The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Hevitra Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Hevitra

2009-06-05

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna ...

2009-05-21

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kelyVideo post

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.

2009-05-14

Irana: Fanantenana, Ahiahy, Fanontaniana manodidina ny filatsahan-ko fidian'ny Filoha teo aloha

Ny fanambaran'ny filoha reformiste tao aloha Mohammad Khatami tamin'ny 08 febroary ny mbola hiazakazahany indray amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana atao ny 2009 izy dia nisarika ny sain'ny maro mpampiasa ny tontolo virtoaly izany na ety ivelany koa aza. Mpitoraka blaogy maro no mifampizara ny fanantenany, ny ahiahiny, ny ...

Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto

Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao ...

2009-05-12

Iran: Hetsiky ny mpitoraka blaogy 1000 isa ho fanohanana an'i Mousavi ho filoham-pirenena

Ny mpanohana ireo roalahy 'reformista' mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha Mir Hussein Mousavi  sy mpitondra tenin'ny parlemanta teo aloha, Mehdi Karroubi dia mampiasa ny aterineto,  tafiditra anatin'izany ny blaogy sy ny Facebook, mba hampiakarana ny vintan'izy ireo ho isan'izay voafantina ho mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ...

2009-05-07

Korea: Zavatra maro mety hanaitra anao any Amerika Avaratra

Namoaka hafatra mavesa-danja ny mpikirakira aterineto iray momba ireo zavatra 22 manaitra avy hatrany rahal’ho any Etazonia. Mahaliana ihany ny mahita hoe nahona ireo zavatra izay heverina no voajanahary ao anatina firenena iray no manjary toa mahaliana sy manan-danja any an-kafa any. 1. 하이웨이 차선 위 사진의 차선의 힌선과 흰선이 연결되는 중간을 ...

2009-04-29

Martinique: mankalaza an'i Aimé Césaire

Il y a un an disparaissait le Nègre fondamental, laissant le pays et son peuple orphelins et livrés à leurs propres choix. Herintaona lasa izay no nandaozan'ilay "fototra mainty hoditra", namela ny firenena sy ny vahoakany ho kamboty tsy satry. Izay no teny fampidirana nataon'ilay mpitoraka bilaogy martinike Imaniyé ho fanomezam-boninahitra farany ...

2009-03-08

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

2009-03-07

Korea: Fihaonana voalohany, ahoana no ahalalanao ny ho sakaizanao anatin’ny 10 minitra.

Amin’ny fomba ahoana no mety ahitanao ilay lehilahy sahaza anao haingana indrindra? Tsinjoko fa mizara famakafakana ara-pomba-piaina (psychologique) mahavariana ireo mpamaham-bolongana izay milaza manao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mamaky ny toetran’ny maha izy azy ny olona sy ny endriky ny toetra ananan’ny lehilahy miaraka aminao, na amin’ny ...

2009-03-06

Tontolon’ny Arabo: Fety nahaterahana fampieritreretana

Maro ny mpitoraka bolongana manerana ny tontolo Arabo no maneho aterineto ny fety nahaterahana amin’ny alalan’ny lahatsoratra filozofika, izay mitantara ny fiainana, ny fanantenana, ny zava-bita ary ny nofinofin’izy ireo.