· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2012

Haiti: Fanehoan-kevitra Tanaty Aterineto Momba Ny Raharaha Duvalier

  28 Febroary 2012

Tamin'ny faran'ny volana Janoary 2012, ny mpitsara mpanao famotoana mitady vesatra mikasika ny zon'olombelona hanenjehana an'ilay mpanao didy jadona voaongana tany Haiti, Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, dia nanapa-kevitra fa "tapitra ny fe-potoana voafetran'ny lalàna mikasika ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona - tsy izany kosa anefa ny amin'ny fangalàran'i Duvalier ny volam-panjakàna.

Sahel: Manamafy ny Vahohony Any Amin'ny Faritra Ny Boko Haram Sy Ny AQMI

  20 Febroary 2012

Am-bolana maro izao ireo silamo "intégristes" ara-pivavahana (mpifikitra amin'ny fomba nahazatra hatrizay) no nanamafy ny adin'izy ireo amin'ny mponina sy ny repoblika federaly ao Nizeria sady manandrana manitatra ny faritra iasan'izy ireo mankany amin'ireo firenena hafa any Sahel. Miteraka fandalinana ireny fanafihana ireny, sy fijerena akaiky ary fanehoan-kevitra eny anivon'ny tontolon'ny bilaogy hatrany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.

Arabia Saodita: Mitsingilahila Ny Ampitson'i Hamza Kashgari, Mpanao Gazety

Nahatonga tsela-baratra tao amin'ny media sosialy i Hamza Kashgari, Saodiana iray mpanao gazety, rehefa nitoraka bitsika mikasika resaka noforonin'ny saina niarahana tamin'ilay Mpaminanilahy Mohammed ny tenany., izay nitarika ny fitsoahany ny firenena noho ny fandrahonana ho faty. Ankehitriny, miady hevitra ny amin'izay hahazo an'i Kashgari ireo mpampiasa ny media sosialy satria dia haverina an-tanindrazana avy any Malezia ny tenany.

Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

  16 Febroary 2012

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana. Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40 minitra ilay fiaramanidin'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka tsheky CSA raha nezahina izay hampandeha nokitihina ilay lelan'ela-boromby tsy nety niasa, afaka niantsona noho ny hamehana ihany anefa...

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

  11 Febroary 2012

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

Hongria : veloma i Malév!

  10 Febroary 2012

Malév, kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Hongroà, niorina tamin'ny taona 1946, no nikatona tamin'ny 03 febroary satria bankirompitra. Araka ny  vaovao an-gazety [hu], tsy nahalala ny hanakatonana ity kaompania ity ireo mpiasa tao raha tsy adiny y iray alohan'ny fanakatonana. Tamin'ny alàlan'ny saika hisoratana anarana handeha tao amin'ny seranam-piaramanidina Listz Ferenc ao Budapest kosa no nahalalan'ireo...