· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Janoary, 2013

Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?

  26 Janoary 2013

Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra, izy rehetra ireny dia samy maneho ny naha-sarobahàna ilay raharaha.

Voapotsipotsitra Ny Taratasin'ny Filoha Tiorka Ho an'i Bangladesh

  25 Janoary 2013

Tamin'ny volana lasa [bn] teo ny Filoha Tiorka Abdullah Gül no nandefa taratasy tamin'ny filohan'i Bangladesh. Ny votoaty ankapoben'ny taratasy dia fangatahana “famindram-po” ho an'ireo mpitarika Islamista hotsaraina noho ny fiampangana ho nanao heloka bevava nandripaka olona nandritra ny adim-panafahana an'i Bangladesh. Nosoratany moa fa raha voasazy ireo mpitarika ireo dia mety...

Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila

  22 Janoary 2013

Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?

Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà Grenada i Muhammad XII (Mpanjaka Boabdil). Nahazo ny  saikanosy iberiana ny kalifà (fiandrianan'ny mpanjaka Islamo) Omayyady tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-valo, ary nampitsahatra ny...

Madagasikara: Nahoana Rajoelina No Tsy Nilatsaka Hofidiana Ho Filohampirenena?

  17 Janoary 2013

Taorian'ny fanambaran'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina tsy ho kandidà izay nanaraka ny an'ny filoha teo aloha Ravalomanana tamin'ny desambra 2012, hanana filoha vaovao izany ny malagasy amin'ity taona 2013 ity, ka hoe hotontosaina araka ny fotoana efa niomanana ny datim-pifidianana. Maro ny mpanara-baovao no tsy dia matoky loatra amin'ny fanatanterahana ny fifidianana...

Hisongona An'i Etazonia i Shina Amin'ny 2049?

  12 Janoary 2013

ny tatitra iray navoakan'ny Akademia Shinoa Momba ny Siansa tamin'ny 8 Janoary 2013 dia miteny fa tahaka ny hisongona an'i Etazonia amin'ny sehatra rehetra i Shina amin'ny 2049, ary ho avy ny fiverenan'ny firenena Shinoa amin'ny fahatanorany. Niteraka eso mahatsikaiky tao amin'ny Sina Weibo ilay fanambaràna, nahitàna ireo mpisera ety anaty aterineto nikiaka ny hiatrehana ny tena olana ao Shina.

Miaro Tena Amin'ireo Fiampangàn'i Esperanza Aguirre Ny Kiobàna

  12 Janoary 2013

Nilaza ny filohan'ny antokom-bahoaka (Partido Popular-PP) ao Madrid, Esperanza Aguirre, fa tsy nankato "fitsaràna tao Kioba izy, na endrika ahoana na ahoana." Nantsoiny hoe "fampijaliana" ny fotoana lanin'i Ángel Carromero, Sekretera lefitry ny Sampana Tanora ao amin'ny Antokom-bahoaka tany am-ponja, taorian'ny nanamelohana higadra tao La Havane noho ny "famonoana olona tsy niniana," tanaty lozam-pifamoivoizana izay nahafaty an'ireo Kiobana mpanohitra, Oswaldo Payá sy Harold Cepero. Mihetsika ny tontlon'ny bilaogy Kiobàna.

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

  11 Janoary 2013

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...