The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Orinasa Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Orinasa

2009-05-20

Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC

Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete. Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny ...

2009-02-17

Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”Video post

Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.

2009-02-12

Korea: Fiainana tsy an'asa.

Raha nanomboka ny fitotongan'ny toekarena, ny tsy fananana asa dia nanjary iray amin'ireo ambetin-dresaky ny mpikirakira aterineto. Ahoana no iainan'ny olona izany toe-javatra izany? Aspan dia mahita làlana hafa hiatrehana izay tsy fananana asa izay. 오늘로 백수가 된 지 두 달을 넘겼다. 지난해 11월 17일부러 지난 10년간 근무한 회사를 그만두게 되었다. 다니던 ...

2009-02-11

Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana

Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray ...

2008-12-13

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de JanerioSary post

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.

2008-12-11

Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy

Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony. Ilay nosy miendrika lolo ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny  “le Pont de la Gabarre” sy ny “le Pont de l'Alliance” no voly tanteraka tamin'ny andaniny roa: Grande-Terre sy Basse-Terre. Gwada ao amin'ny  ...

2008-09-17

Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina

Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu (三鹿) avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany. 25 taonina tamin'ny vovo-dronono ...

2008-05-29

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny ¿Y ...