2009-05-31
Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste
Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho an'i Fr. Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide.
“Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ...
2009-05-24
Sri Lanka : Mbola mifikitra ny fahakiviana, ny fangidiam-panahy ary ny fanosihosena
Andro vitsivitsy lasa izay no nifarana niaraka tamin'ny famonoana ny mpitarika ny LTTE Velupillai Prabhakaran ny ady an-trano naharitra 25 taona nifanaovan'ny governemanta Srilankey tamin'ny Tigra Mpanafaka an'i Tamoul Eelam (LTTE). Mampanontany tena ihany na dia izany aza hoe “Ho faty miaraka aminy ihany koa ve ny nofinofin'ny ...
2009-05-17
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...
2009-05-07
Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana
Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana
Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana, dia ...
2009-04-29
Chine: aretin-tsaina manoloana ny toetry ny Sinoa
Mpikaroka ao amin'ny sampam-pitsaboana mifandraika amin'ny lalàna avy ao amin'ny anjerimanontolon'i Pékin antsoina hoe Sun Dongdong no nilaza tao amin'ny China News Weekly ny 23 martsa lasa teo fa 99% ny Sinoa mpanao fitakiana no marary saina ary tohanany ny fampidirana azy ireo an-terisetra any amin'ny toeram-pitsaboana.
Vaovao farany (ny 08 ...
2009-03-30
Irak : Enin-taona no lasa
Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy.
Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro no ...
2009-02-26
Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano
Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany
2009-02-22
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.
2009-02-12
Korea: Fiainana tsy an'asa.
Raha nanomboka ny fitotongan'ny toekarena, ny tsy fananana asa dia nanjary iray amin'ireo ambetin-dresaky ny mpikirakira aterineto. Ahoana no iainan'ny olona izany toe-javatra izany?
Aspan dia mahita làlana hafa hiatrehana izay tsy fananana asa izay.
오늘로 백수가 된 지 두 달을 넘겼다. 지난해 11월 17일부러 지난 10년간 근무한 회사를 그만두게 되었다. 다니던 ...
2009-02-03
Etiopia: Ny fiovàna entin'ny rano
Tamin’ny faran’ny taona lasa teo, fianakaviana dimy no nanapa-kevitra fa ny fitsidihana an’i Etiopia miaraka amin’ny zanany vavy no fomba tsara indrindra ho azy ireo mba ahafantarany hoe hatraiza no nahafahan’ny fanampiana nomeny hampidirana rano madio sy azo antoka nanova ny fiainan’ny fianakaviana maro sy tanàna iray manontolo. Amin’ny alalan’ny ...




