Global Voices teny Malagasy » Orinasa
Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro
Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina  tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro  antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.
Wiadomości24.pl, vavahadin'ny fanaovan-gazetim-bahoaka Poloney, manoratra (POL) fa, araka ny voalazan'ilay mpitoraka blaogy, ny fahatomombanan'ny Fakt teo amin'ny tsena Poloney dia saiky niankina betsaka tamin'ny fandinganana ireo fitsipiky ny fanaovan-gazety avokoa.
Ity misy sombintsombiny amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalohany (POL) ao amin'ny BrukowiecStory:
Mieritreritra aho fa ny famoronana ny Fakt no tena dona lehibe indrindra tamin'ny fahalalahan'ny media Poloney hatramin'ny [1989]. Talohan'ny 2003, tsy nisy afa-tsy Super Express, tabloid tsotra, mazava ary mahafinaritra. Nisy tombony iray izy ity – nanoratra ny marina foana ry zareo. Amin'ny fomba tabloid, nefa mbola afaka nilaza izany ho fanaovan-gazety ihany ny olona. Ary nijanona ho toy izany foana  ny toe-javatra  talohan'ny nidiran'ny Fakt teo amin'ny tsena.
Voalohany eo amin'ny tantaran'ny media Poloney, no nahitanay fomba vaovao – ny famoronana ny marina. “Tsy misy zava-mitranga? Raha izany forony ny zava-miseho,” ny tonian'ny famoahana dia tokony hikendry foana izay tokony hihetsehan'ireo mpanao gazety. […]
Ny mpitoraka blaogy koa dia nilaza fa te hanangana fikambanana ho an'ireo olona izay voa tamin'iny Fakt iny, ary milaza ihany koa fa misy fanomanana hetsi-bahoaka goavana. Hatreto aloha, mbola tsy namoaka lahatsoratra mikasika mazava ny fandikan-dalàna nataon'ny mpiandraikitra ny gazety izy.
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haiana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vavahadin-tserasera, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Nametraka azy teo amin'ny laharana faha-11 amin'ny sokajy “fiaraha-monina” amin'ny aterineto Poloney ireo salan'isa farany teo.
Nipoitra tany amin'ny fitoraham-blaogy kiritika toy ny Blip.pl ireo tsaho voalohany. Nanoratra ity (POL) ny iray tamin'ireo mpampiasa azy - shunkiano - tamin'ny 11 Novambra:
Diso ve aho, sa foana ny OdSiebie?
Avy eo dia hoe nihidy ny OdSiebie.com, ary nipoitra tany amin'ireo blaogy maro ny  fanamafisana farany. Nanoratra i Paolo (POL):
[…] Mandeha ny tsaho fa natsahatra ny fampiantranoana “fichiers” maimaim-poana OdSiebie.com. Renay  fa nosamborin'ny mpitandro filaminana ny tompony sy mpamorona azy [Łukasz Ć.], ary nogiazan'izy ireo koa ireo CD 200 [nahitàna fitaovana tsy manana “copyright”  ara-dalàna] sy “disques durs” efatra. Efa azon'izy ireo ihany koa ny fidiran'ireo mpampiasa [userlogs]. […]
Nanomboka natahotra ireo mpampiasa satria niteny ireo manampahefàna fa afaka miditra amin'ny kaontin'ireo mpampiasa ny OdSiebie.com koa ry zareo, dia nipoitra indray ny tsaho hafa - tamin'ity indray dia hoe mety ho voasambotra koa hono ireo mpampiasa. Ao amin'ny Blip.pl, Nanoratra i frk (POL), mpampiasa:
Voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Afaka miditra amin'ny kaontin'ny mpampiasa ny manampahefana. Samia mitandrina.
Maro ny akon'ireny fihetsika ireny teo amin'ny tontolon'ny blaogy sy manerana ny aterineto tao Polona. Voalohany indrindra, nitondra tany amin'ny fanoherana nokarakarain'ireo mpampiasa hafa izany, izay tena nalaza be tao amin'ny Wykop.pl (tolotra mitovitovy amin'ny Digg):
Ary ity misy hevitra iray (POL) avy amin'i Piotr Vagla, mpitoraka blaogy manoratra momba ny resaka ara-dalàna sy ny aterineto:
Tsy mbola nosamborina mihitsy ireo mpamorona ny YouTube, nefa reko fa voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Nanolotra dinidinika ho an'ny daholobe i Łukasz Ć., tamin'ny filazany fa milay ny vohikalany, ary eo am-panomanana tetikasa ho an'ny hoavy izy. Nanambara koa izy fa ny raharaha manontolo momba ilay vohikala Swedish [The Pirate Bay] dia tsy inona fa vokatry ny tsy fiarahan-dry zareo miasa amina vondrona manohatra ny fanaovana piraty. Tsy fantatro raha niara-niasa tamina vondrona toy izany izy fa raha eny no valiny, dia tsy dia nanampy azy loatra izany. […]
Amin'izao fotoana izao, tsy dia mazava loatra raha hisambotra ireo mpampiasa ny OdSerbie.com ny manampahefana, na dia misy olona sasantsasany aza miteny izany. Tsy mbola nisy voasambotra aloha.
Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy
Maro tamin'ireo lohateny vaventy an-gazetin'ny Repoblika Dominikana tato ho ato no nivaky toy izao, “Halatra tariby tamin'ny tetezan'i  Duarte ,” “Voasamantsamaka ny tahirim-bakok'i Peña Gómez,” ary “ Tsy misy herinaratra ny Sekoly La Salle.”  Ireny lohateny vaventy ireny dia samy milaza zavatra mitovy maha-sanganehana ny olon-drehetra avokoa: ny halatra tariby sy vy manerana ny tanàna renivohitr'i  Santo Domingo sy ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena. Raha zohiana, izy ireny dia amidy amin'ny vidiny lafo tokoa avy eo.
Car: izingiziniko fa nisy tetezana teto aninkeheo maraina. Entin'ilay fiara vaventy ho any amin'ny Mpividy Vy ny tetezana. Sarisary nataon'i  Cristian Hernández avy ao amin'ny El Nacional ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny mpanakanto.
Nanomboka tsimoramora teny ireny halatra ireny tany amboalohany, miaraka amin'ny fanjavonan'irony saron-tatatra sy takelaka manaingo sarivarahina tamin'ny faritra maro nanerana ny tanàna irony. Tany am-piandohana, tsy dia nisy niraharaha loatra ny momba azy io satria toa zavatra tsy dia manaitra. Saingy, araka ny fandrosoan'ny fotoana no nitomboan'ny saron-tatatra mihanjahanja, sy nitomboan'ny isan'ireo sarivongana voatsiratsira manerana ny tanàna, teo vao nanomboka nibaribary koa fa misy zavatra mitranga any.  Megamonchy avy amin'ny  El Rincón del Mega [es] dia manoratra mikasika toerana vitsivitsy nitrangan'ny halatra, toy ny jiro  50 nanazava ny manodidina ny  Jacobo Majluta Avenue, izay ilàna grues sy fitaovana goavana mihitsy vao mahetsika azy ireo:
Ahora se estan robando los rieles de los trenes que funcionaron una vez en el país y en los ingenios. Ahora yo me pregunto ¿Es tan difícil dar con estos ladrones de metales, que lo usan para fundirlos? NO Simplemente no hay voluntad para acabarlos. Pues cuantas compañías en el país tienen la capacidad para fundir estos metales. Lo que hay es vigilarlas.
Si los representantes de guinness world records visitaran el país de seguro que le adicionarían varias páginas a la próxima impresión del libro donde los dominicanos estaríamos bailando.
Amin'izao fotoana ry zareo  dia mangalatra indray ny lalamby fandehanan'ny fiarandalamby namakivaky ny firenena sy ny tany fambolena fary fahiny. Manontany tena aho ankehitriny, tena zavatra sarotra be mihitsy ve ny manàkana ireny mpangalatra vy ireny e, iza no mandrendrika ny vy? TSIA. Ny marina dia ny finiavana hanàkana azy ireny no tsy misy. Orinasa firy manerana ny firenena no mànana fahafahana handredrika an'ireny vy ireny? Tokony haraha-maso izy ireny.
Raha misy solontenan'ny  Guinness World Records tonga mitsidika aty amin'ny tanàna, azo antoka ny hanampian-dry zareo  pejy vitsivitsy ao amin'ny boky havoakany, ahitàna ireo Dominikana mandihy (fa nahazo ny  record amin'ny habetsahan'ny vy nisy nangalatra).
Taoriana kely, nivoaka ny tatitra mahakasika ireo halatra tariby, ahitàna ny tariby mpitondra herinaratra, hatramin'ny fibre optique mahatonga ny tena hisaina fa mahasarika kokoa ny varahina, izay aondrana mankany Sina avy eo fa any no be ny tinady.  Héctor Minaya ao amin'ny  Diario Digital RD [es], manao famintinana ny fanondrànana entana toy izao manaraka izao  sy ny fanaovan'ny governemanta masobe tsy mahita:
Para detener el saqueo de cables, tapas, placas y monumentos de cobre que comenzó el año último alentado por el alto precio del metal, es necesario que se prohiba la exportación de cobre y otros metales, los cuales no son de producción nacional. De aquellos metales que se extraen en el país, se presume que el Gobierno, a través de la Dirección General de Aduanas y otras instituciones, tiene algún control y hay un registro para los exportadores. Se ha publicado que semanalmente viene un barco, al parecer ante la indiferencia de las autoridades, para llevarse material producto del saqueo de estos metales.
Mba ho fisorohana ny halatra tariby, saron-tàtatra, takelaby sy sarivarahina izay nanomboka tamin'ny taon-dasa noho ny fisondrotry ny vidin'ny vy, ilaina ny handraràna ny fanondrànana  varahina sy ireo karazam-by hafa, izay tsy vokarina eto an-toerana. Ho an'ireo vy trandràhana eto an-toerana kosa, ilaina ny hanànan'ny Governemanta, amin'ny alàlan'ny ladoany sy ny sampan-draharaha hafa, fomba azo anaraha-maso sy rejistra momba ireo mpanondrana entana. Isan-kerinandro,  mampahafantatra ry zareo fa hoe misy sambo tonga, mandalo eo ambany vavoron'ny manampahefana [tsy raharahainy], mba haka ireo entana avy amin'ny halatra vy ireo.
Noho ireny halatra ireny, làlankely maro, avenues, tetezana ary  làlambe maro ao  Santo Domingo sy manerana ny tanàna no miaina anaty haizina, mahatonga fifaninanana amin'ny fahatapahan'ny herinaratra izay efa niainana ampolon-taona maro tsy nisy vahaolana. Rehefa latsaka anaty haizina ny arabe sy ny avenues,  tsy misy asany  koa ny jiro fandrindràana fifamoivoizna, ka miteraka fikorontanan'ny fivezivezena.
Ary mba ahoana ny amin'ny orinasan-telefaona? Joan Guerrero avy amin'ny Duarte 101 [es] dia manoratra fa ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin'ny Repoblika Dominikana dia isan'ny iharam-pahavoazana amin'ny firongatry ny  “orinasan”-ny halatra tariby sy kojakoja, izay miantraika mivantana any amin'ny mpanjifa. Ireny orinasa ireny dia nikajy fa ny fitambaran'ny  fatiantok'izy ireo dia  53 tapitrisa pesos [es] (eo ho eo amin'ny  1.5 tapitrisa dollars eo) tamin'ity taona ity fotsiny. Rehefa raisina miaraka amin'io ireo fitarainan'ny mpanjifa, dia lasa olana goavam-be ilam-bahaolana izy ity. Guerrero koa dia nanamarika fa ny orinasam-pifandraisan-davitra Tricom dia nikitika ny  YouTube mba hamoaka video mikasika ireo halatra ka hanome valisoa ho an'izay vaovao mitarika ho amin'ny fisamborana ireo mpangalatra tariby:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Na teo aza ny fepetra napetraky ny governemanta hanavahana ny vy notsimponina amin'ny vd halatra, i Diario 27-F dia nanindry fa sarotra be ny hanasaraka ireo vy ireo. Nisy ihany fisamborana vitsivitsy ary olona roa no nentina teny amin'ny fitsarana. Kanefa, mitohy ihany ny fandrobàna, toy izay nitranga tao amin'ny  Sekoly  La Salle ao  Santiago tamin'ny fiandohan'ny herinandro,  izay voatery nampiatoana ny fampianarana mandritry ny fotoana tsy voafetra.
Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika
Sary nalain'i marcbraz ao amin'ny Flickr
Asa sarotra ny fitantanana ny fako ho an'ny firenena maro, na ireo firenena mandroso izany na ireo an-dalam-pandrosoana. Any Brezila, 10 isan-jaton'ireo tanàn-dehibe ihany no manana lamina azy  manokana ho  fikarakarana ny fako azo ahodina, raha araka ny ambaran'i André Trigueiro, mpanao gazety, profesora ary mpanadihady ao amin'ny CBN Radio Network.
Nandritra ny herinandro vitsivitsy farany teo, ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana natolotra tany amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana dia niteraka resa-be teo amin’ireo mpitoraka blaogy Breziliana manokana noho ny fanovana natao tamin’ny andininy faha-33, miresaka momba ny toerana tsy maintsy atao handraisana ireo fako naverina sy ny hanodinana ireo fako voasokajy manokana , izay tsy mametraka intsony ireo fitaovana elektronika ho isan'ireny. Maro ny olona no mieritreritra fa izany dia noho ny tsindry  ataon’ireo orinasa mpanodina fako sasany, noho  ny halafon'ny fikirakirana ireny fako elektronika ireny.
Fanehoan-kevitra noho ny  fanovana ilay lalàna, ny Coletivo Lixo Eletrônico (Vondrona momba ny Fako Elektronika) dia nanangana ny Manifeste ho an’ny Fako Elektronika [pt] mba hizaràna fomba fijery ny mety ho fandraisan’ny mponina Breziliana ny toerana raisin'ny fako eletronika ao anatin'ity Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana ity manoloana ny  fombam-piainany. Ity misy ampahany amin’ilay Manifesto:
No Brasil, temos uma oportunidade hoje que está sendo desperdiçada. Tramita na Câmara dos Deputados o Projeto de Lei da Política Nacional dos Resíduos Sólidos (PL 203/91). É imperativo que a Política Nacional de Resíduos Sólidos contemple os equipamentos eletro-eletrônicos e que estes sejam enquadrados como produtos especiais de logística reversa e reciclagem obrigatória. Os eletro-eletrônicos estarão cada vez mais presentes na nossa vida, trazendo benefícios na mesma velocidade em que produzem mais lixo com o qual ainda não lidamos corretamente. Regulamentar sua destinação é condição urgente e necessária para que possamos continuar a nos beneficiar dos avanços da tecnologia de maneira sustentável, sem pagar um alto preço ambiental e à saúde de nossa população.
Any Brezila, manana vàhana iray isika nefa toa lanilany foana ara-bakiteny izany. Iadiana hevitra any amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana izao ny lalàna momba ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana  (PL 203/91). Ilaina dia ilaina tokoa raha ny pôlitika toy izao hijery ny fitaovana elektronika sy handray azy ireo ho vokatra manokana mila fitsimponana sy famerenana. Matetika ireo vokatra elektronika no lasa ampahan’ny fiainantsika, mitondra tombontsoa nefa koa lasa fako amin’ny hafainganana mbola tsy voafehintsika. Fepetra ilaina sy tsy maintsy ataontsika ny fandrindràna  sy ny famaritana ny lalan-kizoran’ireny vokatra elektronika ireny mba hahazoana tombontsoa avy amin’ny fandrosoana teknolojika amina lamaody maharitra, nefa tsy ho fatiantoka be ho an'ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana.
Azo jerena ao amin’ny  blaogiko manokana ilay lahatsoratra feno voadika momba ilay Manifeste.
Nandritra ny resadresaka iray [pt] ao amin’ny blaogy Primeira Mão (First Handed), Felipe Andueza, avy ao amin’ny blaogy Fako Elektronika, iray amin’ireo tompon’andraikitry ny Manifeste, dia namaly toy izao rehefa nanontaniana ny fomba fikarakaran’i Brezila ny fako elektronika:
Na esfera federal, há somente a Lei de Crimes Ambientais, que institui a responsabilidade até a deposição adequada de todos os produtos potencialmente contaminantes por seus fabricantes e algumas Resoluções CONAMA sobre pilhas e baterias. […] Boa parte deve parar no lixo doméstico, principalmente o que não pode ser doado, reaproveitado e etc. Estima-se que mais ou menos 1% do lixo eletrônico produzido no Brasil seja reciclado, somente.
Eo amin’ny sehatra nasionaly, ny Lalàna ho an’ny Heloka amin’ny Tontolo Iainana ihany no mbola misy sy mametra ny  andraikitra eo amin’ny vokatra misy poizina mandra-pikarakara azy ireo araka ny tokony ho izy, ary misy vahaolana vitsivitsy ho an’ny vatoaratra avy amin’ny komitim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. […] Ny ampahany betsaka amin’ny karazana fitaovana toy ity dia mifarana any amin’ny fanariam-pakom-pokonolona, indrindra indrindra ireo izay tsy afaka atolotra na averina ampiasaina. Novinavinaina fa eo amin’ny 1 isan-jaton’ny fako elektronikan’i Brezila ihany no voaodina amin’izao fotoana izao.
Raha mitombo hatrany ny fangatahana fanodinana manokana [recyclage],  tsy mitondra an’i Brezila any amina làlana tsy mifanaraka amin’ny fitomboan'ny mponina sy ny  ara-toe-karena kosa ilay fanitsiana ny lalàna. Tsara koa ny manamarika fa, ho an’ny olona maro, ireo toerana  ho fandraisana ireo vokatra eletronika dia mety ho làlana tsara ho fandrisihana tetik’asa firotsahana an-tsehatra ara-‘digital'   amin’ny fangalàna tombon-tsoa avy amin’ireo vokatra elektronika izay mbola mandeha tsara.
Mba hahazoana fanohanana ho an’ity Manifeste ity dia nisy fanangonan-tsonia amin’ny aterineto noforonina ary efa manangona mpanohana tsikelikely avy amin’ny aterineto Breziliana. Ilaina ny mampita haingana ny hafatra hanerana ny tany satria mety ho voafidy miaraka amin’ilay fanovana tsy mifanaraka amin’ny tontolo iainana ilay lalàna, nefa ny haino aman-jery manjaka any an-toerana dia tsy nanitatra lavitra an’io resaka io.
Sary avy amin’ilay mpampiasa Flickr, Galeria de Milton Jung CBNSP
Anaty tsikera iray ao amin’ilay blaogy Hetsika ho an’ny Fako Elektronika [Electronic Waste Manifesto], Walfrido Assunção dia nahatsiaro fotoana iray izay nanariana ny kodiarana teny rehetra teny, toy ny renirano, nefa tsy nahasarika akory ny mason’ireo mpandalina tontolo iainana sy ny mponina; ary mitondra [pt] fanamarihana mahaliana iray, hoy izy:
[…] Quem de nós não tem no porão, na garagem ou numa prateleira qualquer um televisor ou computador obsoleto “esquecido”? Quem de nós não tem um (ou vários) telefone celular obsoleto em uma gaveta qualquer? Esses eletro-eletrônicos hoje que são “parte da paisagem ou da decoração”, no futuro não muito distante se tornarão também num preocupante passivo.
[…] Iza amintsika no tsy manana vata fahitalavitra na solosaina tsy miasa ary nariana any amin’ny fitoeran-korontana [lakavy], garazy na ‘armoire’? Iza no tsy manana finday antitra iray (na maro) any anatyvata sarihana any?  Ireny fitaovana elektronika ireny izay “ampahany amin’ny haingo-trano” amin’izao fotoana izao dia hivadika ho andraikitra mampatahotra aoriana kely ao.
Mizara ny heviny koa i Karine Estevam ao amin'ilay lahatsoratry ny blaogin’ny hetsika ary miteny fa:
Achei maravilhosa esta iniciativa de fazer o Manifesto, afinal precisamos participar incisivamente do processo de formação das Politas Publicas Ambientais.
O lixo é uma questão muito seria e extramamente relevante, principalmente este tipo de lixo já que não se tem ideia do período de decomposição e por isso deve-se buscar alternativas para o seu descarte.
Vou assinar com todo prazer!
Hitako fa tsara be ny fanapahan-kevitra hamorona ilay hetsika , sady isika koa tokony mandray anjara mavitrika amin’ny tetik’asa famoronana pôlitika iraisana momba ny tontolo iainana.
Olana matotra sy tena manahirana ny fako; indrindra indrindra ny karazam-pitaovana toy itony, satria tsy fantatsika ny taha-pahalevonan'izy ireny, ary izany no antony ilantsika mahita vahaolana hafa hikarakarana azy ireny.
Amim-pifaliana no hanasoniavako an'ity!
Manome ny heviny momba izany i Celedo miaraka amina teboka  petraka, ary , manoritra  [pt] fa:
O mundo está uma verdadeira imundície!
O lixo diário e por vezes lixo por segundo (nova medida de lixo/tempo) é produzido pelo consumismo exacerbado da humanidade… espero que não sejamos omissos neste caso de importância mundial!
Tena maloto mihitsy ity tany ity ankehitriny!
Ny fako andavanandro, amin'ny tranga sasany ny famokarana fako isan-tsegondra (mari-pandrefesana vaovao ny taham-pitomboan’ny fako), dia vokatry ny fanjifàna(?) [consumerism] diso tafahoatra ataon'ny olombelona… Manantena aho fa tsy hangina fotsiny isika manoloana ny olana goavana itambaram-be tahaka izao!
Raha fintinina izany, ny fitadiavana fomba fandrindràna ireo fako avy amin'ny indostria elektronika dia tahaka ny manome soso-kevitra sy mamorona fomba fiaina maharitra sy fomba fanodinana  ireo fitaovana elektronika. Na ny ‘cyberactivism' na ny fandraisana anjara amin'ny aterineto dia samy manaitra ny fahatsiarovan-tena ny amin'ny filan'ny vahoaka izay itsahan'ny tombontsoan'ireo indostria ara-toe-karena ankehitriny amin'izao fotoana izao.
Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC
Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete.
Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny  Lalàna momba ny harena an-kibon'ny tany mifandraika amin'ny ady ao Kôngô 2009 , izay mitaky amin'ny orinasa amerikana mitrandraka coltan, cassiterite, ary wolframite hanao tatitra isan-taona amin'ny the Security and Exchange Commission (SEC) na vaomieran'ny fifanakalozana sy ny fiarovana amerikana, sampanasa mandrindra ny tsenam-bola Amerikana, “hanambara amin'ny Security and Exchange Commission ny firenena niavian'ny harena an-kibon'ny tany. Raha toa ka avy ao RDC na firenena manodidina ny harena an-kibon'ny tany, dia manana adidy hanambara ny toeram-pitrandrahana ny orinasa.”
Araka ny fanambarana nivoaka avy tao amin'ny vohikalan'ny senatera Brownback, dia  “antso atao amin'ny USA hanohana ny ezaka fiaraha-mientana hanadihadiana, hanaraha-maso, ary hanakana ny asa mifandraika amin'ny harena voajanahary mampiroborobo ny asan-jiolahy mitam-piadiana manosihosy ny zon'olombelona” no anton'ny lalàna
Manantena i Engwete fa hitera-boka-tsoa any an-tsehatra ity fanaraha-maso ity:
Espérons qu’après la signature de cette loi par Obama on ne verra plus des bandits transformer l’autoroute de Walikale en aérodrome de fortune.
Il y a un mois, un reportage de TV5MONDE avait établi que des éléments armés pillaient systématiquement la cassitérite à Walikale avec la complicité de Kinshasa. Pis, ces éléments armés avaient réduit à l’esclavage les villageois creuseurs de ce minerais en leur imposant des taxes fantaisistes, des droits de péage, des « droits d’entrée » dans les mines artisanales et des prix arbitraires du kilo du minerais extrait — et ce, au nez et à la barbe du chef de division des mines terré à Goma.
Antenaina fa tsy ho hita intsony ireo jiolahy manova ny araben'i Walikale ho lasa seranam-piaramanidina vonjimaika (jereo eto ny sary).
Iray volana lasa izay nandritra ny fandaharana fanadihadiana tao amin'ny  TV5MONDE no nahitana ireo olona mitam-piadiana miray tsikombakomba amin'i Kinshasa tsy mitsaha-mandroba ny cassiterite any Walikale [any Kivu Avaratra].  Ny tena loza dia andeozin'ireo olona mitam-piadiana ireo ny tambaivohitra mpitrandraka amin'ny fanerena azy ireo handoa hetra noforomporonina, haban-dalana, “vidim-pidirana” any amin'ny toeram-pitrandrahana ary ny fividianana araka izay vidiny tiany atao ny kilaon'ny vokatra notrandrahana–nefa izany dia eo an-tendron'oron'ny lehiben'ny harena an-kiboon'ny tany ao Goma.
Jennifer Brea
Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”
Voalohany indrindra, Jereo ity horonantsary kely ity:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/GRkczEUW0T4&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/GRkczEUW0T4&hl=en&fs=1" allowfullscreen="true" allowscriptaccess="always"></embed></object>
Dokam-barotry ny Televiziona Filipianina izy ity izay niseho  tamin’ny volana lasa. Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama. Ho anareo izay tsy mahay ny teny Filipianina, ny Ody poizina kisendrasendra no mampiseho ny dikan’ilay dokam-barotra  amin’ny teny angilisy.
Obama: Misaotra anao noho ny hatsaran’ny sakafo hariva.
GMA: ah, tsy mbola vita anie ny sakafontsika e. Andramo anie ny Kare-kare nataonay e. Hen’ Omby io. [kare-kare dia lasopy legioma miaraka amin’ny rambon’omby]
Obama: Ok, arosoy ary.
GMA: Guinaataang mais! Katsaka izany. Fa ny voanio avy eto aminay no ampiasaina amin’izany. [Guinataang Mais no sakafo meva Filipianina vita amin’ny katsaka andrahoina miaraka amin’ny ronono azo avy amin’ny voanio. Mampiseho fitarihan-kevitra  I GMA rehefa niteny hoe “Voanio avy eto aminay no ampiasaina amin’izany.”]
Obama: oh, hay ve.
[Ohatrin’ny marary I Obama, ary nisy feo avy ao an-kibony]
GMA: oh my gosh,That’s  imptso na. Dispepsya yan no. Ang dami mo kasing kinakain no. ang Motilium, bilis! [oh la la, tsy fahalevonan-kanina sahady ity. Tsy fahalevonan-kanina io! Diso nihinana loatra ianao, izay no antony! Hitadiavo Motilium, haingana!]
[Nomena an’I Obama ny fanafody, ary nateliny izany.]
GMA: afaka telopolo minitra dia hijanona io “impasto” io, an?
[nanidy bokotra ny akanjobeny I Obama]
GMA: Kapeng baracks? [Kape Barako izay natolony no tiany ho lazaina. Kape Barako dia karazana kafe maniry any Filipina.]
[Tsiky anankiroa sy fandraisan-tanana ho an’ny mpaka sary]
Manoloana ny antony efa fantampatantra, dia mahatsikaiky ny dokam-barotra raha ho an’ny  Filipianina satria efa indroa ny Filoha Arroyo no nanaovan’I Obama “ “fizahozahoana”. Niezaka ny hiantso an’I Obama izy mba hiarahabany azy tamin’ny fandresena ny fifidianana tamin’ny volana Novambra lasa teo kanefa tsy namaly azy I Obama.
Ao amin’ity dokam-barotra ity, tsy hoe tsy namaly ny antsony fotsiny I Obama; fa nanaiky ny fanasana hiara-misakafo hariva ao amin’ny Malacanang Palace izy, Izany no trano fiadidian’ny Filoha Filipianina (Lapa-panjakana).
Inona ary no ataon’ny mpitoraka blaogy Filipianina manoloana izany? Rehefa nanoratra I Menard:
“Nieritreritra matetika aho fa miezaka ny manalavi-tena amin’I Gloria Macapagal Arroyo  ny filoha Barack Obama, nefa angamba mety diso aho amin’izany.  Ny horonantsary  voatatitra dia milaza antsika fa niditra antsokosoko tao Malacanang Manila ny filoha voafidy Barack Obama tamin’ny faran’ny herinandro mba hiara misotro kafe amin’ny Ramatoa Gloria Macapagal Arroyo.”
Gaga  mihintsy I Cathy tamin’ny taratasim-pampielezan-kevitra:
“Raha vao nahita ny dokam-barotra an-taratasy ho an’ity fampielezan-kevitra ity aho dia toa ohatrin’ny gaga ihany. Fa maninona moa no atao’izy ireo izany ny filoha voafidy Obama?! KANEFA… rehefa avy nijery ny fandehan’ny tantara rehetra tao anatin’ity dokam-barotra an-televiziona ity aho, dia voatery nanjaitra tena! Fiarahabana no atolotra an’ny birao mpikarakara dokam-barotra izay nahita hevitra namoaka ity fampielezan-kevitra mahatsikaiky ary nahitana vokany ity  ”
Mitovy amin’ny dokam-barotra ihany koa ilay Fanjaitra anaty mololo:
“Ankehitriny isaky ny mahita an’Andriamatoa filoha Obama aho dia tsy haiko aloha fa mahatsiaro foana ilay dokam-barotra adaladala sy mahatsikaiky izay voalohany nivoaka tamin’ny Desambra lasa teo aho.”
“Tsy dia tiako loatra ny dokam-barotra ao an-toerana satria ny ankamaroan’izy ireo dia maharikoriko, fa ity anankiray ity kosa dia tena vita karakara tsara, sady izay koa, tena mahatsikaiky ka mahatonga ahy hikakakaka tsy anki-janona. Lasa nivoaka  aho ny fotoana nahitako azy voalohany, “WFT???” avy eo sady ripaky ny hehy eny am-pandehanana. Nandefa ahy zotra YouTube misy izany ny rahavaviko ny androtr’io, dia nolaniako ny fotoanako  hanaparitahana izany amin’ny aterneto mba ho hitan’ny olon-kafa ihany koa.
Ny olo-malazan’ilay dokam-barotra dia I Ilham Anas izay mpaka sary Indonezianina amin’ny bokin-damaody (magazine) izay  nomena ny anaram-bositra hoe “ Obama aziatika”. Malaza ankehitriny io mpaka sary 34 taona io, ny antony dia satria ny “fitovian-kendrika” misy eo aminy sy Obama.
Tamin’ny fotoana nangoronana ny sary dokam-barotra dia nisy dia aleha maromaro any Manila I Anas. Nitsidika ny birao ivom-piantsoana  (Business Precess Outsourcing industry) izy mba hanairana sy hanome hafaliana ireo tanora mpiasa birao. Nandefa blaogy ny sary I Chuvaness:
Ny famangiana ny ivom-piantsoana dia nampiseho toe-javatra lehibe satria ny orinasa Filipiana BPO no matahotrara fa mety “haka loharanon’asa sasany hiverina any Amerika” ilay Obama tena izy.
Nahazo ny laza I Anas tao Indonesia. Nanoratra i Multibrand:
“Mahatsiaro faly aho fa manana an’I Ilham Anas isika, afaka mampihomehy ny olona ao indonezia sy any ivelany rehefa mahita ny tarehiny mitovy tsy misy valaka amin’ny an’i Obama. Manantena aho fa ilay Obama “tena izy” dia afaka hitondra fifaliana ho ny olona manerana izao tontolo izao ihany koa, indrindra ao Indonezia”
Korea: Fiainana tsy an'asa.
Raha nanomboka ny fitotongan'ny toekarena, ny tsy fananana asa dia nanjary iray amin'ireo ambetin-dresaky ny mpikirakira aterineto. Ahoana no iainan'ny olona izany toe-javatra izany?
Aspan dia mahita làlana hafa hiatrehana izay tsy fananana asa izay.
오늘로 백수가 된 지 두 달을 넘겼다. 지난해 11월 17일부러 지난 10년간 근무한 회사를 그만두게 되었다. 다니던 회사가 서울로 이전을 하게 되었고, 그 와중에 고향인 이곳 대구를 떠날 수 없는 처지인 나는 자연히 직장을 그만두게 된 것이다. 한편 막막한 기분이 들지 않는 것도 아닌데, 그 반대로 아주 홀가분하다는 기분도 든다. 사실 지난 10년간 나름 열심히 일했으니 교수들 안식년을 가지는 것처럼 이제 좀 쉬어야 되지 않나 하는 자위의 감정도 한몫을 하는 것 같다. 그래서 실지로 현재 잘 쉬고 있다. 일단 나의 백수생활은 가정 내에서의 역할이전으로 시작되었다. 짐작되듯이 직장일을 다시 시작하게 된 집사람과의 역할이 자연스레 뒤바뀌게 된 것이다. 그러니까 집안일 특히 이제 5살과 3살이 되는 애들을 전적으로 책임져야 하는 것이다. 한창 에너지가 폭발하는 요 두 녀석들을 보는 일이 정말 만만치 않다는 사실을 새삼 느끼면서 이른바 ‘그림자노동’이라는 가사일을 도맡게 된 것이다. 오 기쁨(?)이여!
Roa volana izay no naha tsy an'asa ahy. Hatramin'ny faha 17-n'ny volana Novambra tamin'ny taona lasa, niala tamin'ny orinasa niasako nandritry ny 10 taona aho. Nifindra ho any Seoul ka nandao ny tanàna misy ahy ny orinasa  Daegu. Sarotra ho ahy ny handao ity toerana ity raha vantany vao very asa aho. Somary nahatsiaro nalahelo ihany aho, nefa koa nahatsapa fahafahana. Niasa mafy tokoa aho nandritra izay 10 taona lasa izay, ary nampionon-tena tamin'ny hoe mba nahazo taom-pitsaharana toy ireo mpampianatra eny amin'ny Anjerimanontolo. Noho izany, niala sasatra tsara tokoa aho. Hatramin'izay naha-tsy an'asa ahy izay, niova ireo andraikitry ny mpianakavy. Tena azonao an-tsaina, nanomboka niasa ny vadiko ary dia nifanova araka izany ny andraikitray. Amin'ny filaza hafa, noraisiko tanteraka ny andraikitra ao an-tokantrano, toy ny fikarakarana ireo zanakay  3 taona sy  5 taona. Tonga saina aho ankehitriny fa tsy asa mora ny miandraikitra zaza pelipelika sy ny mianatra ny raharaha an-tokantrano. Faly ve(?) Faly aho!
이렇게 나의 백수생활은 애들과의 전쟁으로 시작되었다. 그러나 애들을 좋아하는 터라 별 어려움 없이, 애들과 놀 수 있는 시간을 많이 가지게 되었단 것에 오히려 위안을 느낀다고나 할까? 아무튼 내 입장에서는 시작이 순조로운 것이다. 그러나 문제는 의외의 곳에서 백수생활을 고통을 느끼게 된다는 것이다. 대부분의 실직자들이 직장을 그만두고 나서 만나는 첫 당혹감은 실업급여를 타러 가서 느끼는 수치감이다. 그 실업급여를 받기 위한 교육에서 당혹감을 아니 느낄 수 없는 것이다. 아니 실직한 것도 서러운데 그것을 그토록 처절하게 상기시켜준단 말인가, 구걸하는 것도 아니고 말이지, 시쳇말로 참 기분 더러워지는 것이다. 2주간 한번씩 지급되는 그 보험금을 타기 위해서, 공단에서 일방적으로 지정한 시간에 정확히 출석해서 2주간 구직활동을 검사를 받아야 하고, 그것을 통과한 다음에야 비로소 실업급여를 받을 수 있는 것이다. 실업급여 수령기간이 몇년은 된다는, 그 권리를 당당히 요구한다는 서유럽에 비하면 아직 한참을 멀었구나 하는 자괴감을 느끼며 고용지원센터의 문을 나서게 되는 것이다. 또 백수의 비애를 느끼는 것은 주변의 따가운 시선들이다. 애 둘의 가장이 뭐하고 집에 틀어박혀 있나 하는 일종의 무언의 따가운 시선을 느끼는 순간의 당혹감 말이다. “와, 새로운 충전을 위해서 좀 놀면 안 되남?” 그리고 실직 후 하다 못해 무슨 카드를 새로 만들기 위해서도 전에는 서로 만들어주려던 것을 직장이 없다는 이유로 거절당할 때 등등 …… 우리 사회는 아직 백수들에겐 불편한 곳이다.
Ny fiainako amin'ny maha-tsy an'asa ahy dia nanomboka niaraka tamin'ny fitolontolomana ireo zanakay. Tiako ireo zanako. Mahatsiaro sambatra ery aho manana fotoana betsaka iarahana amin'izy ireo. Tsy ratsy mihitsy raha ny toerana maha-tsy an'asa ahy. Nefa indraindray, amin'ny fotoana tsy ampoiziko, mahatsiaro alahelo ihany aho fa hoe tsy an'asa. Betsaka ny olona tsy an'asa no mahatsiaro ho tototry ny henatra rehefa mandray ny fanampiana fanome ny tsy an'asa. Mahatsiaro sadaikatra ry zareo any amin'ireny toerana fampitadiavana asa izay fandraisana ny fanampiana ho an'ny tsy an'asa ihany koa. Fantatray rehetra anie fa very asa izahay e, fa tena amin'ny fomba mankarary fo no ampahatsiahivan'izy ireo izany anay. Tsy mangataka izahay, saingy tena mba mahatohina sy maha menatra anay kosa izany. Mba hahazoana ilay fanampiana izay zaraina isaky ny roa herinandro, tsy maintsy mandeha amina toerana natao ho an'ny be sy ny maro izahay ary manaporofo fa tena niezaka mafy tokoa nitady asa tao anatin'ny roa herinandro. Aorian'izay vao afaka mahazo ny fanampiana ho an'ny tsy an'asa. Nony nivoaka niala ilay toerana fanohanana arak'asa aho dia nitsiriritra fatratra ireo firenena Eropeana izay ny olona any dia manan-jo hitaky ny fanampiana natokana ho an'ny tsy an'asa mandritry ny taona maro. Fanampin'izany, ny fotoana tena tsaroako nampalahelo ahy dia rehefa mitopy aty amiko ny mason'ny olona sasany. Ny fomba fijerin'izy ireo ahy, nahoana no ny olona tokony hamelona ny ankohonany indray no mijanona ao an-tokantrano. “Afaka maka fotoana hanangonana hery vao ve aho?” Na dia miezaka aza aho manao “carte de crédit” [karatra fampiasa amin'ny tranom-barotra lehibe sy ny banky], dia ahilikilik'ireo orinasa izay nanosika ahy hanao izany “carte de crédit” izany fahiny… Tsy sahaza ny olona tsy an'asa ny fiaraha-monintsika.
그런데 백수생활이 이런 비애만 있는 것이냐? 이런 불합리한 문제와 기타 등등의 비애를 상쇠하고도 남음이 백수생활에는 있다. 나에겐 무엇보다 백수생활과 함께 그동안 꿈에만 그리던 일들을 하나하나 해나가게 된 기쁨이 크다. 나는 등산을 참 좋아하는 편인데, 그동안 일에 매여서 산을 제대로 오른 기억이 가물가물할 정도이다. 그런데 실직을 하자마자 한 가장 기쁜 일이 내 고향 대구의 명산 앞산을 어떨 때는 거의 매주 한번 꼴로 오른 일이다. 사실 나는 지난 10년간의 직장생활의 여러 가지 스트레스로 인해 몸과 마음의 건강이 아주 좋지 않았다. 이것이 일을 그만두게 된 하나의 이유가 될 정도로 몸과 마음이 많이 지친 상태였는데, 이런 몸과 마음의 쇠약이 앞산 산행으로 차차 회복되어감을 느낀 것은 나의 큰 즐거움 중의 하나였다.[…]
Miaina fiainan-tsarotra ve aho amin'izao fotoana? Nefa koa mbola misy zavatra hafa lavitra noho izany. Nanomboka niaraka tamin'ny tsy fanànana asa, nankafy ireo zavatra efa nonofinofisiko mba hatao fahiny aho. Tia manao dia an-tongotra lavitra aho saingy tsy afaka nanao izany noho ny asako. Vantany vao very asa aho, afaka nianika tendrombohitra iray eto an-tanànanay isan-kerinandro. Tsy dia salama noho ny rarin-tsaina vokatry ny asa aho fahiny nandritry ny folo taona niasana. Amin'izao fotoana kosa, hafaliana lehibe ho ahy ny mahatsapa fa tena mihatsara ny fahasalamana. […]
Raha misy ny faly amin'izao tranga izao ankehitriny, tsy toy izany kosa ny betsaka. Boky iray, Escape from Unemployment, momba ny fiainana rehefa tonga olona tsy an'asa eto Korea sy momba ny fomba hatao hahitana asa, no vao natonta. Nantsoina hoe Bokin'ny fanantenana izy ity. Ary tononkalo… iray
새벽 4시까지 라디오를 듣고,
하루 종일 컴퓨터를 켜 놓아야 마음이 놓이며,
문득 문득 불안해 하다가도
어느순간 아무 생각이 없는 바보가 되어버린다.
희망이 없다.
자꾸만…미쳐가고 있다는 생각이 든다.
이대로…다 끝나버릴것만 같다.
학원에 가는 길에 항상 지하철 계단에 엎드려 구걸하는 할아버지를 본다.
예전엔 그런 사람들을 보면 참 불쌍하다고 느꼈었다.
하지만 지금 느낌은 좀 다르다.
나의 모습이 될 수도 있다는 생각…
그런 생각이 들어서
내 자신이 불쌍하다는 생각이 든다.
동정이라는거 사치스런 감정이었다는 생각이 든다.
예전의 나는 많은 사람들과 더불어 도움을 주면서 살고 싶었다.
이제는…남에게 피해주지 않는 사람이 되는 것이
나의 최대의 희망이 되어 버렸다.
Mihaino fampielezam-peo hatramin'ny 4 ora maraina,
mamela ny solosainako ho velona tontolo andro iray,
sady sorena ihany,
mila ho lasa gaigy aho tsy misaina izany rehetra izany.
Tsy misy fanantenana.
Toy ny hoe lasa mitapy aho.
Tsapako ho foana ny zavatra rehetra
Teny an-dalàna ho any amina Ivontoerana iray, nahita lahiantitra iray aho mangataka ao anaty metro [fiantsonan'ny fiaran-dalamby mandeha any ambanin'ny tany].
Fahiny, nampahonena ahy ireny olona ireny.
Saingy, fahatsapàna hafa no misy ato amiko ankehitriny.
Mety ho izaho iny…
Hontsa ny tenako aho.
Tsapako fa na ny fitserana aza kay dia zava-tsarobidy lavitra tokoa.
Naniry hiaina sy ho afaka hanampy  olona maro aho fahiny.
Saingy amin'izao fotoana…Ny fanantenako lehibe dia
ny tsy hanelingelina olona hafa intsony.
Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana
Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray no hitondra ho any an-tany lavitra ny tanànany any.
Ny Dia lavitra rehefa Lanonamben'ny Lohataona, na Chunyun, no tena lehibe indrindra raha resaka fivezivezen'olona isan-taona ary ahitàna hatrany amin'ny mpandeha 2 lavitrisa isan-taona, anatin'ny fotoana fohy tsy mihoatra ny 40 andro akory. Tamin'ity taona ity ny Taombaovao dia ny faha 26 Janoary. 15 andro talohan'io no efa niainga ny Chunyun; androany, 31 Janoary, manomboka kosa ny dia be fodiana.
Fifamoivoizana mampivanaka, miaraka amin'ireto vahoaka marobe mihaohao eraky ny toby fiantsonan'ny fiaran-dàlamby, fiantsonan'ny fiaramanidina, na taxi-brousse, no entin”ny [ateraky ny] fandalàna fatratra ilay lanonambe, izay tsy hafa fa fihaonamben'ny fianakaviana ihany koa.
Ny fanitarana ny tanàn-dehibe haingam-pandeha loatra nefa mikorontana koa indraindray tao Sina dia nanome teorana ny dikan'ity “fivoriam-pianankaviana” ity. Mpiasa 200 tapitrisa avy any amin'ireo faritra ambanivohitra no miasa any an-tanàn-dehibe ary mamela ny fianakaviany manontolo any aoriany mba hahafahana miaina tsaratsara kokoa. Ny fetin'ny lohataona, ho an'ny maro amin'izy ireo, no hany fomba hihaonany amin'ny fianakaviany indray noho ny halafon'ny fodiana an-trano.
Iray amin'ireo vokatr'izany ihany koa ilay fahasarotan'ny fodiana an-trano. Tsy maharaka ny habetsahan'ny fangatahana ny fitaterana. Amin'ny lafiny iray, ny zotra an-dalamby, izay ampihi-mamba sy ambany vahohon'ny fanjakana dia tratry ny fanakianana mivaivay foana isan-taona. Noho ny habetsahan'ny fangatahana sy ny famerana ny vidiny, miroborobo ny fanararaotana. Mandritra izany, ny mpiasa ao amin'ny birao fanaovana famandrihan-toerana no eritreretin'ny maro ho mpiray tsikombakomba amin'ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko mba hampisondrotana ny vidin'ny tapakila. Raha asiana fanadihadiana dia sahiko ilokana fa  io asa io no tsy lanin'ny vavonin'ny olona indrindra any Sina.
Tany Beijing, mpivarotra tapakila iray, namoaka tapakila avy amin'ny milina nefa tsy nivarotra izany tamin'ny mpandeha, fa nampirina izany, na teo aza ny laharan'olona lava be niandry teo, nisy naka horonan-tsary an-tsokosoko tamin'ny finday, ary tsy ela taorian'izay dia efa nipariaka tamin'ny aterineto izany. Ahian'ny olona ho natokana ho an'ny mpivarotra an-tsokosoko ireny tapakila ireny. Olona an'arivony, tanaty fientanana lehibe ho fanehoana firaisan-kina, no niara-nanameloka io mpiasa io.
楚天阁 any Tianya dia miteny:
看过这几段视频，再想想那些在寒风中为了一张火车票排很久队的人。北京站37窗口的售票员同志良心何在?
Jereo ny ampahan-tsary, ary avy eo dia eritrereto ny amin'ireo olona niandry hatry ny ela teo ireo tanaty rivotra mangatsiaka, ho ana tapakila iray fotsiny. Fa lasa aiza ny fahatsiarovan-tenan'ilay mpiasa (guichet No.37 , gare de Beijing)?
Tandindon'ny fomba fiasan'ny vondrona iray manontolo ihany ny an'ilay mpiasa, ny Minisiteran'ny lalamby, izay mitantana ny lalamby rehetra manerana an'i Sina, antsoin'ny olona hoe “Zokiben'ny lalamby.” Ilay mpitoraka blaogy Zhu Weidong dia manao fanamarihana amin'ny maha-kidaladala ny ampihimamba amin'ny lalamby, izay heveriny fa resaka saro-takarina:
铁老大独家经营的垄断地位也一直未变。
铁路保持国有垄断经营是否会效益更好、服务更优呢？事实刚好相反。铁路部门经常性亏损尽人皆知。服务如何？过去说政府部门门难进、脸难看、事难办，铁路部门是有过之而无不及。
Tsy niova mihitsy ny ampihimamba amin'ny lalamby nandritry ny taona maro.
Na izany aza, hitondra tombon-tsoa sy tolotra manara-penitra ve ny ampihimamba?
Ny zava-mitranga dia maneho ny mifanohitra amin'izany. Ny seha-pihariana lalamby dia tao anatin'ny mena foana. Ka ahoana ny resaka tolotra? Mbola ratsy lavitra noho ny biraon'ny governemanta, izay mbola sarotra idirana, sarotra ahazoan-javatra, ary matetika mandray anao amina fomba mangatsiaka.
Lahatsoratra iray notanisain'ny haino aman-jery ofisialy Xinhua, mitondra ny lohateny hoe “ny olan'ny famatsiana tapakila dia mahalaza betsaka momba ny fanitàrana ny tanan-dehibe“, no nandalina sy nanipika ny anton'ny fahasarotan'ny fiverenana mody. Raha ny fijerin'i Den Yu-wen, mpitoraka blaogy, dia tsy tsara toy ny fanaovana ny tanàn-dehibe ho toeram-ponenana sahaza ireo mpiasa nafindra toerana ny fanatsaràna ny fitaterana.
另一方面要减少人们回家的需求，特别是把农民工留在他工作的城市里。而要把农民工留在城市，就必须把他的家庭也留在城市。
……Amin'ny lafiny hafa dia tokony avelantsika any amin'izay toerana hiasany any mpiasa nafindra toerana. Mba hanatanterahana izany dia tokony hapetratsika miaraka aminy any an-tanàn-dehibe ny fianakaviany.
由于农民在居住、养老和子女入学等方面遭遇一系列难题，目前农民不可能从心里真正把城市作为自己的家，也就难以真正融入当地社会，所以他们不得不每年候鸟般地在农村和城市之间来回奔走。
Noho ny olana maro atrehan'ny mpiasa nifindra toerana, tafiditra amin'izany ny fampiantranoana, ny fandriam-pahalemana sy ny fanabeazana ho an'ny ankizy, tsy afaka mandray ny tanàn-dehibe ho toy ny tena fonenany izy ireo, ary tsy afaka miditra ao anatin'ny fiaraha-monin'ny tanàn-dehibe ihany koa. Ka mivezivezy eo foana izy isan-taona, toy ny vorona mandalo.
Ny ekena amin'izao aloha dia tsy mitovy ny fandriam-pahalemana ho an'ny mpiasa nifindra monina sy ny mponina an-tanàn-dehibe. Tsy loharanon-karena velively ho azy ireo ny tanàn-dehibe, fa izy ireo aza no loharanon-kery trandrahana amin'ny vidiny mora ho an'ny tanàn-dehibe.
Ankilan'ny fanavakavahana ataon'ireo sampan-draharaha amin'ireo mpiasa mpifindra monina ireo dia  manamarika ihany koa ny mpanoratra:
主要在于我们的城市化是一个被动的、盲目的过程，多数城市主政者只想解决城市发展所需要的廉价劳动力.而不去认真探究和解决它所衍生的一系列问题。就此来说，春运难的背后，实际反映了中国的地区发展差距特别是城市化的滞后。
Zavatra natao an-jambany sy tsy mitera-bokatra ny fanitarana tanan-dehibe nataontsika. Maro amin'ireo mpiandraikitra tanàn-dehibe no tsy mikasa afa-tsy ny hampiditra herin-tsandry azo karamaina mora, fa tsy mieritreritra akory ny olana aterak'izany. Amin'izay lafiny izay, ny fetin'ny lohataona ankehitriny dia fitaratry ny tsy firindràn'ny fivoarana isam-paritra, ary indrindra fa ny fitarazohan'ny tena fanitarana tanàn-dehibe.
Ilay mpitoraka blaogy Willings (驿动的心) dia  manoratra lahatsoratra manohina ary mamintina hoe, “Rehefa takatrao ny  Sina ankehitriny dia fantatrao ny Chunyun ( ny dia lavitr'ezaky ny lohataona ).”
只有乘坐长途火车，经历过春运的人，才能真正理解中国，才可以称之为一个真正的中国人。中华民族的所有苦难，都集中体现在春运历程中。
Ireo izay efa nandeha tamin'ny fiaran-dalamby mandeha lavitra  ihany, efa nandeha tamin'ny Dian'ny Lohataona, ireo ihany no mahafantatra an'i Sina, ary afaka misaina sahala amin'ny tena Sinoa. Mandritry ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona no tena ahatarafana mazava tsara ny fisavoritahan'ny Sinoa.
选项A：买不到票；选项B：买到高价票；选项C：买到假票；选项D：不回家。
Safidy A: tsy misy tapakila
Safidy B: tapakila lafo vidy
Safidy C: tapakila hosoka
ary D: Aza mody
但在当今中国，即使穷人之间也一样互相倾轧，票贩子心安理得的赚取高额利润，小偷们心满意足的清点钞票，从打工妹，打工仔身上毫不留情的大赚特赚，只留下她们坐在地上嚎啕大哭的背影。在当今中国，利益的攫取，已经取代了仁义礼智信的古训，人民失去了信仰，除了对金钱的崇拜。
Ao anatin'i Sina ankehitriny, na ny mahantra aza dia mifanambaka. Tsy mahatsapa ny tenany ho meloka ny mpivarotra tapakila an-tsokosoko amin'ny tombontsoa malotony, manisa amim-pahafam-po ny volany ny mpangalatra, mitrandraka tsy misy indra fo an'ireo mpikarama, mamela azy ireo hifotetaka sy hidradradradra amin'ny tany eo . Ao anatin'i Sina ankehitriny, naka ny toeran'ny anatry ny oha-pitenenana fahiny ny fitadiavana zana-bola. Very finoana ny olona, afa-tsy ny amin'ny vola.
火车站的广场上，站满了数万数十万渴望回家的人们。他们披星戴月，他们风餐露宿，他们饥寒交迫的站在广场上，密密麻麻一眼望不到边，每个人都是那样的焦急，他们是最底层的中国人，他们只有最简单渴望回家的愿望，却无人给他们帮助。既然他们买不起飞机票，于是他们就注定命如蝼蚁，注定命贱如草….
Eny amin'ny toeram-piantsonan'ny fiaran-dalamby, olona an'arivony no miandry am-pitaintainana ny fodiana an-trano. Miandry andro aman'alina izy ireo, matory amin'ny tany, mijanona eny,  na dia ao anatina hanoanana aza. Lava tokoa ny laharan'ny olona ain'izany. Sino tambanivohitra ireo. Tsy maniry afa-tsy ny mba hody any aminy, saingy tsy misy iray akory mba manampy azy ireo. Noho izy ireo tsy afaka mividy tapakilana fiaramanidina, dia tsy maintsy mandeha mifatratra toy ny vitsika.
车厢里密密麻麻，过道里水泄不通，空气浑浊不堪，厕所极度肮脏，这些都是春运的常态，不是你我所应抱怨的……
Ny fiaran-dalamby feno dia ahitana olona amin'ny toerana rehetra, hatreny an-dàlantsara.  Lasa manempotra ny rivotra, ary maloto ny toeram-pivoahana. Nefa dia efa iainana andavan'andro izany amin'ny Dia lavitr'ezaky ny Lohataona, tsy misy tokony hitarainantsika……
我们办得好春晚，办得好奥运，却始终办不好春运。
Afaka manao Gala goavana ho an'ny Fetin'ny Lohataona isika, afaka manana lalao Olaimpika goavana, nefa toa tsy hanan-jo velively amin'ny fananana Dia lavitr'ezaky ny Lohataona mihitsy.
Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio
Raha mbola mitodika any amin'ny tondradrano any Santa Catarina ny fifantohan'ny ankamaroan'ny mponina any Brezila, dia nisy voina nanimba tontolo iainana hafa koa mianjady amin'ny firenena, ity kosa dia eto amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Ny 18 Novambra, dia nisy fanafodina pesta endosulfan izay mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga, ivarinan'ny reniranon'i Paraíba do Sul, ka nahafaty trondro anarivony - mihoatra ny 80 taonina - tany Resende sy ny tanàna manodidina. Niteraka fahatapahan'ny fanomezan-drano ny tanna fito tamin'iny faritra iny izany. Ny tena zavadoza moa dia nitranga indrindra ity voina ity amin'ny fotoana hitomboan'isan'ny biby ahiana ho lany taranaka. Cintia Sibucs [pt] no miteny fa ankoatra ny trondro dia nahita lambondrano maty ihany koa izy, ary hatramin'ny vorona aza :
Pela quantidade de peixes e animais mortos, pode-se dizer que será necessário uns dez anos ou mais para que toda essa vida volte ao que era antes. O produto químico Endosulfan, usado na fabricação de inseticidas, é usado pela empresa que fica em Resende. O acidente gerou ainda mais transtornos pois o serviço de água e esgoto suspendeu a captação de água por uns dias, deixando a população em alerta.
Agora, depois de tanta tristeza de ver milhares de peixes e capivaras mortas, o que resta é recolher o que restou. Desde sábado (22/11) as prefeituras de Volta Redonda e Barra Mansa estão num trabalho ininterrupto de recolhimento dos peixes, que já estava causando forte mau cheiro.
Eo ampahitana ny hamaroan'ny biby sy ny trondro maty, dia afa-milaza izahay fa folo taona na mihoatra no ilaina vao mety ho tafaverina ho toy ny teo aloha indray ny fiainana very teo. Endosulfan, fangaro hanamboarana famonoana bibikely, no ampiasain'ity orinasa ity any Resende. Mbola niteraka zava-mampalahelo hafa ihany koa ity loza ity satria nitsahatra tsy nanome rano [avy amin'ny renirano] ny mponina nandritra ny andro vitsivitsy ny sampandraharahan'ny rano sy ny fantsona fanariana rano maloto, ka nahatonga ny mponina hiahiahy.
Ankehitriny, taorian'ny alahelo mahita ny hamaroan'ny trondro sy ny lambondrano maty Now, dia tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy manadio sisa. Hatramin'ny Sabotsy (22/11) dia tsy mitsahatry ny manadio manala fatin-trondro, izay efa manomboka mamofona aok'izany ny fivondronan'i Volta Redonda sy Barra Mansa.
Lambondrano maty, nopihan'ny mpampianatra injenieran'ny tontolo iainana Ricardo Terra, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais
Hitan'ny birao mpanaramaso ny tontolo iainana ny poizina raraka taorian'ny fanadihadiana nataony, rehefa notairin'ny fahafatesana trondro maro dia maro tamin'ny reniranon'i Pirapetinga sy Paraiba do Sul ry zareo. Nilaza ny sampan'ny Servatis ao Resende, orinasa miandraikitra ny fanatsarana ny fambolena, fa raraka ny 1 5 00 litatra endosulfan ary nolazainy fa vokatry ny tsy fitandreman'ny mpiasa teo amin'ny fampifanohizana ny  siniben'ny fiarabe [pt] no anton'ny fandrarahana. Tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ambadiky ny fahafatesana, tsy misy atahorana”, no ihantsian'i Vitor Menezes [pt] izay nolazain'ny orinasa tamin'io andron'ny 19 Novambra nisian'ny loza io, izay nilaza avy hatrany ampitson'io fa efa voafehy nytoe-draharaha:
A empresa Servatis, responsável pelo vazamento do pesticida endosulfan no rio Paraíba do Sul, afirmou aqui em seu site que, de acordo com a sua gerência de meio ambiente, a concentração do produto no rio havia caído a zero e não havia “mais risco à fauna”. Os peixes do post abaixo não devem ter recebido o recado.
Nilaza tamin'ny vohikalany hita eto [pt] ny orinasa tompon'andraikitra tamin'ny fandrarahana fanafody pesta endosulfan tao amin'ny reniranon'i Paraiba do Sul, Servatis,  fa araka ny lazain'ny ekipany misahana ny tontolo iainana, dia manakaiky ny zero ny taharon'ny fangaro niraraka tany an-drenirano ka noho izany dia “tsy misy atahorana ho an'ny biby” iny. Tsy nahazo izany hafatra izany kosa aloha ireto trondro hita amin'ny sary eto ambany ireto.
Trondro maty, nopihan'ny mpampianatra injenieran'ny tontolo iainana Ricardo Terra, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais
Araka ny hita taty aoriana moa dia betsaka noho ny 1 500 litatra nolazain'i Servatis no niraraka. Niraraka ny fangaro nandritra ny famindrana azy tamina fiarabe mahazaka 30 000 litatra, fa 12 000 litatra mifangaro amin'ny ranon'orana ihany no voangon'ny fandraofan'ny orinasa ho anaty sinibe. Nanaiky moa ny Servatis taty aoriana fa 8 000 litatra raa kely indrindra ny fanafody niraraka - izay mifanohitra tamin'izay nolazainy tamin'ny herinandro. Mamariparitra ny fiantraikan'ny fandrarahana poizina amin'ny fokonolona an-toerana ny mpahay lalàna sady mpiaro ny tontolo iainana Luiz Felipe Muniz de Souza [pt] :
Várias comunidades pesqueiras afetadas estão impedidas de trabalhar e nem sabem ao certo quando poderão retornar, pois a ação do inseticida, mesmo tão distante do ponto em que foi despejado pelos criminosos, e mesmo estando tão diluído – devido ao volume do próprio Rio Paraíba do Sul e devido ao volume d’água das intensas chuvas regionais –, continua provocando mortandade de peixes em toda a foz do Paraíba do Sul, e nas praias do município de São João da Barra e de São Francisco do Itabapoana. Os criminosos ambientais, que inicialmente se omitiram e mentiram sobre a quantidade do produto arremessado no rio, depois admitiram que foi uma quantidade 10 vezes maior do que a declarada, diante de tantos peixes mortos!
Efa nosakanana tsy hiasa ny fokonolona mpanjono ary tsy mahafantatra loatra hoe rahoviana indray vao handray ny asany, fa noho ny asan'ny fanafody famonoana bibikely, eny fa na dia amin'ny toerana lavitra nandrarahan'ny tsy matahotody poizina ka mamparihitra ny rano - noho ny hadirin'ny renirano Paraiba do Sul river sy ny fihavin'ny ranonorana betsaka - dia mbola miteraka fahafatesana tsondro maro mitsitra manamorona ny renirano sy manaraka ny torapasiky ny fivondronan'i Sao Joao da Barra sy Sao Francisco do Itabapoana. Nanaiky ireto olo-meloky ny tontolo iainana ireto, izay tsy nanao na inona na inona hanao famnjena sady nandainga tamin'ny voalohany ny amin'ny hadirin'ny fangaro niraraka tany an-drenirano, fa impolo avo heny noho ny nolazainy teo anoloan'ny trondro maty ny habetsany!
Sary avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais
Voasazy handoa onitra R$ 33 000 000 (tokony ho US$ 13.3 arivo arivo) ny  Servatis, izay nampakaran'ny orinasa any amin'ny fitsarana ambony [pt], sy sazy fampiatoana 20 andro. Niverina nisokatra indray izy  androany 9 Desambra, teo amin'ny sampan-draharaha rehetra ankoatra ny famokarana endosulfan . BIOTRIBO   [pt] maneho ny heviny:
Mais uma vez o poder público zomba de nós! Sem que nada tenha sido feito para minimizar os danos ao Rio Paraíba a empresa “Servatis volta a operar nesta terça-feira” (…) Em menos de um mês, desde o acidente ambiental, a auditoria realizada por empresa privada solicitada pela SEA foi rapidamente concluída, e sem que houvesse tempo hábil para a realização de uma segunda auditoria ou para que se analisasse a fundo o conteúdo do documento - medidas que poderiam dar mais garantias sobre os processos e ajustes da empresa para a segurança da população - a Servatis abre!
Mbola miarapetsa amintsika indray ny mpitondra eto an-toerana! Tsy nanao na inona na inona hamerana ny fahasimban'ny renirano Paraiba “hamintina ny asany amin'ny talata izao ny Servatis” (…) iray volana latsaka taorian'ny loza, dia novitaina haingana ny fanadihadiana nataon'ny orinasa iray  niantohan'ny vaomieram-panjakana misahana ny tontolo iainana ary tsy ampy ny fotoana hanaovana fanadihadiana faharoa na handinika lalina ny votoatin'ny tahirin-kevitra - fepetra manome toky antsika izay fanaon'ny  orinasa sy ny fanitsiana ny fiarovana ny mponina ataony  - ary dia nisokatra indray i Servatis!
Sokatra maty, avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais
Mahatsapa ny bolongana A TroLhA [pt] fa misy mizana tsindrian'ila ny fampiharana ny lalàna iarovana ny tontolo iainana any Brezila:
O aparato de fiscalização ambiental quando se trata da persecução das medidas de controle e defeso de espécies (alías, necessárias), tem se mostrado eficiente em coibir as infrações cometidas por pescadores e populações que dependem dessa atividade, e que geralmente, ocupam os andares mais baixos da nossa pirâmide social… Por outro lado, quando se trata de estender essa eficiência aos empresários e industriais, que exploram atividades econômicas que trazem sérios riscos ao ecossistema no qual estão inseridos, nossos órgãos ambientais são de uma leniência e ineficácia vergonhosa… Direito a propriedade e a livre iniciativa não podem se sobrepor ao direito a vida…Bom, pelo menos não deveriam…
Nampiseho ny fahombiazany amin'ny fanenjehana sy ny fanarahamaso amin'ny fandrarana ny fanjonoana (izay tena ilaina tokoa) ny sampan-draharahan'ny fiarovana ny tontolo iainana rehefa ny saranga ambany indrindra amin'ny fiaraha-monina toy ny mpanjono madinika sy ireo manan-draharaha mifampiankina aminy no mifanatrika aminy… Amin'ny lafiny iray indray, dia hita ho malalatanana, tsy mahomby fa menamaso tsy mahavita na inona na inona izy rehefa ny mpandraharaha, tompon'orinasa, izay manao asa mampidi-doza amin'ny tontolo manodidina azy, no ivantanan'ny resaka… Tsy mety raha manosihosy ny zo hiaina ny zo hanagana orinasa sy zo hanana, hihary… farafaharatsiny, tsy tokony…
Rui Camejo [pt] mampahatsiahy antsika fa tsy vao sambany ny Servatis fa tsy sambany no nanapotehany ny  tontolo iaianana tahaka izao. Araka ny nolazain'ny mpamaham-bolongana dia efa tompon'andrakitra tamin'ny firarahan'ny famonoana bibikely Dimetutato ihany koa io telo taona lasa izay. Nanome ny akon'izany ao amin'ity lahatsoratra ity ny namana mpamaham-boloongana Norival Duarte [pt] ary nanome ny heviny koa:
E essa denúncia não deve se limitar a essa fronteira, à foz desse afluente: deve ser estendida a toda a bacia hidrográfica desse que é, seguramente, um dos mais importantes rios do Brasil, dada a sua relevância nos aspectos sociais e econômicos de toda a região que ela tão generosamente abraça.
Tsy tokony hijanona amin'io sisintany io ihany ny fitarainana, mankany amin'ny sisin'ny ivarinany: tokony itarina mankany amin'ny lemaka iray manontolo izay tsy isalasalana fa renirano lehibe sy sarobidy indrindra eto Brezila, efa hita ny halehiben'ny ilàna azy ho an'ny faritra iray manontolo izay trotroiny ampitiavana eo amin'ny lafiny toe-karena sy fiaraha-monina.
Sary avy amin'ny Bolongan'i do Roberto Morais
Reniranon'i Paraiba do Sul, avy amin'ny fihaonan'ny renirano Paraibuna sy Paraitinga rivers, dia manomboka any Serra da Bocaina, any amin'ny fanjakan'i  São Paulo ary mikoriana  1.12 km mankany amin'ny sisin'i Atafona, any avaratry ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Mivelatra aminn'y fanjakana telo ny lemaky ny renirano  Paraiba do Sul river - São Paulo, Minas Gerais ary Rio de Janeiro - ary heverina ho iray amin'ny lemaka telo avy amin'ny renirano any Brezila, ary mandrakotra velarantany sahabo ho 57,000km².
Voarara any amin'ny firenena maro manerantany, ampiasaina hanaraha-maso (ifehezana ny fitomboan'isa)  ireo karazana bibikely maro, vitsika ny endosulfan. Voarara any Eoropa ny fampiasana azy ary miezaka mampahafantatra ny olona hanery ny mpitondra ao amin'ny fireneny tsirairay avy ny Environmental Justice Foundation (fikambanana rariny ho an'ny tontolo iainana) handrara ny fampiasana ity endosulfan ity sy ny  lisitry ny akora shimika voasoratra ao amin'ny fifanarahan'i Stockholm.
Sary avy amin'ny Bolongan'i Roberto Morais
Paula Góes
Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy
Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony.
Ilay nosy miendrika lolo  ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny  “le Pont de la Gabarre” sy ny “le Pont de l'Alliance” no voly tanteraka tamin'ny andaniny roa: Grande-Terre sy Basse-Terre. Gwada ao amin'ny  Bienvenue sur Karukéra[Fr] no miresaka ny fampikatsoan'ny mpamily fiarakodia ny lalan-dehibe rehetra manerana ny nosy:
Depuis deux jours les routes principales sont bloquées. Des barrages ont été installés sur les axes et carrefours principaux: Montebello, Capesterre, Gourbeyre, Baillif, La Boucan… en Basse-Terre; La Jaille, La Voie Verte, Saint-Félix, Morne à l'Eau… en Grande -Terre….
Il n'est quasiment pas possible de circuler, sauf sur tout petits périmètres….
Nandritra ny roa andro izay dia nikatso tanteraka ny lalana fizorana rehetra. Napetraka tamin'ny kihondalana sy ny lalana lehibe teto Goadelopa ny fanakanan-dalana: Montebello, Capesterre, Gourbeyre, Baillif, La Boucan… any Basse-Terre; La Jaille, La Voie Verte, Saint-Félix, Morne à l'Eau… kosa any Grande -Terre….
tena tsy afa-mifamoivoy mihitsy e! afa-tsy amin'ny lala-madinika (tahaka ny lalam-pasika aty amintsika any anindrana)…
Nanomboka tamin'ny alatsinainy (8/12) ity raharaha ity rehetra nanapa-kevitra ny hametraka sakana manerana ny lalana lehibe eto amin'ny nosy hanoherana ny fahalafosan'ny lasantsy ny mpamily fiarabe,  fiara fitaterana ary ny fiara mpitondra mpianatra. Sahala ny tany Goiana Frantsay, manontany tena ihany koa ny Goadelopeana ny antony mahatonga ny lasantsy tsy midina nefa mba re ihany fa efa nisy fihenany be ny vidin'ny solika isaky ny baril.
Tamin'ny Alakamisy (04/12), taorian'ny fanapahan-kevitry ny governemanta voaterin'ny krizy tany Goyana, dia nahita ny fidinan'ny lasantsy ho 1.36 euros isaky ny litatra fa tsy 1.51euros toy ny teo aloha intsony ny Goadelopeana , saingy mbola tsy mahafa-po izany raha ampitahaina amin'ny vidin'ny lasantsy izay 1 euro ny litatra any Frantsa tanibe ankehitriny.
Izany moa dia miankina, mazava loatra, amin'ny vidin'ny lasantsy apetraky ny governemanta Frantsay.  Manazava ny kajikajy izay sarotra izany i Gwada eto :
Il faut savoir….. Dans les DOM, le prix des carburants est fixé par arrêté préfectoral… Dans tout le département, il est le même, quelque soit la marque du distributeur, quelque soit le lieu de distribution. L'équation qui sert à fixer ce prix est complexe, et verrouillée par les distributeurs eux-même…. Pas de concurrence, sous le regard bienveillant de l'état….
Aoka aloha ho fantatrao… fa aty amin'ny deparitemanta ampitandranomasina, dia feran'ny didy apetraky ny prefe ny vidin'ny lasantsy, mitovy ny vidiny, na iza mpaninjara, na aiza na aiza ny toerana izarana azy. Sarotra ny mahazo ny fametrahana izany kajikajy izany, ary tsy avoakan'ny mpaninjara koa. Tsy misy ny fifaninanana, eo ambany maso tsara tso-dranon'ny fanjakana izany….
Entiny hanehoana ny tsy fitovian-kevitra sy ny tsy fahazoana ny antony (mahalafo ny solika) dia nanapa-kevitra ny hanao barazy amin'ny lalana io andro alatsinainy io ny mpampiasa ny lalana ho fidiram-bolany. Taorian'ny “Alatsinainy matroka” ary dia nanomboka niresaka azy ity ny tontolom-bolongana Goadelopeana sy ny fampahalalam-baovao hanazava ny anton'ny hetsika sy nanome soso-kevitra na torolalana ialana amin'ny barazy raha hivezivezy eto amin'ny nosy. Géraldine any Goadelopa ao amin'i La Gwada bloquée no miteny ny fahasarotana azo raha mankany Jarry ankehitriny:
Aujourd'hui, ils remettent ça accompagnés cette fois par les transporteurs. Et le blocage se durcit. Comme on peut le voir sur la carte, pas question d'aller plus loin que Jarry qui est complètement désert alors qu'il s'agit de la plus grosse zone économique de l'île
Mbola hiverina indray ry zalahy androany ary hiaraka amin'ny mpanao fitaterana indray. Hihamafy ny fanakanan-dalana. Raha jerena ny sarintany dia tsy misy intsony ny hevitra andehanana lavitra mihoatra an'i Jarry foana tanteraka nefa io no faritra ara-toe-karena lehibe indrindra eto amin'ny nosy.”
Ny antony mivandravandra ampikatsoana an'i Jarry moa dia mba ho hita kokoa ny hetsika - saingy ny tsy hita miharihary kosa indray toeran-tseranana sy misy ny orinasan'ny solika io Jarry io. Ny tena tanjona farany moa dia ny hanerena an'i “la SARA” - fanadiovan-tsolika TOKANA an'ny Compagnie Occidentale des Indes (teny frantsay kosa eto e?) - izay manao ampihimamba ny fanraharahana ny  solika eto Goadelopa sy  any Martinika. Araka ny efa nohazavan'i Gwada etsy ambony moa dia io ampihimamba io no mahatonga ny fiaraha-miasa tokana misy eo aminy sy ny prefe hametra ny vidin'ny lasantsy. Mahatsiaro ho natao ambaninjavatra matetika moa ny mpanao politika Goadelopeana eo amin'ny fanapahan-kevitra ka nisafidy ny hanohana ny mpanao fihetsiketsehana sy mba ho mpitondra tenin'ny vahoaka reehfa misy ny fifidianana.
Na ahoana na ahoana ny vahaolana ho azo, dia efa afaka mirehareha sahady ny mpanao fihetsiketsehana  satria nanako nanerana ny sehatra nasionaly (tanibe sy ampitandranomasina) avy hatrany ny nataon'izy ireo. Ity lahatsary [Fr] avy amin'ny LCI, iray amin'ireo mpamoaka vaovao frantsay lehibe, dia porofo fa tsy mahazo mody fanina amin'izay fanoherana mitranga any amin'ny Frantsa ampitan-dranomasina i Frantsa Tanibe. Mycho, ao amin'i Critiqart Guadeloupe, izay miezaka ny manara-maso ny fizotry ny fihetsiketsehana isan'andro moa dia miandry ny kabarin'i Yves Jégo, Sekretaram-panjakana Frantsay misahana ny departemanta ampitan-dranomasina,izay heverina fa hiresadresaka amin'ny lalan'ny famelabelaran-kevitra an-dahatsary androany, mba hahenoana ny tolo-keviny hamahana ny olana.
Fabienne Flessel