· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Teratany tamin'ny Oktobra, 2010

Chile: Namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina ny ankamaroan'ny gadra Mapuche

  16 Oktobra 2010

Tamin'ny faha 2 Oktobra , taorian'ny fifanarahana lehibe niaraka tamin'ny governemanta Siliana, gadra Mapuche miisa 25 izay voatazona tany am-ponja tao amin'ny tanànan'i Concepción, Angol, Temuco ary Valdivia, no namarana ny fitokonana amin'ny tsy fihinanan-kanina izay naharitra 82 andro. Na teo aza izany, gadra Mapuche miisa 14 izay voatazona sy nampidirina toeram-pitsaboana tany Angol, Victoria, Cholchol ary Temuco no mbola nanohy ny fitokonana [es].