· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Mey, 2013

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

  21 Mey 2013

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....

Palestina: Mihinana KFC (Kentucky Fried Chicken) Koa Izao Ny Ao Gaza

Anas Hamra, Palestiniana avy any Gaza, manamafy fa azony ihany ny Kentucky Fried Chicken (akoho voaendy) nafàrany - taorian'ny ora fito niandrasany. Ny tantarany dia manamarina tatitra iray tao amin'ny New York Times izay milaza fa avy any Al Arish, any Ejipta, no aterina ny KFC ho an'ny mponin'i Gaza, toerana izay anaovana azy ireny varomaizina mandalo tonelina miafina. Hatreo dia tsy nitohy ny fanaterana any an-tokantrano, saingy farafaha-ratsiny, mba afaka nihinana ny KFC-ny i Hamra ary nibitsika sy nandefa tamin'ny Istagram ny zava-niainany.