· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Febroary, 2011

Kenya: #KenyaFeb28, Antso Eo Anivon'ny Aterineto Ho Amin'ny Fitiavan-Tanindrazana

  26 Febroary 2011

Ny Alatsinainy 28 Febroary 2011 dia toa sahala amin'ny manana ny lanjany ho an'ireo mponin'ny aterineto ao Kenya. Tanatin'ny fotoana maromaro izao ireo Keniana no miresaka any anaty Twitter, Facebook ary hatrany anaty mailaka no mifanontany raha fotoana izao tokony hampiasan-dry zareo ny tenifototra #KenyaFeb28 ao amin'ny Twitter mba handaminana ny hetsi-panoherana mikasika ny olana ara-politika, na tokony hampiasa hatrany io sehatra io handrisihana ny fitiavan-tanindrazana.

Ejipta: Malaza any amin'ny aterineto ireo vehivavy mpitokona

Nisintona ny sain'ny mpitoraka bilaogy sy ireo vaovao ao amin'ny tranokala an'ny daholobe ny anjara teran'ny vehivavy eo amin'ny fitakiana fanoherana ny fitondrana ankehitriny any Ejipta. Mampanahy ihany ny fandraisan'anjaran'ireo vehivavy ao anatin'ireo mpanohitra marobe midina an-dalambe mitaky fanovana any amin'ny firenena izay mampidi-doza ny fanoherana ny fitondrana. Zara raha...

Iran: “Ing. ElBaradei namanay” ao Ejipta

Manohy mizara ny fomba fijeriny mikasika ny fitroarana any amin'ny tontolo Arabo ireo Iraniana mpitoraka bilaogy avy amin'ny firehana politika samihafa. Masih, Islamista iray tena fatra-mpandàla ny nentin-drazana no mahita fa vintana iray ho an'ny mpitondra Iraniana raha toa ka tafiditra ao anaty fitondrana any Ejipta i Mohamed ElBaradei.