Tantara misongadina momba ny Hevitra
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
Martinique: mankalaza an'i Aimé Césaire
Il y a un an disparaissait le Nègre fondamental, laissant le pays et son peuple orphelins et livrés à leurs propres choix.
Herintaona lasa izay no nandaozan'ilay "fototra mainty hoditra", namela ny firenena sy ny vahoakany ho kamboty tsy satry.
Izay no teny fampidirana nataon'ilay mpitoraka bilaogy martinike Imaniyé ho fanomezam-boninahitra farany ...
2009-11-09
Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray
Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?
2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-23
Goadelopa: Andron'ny rano
Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe "Nosin'ny rano tsara" koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra ...
2009-10-13
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh

2009-09-24
Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona
Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana "maitso" manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika.
Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany
Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra ...
2009-09-07
Global Voices + Resadresaka hanatsaràna ny tany
Blaogy iray vaovao tohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe resadresaka ho fanatsarana ny tany no nanome làlana ny mpitoraka blaogy avy amin'ny Global Voices mba hanampy azy ireo hampivoitra ny resaka an-tserasera momba ny mponina sy ny fandrosoana manerana izao tontolo izao.
2009-07-30
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
2009-06-17
2009-06-12
Iran: Hifidy sa tsy hifidy
Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe 'hifidy sa tsy hifidy'. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona mpanohitra maro aza no niantso fibodoana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ...




