· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Oktobra, 2009

Goadelopa: Andron'ny rano

  23 Oktobra 2009

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe “Nosin'ny rano tsara” koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra...

Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh

  13 Oktobra 2009

Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.

Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon

  11 Oktobra 2009

Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.