· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Febroary, 2009

Mitsidika any Indonezia i Clinton

  25 Febroary 2009

Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana  Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny olana ara-toe-karena.” Indonezia no firenena silamo lehibe indrindra eran-tany ary fahatelo amin'ny demokrasia malalaka indrindra....

Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra

  24 Febroary 2009

Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.

Afganistana : Fonja, Fahantrana ary Pôlitika

  24 Febroary 2009

Raha nanambara ny mpitantana miaraka amin'i Obama fa hanampy miaramila 17 000 any Afganostana hanampy ireo efa any an-toerana dia miresaka mikasika ny fanamby miandry an'i Afganistana tahaka ny hoe fanagadrana vehivavy, ny fahantrana sy ny pôlitika ny mpitoraka bilaogy. Baktash Siawash, mpanao gazety ao amin'ny toby ao Kabul sady...

Bolgaria, Masedonia: Adin'ny blaogy momba ny tantara

  21 Febroary 2009

Ny fifandraisana eo amin'ny Bolgaria sy Masedonia dia mbola manahirana sy sarotra takarina noho ny misy eo amin'ny Grika sy Masedonia, na dia vao haingana teo aza iry voalohany no nalaza kokoa tamin'ny haino aman-jery noho ity farany. Mbola ny tantara ihany no olana goavana eo amin'ny Sofia sy Skopje....

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

  19 Febroary 2009

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

Kambojia: Tatitra miampanga ireo sangany ho mangalatra

  15 Febroary 2009

Global Witness, fikambanana iray tsy miankina amin’ny fanjakana any Londres dia namoaka tatitra hoe Country for Sale [Firenena amidy] tamin’ny 5 Febroary 2009. Mampitandrina izany tatitra izany fa mety hitontongana any amin’ny kleptocratie ny Kambojia, ary milaza fa ny antontam-bola goavana izay miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny governemanta dia ny elite...