Global Voices teny Malagasy » Indigenous
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
Mbola voarara dia voarara tokoa ny miresaka ilay adim-poko ka tsy voaresaka mivantana loatra na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny any Xinjiang. Raha halalinina ny fandikana ny herisetra eo amin'ny Oigoro sy ny Sinoa Han any  Ürümqi ary raha jerena koa fa i Mongolia mpifanila vodirindrina aminy dia misy maha-neo-nazis azy, dia inona no tsoa-kevitra azo resahina tamin'ny herisetra avy amin'ny roa tonta?
Hu Ping tonian'ny Beijing Spring no  namoaka tao amin'ny lahatsorany faramparany ho an'ny Radio Free Asia, raha mifandraika amin'ny politikan'ny governemanta eo an-toerana ny hatezeran'ny Oigoro, ka nitanisany ny antony maromaro manamarina izany, sady nampiasany ny fomba fiteny hoe fitiavan-tanindrazana Han. Toy izao no famaritana ny fitiavan- tanindrazana Han hita ao amin'ny Wikipedia:
“ilazàna ny hevitra manandratra ny fiaviany izay manome tombony ho an'ny Sinoa Han, vondrom-poko maro an'isa any Sina raha miohatra amin'ny vondrom-poko hafa vitsy an'isa, izay matetika dia aseho amin'ny fanamboniana kolontsaina. […] Fihoaram-pefy eo amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ny manao asa na miresaka izay manandratra foko sy foto-kevitra maneho fitiavan-tanindrazana Han (sy ny teny fankahalàna vitsy an'isa).”
Niteraka fanamarihana maro ny lahatsoratr'i Hu:
08/31: 本人是汉人，去过东突厥斯坦维吾尔地区。胡平先生所说的情况完全属实。该地区的大部分区域目前的汉化状况十分严重，并不断有大量的汉族移民，维族完全被边缘化。
Sinoa Han ny tenako ary efa tany amin'ny faritra atsinanan'i Turkistan misy ny Oigoro aho. Marina avokoa ny zavatra rehetra voalazan'i Hu Ping. Henjana ny politikam-pitelemana ho Han amin'ny faritra maro, ary maro ny ao amin'ny foko Han no mifindra monina any, lasa voahilikilika tanteraka ny Oigoro.
09/01: 如果是这样的话，那美国是不是也在搞英语同化政策呢讲印第安语言的人你在美国可以畅行无阻吗？共产党的干部队伍里不但是少数民族广大汉族也一样被剥夺了宗教信仰的权利啊！维吾尔人可以不受限制地生儿育女，而当地的汉族人却被国家的计划生育政策严格限制哦！作为在中国生长的汉族人，我们真的没有感到所谓的大汉族主义！
Raha toy izay ny fijerinao azy, dia tsy toy ny tamin'i Amerika nitondra ny politikan'ny fampiasana ny teny Anglisy ve? Tsy mihevitra ve ianao fa tsy manana olana amin'izany koa ny olona miteny Indiana-Amerikana [sic] ? Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza! Tsy noferana ny isan'ny zaza ateraky ny Oigoro, fa ny Han kosa dia voafehin'ny politikan'ny fanjakana amin'ny famerana ny zaza teraka! Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!
09/01: 同化、融合是社会的进步，拒绝融合是没有出路的，就想在美国不会说英语还有机会进入主流社会吗？陈破空在美国不也只是一个社会的边缘人。
Ny fitelemana, ny fisisihana hiaraka amin'ny maro, maneho fivoarana eo amin'ny fiaraha-monina izany; tsy misy azo antenaina amin'ny fandàvana  hiaraka amin'ny maro. Mihevitra ve ianao fa ny olona tsy mahay miteny Anglisy dia ho tafiditra anaty fiaraha-monina any Etazonia? Moa ve tsy lasa olona voahilika hafa koa any Etazonia i Chen Pokong?
09/02: 维吾尔人或图博人（Tibetan）在自己的土地上说自己的语言应该是畅行无阻，这应该就是当地主流社会的语言。
Tsy tokony hisy faneriterena amin'ny fampiasan'ny Oigoro sy ny Tibetana ny teniny eo amin'ny taniny, sady io rahateo no teny fampiasan'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.
09/02: 真会胡扯！在台湾原著民还不是要说汉语.写汉字！
Tena zavatra tsy misy fotony! Na ny tompon-tany any Taiwan aza tsy maintsy miteny sy manoratra teny Sinoa!
09/02: 真是胡评了，别忘了汉人到新疆的时间比维吾尔早
O ry Hu Ping a! aza adinoina fa ny Han anie no tonga talohan'ny Oigoro tao Xinjiang e!
09/03: 我没去过新疆，但是在我的家乡湖南，最起码我读书的两个城市：永州，长沙。还有现在在的这个城市：深圳。维族人跟我们（汉族人）比起来权利是大很多的—— 他们可以强买强卖，他们卖的价格非常高，而且看了东西一定要买，这个我们一点办法都没有的。警察可以骑在我们头上，对他们是一点办法都没有的，就是犯了事也很快出来！
Mbola tsy tao Xinjiang aho, fa raha nody tany Hunan aho dia nianatra farafahakeliny tamin'ny tanàna roa, Yongzhou sy Changsha. Izao aho eto Shenzhen. Manan-jò kokoa ny Oigoro raha oharina aminay (Han): mahazo fikarakarana kokoa ry zareo amin'ny varotra, afaka mametraka vidin'entana lafo kokoa ry zareo, ary raha mijanona ianao mijery izay amidiny, dia tsy maintsy mividy, ary tsy misy zavatra hafa azonao atao ankoatra izany. Afaka midaroka anao ny polisy nefa tsy afaka manao na inona na inona amin'izy ireo, ary raha mandika lalàna izy ireo dia vetivety dia votsotra!
09/04: 对待伊斯兰，必须大棒和胡萝卜政策同时实施，目前来看应该大棒为主。伊斯兰需要改良、进步才有出路。目前它就是反人类的宗教。
Tsy maintsy ampiasaina miaraka ny fikan'ny karaoty sy ny kibay rehefa miaraka amin'ny silamo, fa ankehitriny ny politikan'ny kibay aloha no mandeha. Mila mivoatra mihitsy aloha ny Silamo  alohan'ny hisian'ny fihatsaran-javatra. Amin'izao fotoana zao aloha izy dia mbola fivavahana tsy manaja ny maha-olombelona.
09/05: 维族被边缘化.这个基本是事实
Nahataka ny Oigoro, izay aloha ny zava-misy.
Io lahatsoratr'i Hu io dia navoaka ihany koa tao amin'ny UighurBiz, naorin'ilay mpahay toe-karena sy mpiserasera avy amin'ny  foko Oigoro Ilham Tohti; Nigadra i Tohti ny volana Jolay ary navotsotra ny faran'ny volana Aogositra, ary niteraka resabe an-tserasera tato anatin'ny herinandro ny filazany ny fanohanany ny fomba fitondràna henjana ataon'ny mpitondra vaovaon'ny antoko ao Xinjiang, Zhu Hailun (manadaboka ny politikan'ny ‘tsy misambotra olona araka izay azo atao, mampihena ny famonoana, mamindra fo kokoa) manoloana heloka be vava. Ireto misy sombiny amin'ny fanamarihana voaray androany teo amin'ny vohikalan'ny UighurBiz :
*两少一宽应该取消*
伊力哈木还对乌鲁木齐刚刚上任的市委书记朱海仑宣布取消“两少一宽”(少捕少杀，一般从宽)的少数民族政策表示赞同。他认为，法律面前应该人人平等。他说，这个政策确实让少数民族中的犯罪分子获利，同时导致了汉族人的不满。
人都是一样的汉族人被针扎了才想起要王LQ下台,维吾尔人安全受到威胁了才想起取消两少一宽.还能想起自己曾经的态度吗?
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物，对民族和国家有着比较清醒的认识。不象其他在这的一群维族小喽罗根本就是屁也不懂，还去指责汉人的FF，其实也都是五十步笑百步。好好和你们老师学一学。
“Mila foanana ny politikan'ny “Roa fihenana, iray famindram-po”
Naneho ny fanohanany ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny Antoko Ürümqi vaovao  Zhu Hailun i Ilham ny amin'ny hanafoanana ny politikan'ny foko “Roa fihenana, iray famindram-po”  (mihena ny fisamborana olona sy ny fampiharan-tsazy, mitombo ny famindram-po). Nahatsapa i Ilham fa tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan'ny lalàna, raha lazaina fa nanararaotra io politika io ny avy amin'ny foko vitsy an'isa, nefa eo andanin'izany dia mampiteraka tsi-fahafaliana eo amin'ny Han izy io.
Izany ny olona; tsy nitaky ny fialàn'i Wang Lequan ny Han raha tsy efa nanomboka ren-dry zareo  tsindron-tavim-panindronana (seraingy);tsy nitaky ny fanalàna ny ‘Roa fihenana, iray famindram-po' ny Oigoro raha tsy nanomboka nahita fa tandindonin-doza ny fandriampahalemana. Mihevitra ve ianao fa mbola mety hiverina amin'ny heviny izy ireo?
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham, ary mahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin'ny fanjakana sy ny foko. Tsy mitovy amin'irony olona manana asa zara raha asa irony izay tsy mandray ny zavatra rehetra am-pahamatorana, manao ny Han [famaritana ara-toerana] ho tsy ara-dalàna, mandray azy ireo ho toy ny vazivazy. Faly afaka nianatra zavatra avy aminao.
伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看，举个例子，6年前我在新疆出差，在乌鲁木齐延安南路路边打出租车，比我后来一个维族女孩也站在我旁边打车，冬天在乌鲁木齐往往打车需要很长时间，冻得不行了，好不容易一辆空车来了，根本没在女孩旁边停，直接停我面前了，我还好奇，上车后问司机什么不拉女孩，汉族司机说：我们不愿拉这些皮帽子（维族人）。问问什么？他说有次拉了个维族给的是假钱，我问有没有碰到汉族乘客给假钱的？他说也有。我说如果你们这样对待维族，你们不担心将来维汉矛盾越来越深吗？司机答：他们不敢，我们有枪。我再也没说话。出差3天，每次打车我都问司机愿不愿意拉维族，都是众口一词，什么维族人脾气大、不讲理、不愿意拉之类的话。后来问了当地一个维族人才知道乌鲁木齐全市有近六千俩出租车，由于维族乘客屡遭拒载，终于让200 多辆维族司机开出租，满足不了需求，没办法，很多维族人就做黑车生意了，二道桥一带的夏利基本上都是黑车。了解了情况后我心想这样的地方将来一定会出事！
没有无缘无故的爱和恨，就像一面镜子，你如何对待他人，他们也会如何对待你。不反思一下自己的所作所为，动不动给一个民族去贴标签，对一个世世代代在此繁衍的原住民族带上歧视的有色眼镜，新疆怎能不乱？
Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham
Ary mba firy moa ny Han tsy manavakavaka ny Oigoro?
Raha ny zava-misy, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny Oigoro fotsiny ny Han, fa tsy mandray azy ireo akory ho olombelona. Ohatra, enin-taona lasa izay, nanao afera tany Xinjiang aho. Nizotra ho any amin'ny làlan' i Yan'an Nan any Ürümqi aho ary niezaka ny hahazo fiarakaretsaka, ary iny nisy tovovavy Oigoro iray nanatona ary niezaka ny hahazo fiara karetsaka ihany koa. Tsy maintsy miandry ela foana vao mahazo fiara karetsaka any Ürümqi rehefa ririnina. Nangatsiaka be izahay ary nony farany nisy fiara karetsaka nalalaka nijanona ihany, nisongona ity tovovavy ary nijanona teo anoloako. Hafahafa, hoy ny eritreritro, ary rehefa tafiditra tao anatiny aho dia nanontany ny mpamily fa naninona no tsy nijanona ho an'ilay tovovavy izy. Hoy ilay mpamily (Han): tsy mitondra an'ireny mpisatroka hoditra ireny izahay (Oigoro). Nanotany aho hoe fa maninona. Hoy izy hoe indray andro izay efa nitondra Oigoro aho  izay nanome ahy vola sandoka, hany ka nanotany azy aho raha efa mba nisy mpanjifa Han efa nanome azy vola sandoka. Efa nisy hoy izy.
Raha toy izany no anaovanao ny Oigoro hoy aho, tsy manahy ve ianao fa hiharatsy kokoa ny adim-poko? Hoy  ilay mpamily, tsy sahy izy ireo, manana fitaovam-piadiana izahay. Hany ka tsy nahita nolazaina intsony aho. Telo andro aho no tany, ary isaky ny mandeha fiarakaretsaka aho dia manontany foana raha manaiky ny mitondra mpandeha Oigoro ry zareo, ary mahazo valin-teny mitovy foana hoe: ratsy toetra ny Oigoro, tsy azo resena lahatra, tsy ijanona ho an-dry zareo izahay, etsetra. Efa fotoana ela taty aoriana aho vao nanotany Oigoro ary nahita fa misy fiarakaretsaka 6,000 any Ürümqi, ary satria efa zatra nolavina foana ny Oigoro dia tamin'ny farany izy ireo nanarama mpamily Oigoro 200, ary rehefa tsy ampy ireo, dia tsy dia misy  n'inona n'inona azo atao loatra, noho izany, maro ny Oigoro nanomboka nanao ny fiarakaretsany tsy nahazo fahazoan-dàlana, indrindra ny fiara Xiali izay hitanao manamorona ny tetezan'i Erdao Bridge dia fiarakaretsaka piraty. Raha vao azoko an-tsaina kokoa ny tena fandehan-draharaha, dia nihevitra aho fa tsy maintsy misy zavatra hiseho na ho ela na ho haingana.
Fitiavana na fankahalàna amin'ny tsy antony, toy ny fitaratra. Ny fitondranao ny olona ihany no itondran'ny olona anao ihany koa. Raha tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataonao ary ianao dia mametraka marika fotsiny ny vondrom-poko sasany, mahita ireo olona maro efa teo an-jatotaona maro niaina ny tsy rariny, ahoana no tsy hisy korontana ao Xinjiang?
汉族里有多少个对维族没有歧视的？
其实，新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看
uighurhr 发表于 2009-9-9 07:41
要让别人把你当人，你首先得表现的有个人样。
多谢党妈妈长久以来对维吾尔人的美化宣传，
以至于我们这些内地人在多次遭遇维式流氓侵害后还是不敢相信自己的眼睛。
Ary mba firy moa ny Han no tsy manavaka ny Oigoro?
Raha ny marina aza, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny OIgoro fotsiny ny Han fa manao azy ireo ho tsy olombelona mihitsy.
Raha tianao ny hitondrana anao ho toy ny olombelona, voalohany aloha ianao mila mitondra tena toa izany.
Misaotra noho ny fampielezan-kevitra tsara nataon'ny Antoko Foibe an-taonany maro, raha isika tato anatiny niharan'ny tsy rariny avy amin'ny Oigoro , ny hitan'ny masontsika aza tsy ninoantsika.
维族不讲理是惯的，党妈一向对维族的优惠政策，如民族团结最重要，如少数民族优先等等养成了他们越不讲理越能拿到好处然后就变的更加不讲理。
久而久之，汉族们就不喜欢跟你们打交道了。
Toetra nampivaka ny Oigoro ny manao zavatra tsy am-piheverana. Nahazo fiandaniana kokoa avy amin'ny Antoko Foibe izy ireo, ohatra hoe ny fanaovana lohalaharana ny fitambaran'ny foko, izay manome tombony ho an'ny foko vitsy an'isa, etsetra., natao izay mba ho raha miha-tsy misy dikany ny zavatra ataony, miha mahazo tombony izy, ary avy eo izy ireo manjary manao zavatra tsy ampy fiheverana loatra.
希望这个网站不要在天天宣传和蛊惑仇恨的魔鬼。看看吧，这个网站有多少文章在宣传仇恨的魔鬼。
Manantena aho fa ity vohikala ity dia tsy hanohy hampahafantatra sy tsy hamporisika isan'andro ny demonin'ny fankahalàna. Jereo fotsiny, firy amin'ny lahatsoratra eto amin'ity vohikala ity no manome vahana ho amin'ny fankahalàna.
西方人对黄种人，对中国人没有歧视吗？但是和100年前相比，去掉那些意识形态的影响（中国现在还是共产主义国家？），这样的歧视是多了还是少了？从100年前的人见人欺到现在的G2，这样的变化是因为老外道德素质提高了根除了种族歧视？
Koa raha izany, ny tandrefana angaha moa tsy manavaka ny Sinoa sy ny Aziatika hafa? Fa raha mijery ny 100 taona lasa ianao, ny vokatry ny fandaozana ny foto-kevitra (Mbola tany kaominista ve i Sina), nitombo ve sa nihena ny karazana fanavakavahana toy izao? Raha mijery ny aina solon'ny aina tamin'ny 100 taona lasa mandrak'ankehitriny, nisy ve izao fiovana izao satria ny vahiny no nanazava ny saina hiala amin'ny fanavakavahana?the G2
Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra
Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa. Na dia zara raha nisy aza anefa ny fandrakofam-baovao tandrefana , ny chaîne  Al Arabiya any Dubai dia namoaka ny vaovao avy any Nouakchott taorina kelin'ny fanafihana, manamarika ny timing ato amin'ity  lahatsoratra ity:
Ity fanafihana ity dia nitranga  telo andro taorian'ny nanandràtana an'i Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenen'ny fanjakana Saharan rehefa nandresy tamin'ny fifidianana natao tamin'ny volana lasa iny, izy izay nanongana ny mpitondra voafidim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika tamin'ny taon-dasa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana nataoan'ny tafika.
The Moor Next Door dia nanoratra lahatsoratra feno momba iny tranga iny, mampiseho sarin'ireo olona tezitra tamin'ny fanafihana sy mbola tena sorena  amin'ny fitondràna :
Milaza zavatra maro ireo valin-teny mikasika iny fanafihana iny ao amin’ireo media anaty aterineto Arabo. Misy valin-teny amin’ny lahatsoratra voalohany momba iny fanafihana iny izay miteny mafy hoe “Afaho amin'i  Jeneraly izahay dia ho antsoinay hoe shahid (martiora) ianao!” Ireo hafa indray mitantara ny adalan’ilay mpanafika, maneso azy amin’ny maha-Haratianina azy. Tezitra mafy ireo Maoritaniana, toy ny nahatezitra azy ireo nandritra ireo fanafihana tamin’ireo taona lasa tany aloha. Fa raha ny fipoahana no nahatonga tsy filaminan-tsaina sy faharikorikoana, ny ankamaroan'ireo fientanam-po ireny dia mitodika manokana any amin'ny fitondrana daholo. Raha ny fanapoahana  baomba no “tantara”  lehibe indrindra nanintona ireo media tandrefana hatramin'ny fifidianana, ireo Moritianina kosa dia mahatsapa fa mbola misy olana hafa manahirana azy ireo izay mifandray amin’ny maha-ara-drariny ny firondrana sy  ny raho-mitataon'ny kiantranoantrano.
Ny mpitoraka blaogy [peace corps] Becky, izay miasa  any Maoritania, dia manambara fa mety hody any an-tanindrazany ireo mpirotsaka an-tsitrapo ao amin’ity fikambanana ity ka nitarainany:
Andro manjombona iray ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo Peace Corp aty Mauritania izao. Tsy hoe  satria mampidi-doza fotsiny ny hoan'ny hoavinay, fa satria koa ity firenena iray noraisinay ho toy ny firenenay ity dia lasa toerana iray raisin'ny rehetra ho faritra mampatahotra sy tsy milamina. Ampahatsiahivina anay foana fa ireo mpampihorohoro dia mahery fihetsika ary tsy mahasolo tena ny firehana rehetra. Noho izany dia sarotra ho ahy ny handao ireto olona tsy manan-tsiny maro ireto, na dia takatr’ireo rehetra tafaresaka tamiko aza izany.
weddady, Maoritaniana mpampiasa Twitter , mampiseho ny tsy filaminan-tsainy ao amin’ny pejin’ny Twitter-ny, manoratra:
Na dia vitsy aza ireo mpitoraka blaogy no miresaka momba ity tranga izay niseho ity, i Frantsa dia nanameloka ity fanafihana ity, ary ny Filoham-pirenena vaovao Mohammed Ould Abdel Aziz dia mampitandrina ny amin'ny mety hisian'ny fanafihan'ireo mpampihorohoro amin'ny hoavy.
Però: Ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana nandritra ny ady tao Amazonia
Niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tany Pérou ilay zava-nitranga nampihorin-koditra niseho tany Bagua ao anaty alan'i Amazonie any amin'ity firenena ity. Tsikerain'ny mpitoraka bilaogy maro ny filoha Alan Garcia sy ny governemantany satria tsy nanaja ireo fifanarahana sy fifanekena milaza fa alohan'ny hanaovana zavatra ao amin'ny tanin'ireto tompon-tany ireto dia tsy maintsy hanontaniana aloha ny heviny. Izany indrindra no nahatonga ny fihetsiketsehana sy ny fanakana-dàlana ary niteraka fifandonana izay nahitana mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny teran-tany sy poilsy maro maty. Nahazo tsikera koa ny filazam-baovao momba ny fomba firesahany ny zava-niseho sy ny lahatsoratra avoakan'ny mpanao gazety sasany manamaivana ny fahafatesan'ireo teratany.
Notsikerain'i Silvio Rendon ao amin'ny bilaogy Gran Combo ny fanaovan'ny governemanta tsinontsinona ny fifanarahana mikasika ny fifanakalozana malalaka amin'i Etazonia sy ny fifanarahana amin'ny birao iraisam-pirenena momba ny asa izay milaza fa tsy maintsy hanontaniana ny hevitr'ireo teratany mialohan'ny hampiasana ny taniny. Mbola tohizany ihany:
El tema no es la inversión ni nacional ni extranjera, sino que se respeten los derechos de las comunidades nativas. Si el asunto arranca violando sus derechos, ¿por qué las comunidades tendrían que creer que la violación de sus derechos no va a seguir?
El gobierno accedió al diálogo en medio de la protesta nativa, con los bloqueos ya en marcha. Sin embargo, de repente el gobierno decide que no va a hacer nada si la medida de fuerza continúa. Un repentino cambio de reglas. Y además, ¿qué puso sobre la mesa todo este tiempo? ¿Consulta a los nativos? No. Modificaciones cosméticas de las leyes rechazadas por los nativos. Entretanto, varios decretos han sido declarados inconstitucionales por la Defensoría del Pueblo como por la Comisión de Constitución del Congreso. No es que los nativos no tengan razón. El gobierno viene forcejeando por leyes que han sido declaradas inconstitucionales.
Tsy ilaina ny mahafantatra hoe fampiasam-bolan'ny fanjakana izany na avy any ivelany, fa kosa tsy maintsy hajaina ny zon'ireo tompon-tany. Raha manitsakitsaka ny zon'ireo tompon-tany izy, ahoana moa no hahalalana raha mbola hitohy foana izany fanitsakitsahana izany?
Manaiky ny hifampidinika ny governemanta rehefa mandeha ny fihetsiketsehana sy ny fanakana-dàlana. Nanapa-kevitra indray àry izy fa tsy hanao na inona na inona raha mbola mitohy ny fihetsiketsehana. Famadihana fitsipi-dalao tampoka teo! Ankoatr'izany, inona no nataony hifanarahana nandritra izay fotoana izay? Niresaka tamin'ny tompon-tany ve ianareo? Tsia, ny fanovana endrika ny lalàna ihany izy efa nalavin'ireo tompon-tany! Ary koa, hitsivolana maro no efa nambaran'ny mpitondra tenin'ny teran-tany sy ny Comité Constitutionnel du Congrès fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana.
Ao amin'ny bilaoginy Conflitos Sociales en el Peru no mitsikera ny governemanta momba ny andraikiny sy ny tsy fahamalinany amin'izao krizy izao i Erick Garcia. Na dia eo aza ny vaovao ananan'ny governemanta sy ireo avoakan'ny fampahalalam'baovao dia fantatra fa mpihavy maro any an-toerana no manatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana:
Ahora me pregunto si un par de Decretos Legislativos valen todo el odio y dolor que generarán estas muertes. Se podrá ahora hablar de una solución pacifica y concertada con tantas muertes a cuestas (sobre todo cuando ya la Ministra del Interior ha declarado que Pizango y compañía deben ser detenidos y puestos a disposición de las autoridades – RPP 16:30) Lamentablemente comenzará la casería por encontrar a los responsables “políticos” e “ideológicos” de esta masacre; qué actitud que tomará el parlamento respecto a los decretos aún es incierto (seguramente estarán pensando más en la censura ministerial que en otra cosa); lo único claro es que el tema de fondo que en algún momento pudo discutirse “el modelo de desarrollo amazónico” solo sabe Dios cuando volverá al debate público.
Ankehitriny, manontany tena aho raha misy hitsivolana mendrika ny fankahalana sy ny fangirifiriana niteraka ireny faty olona ireny. Afaka miresaka famahana olana am-pilaminana amin'izay isika vidin'ireny maty marobe ireny (indrindra taorian'ny fanambaran'ny minisitry ny atitany fa hosamborina sy hatolotra ny fitsarana i Pinzago, mpitarika ny fihetsiketsehana sy ny namany hafa. Indrisy fa hanomboka amin'izay ny fitadiavana ireo mpanao “politika” sy manana “foton-kevitra” tamin'iny famonoana iny; mbola tsy mazava ny toerana horaisin'ny parlemanta mikasika ireo hitsivolana ireo, mazava ho azy fa ny fanafoanana ny ministera no hataon'ireo solombavam-bahoaka). Ny hany zavatra mazava dia hoe tokony ho nifampiresahana ny fototry ny olana, “ny fampandrosoana filamatra an'i Amazonie”, Andriamanitra irery no mahalala hoe rahoviana indray izany vao hatao ady hevitra handraisan'ny rehetra anjara.
Mitsikera tsy am-pihambahambana ny filoha Garcia kosa ilay vahiny Peroviana monina any Espagne, Garcia izay nanambara fa tsy diso ireo mpanao fihetsiketsehana ireo ary tsy afaka hilaza amin'ny vahoaka peroviana miisa 28 tapitrisa tsy hiditra ny faritra misy azy, raha manao izany izy ireo dia hanao fahadalana ary “hihemotra ho olon-dia”. Manoratra mikasika ny filoha Garcia i Jomra:
No solo es mentiroso, sino que es intolerante e ignorante de la propia Constitución y los tratados que Perú ha firmado. … Pero lo importante es el fondo: El presidente asume que puede aplastar lo que la Constitución y el Convenio OIT nº 169 Sobre Pueblos Indígenas y Tribales en Países Independientes (de 1989, entró en vigor en el 91 y Perú lo ratificó en el 94), en la primera se establece una entidad jurídica especial para las Comunidades nativas y campesinas que el ejecutivo debe respetar y en el segundo se obliga a que toda decisión que afecte a las comunidades sea previamente consultada. El DL 1090 no lo ha sido.
García cada vez que puede acusa a la dirigencia de las comunidades de manipular a los pobres ignorantes, a la vez que pone que todo esto está orquestado por otros países, no se atreve a acusar a Venezuela pero indica que a quien conviene es a Chile (supongo que en el vecino del sur se mueren de risa al oír los despropósitos de García).
Tsy vitan'ny hoe mpandainga fotsiny izy, fa olona tsy manana fandeferana sady tsy mahalala ny lalàm-panorenana sy ireo fifanarahana samihafa nosoniavin'i Pérou…Fa ny tena goavana, izay fotony dia: mihevitra ny filoha Garcia fa azo tsinontsinoavina ny voarakitra ao amin'ny andalana 169 ny fifanarahana amin'ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa izay mahakasika ireo teran-tany sy mponina any amin'ny firenena mahaleo tena (lalàna natao ny 1989, nampiharina ny taona 1991 ary nankatoavin'i Pérou ny taona 1994). Miantoka ny rafitra ara-dalàna nomena ireo mponina sy tompon-tany ary ny tantsaha io lalàna io. Ny faharoa dia mitaky fa ny fanapahan-kevitra rehetra  mahakasika ny fiainan'ireo tompon-tany ireo dia tsy maintsy hifampidinihana aminy aloha vao tanterahana. Noraisina tsy nisy fifampidinihana ny hitsivolana 1090.
Isaky ny manameloka ireo mpitaika fikambanana ireo ho mpilalao ny mahantra ny filoha Garcia dia izy izay no manao. Amin'izany dia tohanany tsara ny hoe firenena hafa no manao ilay zavatra. Tsy nisalasala akory izy niampanga an'i Vénézuela, nefa nilaza indray izy avy eo fa misy tombontsoan'i Chili (angamba matin'ny fihomehezana ireo mpifanolo-bodirindrina aminay aty atsimo aty noho ny laingany).
Ao amin'ny bilaogy Peru Apartheid no manoratra i Amazalia Fracaso fa malemy ny fiaraha-monina any Pérou ary afaka hamarinina izany satria tokony tsy nisy ireny faty olona ireny. Notsikerainy koa ny fampahalalam-baovao noho ireo andraikitra noraisiny nandritra ity krizy ity:
También lo es que la indiferencia e incluso la justificación de muchos comentaristas y bloggers, que haya gente que es capaz de aceptar estas muertes como necesarias para mantener el orden y el desarrollo significa que aún estamos muy lejos de ser un país que pueda caminar hacia adelante.
Es vegonzoso como los medios de comunicación como Peru21, El Comercio, RPP, desinforman a la población y se dedican a poner a la opinión pública en contra de las protestas sociales, ya sea minimizando las muertes que los nativos han sufrido, escondiendo información o exagerando y dandole un spin tétrico a las noticias. Esto también pasa con alguna prensa internacional, Simón Romero del NYT hace una nota sobre la protesta, mezcla el conflicto con Sendero Luminoso, (y) presenta a los nativos como anti-desarrollo.
Ao koa ny tsy firaharahiana, eny hatramin'ny fanamarinana aza nataon'ireo mpaneho hevitra sy mpitoraka bilaogy - izay nilaza fa ny fisian'ireny maty ireny no hamerenana indray ny filaminana ary hanomezana antoka ny fampandrosoana - izay manambara fa mbola lavitry ny fandrosoana ny firenentsika…
Mahamenatra raha ny fampahalalam-baovao tahaka ny Prey21, ny E1 Comercio ary ny RPP no milaza lainga amin'ny mpamaky ary mamily resaka amin'ny hevitry ny vahoaka mikasika ny fihetsiketsehana sosialy, na izany amin'ny fampihenana ny isan'ireo maty avy amin'ny tompon-tany, na izany amin'ny fanafenana ny vaovao na avoaka ihany fa mivalana. Afaka hamarinina koa izany amin'ny vaovao iraisam-pirenena, nanao fanadihadihana mikasika ny fihetsiketsehana ilay mpanao gazetin'ny New York Times, Simon Romero, kanefa nampifangaroany tamin'ny fifandonana tamin'ny Shining Path (lalana mazava) izany izay nilaza fa manohitra ny fampandrosoana ireo teran-tany.
Juan Arellano
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha  65 taonan'ny  Sürgün,  ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.
J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:
Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no nanomboka ny fisamborana tsy misy fepetra sy ny famindràna toerana, saiky ny Tartares rehetra avy ao Crimée mihitsy, hiàla amin'ny tany navelan'ny razan'izy ireo ho azy tao Uzbekistan sy Urals. Vao nangiran-dratsy ny andro dia miaramila mirongo fiadiana avy amin'ny NKVD no efa nandondona tao am-baravaran'ny tranon'ireo Tartares avy ao Crimea sady nilaza tamin'ireo izay nonina tamin'ny trano fa hafindra toerana izy ireo. Ny fanazavàna ara-panjakàna nomena momba ity famindràna faobe ny zaza amam-behivavy, ny beantitra, ireo miaramila tranainy tao amin'ny Armée Rouge sy mpikambana tao amin'ny Antoko Kaominista ity  koa aza, dia ny filazàna diso fa hoe ireo mizàka ny zom-pirenena Tartares avy ao Crimea dia namàdika ny Firaisana Sovietika tamin'ny firaisana tsikombakomba tamin'ny mpanjanaka Nazi. […]
Tamin'ny andro voalohany nanaovana ny hetsika, ny mpitandro filaminana sovietika dia nàka olona  90,000 ho any amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dalàmby ka ny  48.400 dia nanomboka iny andro iny tamin'ny fiondrànana hiatsinànana (Bugai, doc. 11, p. 138). Ny andro manaraka kosa dia tafàkatra ho 165.515 ny isan'ireo Tartares avy any Crimea notaterina ho any amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dalàmby ka ny 136.412 dia nampakàrina tanàty fiara hitodi-doha ho any  Uzbekistan (Bugai, doc. 12, p. 138). Farany, ny 20 May 1944, ny  NKVD dia namàrana ny hetsika. Notaterin'izy ireo fa nahatratra 180.014 ny Tartares avy ao Crimea nampidirina tanàty fiaran-dalàmby miisa 67 ka ny 63 misy olona hafindra toerana miisa 173.287 dia efa an-dàlana ho any amin'ny toerana vaovao natao ho azy ireo (Bugai, doc. 13, pp. 138-139). Ny androtr'io ihany dia nitatitra koa ny  NKVD fa nanetsika lehilahy Tartares avy ao Crimea misa 11.000 hanao asa an-terivozona, nampàkatra ny isan'ireo Tartares nalàna avy ao Crimea ho 191.014 (Ibid.). Nahatratra hatramin'ny  23,000 ny miaramila sy manamboninahitra avy amin'ny sampana anatin'ny  NKVD ary 9,000 mpiasa mpanatanteraka avy amin'ny  NKVD-NKGB nandray anjara tamin'ity hetsika ity (Bugai, doc. 21, p. 144). Vitan'ny NKVD ny nanadio an'i Crimea tsy hahitàna intsony ireo mponina indizena teo aminy tao anatin'ny telo andro monja.
Maria Sonevytsky avo amin'ny My Simferopol Home dia nampàkatra sary maromaro avy amin'ny fotoam-pankalazàna  natao tao Simferopol tamin'ny 18  May - sady namariparitra ny fahasahirànana sy ny adin-tsain'ireo Tartares avy any Crimea niverina nody ao Okraine:
Tamin'ny faran'ny herinandro, nandritry ny sakafo antoandro tao  Simferopol niarahako tamin'ny fianakaviana Tartares avy ao Crimea nandray ahy, Ayder, mpiady tranainy tamin'ny ady ho fanajàna ny zon'ireo Tartares avy ao Crimea nifanandrinany tamin'ny URSS, dia nampiasa ny teny hoe “genocide” [famongorana] hamaritàna ny tsy fisian'ny tetikasan'i Ukraine ankehitriny, mitodika amin'ireo Tartare avy ao Crimea ireo. Tanisainy ny fanafihana ataonà milisy amin'ireo trano fonenana sy Trano fandraharahàna tantànin'ny Tartare avy any Crimea nitranga tato anatin'ny 20 taona farany, ny fandrigànan'y fepetra fiarovana ireo mponina indizena sy ny vitsy an'isa, ny fijery mitongilana atao ireo vondrona silamo vitsy an'isa, tondroina tsy amin'antony ho mpampihorohoro ary tsy omena alàlana hahazoany manàngana trano fivavàhana [sobornaya mechet] iray vaovao, sy ny sisa sy ny sisa. Amim-pitandremana noho ny maha nahita fianarana ahy, napetrako hoe mahery loatra angamba  ny fampiasàna ny teny  ‘famongorana' [genocide] : ary raha naneho tsy firaharahàna sy tsy fandraisana andraikitra manoloana ireo Tartares avy ao Crimea, ny mponina indizena avy any Crimea ny governemanta Okrainiana, ny ‘famongorana' [genocide] dia mitarika ho azy fotsiny izao aminà  herisetra fandravàna sy fanafoànana tanteraka sy manontolo vondrona foko iray. Fihetsika izay mampalahelo lavitra noho ny tsy firaharahàna mibaribary ataon'ny fitondrana ao Okraina . Tsia, hoy izy nanamafy: “Vavolombelona tsy afa-manoatra amin'ny endrika famongorana manorisory isika. Atao kenda roroka ireo Tartares avy any Crimea.” […]
Indro kosa izay nosoritan'i  Maria fa fanovàna tsy maintsy atao mba hanatsaràna ny raharaha:
[…] Tsy maintsy misy foko maro aloha i Okraina, ary  tsy firenena ahitàna sarintsarim-pandeferana tsy mitondra mankaiza [tsy misy tanjona tratrarina]; Tsy maintsy miezaka i Okraina hankato sy hanàja ireo vondrona vitsy an'isa sy indizena ao aminy. Momba ny raharaha Tartares avy ao Crimea, farany dia tokony hamoaka lalàna manome zo sy fiarovana ireo mponina indizena avy ao Crimea ny governemanta Okrainiana , fiarovana eo amin'ny taniny, fampianàrana amin'ny tenin-dreniny, fandravàna izay endri-panavàhana ara-pinoana ary indrindra indrindra, ny zony hizakatena [handray an-tànana ny momba azy rehetra] manerana an'i  Okraina.
Isika dia afaka màka anatra avy amin'izay nolazain'ny [Hutsul] mpitendry zava-maneno iray izay tafaresaka tamiko herinandro vitsy lasa izay, nandritry ny fialan-tsasatry ny Paska. Nipetraka teo amin'ilay Volga tranaininy izahay nihaino horonam-peo rakitry ny ela ary nitantara tamiko ny tantàran'ny famindràna toerana azy izy. Nafindra ho any Siberia ny fianakaviany nandritry ny ady ary tsy navela niverina tao amin'ny faritr'i  [Ivano-Frankivsk] hatramin'ny taona 1970. Teo am-pamakiana ny momba ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'ny Tartares avy ao Crimea tamin'ny taonjato faha-20, ny fanohànana mafana vay nentin'izy ireo tamin'ny Hetsika Volomboasary [Orange revolution] tamin'ny 2004, ary ny fankalazàn'izy ireo isan-taona ny andro nahaterahan'i  Taras Shevchenko, nangàtaka tamiko izy mba homena horonam-peo misy Tartare avy any Crimea mpitendry lokanga hahafàhany mianatra ireo gadona tranainy. Nanontany azy ny antony aho, ary hoy izy, “hanehoako ny fanajàko, toy izay nanehoan-dry zareo azy tamintsika.” Ho solon'ny tahotra, ny fanajàna. Ho solon'ny fankahalàna, ny hetaheta hahafantatra sy hahalàla zavatra. Ho solon'ny tsy fahalalàna, ny fanabeazana. […]
Lova navelan'i mpitarika ny indizeny Mama Tránsito
Misaona noho ny fahalasanan'ny iray amin'ny mpitarika eo amin'ny fokonolona, dia ny fahafatesan'i Rosa Elena Tránsito Amaguaña ny  fokonolona indizeny, mpikatroka amin'ny fampanajana ny zon'olombelona, ary ny vahoaka Ekoateriana amin'ny ankapobeny. Amin'ny maha-“Mpanorina an'i Ekoatera Vaovao,”azy dia izy, miaraka amin'i Dolores Cacuango [es], fantatra amin'ny hoe Mama Dulu ary ilay mpanoratra Nela Martínez [es], no iray amin'ny andry iankinan'ny Hetsika Indizeny Ekoateriana.
Maty nandritra ny andro manokana eto Ekoatera izay fetin'ny reny i “Mama Tránsito” araka ny ahafantarana azy. Amin'ny mahampikambana ao amin'ny Fokonolona indizeny Kichwa azy, ny finoany dia manambara fa niala tamin'ny tontolon'ny Pachamama ( i Mama Tany) hiditra any amin'ny  Samay Pacha (Tontolon'ny Fanahy) izy ary tsy tokony hiteraka alahelo izany fahafatesana izany, fa tokony hahafaly sy ankalazaina amin'ny loko marevaka aza. Nolazaina fa niaina nandritra ny taonjato iray moa i Mama Tránsito saingy mpitranga any amin'ny fianakaviana Ekoatoriana izany, Voasoratra ao amin'ny biôgrafiany fa teraka tamin'ny taona 1909, saingy nohitrikitrihany matetika fa teraka enina taona mialoha io izy.
Malahelo noho ny fahalasanan'i Mama Tránsito ny mpamaham-bolongana Ekoatoriana ary mahatsiahy ny lova navelany ho an'ny hetsika Ekoateriana indizeny. Namoaka lahatsoratra iray nosoratan'i Silvia Cuevas-Morales indray i Vamos a Cambiar el Mundo [es]. Mitantara ny fahazazan'i Mama Tránsito tany Huasipungo ny lahatsoratra sy ny fisisihan'ny reniny hampiditra azy an-tsekoly mba tsy haha-tsy mahay mamaky teny azy. Na izany aza dia niasa nanao mpanampin'olona tany amin'ireo mpanantany midadasika (hacienda) mialoha be izy.
Ny fampijaliana sy ny fahasamihafan-tsaranga hitany mivantana no nanetsika azy hitolona ho amin'ny fampanajana ny zon'ny fokonolona indizeny. Nanjary tafiditra lalina tamin'ny resaka sendikaly ny vehivavy ary nandray anjara tamin'ny fananganana ny sendikàn'ny tantsaha voalohany tany Ekoatera. Ankoatra izany dia iray tamin'ny mpikambana nanorina ny Federasiona Ekoateriana Indiana (FEI) izy sy nanorina ny sekoly mianatra amin'ny fiteny roa samihafa voalohany.
Sarin'ny filoha Rafael Correa manatrika ny fandevenana. nampiasaina avy amin'ny alalana Creative Commons license. http://www.flickr.com/photos/presidenciaecuador/3529551826/
Nandritra ny famangiany matetika an'i Kiobà no nianarany namaky teny sy  nanoratra fony mbola voarara ny nampianatra ny indizeny tamin'izany fotoana izany. Amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny antoko komonista azy dia tadidy amin'ny maha-”kamarady” azy izy, ary manome voninahitra ny asany ny bolongan'ny Tanora Komonist'i Ekoatera [es] satria nosihosena sy nambakaina ny faritra Indizeny maro “tsy naka fanapahan-kevitra momba ny fiainany tahaka ny biby miasa” ireo. Fa manam-panantenana ihany izy ireo tamin'ny fanoratana hoe:
Pero estamos seguros al igual que “Mama Tránsito” que “Llegará el día en que los indígenas, negros, blancos, mulatos, mestizos comeremos en un solo plato, todos y todas”.
Matoky tahaka an'i “Mama Tránsito” isika rehetra fa “fa ho avy ny andro fa hiara-mihinana amin'ny vilia iray avokoa na indizeny, na mainty, na fotsy, na metisy.”
Nahatonga aingam-panahy tamin'ny maro ny nataony ary nisafidy ny tantaran'i Mama Tránsito hataony devoara ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Nati Wolf ao amin'i La Chica de la Luna [es]. Namangy ny fokonolona La Chimba hitafa mivantana amin-dramatoa i Wolf sy ny mpiara-mianatra aminy. Manoratra ny lazainy fa endrika hafa hita amin'i Tránsito Amaguaña sy ny fahitany ny fomba fiainan'ity mpitarika indizeny ity ny mpamaham-bolongana. Norandranin'i Wolf ary fa na dia misy ihany aza ny fivoarana dia mbola maro kosa ny lohahevitra mbola tsy nahitan'i Tránsito vahaolana:
Sus ojos llorosos y cansados, sus arrugas y las venas abultadas por donde se expresaba toda una vida llena de experiencia y de lucha, me hacían ver que aún hay mucho camino por recorrer, aunque ella haya logrado cierta estabilidad en varios ámbitos. La pobreza aún existe, la discriminación es pan de cada día y cada segundo de nuestras vidas, nuestros derechos siguen siendo violentados.
Estoy segura que quiénes fuimos a conocerla, nos marcó la vida. El destino quiso que la conociéramos antes de que partiera de este mundo. Nos regaló la semilla de la perseverancia y valentía con que se debe seguir luchando. Y sabemos que cuando estamos unidos se puede lograr muchas cosas..
Mampiseho ny fianany feno tolona sy atrikasa ny fahitana ny masony reraka manganohano, ny ketroketrona amin'ny tavany ary ny ozan-drany matevina, milaza amiko ireo fa mbola lavitra ny lalana, na dia nitondra fitoniana tany amin'ny faritra maro aza izay nataony. Mbola misy ny fahantrana, manjaka ny fanavakavahana, ary mbola voahosihosy hatrany ny zontsika isaky ny segondra iainantsika.
Matoky aho fa nitondra traika lehibe tamin'ny fiainan'izay nihaona taminy izy. Ny lahatra no nitondra anay hihaona aminy ialoha ny handaozany ity tany ity. Nanome antsika ny voam-pikirizana sy fahasahiana entina manohy ny tolona izy. Fantatsika fa raha mivondrona isika dia maro ny zavatra azo tontosaina..
Raha hijery ny famangian'i Wolf, aza fady tsidiho ny takelaka Flickr ato.
Ireto koa misy lahatsary (I & II) ao amin'ny YouTube hampahalala bebe kokoa antsika ny fiainan'i Transito Amaguaña.  Manana rakitsary[es] ihany koa i El Universo.
Milton Ramirez
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany tao amin’ny faritra efatry ny firenena. Izany  zava-nitranga izany no nahatonga ny mpiara-monina hiara-mientana hangataka fanampiana ho an’ireo tena tsy manan-katokona sy ireo ravan’ny herisetran’ny natiora.
Napetraky ny ministeran’ny fanajarina ny tany tamin’ny 3 Febroary 2009 ny teti-bolam-bahoaka hamatsiana ny fanampiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano farany teo. Ny tanjona dia ny hanamora ny fahasahiranana mianjady amin’ireto tra-boina sy hiverenan’izy ireo amin’ny fiainany mahazatra. Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy ny hetsika malala-tanana mba ho loharanom-bola nasionaly izay entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano sy ny fihotsahan-tany. Ity no ohatra iray izay mampiseho fa mifanohana ny mpiara-monina ao an-toerana amin’ny alalan’ny fifanampian’izy samy izy ihany. Fiteny Malay ny hoe Masyarakat Perihatin izay midika hoe fiaraha-monina mifampitsinjo.
Ohatra, niezaka mafy ny trano fandraisam-bahiny antsoina hoe Orchid Garden Hotel hitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny mofomamy. Nahalafo mofomamy mihoatra ny 2 000 isa ity hotely ity. Tretrika tokoa izy nandranty fonosana mofomamy miisa 25 milanja ho 250kg. Ny hadirin’ireo fonosana rehefa atambatra dia mahatratra ho 84 x 84 santimetatra tora-droa ny velarany ambanty ary  192 santimetra ny haavony (7 pieds  X 7 pieds  X 16 pieds ).
Sarin’ny Strictly Beautiful
Mitatitra mahakasika izay fanomezana mofomamy izay i Ranoadidas ary koa mahakasika loharanom-bola hafa izay nahalafosana tapakila  ahazoana mihinana Nasi Lemak miisa 900, ilay sakafo malaza ao an-toerana:
Nahavita nandafo mofomamy 2000 isa ny fanomezan-tanana mofomamy tao amin’ny Orchid Garden Hotel. Isa lehibe tokoa izany. Nisy ihany koa ny hetsika malala-tanana tao amin’ny D’, toeram-pisotroana kafe sy trano fisakafoanana madinika , koa tao amin’izany no nandafosana tapakila Nasi Lemak miisa 900 (sakafo ao an-toerana vita amin’ny vary andrahoina miaraka amin’ny ronono azo avy amin’ny voanio) sy atody omeleta..
Sarin’ny  Ranoadidas
Nitatitra i AnakBrunei momba ny hetsika malala-tanana baolina kitra izay nahazoana vola mitentina B$ 100 000 avy amin’ny mpijery.
Lalao baolina nisy teo amin’ny DPMM FC sy FFBD XI. Nokarakarain’ny Federasionan’ny Baolina Kitran’ny Brunei ao Darussalam ny lalao. Hatao fanomezana ho amin’ny famatsiana ny tra-boina tamin’ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany ny vola rehetra azo tamin’io lalao io (manakaiky ny B$100 ny teti-bola araka ny vaovao azoko).
Ny sary etsy ambony dia mampiseho ny Voninahitra Avo ananany dia ny Satro-boninahitry ny Printsy, Filohan’ny DPMM Football club manome ireo vola voaangona avy tamin’ny hetsika malala-tanana baolina kitra ho eo am-pelatanan’ny filoha mpiandraikitra ny tondra-drano sy ny fihotsahan-tany.
Etazonia: Amerikana (Mena Hoditra) “Eny, mahavita izahay”
Rehefa tsy taza-maso nandritra taonjato maro, dia miha-mitombo ny fampiasan’ny teratany Amerikana (Indiana mena hoditra) ao Etazonia ny blaogy sy ny gazetin'olom-pirenena antseraserao hampiroboroboany sy itehirizany ny zo sy ny fombafomba fiainan’izy ireo. Manana ny antony vaovao ho feno fanantenana ireo tompon-tany Indiana tamin’ny fifidianana an’I Filoha Awe Kooda Bilaxpak Kuuxshish (Anarana avy amin’ny foko Crow nomena an’I Barack obama ).
Reznet - mitatitra avy amin’ny vazimban'Amerikana.
Ny anaran'ny tetikasa iray manome  fitenenana ny fomba fijerin’ny tompon-tany dia i Reznet,  vaovaon’ny teratany Amerikana Indiana, tranokala firaiketana sy fialambolin’ny Anjerimanontolo ao amin’ny sekolin'ny fanaovan-gazety ao Montana, ary manofana sy manoro hevitra ny  mpianatra Indiana  (mena hoditra) Amerikana ao amin’ny anjerimanontolo manerana ny firenena raha toa ka mihevitra ny hanao gazety ry zareo.
Samy asongadin'ny Reznet na lahatsoratra, na bolongana sy ny haino aman-jery. Raha jerena  ny haitao moderina eo amin’ny rafi-pinoana Indiana, indrindra fa ny fanajana ny tany, dia milaza ny lahatsoratra iray fa “hamokatra angovo madio ho an’ny governemanta amerikana ny orinasa iray tantanin'ireo tompon-tany (mena hoditra).
Blaogy hafa, ao amin’ny sokajy triBaLOG no manazava ny lazan'ny tsy filazalazan'ny fampahalalam-baovao tandrefana hanaovan'ny tale mena hoditra fanamby amin'ny alalan'ny fanaovana andian-drindran-tsary ahetsiketsika vaovao tahaka ny “Stories From the Seventh Fire” (tantara avy amin'ny Lelafo fahafito) manazava tsara ny fombafomban'ny foko araka ny tokony ho izy.
Rezkast - tranonkala fifampizarana hira sy lahatsary
Tranokala kelikely kokoa ny Rezkast, noforonin’ny Foiben'ny Haitaon'ny Foko Coeur d’Alene izay miezaka ny hanaparitaka amin'ny haino manajery ny hafatry ny teratany Amerikana Indiana (mena hoditra), izay mifaninana  amin'ny YouTube. Maro amin’ireo horonantsary ifampizarana eto ireo no mikasika ny hetsiketsika, ny kolotsaina, ny teny ary ny ainga-panahy.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="450" height="370" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="name" value="flvplayer" /><param name="bgcolor" value="#000000" /><param name="align" value="middle" /><param name="flashvars" value="config=http://www.rezkast.com/videoConfigXmlCode.php?pg=video_373_no_0_extsite" /><param name="src" value="http://www.rezkast.com/embedPlayer.php?vid=ffd52f3c7e12435a724a8f30f" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="450" height="370" src="http://www.rezkast.com/embedPlayer.php?vid=ffd52f3c7e12435a724a8f30f" flashvars="config=http://www.rezkast.com/videoConfigXmlCode.php?pg=video_373_no_0_extsite" align="middle" bgcolor="#000000" name="flvplayer"></embed></object>
Eo amin’ny horonan-tsary hita amin’ny tranokala no miseho ilay hira malazan’I will.i.am, nalaina  avy amin’ny lahatenin’I Obama, ary narindra ho hira mba hampisehoana ireo fiainan’ny Amerikana Indiana an-tsary vita ankehitriny sy vita fahagola. Mitanisa ny fanamby atrehin'ny Amerikana mena hoditra ilay horonantsary – toy ny hoe ny fiarovana ny toerana masina sy ny fikolokoloana ny kolotsaina fahagola – ary nofeheziny hoe “ Eny, Afa-mamerina ny halehiben'ny Foko izahay”
Simon Maghakyan
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba!  Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna…
Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa tsy misy …”  Ho an'ny Signifyin' Guyana, izay nanomboka an'ilay “meme”, dia hoe “ny nofon-kenan-kisoa nataon'i dadanay” sy “filalaovana lalao iraisana miaraka amin'ny fianakaviako rehefa avy nihinana sy ny sisa.”  Guyana 911 dia maneho ny heviny (indraindray amin'ny fomba mandranitra) amin'ity lisitra manaraka ity:
- Fanadiovan-trano mandritry ny Noely
Oay le.. Fa nisy inona tato amin'ity trano ity? Hifindra trano angaha ianareo?
- Pepper Pot.
Ny fotoana, sy ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'i Jesosy dia mandeha alohan'ny pepper pot. Tsy miodina intsony ve ny tany raha tsy manao pepper pot ianareo?
- Mofomamy misy voankazo maina.
- Hazo noely.
Tapaho daholo ireo, fa aza anaovana karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely. Tsia… Aleo hanaovana fanaka. Hevitra mitondra fiovana tanteraka izany izao. Fanaka… zavatra izay azon'ny olon-drehetra ampiasaina amin'izao fotoana izao.
- Dokambarotry ny marika Singer.
- Fandokoana trano sy izay zavatra hafa azo lokoina.
- Fandefasam-bola.
Raptus8 dia mieritreritra fa ny fanolorana fanomezana dia tsy afa-misaraka amin'ny Noely (raha ohatra ka izy no hotolorana ilay fanomezana):
Efa miresaka fanomezana ihany isika dia te-hiteny amin'ny namako sy ny fianankaviako aho, fantatrareo fa tiako be ianareo fa amin'ity taona ity dia aza manantena afa-tsy karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely avy amiko azafady.
Tsy manam-bola aho; eny tsy misy saosy mihitsy aho… inona? Nahazo fisondrotana moa izaho tamin'ny farany teo? Ie nefa tsy manan-karena aho ary te-hanan-karena, noho izany dia tehiriziko ny volako. Manantena aho fa azonareo ny toerana misy ahy ary koa tsy hahasakana anareo hividy an'ilay zavatra manokana efa fantatrareo izay misy ny anarako eo amboniny…
Any Jamaika, Iriegal dia miteny fa na dia midika hoe miaraka amin'ny fianakaviana aza ny Krismasy, ny fahasahiranana ara-bola eran-tany dia misy fiantraikany eo amin'ny fandefasam-bola sy ny fanomezana alefan'ny diaspora ho aty Jamaika:
Fantatsika fa fotoanan'ny Krismasy any Jamaika rehefa manomboka mihodina ny barika.
somary “nasira” kely ny toe-javatra tamin'ity taona ity. Nataon'ny toe-karena ho tsy dia fahita intsony ny ankabeazan'ny entana ary ny saram-pandefasan-javatra dia tsy mitsahatra ny misondrotra. Ankehitriny dia “karatra firarian-tsoa” no alefan'ny olona..
Izy koa dia manamarika fa ity fihisaran'ny toe-karena ity dia mampiova ny fahatsapana an'ity Noely ity:
Ny Krisimasy dia tsy Krisimasy rehefa tsy misy deh white dem. (Toaka fotsy Jamaikana). Ampiasainay anaovana “sorrel” io, Mofomamy amin'ny Noely, “Pudding” amin'ny Noely sy ny sisa. Noho izany maninona ny tompon'ny Wray and Nephew no nandroaka ny mpiasa alohan'ny Krisimasy? Tsy mandrora mitsilany ve izany?
Ny fahatapahana dia miparitaka eran'ny nosy, ohatran'ny any amin'ny toeran-kafa eran-tany. Ny fihisaran'ny toe-karena izay manjo ny USA dia eran-tany. Toa mikororosy daholo ny zava-drehetra. Ny mampalahelo dia hoe ireo nosy kely no tena mahita faisana bebe kokoa amin'izany . Raha tsy manao n'inon'inona ianao, tsy mahazo n'inon'inona ary ny vahoaka dia miezaka manala an'io “n'inon'inona” io lavitra anao, mahatohina izany.
Aleon'ny Abeng News Magazine mamerina an-tsaina ny lasa, mijery ny Krisimasy tamin'ny “Jamaika fahiny” ato sy ato.
Ny The Devil Island.com-n'ny Bermudes dia nahafantatra ny hoe Krisimasy izay rehefa nihira ny Feliz Navidad i Jose Feliciano, ary miteny hoe:
Miniana aho, fa tsisy hira krisimasy tsara indrindra sy mampifalifaly toy iny.
Ny mpitoraka blaogy avy any Trinidad This Beach Called Life dia manamafy, ary miantso azy ho “hira Krisimasy tsara indrindra amin'izay rehetra misy” ary dia nandefa horonan-tsarin'i Feliciano mihira ny hira nahafantarana azy.  Manazava izy:
Jose Feliciano dia mpitendry gitara tafita ary mihira amin'ny “style” sy feo miavaka. Lasa hira Noely “classique” i Feliz Navidad ary ankehitriny dia tsy azo sarahina amin'ny fotoanan'ny Krisimasy izy. Feliz Navidad dia iray amin'ireo hira Krisimasy 25 hiraina sy raketina  be indrindra eran-tany.
Na izany aza, mpitoraka blaogy avy any Trinidad sy Tobago Coffeewallah dia mahita hoe sarotra ny manakatra ny fanahin'ity vanim-potoana ity:
Matetika aho no maheno olona miresaka momba ny finoana ‘Kristianina'. Mampiomehy ahy foana fa ireny milaza ho mpino Kristianina ireny indrindra no tena manome lamosina rehefa misy fanentanana amin'ny fanangonana “kapoaka” na hafa. Ireny olona ireny ihany izay tonga manentana anao foana foana, mba handray anjara amin'ny “loterie”-n-janany na tsy haiko hoe inona koa, rehefa anontaniana ry zareo, ny valinteny mazàna dia hoe,  Efa nanome tamin-javatra hafa aho roa volana lasa izay. Tsy maintsy mahatadidy an'ity iray ity aho amin'ny manaraka. Tonga hatraty ny fitondran-tena Grinch.
Nefa ny fototry ny Krisimasin'i Trinidad sy Tobago dia ao anatin'n'ny toe-po tsara sy mendrika:
Namelana ny pointsettias, ny raviny menamena sy matsilo dia manome famirapiratana ny toerana izay maizina amin'ny ankapobeny. Na dia nanorana aza ny andro, nafana ny tany anatinay, niaraka tamin'ny ponche de creme nanafana anay, sy  hira Krisimasy vitsivitsy hiraina… dia manja foana ihany.
Efa miresaka ny fototry ny Krisimasy ihany, Simply Trini Cooking dia manome voninahitra an'ilay desera malaza avy any Inde andrefana, Black Cake, ary nanome ny “zavatra rehetra ilaina” sao misy te-hanandrana hanao.
Barbados Underground dia mandefa fampatsiahivana momba ny anton'ny fety ary maneho ny fanahiany amin'ny fivoizana ny resaka varotra mandritry ny fialan-tsasatra:
Ny Krisimasy 2008 dia hankalazaina ao anatin'ny tontolo maloky ny toe-karena nefa ho an'ny Barbadianina dia toa ny fitondran-tenany tamin'ny taona lasa ihany no arahany…izay mahita fa ny ankabeazan'ny mponina dia marisika ny hankalaza ny Noely noho ny antony ara-barotra.
Mahita akony koa izay fanahian'i BU izay ao amin'ny Dominica Weekly, izay mieritreritra momba ny tena dikan'ny Noely ary lasa lavitra amin'ny fanontanian-tena ny amin'ny mety ho eritreretin'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny andro maoderina.
Ny fankalazana ny Noely any amin'ny Karaiba frantsay, amin'ny lafiny iray, dia toa tafalatsaka ao amin'ny fomban-drazana. Efa manakaiky haingana ny 25 Desambra, ny departemanta frantsain'ny Outre Mer ao Guadeloupe, Martinique sy Guyane dia ampangovirin'ny feon'ny zava-maneno nentin-drazana toy ny ka (amponga lehibe)[Fr] sy ti-bwa (vatam-bararata be roa)[Fr] sy ny hira Krisimasy. Tongasoa eto amin'ny tontolon'ny “Chanté Nwel” (hira ho an'ny Krisimasy)!
Ao amin'ny blaogy Sous le Soleil de Guadeloupe [Fr], Pat sy Jac dia manoritsoritra ny toerana saro-takarina misy ny nosy, izay sondriana amin'ny Noely nefa koa ao anatin'ny krizin'ny solika. [En].
Na eo aza izany rehetra izany, misy zavatra iray izay maharitra ao amin'ny fankalazana amina'ny fomba nentin-drazana ny Noely any Guadeloupe ary izy io dia ny “Chanté Nwel”. Teny Creole [En] entina milaza ny “Fihirana ho an'ny Krismasy” na “Mihira Krismasy (hira)”, io no mariky ny Noely any amin'ireo faritra frantsay ireo. “Chanté Nwel” dia fanararaotan'ny fianakaviana manontolo mba hitsidihana ny mpiray vodirindrina sy mihira hira Krisimasy miaraka aminy amin'ny feon'ny “ka” sy ny “ti-bwa”. Tamin'izany fotoana izany, mbola am-pilaminana no andehanan'ny olona miala lavitra ny  tanàny amin'ny alina.
Na dia tsy toy ny taloha intsony aza ny fankalazàna ny Chanté Nwel, mbola mahatsapa ny filàna mihira miaraka ny hiran'ny Krisimasy ihany ny mponina ary amin'ny fomba tena vokatry ny tany. Tsy nankalaza ny Krismasy ianao raha tsy tany amin'ny “Chanté Nwel”!  Toa ohatran'ny fomban-drazana tena manaitra izy ity hany ka na ny diaspora avy any Inde andrefana aza te-hankalaza azy.  Ao amin'ny blaoginy Risbomontréal  [Fr], mpianatra izay eny amin'ny anjerimanontolo any Guadeloupe no manoritsoritra ny hafaliany nahazo fanasana ho hanatrika  “Chanté Nwel”:
Quelle bonne nouvelle que j'ai eu ce matin en ouvrant mon p'tit mac   ! La news lettre de ces types super cool de Tropikal97 où ils invitent à participer à une super soirée diner/Chanté Noël + Boite de nuit à l'antillaise et tout ^^ !!!
Vaovao tsara be no azoko androany maraina raha nanokatra ny Mac-ko aho  ! Tao amin'ny vaovaon'ireny bandy cool-n'ny Tropikal97, nisy fanasana amin'ny fisakafoanana/Chanté Nwel sy toeram-pandihizana Indiana tandrefana sy ny sisa ^^!!!
Toa miparitaka any amin'ny toerana rehetra misy Indiana Tandrefana frantsay ny tazon'ny Chanté Nwel : porofon'izany ity fanasana ho an'ny Chanté Nwel ity tany Cergy, faritra ambanivohitry Paris, navoakana andiana Indiana tandrefana ao amin'ny blaogy Carrefour du Soleil [Fr].  Na henoy Cactus, tarika mpihira vakodrazana avy any Guadeloupe izay mampahafantatra ny Chanté Nwel ao amina blaogy antsoina hoe Cactus Chanté Nwel [Fr]. Ahitana horonan-tsarin‘ny Cactus mihira hira Krisimasy koa ao, amin'ny teny créole (kiriolona) .
Tsy afaka mankany amin'ny Caraibe amin'ity Noely ity? Aza matahotra - Ny hafanan'ny Indiana Tandrefana dia tsy voasakan'ny elanelan-tany noho ny feon'ny mpitoraka blaogy izay nizara ny tantaran'ny Krismasiny tany Cuba, St. Vincent sy ny Grenadines, ny nosin'i Cayman , ary Puerto Rico.  Sasany amin'ireo “afatra ireo dia manana fijery miabo kokoa noho ny hafa, misy fihetseham-po azo tsapain-tanana tamin'ity vanim-potoana: ny Fanantenana.
Raha araka an'i Womanish Words mpitoraka blaogy iray  avy any Bahama dia :
Tampoka teo, antoko mpihira. Mihira ny Deck the Halls ry . Hita avy eo ambadikin'ny haizin'ny varavaran-kelin'ny efitrano fandraisam-bahiny. Mahafinaritra ny hirany.
Mety ho tiako ny naheno mpihira “cantique” na iza izy na izy, na dia ny  mikiakiaka, noraisiko am-pifaliana izy amin'izao andro sarotra izao. Na inona na inona vondron'olona misokatra, tia mamorona, mahay miara-miasa sy mifandray,  manana fanahy ampy hifanohana sy hifameno ary hihira ny Noely ho an'ny hafa fiaviana, tsy maintsy tiako ry zareo ireny.  Indrindra indrindra ankehitriny, rehefa kely ny vola, ary ny “fondamentalisme” dia mampisarantsaraka ny fiarahamonina noho ny fankahalana, ary mailo amin'ny herisetra daholo ny rehetra. Nanokatra varavarana izahay,  nampirehitra jiro, ary nanome fanomezana. Nanao satroka dadabe Noely daholo izy rehetra. Toa mpihira avy tao anatin'ny bokin'i Dickens . Rindram-poe kanto, beso manaka-danitra. Nanontany ny zanakay, “Mihira hoantsika ve ry zareo?” Ie, mihira ho antsika ry zareo.
Tamiko iny fotoana iny dia toy ny tsy roa aman-tany , marika iray sy vetso iray, hafatra avy any amin'ny tontolon'ny Fanahy. Raha tsorina ny resaka, ‘ndeha àry haingoy ny tranonareo, miezaha mba ho faly, mankalazà, manoméza. Ataovy izany mba hanoherana ny tahotra, mba hanovàna izany fiainan-tsambatra .
Fabienne Flessel koa dia nandray anjara tamin'ity hafatra ity .
Ny sary rehetra  janinephoto; dia nahazoana alalana avokoa.
Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana
Nofoanan'ny fitondram-panjakana tsy misy fanazavana ny fitetezan-tany ny piesy teathraly mampahatsiahy ny tolom-panafahana manana ny anjara toerany eo amin'ny tantaran'i Madagasikara.
Ny piesy teathraly, niarahana novokarina tamin'ny CulturesFrance, dia efa nokasaina holalaovina an-tsehatra tany amin'ny fioben-kolontsaina tany Kômôro, Maorisy, la Reunion ary toerankafa ihany koa, saingy nofoanan'ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny (frantsay) ny fifanarahana.
Mampitamberina ny tsiahy maharary eo amin'ny zokiolona maro ny tantaran'ny 29 Marsa 1947. Io manko ny fotoana namotehan'ny Frantsay araka ny heriny manontolo ny iray amin'ireo tolona Malagasy voalohany nitakiana ny fahaleovantena tamin'ny fanjakana lehibe nanjanaka azy. Niteraka fahafatesana anelanelan'ny  30 000 sy 100 000 izany tolona izany (Mbola iadiankevitra eo amin'ny samy mpahay tantara hatramin'izao ny isa marin'ny olona maty).
Na dia efa neken'ny fitondrana Frantsay ho fandripahana amin'ny maha-heloka anaty ady tamin'ny 1951 sy faneriterena tafahoatra namaizana ny mpitolona tamin'ny 2005 aza ity raharaha 1947 ity dia mbola tsy fantatra mazava izay momba azy na eto Madagasikara izany na amin'nysehatra iraisam-pirenena. Mba hahafantarana ny momba azy kokoa ary dia nanapa-kevitra ny hamokatra azy holalaovina an-tsehatra ny mpanoratra Malagasy fantadaza iray, Jean-Luc Raharimanana sy ny talen'ny (filalaovana an-tsehatra) Frantsay iray Thierry Bedard ary nanangana ny piesy iray mitondra ny lohateny hoe “47” (fr) izay namerina indray ny fandehan'ny tantara sy ny fahasarotan'ny fifandraisana nisy teo amin'ny voanjo nitondra sy ny saramambem-bahoaka.
Ity ambany ity misy sombin'izany piesy izany:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="420" height="339" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.dailymotion.com/swf/x7o55p" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="420" height="339" src="http://www.dailymotion.com/swf/x7o55p" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
47 Raharimanana avy amin'i notoire
Taorian'ny filalaovana an-tsehatra ny tantara tany amin'ny tanàna roa tany amin'i Taniben'i Frantsa, dia nofoanan'ny departemantan'i raharaham-bahiny sy ny fampandrosoana ny fikasana hilalaovana azy aty amin'ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.
Nanangatra mafy tokoa ny mpamorona ny piesy Jean-Luc Raharimanana nahita ity fanapahan-kevitra ity raha ny hita ao amin'ny bolongana Rue89 no jerena (fr):
Silence pèse sur la mémoire. Les langues se délient. Des hommes et des femmes voudront comprendre. Dans ce désir, réel cette fois-ci, de vivre ensemble[..] Pourquoi en 47, deux ans après le carnage, deux ans après le « plus jamais ça», pourquoi à Madagascar s’est perpétré l’un des plus grands massacres coloniaux ? [..] C’est ce silence qu’explore le spectacle “47″. Une histoire commune. Violente. Sensible. Un théâtre qui nous ramène dans ce désir de vivre ensemble, de comprendre ce qui a déchiré, les corps malmenés et torturés, les paroles étouffés et les non-dits qui corrompent les âmes.[..] Mais ainsi en a décidé le “bureau politique” de la DGCID1. Censure sur le spectacle. Interdiction d’emmener cette parole dans les centres culturels africains et alliances françaises. [..] Mais la mémoire se moque bien de la censure même si c’est une censure d’Etat. Le désir est profond de comprendre d’autant plus que nous avons maintenant le recul nécessaire pour tout entendre, pour enfin échanger.
Mitambesatra amin'ny tsiaro ny fahanginana. Efa manomboka miteny ny olona. Toa te-hahazo ny fandehan'ny raharaha na lahy na vavy. Fa tena misy tokoa ny faniriana te-hiara-monina [..] Nahoana no nisy ny 1947, Nahoana no roa taona taorian'ny ady [lehibe] sy ny “aoka izay ho mandrakizay” no nisy fandripahan'olona anisan'ny mahatsiravina teto Madagasikara ? [..] Izany fahanginana izany no trandrahin'ny 47. Tantara iraisana. Mahery setra. Mila fitandremana mafy. Tantara iray mampitamberina antsika indray ilay fitiavan-kiara-monina, te-hahazo vinany izay rovitra, ny nofo voakapokapoka sy nampijaliana, Ny fanapenam-bava sy ny tsy lazalazaina manimba ny fanahy. [..] Saingy hafamoa ny fanapahan-kevitry ny DGCID ( department of Foreign Affairs). Sivana eo amin'ny zavakanto. Fandrarana  ny fitondrana ny hafatra any amin'ny foiben-kolontsaina Afrikana sy ny alliances francaises[…] Saingy tsy raharahan'ny tsiahy izany sivana izany na dia sivam-panjakana aza. Efa lalim-paka ny ny fitianana hahalala, indrindra fa amin'izao fotoana ahafahana misintona kely izao mba hahenoana azy tsara, sy ahafahana mifanakalo tsara amin'ny zava-drehetra.
Nisy mpamaha-bolongana vitsivitsy moa nitatitra ityvaovao ity tany amin'ny bolongany avy. mifangaroharo ao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra ao moa na tsy firaharahiana na fanivaivàna ny tenin-dRaharimanana.
Misy ny vitsy tsy ahita izay ilàna ny efa lasa. Mechante Langue ohatra (fr):
Ne jouez pas les faux martyrs. Sinon serieusement vous croyez vraiment que la chose la plus importante à denoncer a Madagascar aujourd hui , ce sont les massacres de 47 ..sérieusement ?
Aza milalao ny toy ny maritiora e! Sa, resaka matotra ity, izany no heverinareo zava-dehibe tokony ampangaina indrindra any Madagasikara amin'izao fotoana izao, ny fandripahana tamin'ny 1947?…tena izany ve ?”
Izay novalian'i Monsieur Lambda hoe (fr):
Il vous échappe manifestement que ces massacres sont, dans une large mesure, fondateurs de la conscience nationale des Malgaches et qu’ils occupent, du point de vue de la mythologie nationale, une place comparable à celle de la prise de la Bastille pour les Français.
tena miharihary tokoa fa tsy azonao izany hoe fandripahana izany, ary raha itarina, dia ny toerana misy azy eo amin'ny fahatsapana malagasy, fa raha eo amin'ny lanjany dia azo oharina Nahazoana an'i Bastille izany eo amin'ny vahoaka Frantsay.
Juan Pablo de Tagéna mieritreritra raha nilaina tokoa izany tolom-panafahana tamin'ny mpanjanatany izany (fr):
Aujourd’hui les Malgaches ne demanderaient pas leur indépendance: ils seraient à 99% pour le maintien dans la Communauté Française.
Ankehitriny dia tsy ho nitady izany fahaleovantenany izany ny malagasy raha anontaniana: 99% n'izy ireo dia mety hitady ny fitazonana azy ao amin'ny Firaisambe frantsay ihany.
Ao amin'ny  facebook, misy ny resaka manokana izay mandeha momba ity fandrarana ity, Soaray Rabarimampianina (Nolazaina anarana nahazo alalana avy aminy) dia mihevitra fa mbola betsaka ny tokony hiadian-kevitra malalaka amin'ny sombin'ny tantara tahaka itony.
Il y a bien du chemin à parcourir avant que la France accepte cette partie de son histoire qu'est la colonisation.
Mbola lavitra ny lalana mialoha ny haneken'i France ity anisan'ny tantarany dia ny fanjanahantany izany
Eo amin'ny resaka ihany no nasongadin'i Tsilavina Ralaindimby raha miresaka ity vanim-potoanan'ny  fanjanahantany ity, ny fandraisana anjaran'ny miaramila avy any amin'ny zanatany niady ho an'i Frantsa nandritra ny ady lehibe roa (fr):
C'est un documentaire sur les Tirailleurs Malagaches qui sont venus pour se battre au nomb de la France en 14/18 et dont beaucoup sont morts là-bas. A Menton [..] il y a là-bas un cimetière avec toute une rangée de tombes de soldats malgaches.
Fanadihadiana momba ny Malagasy mpitifitra izany tonga hiady ho an'i Frantsa nandritra ny 14/18 io ary maro no maty tany. Any Menton, [..] dia misy toeram-pasana izay ahitana ny fasan'ireo miaramila Malagasy ireo mitandahatra mihitsy.
Nandray anjara tamin'ny rohy sy ny fifantenana i Jentilisa .
Lova Rakotomalala
Bolivia: resaka fitsaram-bahoaka
Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny mponina tao an-toerana anjatony ho nangalatra ka nosamborina sy nodorana velona. Maty ny roa tamin'ireo nampangaina ary henjana ihany koa ny hay nahazo ireo sivy ambiny na dia avotra aza ny ainy noho ny fidiran'ny Ben'ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra.
Indrisy moa fa lasa karazan'ny fomba fanao mahazatra izay fihetsika izao noho ny fandefasana azy amin'ny fahitalavitra araka ny lazain'i Renzo Colanzi [es]:
En Bolivia los linchamientos y la toma de la justicia por propia mano, son hechos comunes que se dan en los noticieros a cualquier hora, sin proteger al televidente de la violencia de las imágenes, sin importarle de la sensibilidad de los más pequeños que puedan presenciarlas. Pareciera que todos hemos creado una cierta barrera que nos permite mirar y permanecer impasibles ante estos hechos terribles. Los policías de Cochabamba se quedaron bien muertos y el caso sin culpables. Lo mismo que en Montero y así podemos encontrar situaciones similares en casi cualquier región del país.
Hita amin'ny ora rehetra mandritra ny vaovao an-tsary ny fitsarana ataon'olona mampihatra famonoana olona ampangaina ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana ara-dalàna eto Bolivia. Tsy voaaro amin'ny fijerena sary manohina (noho ny herisetra) ny mpijery, hany ka na ny zazakely aza dia tsy voatandrina tsy hijery azy. Tahaka ny hoe efa nanangana karazana rindrina isika tsy ho taitra intsony mahita ireny toe-javatra mampihoro-koditra ireny. Nisy maty vokatr'izany toe-javatra izany ny polisy tany Cochabamba ary tsy nisy ny nosamborina noho ity raharaha ity. Nisy toy izany koa tany Montero ary mitovy tahaka izany avokoa manerana ny faritra rehetra manerana ny firenena.
Raikitra ny adihevitra raha azo sokajiana ho fampiharana ny fitsaram-bahoaka ireny famonoana olona voampanga ireny raha toa vao nanameloka ny zava-nitranga tany Achacachi ny fitondrana. Nambarany ary fa tsy tarazon'ny teratany eo amin'ny sehatry ny fitsaram-bahoaka velively ny manala ain'olonkafa. Etsy ankilany anefa lazain'ny mponina ao an-toerana fa tsy dia itokisany loatra ny “fitsarana mahazatra” ka tsy maintsy raisin-dry zareo ny andraikitra fa raha tsy izany dia hitohy hatrany ny asa ratsy. Ny mampiahiahy ihany koa dia ny hanekena ny “fitsaram-bahoaka” ho anisan'ny rafitry ny fitsarana bôliviana amin'ny volavolan-dalam-panorenanana izay hanaovana fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny 25 janoary 2009 ho avy izao hampiroborobo kokoa ny famonoana ny voampanga izay ho lasa ara-dalàna.
Tezeran'i Erika Pinto [es] ho tompon'andraikitra ny famonoana olona tsy voatsara ara-dalàna izao ny goverinemanta:
Por que el presidente morales, tolera la barbarie, se estaba por quemar a una mujer embarazada, emboscaron y llevaron al stadium a un bus a los 11 supuestos ladrones, se veian gente de escasos recursos, muchas mujeres y gente bastante mayor a juzgar por las imagenes.
Es que acaso esto tambien nos da el derecho de cuando los ponchos rojos hagan las barbaridades que hacen poder matarlos a ellos?
O es que acaso la “nueva ley” funciona en un solo sentido?
Se supone que este gobierno era el que nos iba a llevar a un nuevo siglo de progreso pero solo nos esta llevando a la mas atrasada barbarie posible.
Satria noleferin'ny filoha Morales ny habibiana, dia avy ry zareo handoro vehivavy bevohoka, Niandry kendry tohina izy ireo ka noraotiny ho eny an-kianja avy eo ny olona 11 heverina ho mpangalatra. Samy mahita isika amin'ny sary fa olona tsy ampy fivelomana, vehivavy no maro ary ny beantitra no mandray ny toeran'ny mpitsara.
Manome zo antsika hamono azy ireo koa ve ny nataon'ny “ponchos rojos” (mpikambana milisy any Achacachi) nahavita habibiana?
Sa ho amin'ny tondrozotra iray ihany no iasan'ny “lalàna vaovao”?
Efa nifanekena fa hitondra antsika ho any amin'ny taonjato vaovaon'ny fandrosoana ity goverinemanta ity, saingy toa mizotra ho any amin'ny habibiana izaitratra izy izany.
Nampahatsiahivin'i Mario Duràn kosa ny nolazain'ny mpanao gazety iray fa tsy olona tsy manantsiny ireo voampanga ireo. [es]
Sin embargo, como lo decia la periodista Amalia Pando en Erbol, no eran unos angelitos, pues las personas que fueron capturadas en Achacachi poseian un frondoso prontuario policial… desde robo hasta robo agravado seguido de muerte.
Sin embargo, al igual que se condena la justicia por mano propia se debe condenar al sistema economico que origina la delincuencia.
Na izany aza araka ny nolazain'ny mpanao gazety Amalia Pando avy ao amin'ny Erbol dia tsy anjely tsy akory ireo olona nosamborina tany Achacachi ireo fa efa maloto dosie anyamin'ny polisy ihany koa… manomboka amin'ny fangalarana mandalo ny fandrobana izany ary tonga hatramin'ny famonoana olona mihitsy aza.
Na izany aza, raha melohina ny manao fitsarana tena, dia tokony homelohina ihany koa ny rafitra ara-toe-karena miteraka firoboroboan'ny fanaovana asa-ratsy.
Maro amin'ny vondrona teratany no miezaka miaro ny laza tsaran'ny “fitsaram-bahoaka”. Avy amin'ny alalan'ny bolongana El Alto Noticias [es] no niresadresahan'i Nelson Vilca  [es] tamin'ny mpikambana iray ao amin'ny vondron'ny teratany Guarayo, izay mametraka fa tsy midika “fanalana ain'olona hafa” velively ny “Fitsaram-bahoaka” (toy ny dina raha ny aty amintsika eto Madagasikara).