· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Jolay, 2008

Afirika: Fifaninanana mamaham-bolongan'ny olo-malaza

  30 Jolay 2008

Fitsinjovana ataona Nairobiana mba te-hahita Famahanam-bolongana ataon'ny efa malaza eto Afirika:Fifaninana izy io ary mitaky tetipanorona tsara omana, maniry te-hahita sokajy manokana ho an'ny bolongana Afirikana ho azy ireny aho, etsy ankilan'izany dia handray ny ohatra tsara ka hanao  fifaninanana ho antsika isika! Misy ve ny hanolotena hanohana ho amin'ny fifaninanan'ny...

Siria: Ireharehana ny mahaNandra sy mahamazandoha

  28 Jolay 2008

Mpamaham-bolongana Syriana Mohammed Online [Ar] no nanoratra hevitra enina hahatonga anao ho “tratra aoriana” sy “ekisitiremista.” Hazavainy amintsika kosa anefa hoe nahoana no ireharehany izany.

Arabia Saodita: Ifanavahana hatramin'ny rohy

  23 Jolay 2008

Efa diso fantatry ny rehetra fa iainana andavanandro ny fifanavahana ny lahy sy ny vavy - fa mba manaoahaoana kosa ny aty an-tserasera? Moa afaka ampiarahana amin'ny vondron-drohy iray ve ny anaran-dahy sy ny anaram-bavy? Nivanivany tamin'ilay hevitra ny mpamaham-bolongana Saodiana iray.

Bahrein:Fomba fijery ny asa an-tsitrapo

  20 Jolay 2008

Misy any amin’ny firenen-drehetra ny asa an-tsitrapo, saingy ny antony mandrisika ny mpirotsaka an-tsitrapo no miovaova be ihany. Mpitoraka blaogy iray avy ao Bahreïn, mandranto fianarana any Royaume-Uni amin’izao fotoana izao, no manao fampitahàna ny antony mandrisika ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ny fireneny sy ny any amin’ny firenena tandrefana. Atombok’i...

Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

  14 Jolay 2008

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan’ i  Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered...

Mozambika: famoronana hiatrehana ny olana ara-tsakafo

  12 Jolay 2008

O Silêncio de Kianda [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny...