· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2010

Alzeria: Melohin'ny mpiserasera ny fanakanana ny boky ejipsiana tsy haseho ao amin'ny fampirantiana boky

  26 Aogositra 2010

Sarim-pamantarana ny Salon International du Livre d’Alger (SILA): http://www.sila.dz/ Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fanapahan-kevitra tsy hampiditra ny boky ejipsiana ho ao anatin'ny haranty mandritra ny Fampirantiam-boky Iraisam-pirenena eto Alger [Salon international du livre d’Alger (SILA)]. Nisy manko ny antsoavo nataon'olo-tsotra avy amin'ny sarangam-piaraha-monina rehetra nanameloka ny fanapahan-kevitry ny tompon'andraikitry...

Noam Chomsky tany Shina

  26 Aogositra 2010

Tamin'ny 13 Aogositra, nikabary tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking any Beijing i Noam Chomsky. Chomsky, iray amin'ireo olon-tsotra manampahaizana isan'ny misongadina amin'izao vaninandro iainantsika izao, dia malaza amin'ny hafanam-pony ara-politika sy ny fandraisan'anjarany amin'ny fanabeazamboho ny teny sy ny filaozofia. Ny resaka, nampitondraina ny lohateny hoe Ny manodidina ny Drafi-Pandaminana izao Tontolo izao: Fitohizan-draharaha sy Fiovàna (Contours of World Order: Continuities and Changes), dia saiky nirona betsaka tamina olana lehibe roa atrehan'ny zanak'olombelona: ny ady nokleary sy ny fahasimbana/fikorosian'ny tontolo iainana.

Sina: Tantaran'ny “Visa”

  13 Aogositra 2010

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...

Tonizia: Rehefa ny mpanakanto toniziana no mihiaka hoe “Ho ela velona i Netanyahu”

  13 Aogositra 2010

Iray amin'ny takelaka Facebook maro nitsangana hanameloka an'i Sherif Niteraka hatezerana sy fahadisoam-panantenana tamin'ny Toniziana ny fivezivezen'ny lahatsary iray ahitana ny mpihira Tonizian Mohsen Sherif mihiaka hoe “Ho ela velona Bibi Netanyahu!” ary manasa ny Jiosy hitsidika ny Nosy Djerba hanao fivahiniana masina El Ghariba. Amin'ny fiteny geek moa izany dia antsoina...

Maraoka: Fihaviana sy Fanavakavaham-bolon-koditra

Maraoka, fihaonan-dalan'ny tontolo Atsinanana sy Andrefana, ny tontolo Eoropa sy ny tontolo Arabo hatry ny ela dia firenena ahitana fahasamihafana amin'ny lafiny maro, ary mihoatra noho izany aza, mahazaka ny tsy fitoviana amin'ny lafiny maro ny Maraokana. Amin'ny lafiny hafa, tahaka ny nosoratan'i Smahane Bouyahia indray anefa dia hitan'ireo vahiny ho...

Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika

  06 Aogositra 2010

Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.