro’ Ao Sabah

  10 Marsa 2013

Tonga nanafika sy nibodo ampahany maro tao Sabah any Borneo Avarata ny tafika ‘royal army’ an'ny Soltana Sulu, tamin'ny volana lasa ho fanamafisany ny fitakiana an'ilay zaratany. Roatokom-bolana taty aoriana, nandefa ny miaramilany ny governemanta Maleziana hanaisotra ireo 'mpampihorohoro'. Naneho ny fanohanany ny ankamaroan'ireo Maleziana mba hanaovana hetsika miaramila hanilihana ireo mpanani-bohitra

Nambabo Ny Fon'ireo Media Vaventy Fa Tsy Naharesy Lahatra Ny Mpisera Anaty Aterineto i Fu Ying, Mpitondra Teny Vaovaon'ny Parlemanta Shinoa

  08 Marsa 2013

Nambabo ny fon'ireo media vaventy i Fu Ying, mpitondra teny vaovaon'ny parlemanta, tao anatin'ilay kabariny fandraisana voalohany ny asany nataon'ny ho an'ny mpanao gazety, saingy ireo mpisera ety anaty aterineto manao jery maika eny antsefantsefan'ny fanamarihany eny kosa dia niahiahy hoe mbola mpanao kobaka am-bava tsy misy toy izany i Fu, fa ny politika teo ihany no tohizany.