· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Marsa, 2013

Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila

  07 Marsa 2013

Anisan'ny fitantarana manokana amin'ny #CopaPública ity lahatsoratr'i Mateus Coutinho ity, izay navoaka voalohany tamin'ny 8 Febroary 2013, tamin'ny lohateny hoe Carnaval e Copa, será que dá samba? Manoloana ny fandroahana an-katerena sy ny fifaninanana tombotsoa politika amin'izao fahatongavan'ny fifaninanana Tompon-daka Manerantany FIFA 2013 ao Brezila izao, nifamaly momba ny fandresena dihy samba ireo vondrona mpankafy...

Nifidy An'i Morsi ny mponina Ejiptiana Satria …

Tao amin'ny Twitter, Nanenina avokoa ireo mponina Ejiptiana izay nifidy an'i Mohamed Morsi tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Ejiptiana tamin'ny 24 Jona - ary mazava tsara ny nenin'izy ireo tao anaty tenifototra iray vaovao izay mivaky hoe: Nifidy an'i Morsi aho satria .. Niteraka fanesoana mifangaro sangisangy io tenifototra [ar] io #انا_انتخبت_مرسي_عشان . Nandresy an'i Ahmed Shafik, praiministr'i Hosni Mubarak farany teo i Morsi, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny firahalahiana Silamo, tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nametra-pialàna i Ahmed Shafik 32 taona taorian'ny hetsi-panoherana izay naharitra 18 andro nokarakarain'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena hanoherana ny fifehezany.