The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Indigenous Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Indigenous

2008-11-21

Bolivia: resaka fitsaram-bahoakaVideo post

Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny ...

2008-10-23

Pakistan

Chowrangi no mitatitra fa kendren'ny mpikatroka (antoko politika) ny filohan'ny foko maro any Pakistana: “Ny rafi-pandaminan'ny foko mihitsy no kendreny…Vonoiny izay mpitarika foko sy zokiolona ao aminy izay miasa ho an'ny goverinemanta ao an-toerana na mifandrairay amin'ny masoivohona antoko politika any amin'ny faritra misy azy.”

2008-10-03

Dominika : FahaleovantenaPhotos post

Dominica Weekly no manapariaka sarin'ny fety fanokafana ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy Dominika.

2008-09-16

Fifaninanan-dahatsarin'ny Banky mondialy - Traika sosialin'ny fiovaovan'ny toetr'andro.Video post

Nanao antso ho fanatevenana lahatsary fanadihadiana fanadihadiana 2 - 5 minitra maneho ny karazana sy ny fiantraikan'ny fioavaovan'ny toetr'andro tsy amin'ny fotoany. Amin'ny 24 oktobra 2008 ho avy izao no andro farany hametrahana izany lahatsary fanadihadiana izany. Tsy maintsy avy any amin'ny firenena andalam-pandrosoana (indrindra fa avy amin'ny tanora) izany ...

2008-09-05

Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany

Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past (Ny ...

2008-08-13

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy

Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy "hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny ...

2008-08-10

Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny IndizenyVideo post

Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.

2008-08-03

Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?

“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny ...