The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Humor Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Humor

2008-04-22

China

Mananihany i Huge fa ny Carrefour ihany no mahazo vahana amin'ity fitadiavana ankivy ity [zh].

1. dokambarotra tsy andoavambola;

2. Fantatry ny maro teo no ho eo fa hay marika frantsay hay io;

3. Hahazony fon'ny saranga antonony somary ambany ny fanaovany fampihenambidy amin'izao fiakaran'ny vidin-javatra izao.

2008-04-06

Liban, Mivarotra Rivotra

Misy tranga iray ity mety (na tsia) mampiseho izay mety hampiasan'ny Libaney ny talentany amin'ny hevitra tsy dia mahazatra hahazoana vola sy hampisehoana ny "fitiavan-tanindrazana". Ramatoa Rasha Najjar no nahita ny hevitra hoe angonina amin'ny tavoahangy ny rivotra ary alefa any ivelany. Novokarina ary ny "rivotra avy any Liban" voatahiry ...

2008-03-30

Isiraely: Fankalazana ampifaliana ny PorimaPhotos postVideo post

Ny fetin’ny ny Porima no fankalazana ny fandresen’ny vahoaka Jiosy ireo izay mitady ny fahapotehiny. Ankalazaina amin’ny alalan’ny fomba fiakanjo, firavoravoana, sakafo matsiro, ary fisotroana be ny fetin’ny Porima. Manala azy mandritra ny Porima– Hoy i Hannah ao amin’ny Israelity: Nitombo ny fitiavako ny Porima. Ity angamba ny fety ankafiziko indrindra. Tsy ...

2008-03-26

Tontolo iainana : Mpanao hatsikana Colbert momba ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny RanoVideo post

Tim Hurst no manapariaka ao amin'ny blaogy ecopolitology lahatsary vitsivitsy ahitana an'i Colbert mankalaza ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano : Stephen Colbert celebrates World Water Day - the way only he could “Nankalaza ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano arak'izay fomba tokana azony natao i Stephen Colbert” Stephen Colbert dia mpanao hatsikana fata-daza any ...

2008-03-10

Rosìa : Hatsikana politika

La Russophobe no mitatitra ireo hatsikana fanaon'i Dave Essel mikasika ny Sovietika na koa ny toe-draharaha ankehitriny. Santionany amin'izany : Putin’s Reform Programme: 1. Make people rich and happy; 1a. List of people attached. “Programan'ny filoham-pirenena Poutine : 1. Hanao izay hampanankarena sy izay hiadanan'ireo “people” [vahoaka]; 1a. Indro ny lisitr'ireo “people” [olo-fatam-bahoaka].” [FANAMPIM-PANAZAVANA : Fony nampanantena ...

2008-02-01

Japàna : “Ranomandry voasikotra”Photos post

Edo no manapariaka sary vitsivitsy ahitana ranomandry voasikotra fahita any Japàna : Arguably the best place to see snowmen is the annual Sapporo Snow Festival, one of Japan’s most celebrated winter events. “Ny “Sapporo Snow Festival” angamba no toerana tsara indrindra hijerevana ireo “olon-dranomandry” sady hetsi-dririnina isan'izay malaza indrindra any Japàna.”

2008-01-31

Ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina

Blog politique au Senegal no manolotra ny fomba fahitany ny fahasamihafan'i Senegaly sy i Shina : Il existe une différence fondamentale : la manière de concevoir les choses et de les jouer. Et cette différence, elle change tout ! Nous, on joue au ballon, on rêve de ballons, on en parle, on ...

2008-01-28

Singapore : Tsy Shina velively

Tankona tsy nahateny i Arzhou namaky fa araky ny birao iray misahana ny hetra any Amerika [USA] dia isan'ny faritanin'i Shina i Singapore : Amazing how this common misconception is so prevalent, even at the USA government level. “Mahazendana ny fihanaky ity hevi-diso ity, eny hatramin'ny sehatry ny gôvernemanta Amerikana akory aza.”

Hôngria : “Dia mampihoro-koditra tokoa noho i LA ve i Bodapesta ?”

Pestiside.hu no mamaly mpamaky iray avy any LA [Los Angeles, USA] izay milaza azy matahotra ny hitsidika an'i Bodapetsa : Anyway, we'll take it as a compliment. “Na izany na tsy izany raisinay ho toy ny fandòkana izany.”

Faritry Balkan : “Jestdej”

Sleeping with Pengovsky no manala sarona ny fomba ataon'ny mpihira Krôasiana hihirana ilay hira malaza ‘Yesterday'-n'ny tarika ‘the Beatles' : ... For all of you native speakers out there - if you ever wondered how English sounds to people from the Balkans - take a look at the above picture. “… Ho ...