· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Jolay, 2008

Libanona: Siria sy Isiraely

  31 Jolay 2008

“Firifiry ny isan'ny misolelaka any amin'ny fitondrana Siriana (manohitra an'Isiraely) mandritra ny herinandro? Ny valiny: feno. Koa miangavy re: teneno ny fitondrana Siriana tsy hiteny amin'ny anaran'ny Arabo manontolo raha mampanantena fandriampahalemana sy mandrindra fihavanana amin'Isiraely izy. Ary tsarovy ihany koa fa efa nampanantena toy izany i Sadat (filoha eziptiana...

Libanona: Hezbollah sy Hamas

  31 Jolay 2008

“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.

Ukraine: Fanazarantenan'ny manampahaizana Irakiana

  29 Jolay 2008

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat – ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna...

Varavarana miafina ny AFRICOM

  28 Jolay 2008

Parole de Democrate [Fr] no mieritreritra fa vavahady miafina hidirana sy hampielezana ny Amerikana miafina eto Afirika ny AFRICOM ary lazainy fa efa nanao iraka miafina tao anatin'ny sisintanin'i Alizeria ny vondrotafika Amerikana, araka ny loharanao tsy voatonona iray.

Rosia: Solontenan'ny OSCE voampanga ho mpitsikilo

  26 Jolay 2008

Da Rússia (SPA) no milaza ny heviny mikasika ny tenin'ny mpikambana iray ao amin'ny vaomieran'ny fifidianana Rosiana fa mpitsikilon'ny Tandrefana ireo mpanaramason'ny fifidinana nalefan'ny vaomiera Eoropeana any aminy.

Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

  25 Jolay 2008

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia ary ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana. Fa ny tena malaza manohitra kosa — aorain'i Seribia — dia i...

Azerbaijan: Valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia

  24 Jolay 2008

Michael J. Totten's Middle East Journal no mitatitra fa hitsidika an'i Azerbaijan amin'ny volana ambony hanatrika valandresaka momba ny fifidianana any Etazonia sy izay zavatra mifandraika aminy any an-toerana. Mitady fanontaniana azo apetraka hoan'ny mpitondra fanjakana any (Azerbaijan) sy mpitondra fivavahana ary ny mpandraharaha avy amin'ny mpamaky azy ny bolongana.

Eoropa afovoany sy atsinanana: Politikan'ny FMI sy ny matin'ny raboka

  24 Jolay 2008

Eternal Remont no manintona ny maso amin'ny alalan'ny fanadihadiana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'i Cambridge vao haingana milaza ny fiantraikan'ny politikan'ny FMI izay nitarika fahafatesan'olona mararin'ny raboka mahatratra 100 000 nandritra ny taompolon'ny 1990 tany Eoropa atsinanana.