· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Desambra, 2012

Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona

  28 Desambra 2012

Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanankatonana izay tsy azo idoviran'ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba ny Fampahalalàm-baovao mahaleotena. Malaza amin'ny fiaraha-miasa akaiky miaraka amin'ny WikiLeaks, OWNI nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalahana an-tserasera.

Mankatò Ny Fampiasa Facebook Kostarikana Ny Loka Access Innovation 2012

  12 Desambra 2012

Nanambara ireo nandresy tamin'ny fifaninanana ahazoana ny lokam-panavaozana ny teknolojia hotontosaina isan-taona voalohany, tamin'ny 10 Desambra 2012 lasa teo, ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Access.org. Ny fifaninanana dia natao hamoriana fandraisana an-tanana mampiasa ny serasera sy ny teknolojia fifandraisan-davitra entina hamahavahana ny olan-dehibe any amin'ny fiaraha-monina misy azy. Nozaraina ho sokajy...