· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Oktobra, 2010

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Iran: Dian'ny filoha Ahmadinejad tany Libanona

Vao nahavita ny fitsidihana roa andro tany Libanona ny filoha Iraniana, Mahmoud Ahmadinejad. Io fitsidihana amin'ny fomba ofisialy voalohany notontosainy hatramin'ny nandraisany fahefana tamin'ny 2005. Niresaka tamin'ny mpitondra fanjakana Libaney izy ary nitsidika ihany koa ny toerana mampatanjaka ny antoko sakaizan'i Iran dia ny Hezbollah izany, dia ny faritra atsimon'ny...

Shina sy Tibet: Demaokrasia an-tsesintany

  13 Oktobra 2010

Misy fahabangana amin'ny endrika maro izany hoe Tibetana an-tsesitany izany: very tanindrazana sy very zo koa ao anatin'izany. Amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa dia toy ny fitahiana miova tava ihany izany fahabangana izany. Nihamafy ny fiavaham-pirenena, ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampielezana ny fivavahany tsy misy tahotra fanenjehana ary ny fahafaha-mifidy ho an'ny Tibetana mialokaloka any Dharamshala. Tsy mba mizaka ireo rehetra ireo kosa anefa ny Tibetana mbola mitoetra any Tibet entin'ny Shinoa (foko) Han.

Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina

  10 Oktobra 2010

Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy ireo eo imason'ny mpifidy

Shina: Loka Nobel Fandriampahalemana – Liu Xiaobo

  09 Oktobra 2010

Ora vitsivitsy izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny loka Nobel Fandriampahalemana 2010 ho an'i Liu Xiaobo ny Vaomieran'ny Nobel Norveziana noho ny tolona tsy manao herisetra lavitr'ezaka nataony hisian'ny fampanjakana ny zon'olombelona fototra any Shina. Fotoam-pifaliana lehibe ho an'ireo Shinoa tafiditra ho amin'io fironana io izao fotoana izao satria i...

Tokony handefa tafika any Afghanistan ve i Bengladesy ?

  09 Oktobra 2010

Nanamarika ny mahaizy azy ny Tafik'i Bengaldesy tamin'ny fanomezany tropy ho amin'ireo hetsika maro samihafa ataon'ny Firenena Mikambana hitandroana ny filaminana manerana izao tontolo izao . Na izany aza, nahazo fangatahana tropy hafakely ny firenena vao haingana mba hanatona ny tafik'i OTAN hanampy hiarovana ny Afganistana amin'ny ady ataon'ny Talibana .

Pakistan: Mijanona ho zava-miafina ny raharaha Dr. Aafia Siddiqui

  08 Oktobra 2010

“Ny vokatry ny fitsarana nataoko dia voaheloka higadra mandritra ny 86 taona i Dr. Siddiqui,” (noho ny saika namonoany manamboninahitra amerikana iray tany Afghanistan) hoy ny mpitsara Richard Berman, miasa ao amin'ny lapan'ny fitsarana an'ny distrika any Etazonia ao amin'ny fitsaram-paritry Manhanttan ny 23 septambra 2010. Ilay teratany avy any...

Madagasikara: Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana vaovao

  06 Oktobra 2010

A referendum on a new constitution has been scheduled for November 17. The holding of a referendum is still heavily disputed by both the opposition and the international community. Malagasy bloggers have dissected and analyzed some of the changes suggested in the proposal and offer their own perspectives.