· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jolay, 2012

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India

  26 Jolay 2012

Mafana tanteraka ny  andron’ny Zoma sy Asabotsy  tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana amin'ny fanalàna hetaheta sy ny vavaka, niady hevitra, nifanakalo hevitra ary nandray lesona tamin'ireo mpandrindra ny adihevitra ny mpandray anjara....

Rosia, Belarosia: Medvedev sy ny “Toerana Fanaovana “Cirque” Belarosiana”

Nandritra ny fitsidihan'ny Praiminitra Dmitry Medvedev tany Minsk tamin'ny Zoma 18 Jolay, nandefa tweet tamin'ny sary Instagram nahitana ity teny ity izy: “Tao amin'ny araben'i Minsk.” Ny olana tamin'ny sary dia ny fanoritsoritana ny  Toerana fanaovana cirque an'ny fanjakana Belarosiana, izay niteraka fanehoan-kevitra mikasika ny fihaonanan'i Medvedev tamin'ny filoha Belarosiana Aleksandr Lukashenko sy...

Iran: “Raha Maty Misy Mamono i Bashar, Ny Fitondrana Iraniana Dia Hiantso Azy Ho Maritiora”

Narahan'ireo Iraniana mpitoraka bilaogy hadrohadro ny fanehoan-keviny tamin'ilay fanafihan'ny Syriana mpanohitra tao Damaskaosy sy ny fanapoahana baomba izay nahafaty ireo tomponandraikitra ambony telo amin'ny fiarovana ny fitondran'ny Filoha Syriana Bashar Al Assad. Tsara ny fifandraisana eo amin'i Iran sy Syria ary dia nanàla azy tokoa ireo vahoaka amin'ny mety ho fiantraikan'ny fialàn'i Al Assad eo amin'ny fitondrana, taorian'ny 16 volana nisian'ny revolisiona mivaivay tao Syria.