· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Aogositra, 2010

Frantsa : Fanavakavahana satria heverina ho mpangalatra avy hatrany

  25 Aogositra 2010

Any amin'ny Rroms (gitanos) avy amin'i jespel tao amin'ny Flickr licence CC Attribution NC-ND 2.0 Generic (Nosoratana tamin'ny teny frantsay avy hatrany ity lahatsoratra nosoratan'ny ekipan'ny Global Voices en Français ity.) Navoakan'ny fantsom-baovao France 4 indray tamin'ny asabotsy 14 aogositra ny lahatsarim-panadihadiana Qui a peur des gitans ? [iza no...

Maraoka: “Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky”

Ao anatin'ny tontolo rakotry ny teknolojia mivoatra, sy toerana ahitana fa mihamora ny famakiana e-boky sy ireo pilina ary miha-mora hatrany isan'andro ny fidiran'ny vahoaka aminy, mety mbola hisy toerana tavela ve ao amin'izany ho an'ireo boky nosoratana fahiny? Ho an'ireo mpitoraka bilaogy Maraokana sasany, ny valinteny dia eny, ary eo ny teknolojia hanaporofo fa marina izany

Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika

  06 Aogositra 2010

Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.

Japan: Hadisoana ve ny mihanika ny havoanan'i Fuji amin'ny tànam-polo?

  01 Aogositra 2010

Raha misy hazo midaraboka any an'àla nefa tsy misy olona afaka handre izany eo amin'ny manodidina eo, dia ho olana ve raha mitalakotrokotroka na tsia izany arakarak'izay nanaovan'ilay hazo azy teo? Nandinika lalina momba ny tendrombohitra, ny môraly/fitondrantena, ary ireo hafatra ao anaty lahatsoratra iray amin'ny teny Japoney mitondra ny lohateny hoe "Hadisoana ve ny mihanika ny havoanan'i Fuji amin'ny tanam-polo?", ilay mpitoraka blaogy Zope.