Global Voices teny Malagasy » Ny maha-olona
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Manana ny zony feno ve ny vehivavy bevohoka rehetra, sa tsy manan-jò intsony rehefa voafonja?
Izany no fanontaniana tonga ao amin'ny tena rehefa mieritreritra ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja hamelona sy hitaiza ny zanany raha voaheloka amin'ny heloka sasantsasany izy:
Tahaka ny ahoana moa amin'izy ireo izany hoe bevohoka na mananjanaka [mbola kely] nefa voafonja izany?
Tsy maintsy hoe laharam-pahamehana ve izy ireo raha misy ny vehivavy hafa tsy voafonja tsy mahazo fanaraha-maso ara-pahasalamana?
Ny maha-reny ve no mandrava ny lalàna hafa rehetra mba iantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka?
Etazonia: Tsy azo ekena intsony ny fametahana menôty eo ampiterahana.
Azonao eritreretina ve izany vehivavy hiteraka izany ka voapetaka menôty arakitra amin'ny fandrianany ny tanany sy ny tongony? Miteny amintsika amin'ity fomba fanao any Etazonia hatramin'izao fotoana izao ity i Malika Saada Saar, mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Tetikasa Rebecca miaro ny zon'olombelona, fa efa fahazarana any amin'ny toera-pamonjana sasantsasany any Etazonia ny mametaka menôty ny vehivavy bevohoka mandritra ny fisafoana sy ny fiterahana, na dia mety hitera-doza amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza aza izany. Manaraka etoana ny lahatsary fanadihadiana miaraka amin'ny lahatsoratra ho an'ny RH Reality Check, tambajotran-tserasera iray miresaka sy manadihady ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Inona no mitranga ho an'ny zanaka voafonja rehefa teraka?
Samy manana ny lalàny avy ny isam-pirenena momba ireny zaza teraka tany am-pamonjana ireny. Any Arzantina, ohatra, araka ny lazain'ny Ajintem, fampahalalam-baovao an-tserasera mampahafantatra ny momba ny fifindra-monina, dia nisy lalàna manokana ho an'ny vehivavy bevohoka voafonja nolaniana tamin'ny herintaona, izay mametraka fa mahazo mamita ny saziny any amin'ny fonenany saingy mahazo alalana vao mahazo mivoaka sady arahi-maso ny vehivavy manan-janaka latsaky ny dimy taona na manana zaza sembana. Mahasoa tsy ny reny ihany izany lalàna izany, satria tsy hahazo fikarakarana ara-pahasalamana azo antoka ho azy izy mandritra ny fotoana itondrany vohoka, fa ny zaza ihany koa, izay mety ho notezaina tao anatin'ny tontolo tsy misy fahafahana sady tsizarizary ny sakafo sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, na mety hotezaina lavitra an-dreniny, izay mety hiteraka olana maro isan-karazany ihany koa. Na izany aza dia hafatra ampitaina amin'ny Mpitsara io hanarahany ny hevitry ny lalàna sy hanomezany alalana ireo vehivavy tsy tafiditra amina heloka miharo herisetra, ary hanomezana toky ihany koa ny mponina sivily fa tsy lalana malalaka ivoahana ny fonja tsy akory ny fitondrana vohoka.
Any amin'ny nosy Canary indray, araka ny filazan'ny bolongana Prisiones y Penas, izay miresaka ny momba sy ny lohahevitra mahakasika ny toera-pamonjana, dia mahazo alalana hitazona ny zanany hatramin'ny faha-3 taonany hiray efitra aminy ao am-ponja ny vehivavy, saingy miaraka amin'ireo vehivavy hafa miara-voafonja aminy ihany koa, izay tsy ny tontolo tsara indrindra. Avy amin'izany dia efa nilazana ny vehivavy bevohoka na manana zaza latsaky ny 3 taona hiditra ny fonja fa tsy mahasoa ny zaza ny mitombo any ambadiky ny fefy vy, ka omena safidy izy ireo ny hamoaka ny zanany ho any amin'ny fianakaviana. Tahaka izany ihany koa no mitranga any Peru sy Rosia. Any Etazonia dia toera-pamonjana roa ihany no manome alalana tahaka izany, any New York sy any Nebraska, araka izay nolazain'ilay mpaka sary malaza Jane Evelyn Atwood ao amin'ny sary fanadihadiana misy fizarana 3 nataony ho an'ny Amnesty International,  antsoiny hoe Too Much Time[na: Ela loatra], izay nitsidihany toera-pamonjana ampolony manerantany sy nandraketany sy nanangonany fanadihadiana ny fiainan'ny voafonja.
Nahoana moa ny rafi-piarenana [fandraharahana ny fonja] any Etazonia amin'ny ankapobeny no mtsy mamela ny vehivavy hitazona ny zanany hiaraka aminy? Nohazavain'i Atwood fa tsy navela natao izany noho ny mety hisiana fanaovana takalon' aina. Ao amin'ny Prison Photography Blog no hanaovan'izy ireo izao filazana izao:
Tsy mahazo miditra ny fonja afa-tsy amin'ny toerana roa  ny kilonga any Etazonia. Eo amin'ny fiarovana no ambara fa anton'izany: aina marefo lalandava sy mety ho lasa takalon'ania mandrakariva izany kilonga any am-ponja izany. Mihanjahanja izany fanambarana izany rehefa itodihana ny rafi-piarenan'ny firenen-kafa.
Ny ango-panadihadian'i Atwood ao amin'ny songadin'ny vohikalan'ny Amnesty International no ilazany izany miteraka mipetaka menôty izany araka izay efa navoakan'i Vanessa's Baby sy ny momba ny rafi-piarenana sy ny fiainana maha-reny, omban'ny sary mandritra ny hamakiany ny lahatsoratra miresaka ny zavatra hitany tany am-pitsidihana fonja isan-karazany sy nakany saripika.
Entina mifampiraharaha ve ny fitondrana vohoka?
Nahoana no mampiroanahana tahaka izany ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja? Ao amin'ny Russia Today, televiziona Rosiana iray, dia voatonona ity lohahevitra ity rehefa noresahina ny momba ny zaza teraka sy nobeazina tany amin'ny rafi-piarenana rosiana:
Misy ny mihevitra fa manao izay hahabevohoka azy fotsiny ny reny sasantsasany hahamora kokoa ny fiainany any am-pamonjana. Miaina any amin'ny Hopitaly, manana fotoana be dia be voarafitra ahafahana miaraka amin'ny kilonga – tsara kokoa izany rehetra izany noho ny mipetraka anaty tranovato, hoy ny filazan'izy ireo.
Ary misy ny vehivavy taratra ihany fa ny fitondrana vohoka no lalana tokana ahafahana miala amin'ny fanefana sazy, tahaka izay nitranga tamin'ny volana jona teo, raha nogadraina sy nohelohina ho faty ny vehivavy anglisy iray  tany Laos noho ny raharaha zavamahadomelina fa bevohoka tany am-pigadrana izy, rehefa tsy mamono ho faty ny vehivavy bevohoka ny fitondrana any Laos.  Ny filazana nataon'ny Daily Express, gazety anglisy iray, no nahafantarana fa natsaika tamin'ny fomba artifisialy ravehivavy mba hanavotana azy.
Mitantara ny amin'ny zanany sy ny fiainana voafonja araka ny fiteniny ny vehivavy
Geraldin Rodríguez, Arzantiniana voafonja any Ekoatera noho ny fanondranana zava-mahadomelina no niresaka tamin'i Marcos Brugiati, mpanoratra sady nampiroborobo tamin'ny famoahana an-tserasera ny resaka zavakanto Plastica-Argentina, ny tantaran'ny fanaovana teathra any am-pigadrana, izany bevohoka any am-ponja ary ny nananany zaza. Nahazo alalana ny hitazona ny zanany hiaraka aminy izy saingy naleony mihalehibe  any ampahalalahana ny zanany:
“Decidí que salga para vivir, tenía miedo que sufra de grande los traumas que hoy tengo. Se lo llevó al año mi hermano quien se hice cargo con su esposa”.
Nanapa-kevitra aho fa aleoko mandeha izy mba hiaina, matahotra aho fandrao miaina ny takaitra izay iainako ihany koa izy. Herintaona taoriana dia nalain'ny anadahiko sy ny vadiny izy hotezainy.
Migadra any amin'ny fonja Espaniola i Juvinete, ary bevohoka rehefa nohidiana noho ny resaka fanondranana zava-mahadomelina. Nitantara ny fiainany tamina gazetim-paritra NorteCastilla izy. Telo taona taorian'ny niterahany ny zanany tany am-ponja dia tsy maintsy nosarahina taminy ny zaza, ary nalefa tany amin'ny fianakaviana vonon-kandray ny zaza. Mifankahita amin-janany vavy isaky ny 15 andro i Juvinete ary mahazo alalana hivoaka 2 herinandro hiara-miaina aminy isaky ny roa volana. Saingy mety tsy hihatsara ny toe-draharaha: Mety halefa any amin'ny firenena niaviany any Brezila manko i Juvinete, ary manahy ny mety ho fiantraikan'izany fiovana izany amin-janany. Ary dia nanome soso-kevitra  ho an'ny vehivavy rehetra mihevitra ny hitondra vohoka any am-ponja izy:
-Intento convencerlas para que no se queden en estado dentro porque ver a un niño privado de libertad es muy duro, es irresponsable. Ellos no tienen que pagar nuestros errores.
Miezaka aho ny mandresy lahatra azy ireo tsy ho bevohoka am-ponja izany fa manohina tokoa ny mahita ny kilonga tsy manam-pahafahana, maneho tsy fahaiza-mandray andraikitra izany. Tsy tokony hosaziana noho ny fahadisoantsika izy ireny.
Ao amin'ny Woman and Prison,[ny vehivavy sy ny fonja] vohikala natao hanairana ny mhatra amin'ny vehivavy any amin'ny toera-piarenana, no iresahan'i Kebby Warner ny nitondrany vohoka tany amin'ny fonja amerikana, nitantarany ny nanaovana azy nandritra ny nitondrany vohokan niterahany sy ny taorian'izany, rehefa nalaina taminy ny zanany. Toy izao ny notsongaina tamin'izay nosoratany teo ampiterahana:
Tsy misy mahazo miditra ao an'efitra mandritra ny fiterahana. Tsy nahalala ny niterahako zazavavy akory ny fianakaviako raha tsy efa nandao ny hopitaly aho. Mipetraka ao an'efitra ny mpiambina nandritra ny telo andro, saingy mimenomenona matetika ry zareo rehefa asain'ny mpitsabo mpanampy hivoaka ny efitra. Efa reko ny tantara mampihorokoditra milaza fa petahina menôty eo am-pandrianany ny vehivavy. Faly tokoa aho fa tsy mba nanaovana izany. Maro tamin'ny mpitsabo mpanampy no nikarakara ahy amin'ny mahaolona fa tsy amin'ny mahavoafonja ahy.
Mbola misy tantara hafa azonao vakiana momba ny fitomboana miaraka amin'ny havana any am-ponja sy ny fiantraikany isan-karazany amin'ny zanaky ny  vehivavy voafonja koa ao amin'ny Women and Prison[vehivavy sy ny fonja].
Koa ahoana ary ny eritreritrao? Mahita ireo vehivavy bevohoka manerantany tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana, mbola tokony hisy ve ny ezaka fanampiny omena ireo vehivavy voafonja? Misy ve ny fahasamihafana eo amin'ny vehivavy mamita sazy sy ireo izay ivelan'izany? Tokony hokarakaraina manokana ve izy ireo?
Ny sary nampiasaina handravaka ny lahatsoratra dia “17 de noviembre” an'i daquella manera.
Juliana Rincón Parra
Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana
Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia.
Tao amin'ny Flickr id: Ushio Shugo
Efa navoitran'ny sekretera jeneralin'ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny fahantrana  (反貧困 Han Hinkon) [ja] Makoto Yuasa ny olana mikasika ity fahantrana ity tamin'izao fomba fitenenana manaraka izao[en]:
Hatramin'ny iakaran'ny fiharian-karena niatomboka tamin'ny taompolo 1960 no nametrahan'i Japana ny angano fa sarangan'olona antenantenany avokoa ny Japoney rehetra. Ny  fomba fiasan'ny Japoney, fototr'izany angano izany anefa dia niova noho ny fitomboan'ny asa tsy manara-penitra sy ny singa maro samihafa, ka dia nitombo isa ny Japoney niaina tao anaty fahantrana.
Tsy vaovao mihitsy anefa, raha jerena ny adihevitra any amin'ny bolongana, ny elanelana misy eo amin'ny lafiny fidiram-bola any Japana. Raha vao vaky ny balônina ekonomika tamin'ny fiandohan'ny taompolo 90 dia niseho ny fahalemen'ny rafitra Japoney ary hatramin'izay fotoana izay no nilazan'ny manampahaizana maro fa tsy mbola tafarina ry zareo hatramin'ny fitotongan'ny toe-karena.
Ysaki nanoso-kevitra fa efa nisy hatramin'ny ela ity olana ity saingy maro ny Japoney no nieritreritra azy ho olan'ny hafa.
この記事を最初に見た時に、私は部落問題に近いな、と感じたんです。それは、私たちの隣に確実にその問題があるのに、知らないふりをする。見ない振りをし、無関係を装ってきた。
Rehefa namaky ny vaovao aho, nahatsapa ny olana ho mifanahaka tanteraka amin'ny an'ireo vondrona voavakavaka eto Japana aho.
Nefa tena misy mihitsy ny olana sady efa tena manakaiky dia akaiky antsika na dia odian-tsy hita aza, mandresy lahatra ao anaty ao isika fa tsy misy idirantsika izany.
Miyabi-tale mihevitra fa manana tantara lava ity lohahevitra ity ary tsy maintsy misy ifandraisany amin'ny tsy fihontsonan'ny politika.
驚くべきは、この数字が今年ではなくて数年前のデータでさえすでに7人に1人いるという事実で、リーマンショック以降の世 界恐慌の不景気のあとでは今現在では少なく見ても5人に1人はそれくらいの値になっていると考えられることである。自民政権下では、公式発表的に「日本に 貧困はない」「一億総中流家庭」なんていうキャッチコピーもあったわけだが、現実はまったくそうでないということが改めて浮き彫りにされたわけである。
Ny manaitra dia ny filazan'ny antontan'isa roa taona lasa izay fa olona iray amin'ny fito no miaina ao anaty fahantrana. Dia mbola misy ny sasany mihevitra izany ho mbola tsara ihany satria nisy ny fitotongana lalina nianjady tamin'izao tontolo izao noho ny fintraikan'ny nahabankirompotra ny Lehman Brothers, mba ny iray amin'ny olona dimy ihany aza no mahantra.
Nandritra ny fitondran'ny LPD, no nampisaina ny fomba fiteny toy ny ‘Tsy misy fahantrana eto Japana' sy ny ‘mitotaly zato tapitrisa ny ankohonana ao amin'ny saranga antenantenany' saingy miharihary indray fa lavitry ny marina izany.
Flickr id: caribb
Misy kosa ireo misafidy ny hijery amin'ny lafiny hafa.
Ukkii ohatra manantena fa hamerina any amin'ny fahatanjahan'ny fanahy nampalaza ny mponina Japoney indray izao fotoana maizina andalovana eo amin'ny tantaran'i Japana eo amin'ny lafiny sosialy sy toe-karena izao.
し・か・し
国の景気が良くなるまでこのままでいいのだろうか
貧しかった戦後の日本国民は、みな必死で頑張ってここまでよくなってきています
あの時代のハングリー精神があればきっと国を変えれなくとも企業の生き残りは可能だと思います
私は一社員でありますが社長のような視点で物事を考えていくことを目標としています
視野を広げればいろんなことに発見や改善が見えてくるからです
ハングリー精神なんて言葉、現代では死語なのかもしれませんが
僕はこの言葉を提唱していきたいと思います
SAINGY
Avela handeha tahaka izao fotsiny ve izy ity mandrapahazoan'ny toe-karen'ny firenena aina indray?
Fony nahantra ny Japoney taorian'ny ady, dia niezaka nanao ny tsara indrindra araka izay tratry ny ainy tsy nisy fisalasalana mba hanatsara ny toe-draharaha tahaka ny iainantsika amin'izao fotoana izao.
Raha mba manana ny HETAHETAM-PANAHY tahaka ny tamin'izany fotoana izany isika dia matoky aho fa na dia tsy mahaova ny firenena ao anatin'ny indray mipi-maso aza, dia mbola azo heverina hatrany ny hampatanjaka ny orinasantsika sy haha-tsy mena-mitaha azy anaty fifaninanana.
mpiasa tsotra aho saingy miezaka ny hanana fomba fijerina PDG satria raha mitsinjo lavitra isika, maro ny zava-karohina sy ezaka mbola tratrarina, izay azo ampiharina amin'ny zavatra maro.
Efa adino angamba izany andian-teny hoe ‘hetahetam-panahy' izany saingy mbola tiako apetraka indray.
Scilla Alecci
Indonezia: mavesatra ny tarehimarika vokatry ny horohorontany
1 100 no maty tany Indonezia, izay no vokatra farany voaray (alakamisy hariva), ary mbola manohy ny fikarohana ireo mpamonjy voina mitady ireo olona an'anarivony maro tototra any ambany korontana any.
24 ora taorian'ny horohorontany da mbola tsy misy jiro ny tanànan'i Padang ary mbola sarotra ny fifandraisana an-tariby:
andrepramana @luckytriakbar belum dapet kabar luk..padang gelap gulita..jringan hp masi eror
andrepramana: tsy mahazo vaovao mihitsy aho.. Mbola ao anaty aizina i Padang.. Mananosarotra be ny fifandraisana an-tariby.
Mpampiasa twitter maro toa an'i nenglita, no manantena azy ity hitadiavana ireo havany tsy hita:
nenglita: Azafady e, mba tadiavo ny anadahiko Muhammad Septian Pradana 15 taona sy Muhammad Yuniardi. Mipetraka ao Cendana amin'ny 2 làlana  mata air any Padang.
Any Padang ankehitriny ny filoha Yudhoyono sy ministra 6 mijery ny zava-misy sy mandamina ny fanampiana haingana:
dedimasputra: Niharan'ny horohorontany indray i Indonezia. Nanambara fanjakana anaty hamehana any amin'ny ilany andrefan'i Sumatra mandritra ny 2 volana ny filoha Susilo Bambang Uydhoyono.
Efa niverina nisokatra tamin'ny alakamisy ny seranam-piaramanidina any Minangkabau tokony ho tamin'ny 12 ora. Na izany aza, noho ny fahabetsahan'ny sidina dia nisondrotra be ny saran-dalana, mahatratra 3 ta^pitrisa IDR (tokony ho 311 dolara) ny toerana iray any amin'ny kilasy ekonomika.
dinanyadonald: @sitita bandara padang udah dibuka ta,tapi sepertinya ticket jadi susah..kk sepupu g udah jalan kesana td pagi
dinanyadonald: nisokatra ny seranam-piaramanidina any Padang, kanefa zara raha misy tapakila. Handeha ho any izao ny rahalahiko anio maraina.
Raha nanontaniana mikasika io toe-javatra io ny minisitry ny fitaterana dia nanambara tao amin'ny sita Detik izy fa mangataka ireo kaompanim-pitaterana ny fanjakana mba tsy hampiakatra ny saran-dalana ho fitsinjovana ny mahaolona, fa hitazona izany amin'ny 960 000 IDR (tokony ho 100 dolara).
Fanamby goavana ny fitaterana fanampiana sy mpilatsaka an-tsitrapo any amin'ireo toerana tra-doza ho an'ny firenena ahitana nosy maromaro toa an'i Indonezia sy Filipina mifanila aminy.
Mitady ireo tsy hita koa ny miaramila an'arivony maro.
Nitambatra nanangona ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa za-draharaha ny mpampiasa twitter halefa any Padang:
@chairanijk : Tweeps, Jika berminat menjadi relawan di Padang, hub saya ya, bsk brgkt jam 8 pagi. Di utamakan dokter dan paramedis thx.
Antso amin'ny tweeps, raha te hilatsaka an-tsitrapo ho any Padang ianao dia antsoy aho azafady, rahampitso amin'ny 8 maraina ny fiaingana. Tsara raha mpitsabo na mpisabo mpanampy. Misaotra.
RisyadRusdi : Ada yg mau jd relawan ke padang? Yg berminat hub gw, bsk pagi jam 8 naik pesawat carteran pak JK dr halim. makasih. http://myloc.me/QKHT
Misy hilatsaka an-tsitrapo ho any Padang ve? Izay liana, antsoy aho azafady, hiainga isika rahampitso amin'ny 8 maraina miaraka amin'ny fiaramanidin'ny filoha mpanampy eny amin'ny seranana Halim (seranam-piaramanidin'ny tafika)
Araka ny tatitra navoakan'ny Palang Merah Indonesia's (PMI- Vokovoko Mena Indoneziana) navoaka tao amin'ny Facebook, dia olona 529 people no maty ary 80% ny trano fonenana sy tranom-panjakana no simba, ary trano lay maro no mbola ilaina ho an'ireo tra-boinan'ny horohorontany.
Horohorontany 2 hafa heno tamin'ny alakamisy
Ao amin'ity tatitra ity ihany dia milaza koa ny PMI fa nisy fihetsehana tay Jambi ny alakamisy maraina, mari-drefy 7 amin'ny tohatra Ricther.
Niteraka fahasimban-trano 500 tany amin'ny tanàna kely 4 io fihetsehana io volkanika io tany Jambi. Olona 1 no maty ary amro no naratra.
Horohorontany hafa koa no heno tany an-drenivohitra Sulawesi avaratra, any Manado tokony ho tamin'ny 8 ora maraina, 5.5 amin'ny tohatra Richter. Tany ambanin'ny ranomasina Tahuna no foiben'io horohorontany an-dranomasina io, any amin'ny faritra antsinanan'i Indonezia.
Ny alakamisy alina dia mbola manjavozavo tanteraka ny vaovao voaray avy any Jambi sy Sulawesi avaratra.
Carolina Rumuat
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
JustImage: Matthew Cassel
Nisonga ny hatezerana sy hetsi-panoherana ho valin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta  Libaney hampiato  ny fanamboarana ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina, Nahr el Bared.
An-jatony no nanao fihetsiketsehana  tany amin'ny tànana andrefan'i  Tripoli tamin'ny herinandro lasa teo, noho io fampiatoana io, nefa raha ny fanazavan'ny mpanao gazety sady mpitoraka blaogy mipetraka any Libanona, Matthew Cassel, ao amin'ny  JustImage, na ireo hetsika ireo aza sarotra vao vita:
JustImage: Matthew Cassel
Mpitsoa-ponenana an-jatony avy any amin'ny toby sy ireo mpomba azy no nihaona tany Tripoli, tanàna lehibe akaiky indrindra an'ny Nahr al-Bared. Taorian'ny nandavan'ny kaomisaria akaiky indrindra ny afovoan-tanana ny hanaovana fihetsiketsehina, dia nifindra toerana ireo mpanao fihetsiketsehana ka nisafidy toerana lavitra ireo tranom-panjakana sy ireo olona maneho ny fitondrana.
Ity toby ity dia ivon'ny fanoherana mihoson-drà tamin'ny 2007 izay nifandonan'ny mpiady Islamistan'ny Fatah al-Islam tamin'ny miaramila Libaney, namoizana ain'olona am-polony.
Maro tao amin'io toby io no voa mafy nandritra ireny fifandonana ireny, nanery azy ireo hitady toeram-ponenana tany amin'ireo tanàna mifanolo-bodirindrina na ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana hafa izay efa be mponina mihoatra noho ny tokony ho izy.
Ireo tetikasa fanamboarana izay efa nitarazoka ela,  dia vao mainka koa tojo sakana lehibe tamin'ny 13 Aogositra tamin'ity taona ity rehefa nanapa-kevitra ny Governemanta Libaney fa haato ny ezaka  fanamboarana noho ny antony fahitàna rakitry ny fahagola tao [archaeological purposes).
JustImage: Matthew Cassel
Ity hetsika ity dia notarihan'ny lehiben'ny Free Patriotic Movement (FPM), Michel Aoun, izay nanambara fa najanona noho ny fahitàna rakitry ny fahagola [archaeological artifacts] ao amin'ny toeran'ny Nahr el Bared. Ireo mpitsikera dia mihevitra baikon'ny resaka politika ny toerana raisin'i Aoun amin'izy ity.
Roa taona taorian'ny nitsaharan'ny ady tao  Nahr el Bared, an'arivony amin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina no mbola tsy manana toeram-ponenana, ary toy ireo Libaney maro, dia very hevitra amin'ity zava-mitranga ity.
Haingana be ny fandraisan'andraikitry ny tontolon'ny blaogy ka nanokafany blaogy iray vaovao ho  fiarovana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana  Palestiniana any Nahr el Bared.
Ireo sarintany sy ny fizotran'ny fanamboarana dia hita ao amin'io blaogy vaovao Nahr Al Bared io. Izao no tenin'ny mpitoraka blaogy iray momba ny fampiatoana  ity fanamboarana ity:
Nitranga indrindra ity fepetra ity  taorian'ny roa taona nanemorana ny resaka ara-pitantanana ho amina daty manaraka lava izao, ao anatin'izany ny fandaharan'asa sy ny fijerena ny pitsopitsony rehetra momba ny asa fanamboarana izay nankinina tamin'ny faneken'ny Governemanta, ny ministera ary ny politika. Izao vao misy fanapahan-kevitra mivaingana hampiatoana ny fanamboarana, izay mampitombo ny fotoana famindran-toerana ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina maherin'ny 20,000.
Ny mpitoraka blaogy  Mlokheya Resistance ihany koa dia naneho ny tsy fahafaliany:
Roa taona taorian'ny  fahasimban'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana tao  Nahr ElBared , ireo mponina dia faly fa ho tanteraka ihany ny fanamboarana ny toerana. Nefa, vao natomboka ilay izy, dia MBOLA najanon'ny governemanta Libaney indray ny fanamboarana an'i  Nahr ElBared!!!
Ireo mpampiasa Twitter dia tsy ambaka an'izany, naverin'izy ireo nalefa ao amin'ny Twitter ireo fitarainana sy fijoroana vavolombelon'ny mpitsoa-ponenana ao Nahr El Bared ho fanentanana:
uruknet,  fampiatoana ny asa fanamboarana ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao  Nahr El-Bared [14 septembre 2009 01:18 ECT]: 13 septembre, 2009… http://twurl.nl/ly8efw
illdalal, RT@marcynewman blaogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com
marcynewman, laogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com
MXML, RT@nmoawad RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com
nasawiya, RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'inahr el-bared albared.wordpress.com
tamaraqiblawi, blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com
Mpitoraka blaogy maro hafa, isan'ireny ny Body on the Line sy ny  Green Resistance  dia namoaka koa ny hetsi-panoheran'i  Tripoli.
*Ny sary rehetra dia an'i JustImage
Indonezia: Horohorontany goavana nahazo an'i Sumatra Andrefana
Horohorontany goavana no nisy tany Padang, Sumatra Andrefana nanodidina ny tamin'ny 5ora hariva (ora teny an-toerana) ny Alarobia teo.
Horonantsary navoakana mpampiasa YouTube iray any Padang:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="350" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/0b_8aBBO6Wc" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="350" src="http://www.youtube.com/v/0b_8aBBO6Wc"></embed></object>
Niteraka faharavan-trano lehibe sy tra-boina maro ilay horohoron-tany tany ambany ranomasina izay mirefy 7.6 amin'ny maridrefy Richter, indrindra tany amin'ny faritr'i Pariaman, izay morontsiraka any Padang.
Sary nampiakarin'i marcellodecaran tao amin'ny Twitpic
Nisy fampitandremana tsunami [id] maneran-tany nalefa ho an'i Indonezia, Thailand, Malaysia, ary India, nefa notsoahana ora iray taty aoriana.
Ilay masoivohom-baovao Indoneziana  Antara dia nitatitra fa nahatratra 75 ny isan'ny maty, nefa mety hisondrotra satria mbola misy olona voatototra any ambany vato, ny sasany kosa nifidy ny hijanona eny ivelan'ny tranony [id] sao dia mbola hisy horohorontany.
Araka ny Sekretera voalohany ao amin'ny Foibem-pirenena misahana ny loza voajanahary [National Board for Disaster Management (BNPB)] any Antara, Purnomo Sidik,  tsy nahazo antsipiriany avy amin'ny faritra ny foiben'ny BNPB noho ny faharatsian'ny fifandraisana tany Sumatra Andrefana.
Ny antsasaky ny tanàna no nahitàna fahasimbana ary  naato ireo sidina miditra an'i Padang noho ny fahasimbana'ireo làlam-piaramanidina ao amin'ny seranam-piaramanidin'i  Minangkabau.
Feno hafatra fankaherezana, fanampim-baovao  ho an'ny sy avy amin'ireo tapaka sy namana, ary tatitra momba ny vonjy voina ny tontolon'ny twitter  Indoneziana.
henzter: vao nahazo valiny tamin'ny sms-ko, avy amina olom-pantatra any sumbar: mbola mitady ny rahalahiko. *mivavaka*
martimanurung: Hanampy ny Sumatra Andrefana  ny Faritra Atsimo sy Avaratr'i Sumatra amin'ny vonjy voina noho ny horohorontany.
veraalexandra: Andriamanitra o, ampio ireo rahalahy sy rahavavinay any Padang. .omeo hery sy faharetam-po izy ireo..amena.
aditdmid: bru lht dmpak gempa Padang td sore. evakuasi mlm ni trhmbt hjn deras & mati lstrk,75% kota lumpuh. smg para krbn dbri kkuatn&ktabahn. amin.
aditdmit: vao nanatri-maso ny taorin'ny horohorontanin'ny Padang aho izao, izao hariva izao dia nahemotra ny famindran-toerana noho ny orana mivatravatra sy ny fahatapahan'ny herinaratra, 75% -n'ny tanàna tsy afa-mihetsika avokoa. Soa ihany fa manana hery sy faharetam-po ireo tra-boina. Amen.
Ny Filoha Lefitra, Jusuf Kalla, dia nanafohy ny lanonana natokana ho an'ireo solombavambahoaka vaovao ary nandefa minisitra enina hijery ny fahasimbana.
aulia: Nifidy anao izahay. Ny fitakiana ofisialy voalohany ataonay aminao dia ny hanomezanao ny tahirim-bolanao ho an'ireo niharan-doza tamin'ny horohorontany. Mbola mila izany lavitra noho ianao izy ireo.
Tokony amin'ny 11:45 hariva teo (ora teny an-toerana) dia niteny i darlingalih:
darlingalih: RT @isatbb: Jaringan data GPRS ISAT aman terkendali di Padang, anjuran komunikasi ke Padang via fitur BB: Email, BBM, YM, FB. Please RT
Ny tambajotran'ny GPRS Indosat [fanamarihan'ny mpanoratra: mpanome tolotra fifandraisana amin'ny finday faharoa lehibe indrindra any Indonezia'] dia niverina niasa any Padang, manoro anao izahay ny hifandraisanao aimn'i Padang amin'ny alalan'ny Blackberry: mailaka, BBM, YM, FB.
Ny minisitry ny fiahiana ara-tsosialy Abu Rizal Bakrie dia niteny fa mety ho goavana tahaka ny niseho tamin'ny horohorontanin'i Yogyakarta tamin'ny 2006 ny fahasimbana ara-foto-drafitr'asa nateraky ny horohorontany farany teo iny.
Filipina: Tondra-drano an-tsarimihetsika nataon'ireo mpampiasa aterineto
Sary avy amin'i reahguevarra mpampiasa Twitpic,
Faritra maromaro any Metro Manila sy ireo faritany manodidina no mbola tratry ny tondra-drano androany na dia efa nandao ny firenena aza ilay rivodoza tropikaly ‘Ondoy’ (Anarana iraisam-pirenena: Ketsana). Teo amin'ny 200 teo no maty ary an'hetsiny maro ireo nifindra monina tamin'ny nandalovan'ity rivodoza ity tao amin'ny renivohitra ny Sabotsy lasa teo.
Ny orana nivatravatra dia niteraka ny tondra-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity.  Nitondra orana betsaka lavitra noho i Hurricane Katrina aza ity rivodoza ity:
RT @wizkitabet: ZAV-MISY: rotsak'oran'i Hurricane Katrina =380 mm tany Louisiana. Rotsak'oran'ny rivodoza Ondoy = 410 mm tany Manila, Filipina.
Ireo vohikalana media ara-tsosialy dia nohamafisina mba hampahafantatra ireo mpamonjy voina momba ny toerana misy ireo tra-boina. Noforonina ny 'situation map'-n'ny rivo-doza Ondoy mba hanangonana vaovao momba ny zavatra ilain'ireo tra-boina. Google dia namorona pejy manokana mba hanangonana fanampiana. Ondoy Relief Efforts dia manana lisitra mazava amin'ny antsipirian”ireo fifandraisana amin'ny mpamonjy voina eny an-kianja, toeram-panaovana fanampiana, ary ireo ekipa mpamonjy voinan'ny governemanta.
Sarin'i Ali Figueroa
Nampiakarina tamin'ny aterineto ireo horonantsary nalain'ireo mponina, izay mampiseho ny fahavoazana mampitahotra vokatry ny tondra-drano. Ity misy horonantsary avy amin'ilay mpampiasa Youtube, didipusrex
Afaka naka horonantsarin'ny tondra-drano nateraky ny rivodoza Ondoy i Mamanay talohan'ny tsy maintsy nitsoahan-dry zareo tany amin'ny rihana faharoa noho ny fiakaran'ny rano. Tsy afa-nihetsika tao amin'ny rihana faharoa ry zareo, ny rano hatreny an-tratra, raha tsy nidina ny rano ny ampitson'iny.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/YIFL9YPeQPM&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/YIFL9YPeQPM&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ity horonantsary ity dia mampiseho mpandalo tsy afa-nihetsika tao anatina fiara raha nahery ny tondra-drano teny ivelan'ny tobim-pitsaboan'i Manila
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/L6nkxVaydmY&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/L6nkxVaydmY&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny tanànan'i Marikina, any atsinanan'i Manila, dia ravaravan'ny tondra-drano tanteraka
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/b9eAaA8PBl8&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/b9eAaA8PBl8&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ireo mpandeha an-tongotra, ary na ireo mpitondra moto any an-tanànan'i Paranaque, atsimon'i Manila, aza dia mampiasa bonezy [Fanamarihan'ny mpandika = ilay zavatra fotsifotsy hita rehefa mividy fitaovana vaovao toy ny vata fampangatsiahana, na fahitalavitra no lazaiana amian'io 'styrofoam' io ] mba hiampitàna ny arabe
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/cJJNd42lwgE&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/cJJNd42lwgE&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Lasan'ny rano mahery ireo fiara
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rS0TsusbmRs&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/rS0TsusbmRs&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny faritanin'i Bulacan koa, avaratr'i Manila, dia voadona mafy noho ilay rivodoza
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/6S5X12rgiY0&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/6S5X12rgiY0&hl=en&fs=1&color1=0x3a3a3a&color2=0x999999" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Techpinas dia misaotra ny toby fampielezampeo iray tamin'ny fanokanany ny fandaharany mba hanomezana fanampim-baovao amin'ny fotoanany ho an'ireo mpihaino momba ilay rivodoza. Maro amin'ireo mpihainony no niharan-doza tamin'ity rivodoza ity, izay miankina amin'ny fampielezampeo amin'ny findainy amin'ny fanampim-baovao momba ny vonjy voina:
Eo afovoan'ny tsy fahazoana antoka sy fijaliana entin'i Ondoy sy ny tsy fahampian'ny herinaratra any amin'ny faritra maro any Mega Manila, i DJ Gang, DJ Lambert ary DJ Steph dia nanolotra maimaim-poana ny fotoanan-dry zareo amin'ny fanomezana antoka fa ireo mpampiasa finday –   indrindra indrindra ireo tafahitsoka any amin'ireo faritra niharan-doza, izay tsy manana fangalam-baovao afa-tsy ny fampielezampeo amin'ny findain-dry zareo efa ho faty– dia mahazo fanampim-baovao momba ny fizotry ny asa famonjena sy velonin'ny fanapariahan'ny Jam 88.3 fanantenana mafy orina sy matihanina. Novàn-dry zareo ho loharanom-baovao momba ny famonjena sy  fandaminana ny filatsahana an-tsitrapo ilay endrika toby fampielezampeo tsy mpivaky loha mahazatra teo.
Nampiasaina ny SMS ho  fampahafantarana an'ireo tra-boina ny fomba hitazonana aina.
Ny tena nampihetsi-po dia ny fandraisan'ireo mpihaino anjara amin'ny ezaka ataon'ny Jam. Nisy ireo niantso ny fampielezampeo mba hanome fanampim-baovao momba ny toetoetry ny fivezivezena any amin'ny  metro. Ireo mpitsabo dia nandefa SMS ireo torohevitra momba ny fisorohana ny fihenan'ny maripàna anatin'ny vatana ho an'ireo tafahitsoka eny ambony tafon'ny tranon-dry zareo voatelin'ny rano, raha mizara ny fomba fikarakarana ‘iray sy valo' ['oral rehydration solution'] kosa ny mpilatsaka an-tsitrapo taloha ao amin'ny Vokovoko Mena
Sarin'i Celina Ann Natanauan Chan
Twitter dia loharanom-baovao azo antoka momba ilay loza sy hanarahana ireo ezaka famonjena. Amin'ny alalan'ny Twitter, afaka mitatitra ny toe-draharaha any amin'ireo faritra lavitra ireo mpampiasa aterineto
ageofbrillig: RT: nandeha tany Payatas ny iray amin'ireo tompon'andraikitra ao aminay omaly. Dami na daw faty. Tsy misy firaharahian'ny media any. Ary tsy dia misy fanampiana.
Cocoy: RT @mlq3 @jeyaiy Ny hany mba fantatro dia ny toe-javatra any Candaba. Any anaty rano ny tanàna iray manontolo, ankoatran'ny fiangonana. Tsy afaka mandao ny tanàna akory..
jovefrancisco: Saika nandritra ny Sabotsy manontolo, nieritreritra aho fa ny fiaraha-moniko no tena voadona mafy indrindra, talohan'ny nahitako ireo sary tamin'ny fahitalavitra
Ireo tweets dia manome torohevitra ho an'ireo ekipa mpamonjy voina sy manampahefana amin'ny toerana hanaterana sakafo.
alexderossi: RT @momma_erin REPOST: Rosario Pasig & Cavite dia TSY nahazo fanampiana ara-tsakafo mihitsy. Raha afaka ianareo dia mba vahao izany olana izany! - salamat po!!
maxenemagalona: GRABE. RT @kitel_anne  Ilaina ny mpitandro filaminana  any an-tanànan'i Marikina. Feno mpangalatra miezaka ny mamaky trano eny rehetra eny.
Ireo tweets dia mampatsiahy ny vahoaka momba ny fizotry ny ezaka famonjena
ANDREWdecastro: Amin'ny fomba ahoana no handrahoan'ireo tra-boina ireo pâtes instantanées ireo? Na hanokafany ireo zavatra am-bifotsy ireo? Mba miteny fotsiny aho
philredcross: Sahirana amin'ny fanohanana ny tanora amin'ny Asa Fanavotana ataonay izahay. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo liana dia afaka manatona ny PNRC NHQ (akaikin'ny Anda Circle
cocoy: RT @dementia: Iee, mba manomeza sakafo tonga-dia-vonona sy rano azafady. Tsy manana n'inon'inona handrahoana pâtes ireo tra-boina
Ity tweet avy amina loholon'ny repoblika ity dia mampiseho fa tratr'ity tondra-drano ity daholo na ny manan-karena na ny mahantra:
SayChiz: Monina any sinco hermanos ireo rafozako. Ny tafon-dry zareo sisa no tsy difotry ny rano. Nitady fialofana tany amin'ny trano manana rihana roa mpiray vodirindrina aminy ry zareo
Sarin'i Diane Lorenzana
Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH
Ny HIV Information for Myanmar (HIM) dia nanoratra lahatsoratra momba ny fanovàna vao haingana ny pôlitika mikasika ny fitsanganan'ireo vondrona eo anivon'ny tambajotram-baovao  People Living with HIV (PLHIV) - ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH.
Nampian'ilay mpanoratra taratasy avy amin'ny Solombavambahoaka Tale Jeneralin'ny Sampana Fitiliana Aretina eo ambany fahefan'ny Ministeran'ny Fahasalamana, ho an'ireo Mpitsabo-Lehibe [médecin-chef]  ao amin'ny Tarika mpitily sy mpanara-maso  ireo areti-mifindra azo amin'ny firaisana ara-nofo sy ny VIH.
Mitsangana manerana ny firenena sy fari-piadidiana maro izao ireo tambajotra PLHIV mba ho fanampiana amin'ny fisorohana sy fitsaboana ny VIH/SIDA. Amin'ny fanatanterahana izany, tokony hiasa eo ambany fanaraha-mason'ny Tarika mpitily sy mpanara-maso  ireo areti-mifindra azo amin'ny firaisana ara-nofo sy ny VIH, ka tsy misy antony tokony hitondràna anarana samy hafa. Raha te-hiasa amina anarana hafa ny Vondrona dia hila manoratra anarana isan'ambaratonga any amin'ny kaominina, Faritany, sy any amin'ireo Filan-kevitry ny firenena/fari-piadidiana ho an'ny Fandriampahalemana  & Fandrosoana, ary ny Minisiteran'ny atitany, mifanaraka amin'ireo lalànan'ny famoronana fikambanana.
Nametraka izao tsikera izao ny mpamaky tsy mitonon'anarana iray:
Raha tena mizotra marina ho amin'ny demokrasia ny governemanta, ho tia ny  olony aloha. Tena zava-dehibe ny fandraisana anjara ho an'ny tena fandrosoana. Firy ny mpiasan'ny NAP manerana ny firenena? Manana olona ampy ve ry zareo ho ana marary 240,000 (izay no nosoratan'izy ireo, mety mbola betsaka : iza no mahalala?). Manana porofo ve ianareo fa tafiditra anatina raharaha pôlitika ny PLHIV? Hay kay nila nisafidy hanana fifandraisana amin'ny ART amin'ny alalan'ny fomba maro  samihafa fotsiny ry zareo.
Nisy mpamaky hafa namela tsikera manazava momba ireo toetoetry ny fahasalamana any Myanmar. Nanoratra momba ny toe-piainan'ireo mararin'ny VIH any Myanmar koa izy:
Maro ny olona tratry ny VIH na mitondra ny tsimok'aretina any amin'ny Firaisamben'i Myanmar. Maro ireo mararin'ny VIH no tsy manana fahafahana amin'ny fitsaboana io tsimok'aretina io sy tsy ampy fitsaboana satria nijanona ny namatsy azy ireo ny ONG nikarakara azy ireo noho ny antony maro samihafa. Tena tsy ampy fanampiana [miraviravy tànana] ny olona any Burma na any  amin'ny Firaisamben'i Myanmar. Olona very zo sy tsy henoin-teny ny any Burma. Tahaka ny gadra ao  an-tanindrazany izy ireo na any am-ponja na tsia no misy azy.
Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina “hifehezana” na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity. Nisy mpamaky hafa koa naneho ny ahiahiny tanatina tsikera mitodika amin'ireo olana lalovan'ny ONG taorian'ny Hetsi-panovàna Saffron tamin'ny taona 2007.
…. Ny fifanampiana sy ny fifanohanan'ny tsirairay dia fototra lehibe  sy zon'olombelona tsy ilàna fieràna na amin'iza na amin'iza. Ny famporisihana sy ny fanamoràna ny fananganana vondrona ifanampiana hiatrehana ny VIH no fantatra  fa fomba tsara apetraka sy ampiasaina erantany ho tetezana sy tetikasa loharanom-pikarakarana ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH. Ny matihanina amin'ny resaka fitsaboana dia samy mahatsapa fa ny femehipehezana ny fahafahan'ny isam-batan'olona hahazo  fiahiana  ara-pahasalamana dia midika fandikana ny [ethic] foto-pisainan'ny asa fitsaboana. Tanatina krizy mangina ireo ONG iraisam-pirenena misahana ny lamin'asa ara-pahasalamana efa ho 5 taona izao, indrindra indrindra taorian'ny Septambra 2007.  Naato ny MOU-n'izy ireo [avy amin'ny mpandika :  fahazoan-dàlana angamba ity]  raha tsy mankato ny torolàlana hanena ny isan'ireo tetikasany ry zareo.  Ny NAP dia nody niara-niasa tsara tamin'ireo ONG eny an-toerana sy maneran-tany amin'ny fananganana Tetika Stratejika Nasionaly ho an'ny VIH/SIDA ary amin'ny fanatratrarana ireo tanjona any amin'ireo kaominina  natao ho laharampahamehana  niaraka tamin'ireo mpiara-miombona antoka. Taorian'ny hetsika tamin'ny Septambra, napetraka ho  anatina  volavolan-damin'ny  tafika ireo lamin'asa ara-pahasalamana rehetra. Tsy firaharahiana ny olan'ny hafa, fa fikarakarana feno ho an'ny fandriampahaleman-dry zareo. Miha-maro hatrany ireo ONG avy ao an-toerana sy iraisam-pirenena no asaina manena ireo faritra iasan'izy ireo. Somary sarotra ho an'ireo  matihanina amin'ny sehatry ny fahasalamana  ny mampita izany toro-hevitra mifanohitra amin'ny foto-pisainana [unethical] izany amin'ireo mpiara-miasa aminy, ireo ONG iraisam-pirenena mijery ny  maha-olona. Na dia teo aza ilay taratasy fandraràna vao haingana, toa matoky tena sy mahazo aina ireo matihanina amin'ny sehatry nyfahasalamana avy ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana [DOH] amin'ny fiàlana ny  baiko tahaka ity amin'ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA, izay tsaboin'izy ireo. Tsy amin'ny maha-marary azy ireo intsony no hijeren-dry zareo ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA, fa toy ny hoe loza ho an'ny fahamarinan-toerany  sy ny fidiram-bolan'ireo mpiasa ao amin'ny DOH…..
Araka ny lahatsoratra an-gazety avy amin'ireo Mpitsabo Tsy Manana Sisintany (Medecins Sans Frontieres) tamin'ny 25 Novambra 2009, eo amin'ny olona 240000 no eritreretina ho mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA any Myanmar. Amin'izy ireo, 76000 no mila fitsaboana ‘anti-retro-viral' maika, ary latsaky ny 20% amin'izy ireo ihany no afaka mahazo izany.
Pero: Tsy mbola tafarina ny rava 2 taona aty aorian'ny horohorontany
Feno 2 taona tamin'ny 15 aogositra teo ilay horohorontany nitranga tany atsimon'i Pero, voakasika indrindra tamin'izany ny faritry Ica, Pisco ary Nazca. Voakasik'izany ihany koa ny faritra manakaiky tendrombohitra hafa  tahaka an'i Huancavelica. 2 taona izay no lasa taorian'iny horohorontany iny kanefa araka ny fantatra dia zara fa misy ny fanavaozana ny simba any amin'ny faritra maro, ary mivantana indrindra amin'ny fanjakana ny fanakianana. Nilaza ny fanjakana fa 2 tapitrisa soles no efa lany (eo ho eo amin'ny 680 000 dôlara amerikana), saingy mila fanazavana manontany ny amin'izay nandaniana ny vola ireo mponina mipetraka any amin'ny faritra rava.
Mandritra izany fotoana izany dia mitohy ihany ny fanoherana satria tsy faly amin'ny tsy fisian'ny fanaovan-javatra ny mponina. Miantso hanao fitokonana ny vohikala Feon'ny Fanavaozana ny 8 septambra ho avy izao ka nanao hoe: “Na taiza na taiza toerana nandefasana fanampiana any amin'ireo faritra voakasik'iny horohorontany iny dia tsy tonga mihitsy tany amin'ny nandefasana azy izany”. Manampy trotraka koa ny tsy fahampian'ny serasera any amin'ireny faritra ireny… Nisy vaomiera natsangana hanara-maso ny fanampiana nomen'ny olon-tsotra sy ny fikambanana maro. “Miaraka amin'izany rehetra izany, ireo mpitarika vahoaka sy ireo mponina voakasiky ny fahasimbana no antsoina hivondrona ao amin'ny Reconstruction Collective. Fahavononana iray hafa koa ny Citizens Caravans izay narakitr'i  Enlace Nacional [es] ao amin'ity sary mihetsika ity:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/gFpMqcikqRs&hl=es&fs=1&" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/gFpMqcikqRs&hl=es&fs=1&"></embed></object>
Nilaza izany vaovao izany ireo mpitoraka bilaogy. Ny bilaogy Cañete Hoy [es] no milaza fa “tsy mitsahatra ny fampanantenana kanefa tsy misy ny zavatra vita”, ary nahazoana sary mihetsika izany toe-javatra izany tao an-tanànan'i Canete. Vaovao maro no azo alaina ao amin'ny bilaogy Colectivo de Periodistas de Ica (Fikambanan'ny Mpanao Gazety any Ica). Amin'ny lafiny iray dia manoratra i Julian ao amin'ny Chinganita Peru fa ny teny filamatra tahaka ny hoe “Trafa Peru” (Fahadisoam-panantenan'i Pero) dia tokony ho tazana manerana an'i Lima renivohitra hanehoana ny fitarozahan'ny ezaka fanamboarana.
Ao ami'ny bilaogy Mejor Hablar de Ciertas Cosas [es] no manakiana ny fanjakana i Luis Virgil noho ny tsy nanamboarana ny tanàna hatramin'izao:
La pregunta es, ¿por qué no renacen las ciudades afectadas? ¿Qué tanto se demoran? No me explico, es más; la ayuda internacional llegó de inmediato. ¿Se repartió bien? ¿Acaso no enviaron millones de dólares para la reconstrucción de las zonas afectadas? ¿Dónde está?
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe maninona no tsy amboarina ny tanàna simba? Maninona no mitarozaka izany fanamboarana izany? Tsy azoko mihitsy; tonga avy hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena tamin'izany fotoana. Voazara tsara ve izy ireny? Tsy nanome vola an-tapitrisany dôlara ve ry zareo? Nankaiza izany vola izany?
Namoaka ny kaontin'ireo niharan-doza tamin'iny horohorontany iny ny bilaogy Otras Tardes [es] . Milaza ny bilaogy [es] fa mbola mitohy ny fanaintanana any Pisco roa taona aty aoriana:
Es increible que a dos años del terremoto muchos politicos esten contentos al decir que se han reconstruido 198 casas. Si h***** pero se cayeron cerca de 2,000! Tambien las donaciones dadas a los afectados para que puedan reconstruir sus casas fueron dadas en cheques sin fondo! Osea, encima de que no los ayudan los engañan!
Tsy azo ekena roa taona aty aorian'ny horohorontany dia mpanao politika maro no afa-po amin'ny hoe trano 198 no efa voatsangana. Kanefa manodidina ny 2000 no rava! Nozaraina tamin'ireo tra-boina ny fanampiana mba hananganany ny tranony, kanefa tsy nisy antoka ny taratasim-bola (tsy misy vola akory any amin'ny kaonty)! Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe nandiso fanantenana ry zareo!
Na izany aza dia tsy ny mpitoraka bilaogy rehetra akory no tsy miresaka afa-tsy ny tsy fahombiazana. Jaime Espejo Arce an'ny Fiscalizacion Ciudadana manohana ny heviny manoloana ny ezaka fanavaozana, no manindry tsara ny ezaka atao hanavaozana ny Senor de Luren Church any Ica:
La entrada al Templo permanece como si el terremoto hubiera sido ayer. Algunos restos de la infraestructura amenazan con seguir desprendiéndose. … El millón de euros destinado por el Vaticano inicialmente para el Templo de Luren tuvo otro destino. Según el sacerdote Edmundo Aparcana, vocero de la Diócesis de Ica, “el millón de euros se distribuyó en tres partes: una parte fue a Ica, la otra para Cañete y Yauyos y la parte final para Huancavelica. … Por tanto, a fin de reconstruir el Santuario de Luren se llevará a cabo una Teletón este sábado 15 de agosto; mientras que la colecta nacional – a través de la campaña Compartir- se desarrollará el 21 de agosto.
Toa ohatran'ny vao omaly ny horohorontany raha jerena ny vavahadin'ity fiangonana ity. Mihasimba hatrany ny sisa tsy rava… Niova lalan ny vola 1 tapitrisa euros nomen'i Vatican hanamboarana ny fiangonana Luren. Araka ny voalazan'ny môpera Edmund Aparcana, mpitondra tenin'ny diosezin'i Ica dia “nozaraina telo io vola 1 tapitrisa io: ny 1/3 nomena ny tanànan'i Ica, ny 1/3 an'i (tanàna)Canete sy Yauyous ary ny 1/3 farany nomena an'i (tanàna) Huancavelica… Ankoatra izany,  mba hamitàna ny fanarenana ny fiangonana Luren dia hisy telethon (fanangonam-bola) hatao ny asabotsy 15 aogositra; miaraka amin'izay koa, ny fanangonana eran'ny firenena manontolo - amin'ny alalan'ny fanentanana Share - dia hatao ny 21 aogositra.
Ohatry ny hoe manome vahana ny any amin'ny biraom-panjakana koa ny ataon'ny fanjakana, ary tantara iray voalaza ao amin'ny gazety El Comercio an'ny fanjakana no maneho fa taratasy iray monja hanaovana tomban'ezaka amin'ny asa vita no karakaraina ary tsy vita izany raha tsy 6 volana. Araka ny voalazan'ny bilaogy Café Taipa dia “2 taona aty aorian'ny horohorontany dia milaza ny fahombiazany ny fanjakana, kanefa tsy ao anatin'io fahombiazana io ny fanarenana ny simba”
Sary mihetsika amin'ny teny anglisy nalefan'i Marisol Salazar.
Juan Arellano
Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project' sy ny diorano
Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà rehefa avy nanao iny fanampiana iny tamin'ny herintaona, ary volana vitsivitsy taorian'izany dia niverina nitety an'i Bengladesh indray hanohy ny ezaka nataony, niara-dalana tamin'ny Save the Children (vonjeo ny ankizy) hitondra fanampiana avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao.
Hoy ny tatitra nataon'i Shawn tao amin'ny bolongany:
Hatramin'ny nahatongavako no nandraisako anjara amin'ny tetikasa mifandraika amin'ny Ady amin'ny fahantrana. Araka ny fantatrareo dia eo am-pananganana ity foto-drafitr'asa manatantavana fasika sy eo ampanamboarana ity sekoly ity aho. Efa ho enimbolana izay nefa mila mahavita ny zava-drehetra ao anatin'ny 72 ora aho. Eny…. sarotra izany ary maro no miandry.
Manaiky fanampiana amin'ity dingana farany na tetisaka ity i Shawn sady miangavy amin'ireo vondrona malala-tanana (maro amin'izy ireo no mamela hafatra an-dahatsary ao amin'ny lahatsorany) hahalala ny fomba andaniana ny volany, araka ny miseho amin'ity lahatsary manaraka ity:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/XTP6CtSGzik&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/XTP6CtSGzik&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ao amin'io lahatsoratra io ihany, no hamahavahany ny ho avin'ny tetikasa, sy ahafahan'ny tetikasa tahaka itony mahazaka tena, mba ahafahany manampy hatrany:
Ny tsy fantatra manko dia izao – hody velielty ve aho sa tsy hiverina intsony? Nanoratra aho tamin'ny Janoary fa raha tsy zaka ny fampandehanana ny tetikasa dia tsy maintsy manangom-bola mandritra ny 12 volana aho. Ny tiako lazaina amin'ny heo “zaka” manko dia hoe izay tsy mampahantra ny ray aman-dreniko. Efa ela no lany ny tahiriko - ary nindram-bola tamin'ny ray aman-dreniko aho nanomboka hatreo. Indrisy anefa fa tsy ry Rockefellers akory izahay – fa Kanadiana saranga antonony avy any amin'ny manodidina ny tanan-dehibe (tahaka ny Amerikana… saingy mahazo fitsaboana maimai-poana izahay).
Tao amin'ny bolongany farany no anamarihan'i Shawn anatina lahatsary ahitana mpanentana avy ao amin'ny TED conference, mpamoron-javatra iray mampiseho ny zava-bitany:  rafitra iray manatantavana rano maloto ho lasa rano madio fisotro. Tondroin'i Michael Pritchard ho Life-Saver bottle (tavoahangy mamonjy aina), satria afa-mamonjy aina maro manerantany io tavoahangy io sady vahaolana iray entina mamonjy voina:  mba tsy hitondrana na hivangàna rano dia ireny fanatantavanana rano finday no entina mba hahafahan'ny fianakaviana mikarakara rano fisotro any an-tranony fa tsy voatery hamonjy toby ho an'ny mpitsoa-ponenana.
Efa zatra ilay fanatantavanana rano finday i Shawn satria misy fanadiovandrano mitovitovy amin'ny LifeStraw ampiasainy any am-piasana. Namoaka lahatsary nalainy tany ambanivohitr'i Kenya izy, ka teo no nanatantavanany rano efa misy tain'omby, fomba entina mampiseho mivantana ny fampiasana ilay fanatantavanana amin'ny rano fangalan'ny olona (fa fatsakan'ny olona) avy eny rehetra eny, rano izay misy ny karazan-doto rehetra, potipoti-javatra ary fako. Nalainy teny an-kanja hanaovany fampisehoana ity lahatsary manaraka ity:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Betsaka ny olona no miteny azy ho mahasahisahy rehefa avy nisotro rano nisy tain'omby voadio izy, nohazavainy ao amin'ny lahatsary faharoa ny hafatra tiany ampitaina ao ambadik'io, izay anazavan'ny manampahaizana iray fa maharo amin'ny bakteria sy otrik'aretina maro ao anatin'ny rano avy amin'ny vovo ny fanatantavanin'ny LifeStraw ka anisan'izany izay avy amin'ny omby na olona:
<object width="430" height="264" data="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ycEnu9p1GPE&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Nohazavain'i Shawn fa sady tsy ekenyho misolo tena no tsy karamain'ny Life-Straw ny tenany  raha miresaka momba io izy fa io aloha no vahaolana mahomby indrindra amin'izao fotoana izao. Lafo kokoa manko ny Life-Saver noho ny  Life-Straw, nefa sady tsy mahatantavana rano betsaka akory no kely aina ihany koa (mora lany daty kokoa), no tsy manana ho ana fiankaviana ry zareo. Tsy mahazaka rano na fangaro shimika anaty rano ny fanatantavanina ka tokony ampidirina amin'ny fanatsarana ny vokatra amin'ny manaraka no mba mifanaraka amin'nyvidiny ankehitriny.
Mitentina $35 ny vidin'ny LifeStraw Family  ary mahatantavana rano 18 000 litatra. Ny LifeSaver kosa mihoatra ny $100 ny vidiny nefa 6 000 litatra ihany ny rano vitany tantavanina. Raha azony atao dia tokony hampidiny ny vidin'ny vokany ny LifeSaver satria efa mety ny vidin'ny LifStraw Family no mahavonjy aina koa…
Afaka manaraka ny asa ataon'ny UnculturedProject ao amin'ny Twitter ianao, noho ny fanoratany tsy tapaka ny ezaka fanampiana ataony sy ny famoahany sary amin'ireo tetikasa vaovao sy ny ezaka fampandrosoana vitany mba hanorenana tontolo hafa eto an-tany. Azonao tsidihana ihany koa ny ezaka ataon'i Shawn sy ny Save the Children (vonjeo ny ankizy)  ao amin'ny YouTube-n'ny tetikasa ho an'ny “Uncultured”, na mijery ny video mandehandehan'i Shawn eny an-kianja ao amin'ny vohikalany hafa The Student.  Mirary fahombiazana amin'izay andraikiny hafa ihany koa izahay!
Juliana Rincón Parra
Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy
Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy .
Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna azy  any  amin'ny  tobim-pahasalamana; Nanoratra momba ny fihaonany  tamin'ny  mpitsabo tao  amin'ny toeram-pitsaboana izy:
“يا مدام… دي نضافة عشانه”
آه… ده انت جاي لرزقك بقى، باعتبارنا في القرن الرابع للهجرة وما عندناش مية ولا صابون ولا “وِت وايبس” جونسون وجونسون
فكرت أن أشرح للطبيب الأنيق إنه في أغلب الظن حمار لا يقرأ ولا يعرف سوى ما قرأه في “كتيب الاستخدام”. فكرت أن أشرح له أيضا إنني لن أسمح لليهود أن يقرروا التقطيع من جسم رضيع أنا مسئولة عنه. إنما عدت وتذكرت: بالنظر لإنه حمار ولم يقرأ سوى كتيب الاستخدام ولا يعرف عن اليهود سوى إنهم أحفاد القردة والخنازير … إيه احتمالات إنه يفهم؟
Hoy ny mpitsabo: “Fepetra ho an'ny  fahadiovana ara-pahasalamana  ho azy  izy  io”
Hoy ny navaliny: “Eny e! .. satria ao anatin'ny taona faha 4-n'ny Hijri [fanisàn'andro Arabo] isika ary tsy mbola naheno mihitsy izany atao hoe savony, shampoing, ary ny lafika Johnson & Johnson natao ho an'ny zazakely?”
Nihevitra aho ny hanazava tamin'ilay mpitsabo,  izay angamba tsy mahafantatra firy ny momba ny tenan'olombelona ankoatr'izay nampianarina azy toy ireny anaty  boky “Ho an'ny mpampiasa [user manual]” ireny . Tao an-tsaiko ihany koa ny hiteny taminy fa tsy hamèla Jiosy mihitsy hanery ahy  hanapaka na dia singam-bolo iray amin'ny tenan-janako aho saingy niniako nohidiana ny molotro  - noho izy mety tsy mahafantatra zavatra firy momba ny Jiosy ankoatra izay rèny momba an-dry zareo hoe taranaka rajako sy kisoa… inona no mba vintana anànany hanakatra ny amin'izay tiako hambàra azy?
Avy eo nanopy maso an-janany izy no sady niteny  hoe:
لا أعرف النقطة التي خرج عندها الطبيب الأنيق تحديدا، كان الولد ملفوفا بعمر يوم واحد يكاد لا يلاحظ لو طويت عليه معطفي وهم يريدون أخذه ليوخزوه بالإبر ويقصوا من جسده المنهك بالمقص، ويعذبون أيامه الأولى بالبول الحمضي السائل على جرحه المفتوح. آه يا جزارين يا مجرمين يا جهلة. ما تخافش يا واد، ولا حد يقدر يلمسك وأنا موجودة، أمال إنت فاكر إيه؟ لما تكبر ابقى قطع في روحك زي ما أنت عايز، إنما لحد ما تكبر لك عندي أسلمك لنفسك صاغ سليم.
Tsy haiko hoe rahoviana ny mpitsabo no tena hamèla anay saingy inona no tena mba ao an'eritreritr'izy ireo rehefa te-haka ny zanakolahy izay vao iray andro monja ka hanindrona fanjaitra ity vatana keliny  mbola marefo sy hanàpaka ampahany aminy aminà hety mamanàla iray? Ireo mpanimbin-kena ireo dia te-hampangirifiry anao dieny aty amin'ny andro voalohany iainanao eto amin'ity tany ity ary hampangirifiry mafy anao rehefa injay mahakitika io fery misokatra io ny pipy [amany] .. Ireo  mpanimbin-kena vendrana ireo! Aza matahotra azy ireo izany zanako lahy malalako izany, tsy misy olona afaka hanainga ny tanany aminao raha mbola velona koa aho. Rehefa lehibe ianao dia azonao atao ny manapaka izay tianao tapàhana amin'ny tenanao … mandrapahatongan'izany tsy misy olona afaka hikitika anao.
Eo ampisainana ny zanany vao teraka, dia naniry izy hoe:
كنت أود أن أعده إن تلك هي المرة الأخيرة التي سيتهدده الجهل والقسوة فيها، ولكنني كنت أعلم إنها ليس كذلك، وإن هذه ليست سوى الموقعة الأولى … فحسب.
Tiako tokoa ny hampanantena anao hoe ity  no farany hikirakirana anao ao anaty tsy firaharahiana sy halozàna saingy, indrisy, fantatro loatra fa tsy izany no fizotry ny tantara …Vao ny dingana voalohany ity!
Emad ao amin'ny  Something for the Soul nanoratra hoe:
الحمد لله نجحت حملة أوقفوا ختان الأولاد … ليس فقط البنات و إنضمت إلينا الدكتوره سهام عبد السلام و هى باحثه و مؤلفة لاحد الكتب و فى السابق أجرى موقع العربيه معها لقاء و نشره تحت عنوان باحثة مصرية ترى ان ختان الذكور جزارة ارتبطت بالمجتمع الذكوري وان الاسلام لا علاقة له بالختان و عنوان فرعى الختان جزاره لا طهاره و فتحت علينا كنز من معلوماتها العليمة و عن طريقها إتصلت بنا منظمه أمريكيه إسمها نوسيرك تتخصص فى محاربة ختان الأولاد تلك العاده التى أخذت تقل فى الولايات لمتحده
Misaotra ny Tompo, ny  Fanentanana nataontsika tao amin'ny Facebook ho fanoherana ny famoràna ny zazalahy dia nahasarika ny sain'ny mpikambana marobe  tokoa. Dr. Seham Abdel Salam - mpikaroka iray sady mpanoratra - dia nanohana ny fitakiantsika tamin'ny filazàna fa ny famoràna zazalahy dia asan'ny mpanimbin-kena tsotra izao ary ny fototra nipoirany mivantana dia avy  amin'ny fiaraha-monina anjakan'ny lehilahy; tsy misy idiran'ny Silamo mihitsy ao anatin'izany fomba izany. Ny  NOCIRC ihany koa - fikambanana Amerikana iray miady amin'ny famoràna ny zazalahy - dia nila resaka tamintsika.
Ao amin'ny Facebook-ndry zareo, tonga dia nokianin-dry zareo  ka nanaovany hitsin-dàlana ny resaka maro mifandray amin'ny fanoherana izay anaovan'izy ireo fanentanana; fivavahana, Siansa, SIDA, ary ny fahadiovana.
Ny mpitoraka blaogy Ahmad Al Sabbagh indray dia leo amin'ny karazana fanentanana toy itony ka  nilaza fa:
ثم فجاءة وعلى حين غرة وفى غفلة من الزمن وقد توقفت الساعة عن الدوران وجدت من يعبث بذكورتى .. أسف لا أعنى هذا المعنى الأبيح الذى برز إلى مخيلتك .. لكننى وأثناء جولة فيسبوكية إعتدت أن اقوم بها كل عدة أيام .. فوجئت بأن هناك حملة كبرى تم تدشينها للدعوة إلى وقف ختان الذكور وفوراً !!
ليس هذا فقط بل إن الجروب مدعم بالصور والرسومات التوضيحية التى تبين فظاعة جريمة ختان الذكور !!
طبعاً .. لن أخوض فى تفاصيل أخرى لإننى لست بعالم دين .. لكن يكفى بأن أقول أنك إذا حدثت أول شيخ أو عالم دين تقابله فى طريقك عن وقف ختان الذكور فى مصر فانه بالتأكيد سوف يتخلى عن وقارة ولربما ينصحك بإعادة الختان ..
أرحمونا يرحمكم الله
ختان إيه اللى نوقفه للذكور ..
على أى نص دينى تستندون ؟
على أى قاعدة علمية تستندون ؟؟
أم أنكم تعاطفتم مع الرجل فأردتم مساواته بالمرأة التى مُنع ختانُها ؟
هل إنتهت قضايا حقوق الإنسان فى مصر ، وأصبح للعضو الذكرى الحق الوحيد فى المطالبة بوقف ختانه ؟
السادة والسيدات أعضاء المجلس القومى للمرأة والرجل والطفل وكل المجالس القومية لكافة الكائنات الحية ..
عشان خاطر النبى،
أرحمونا يرحمكم الله ..
Tampotampoka eo ary amin'ny fotoana toa mampilamina ny zavatra rehetra, tafajabaka taminà vondrona  Facebook iray tsy mankasitraka ny famoràna zazalahy aho! Nandefa sary vitsivitsy momba ny fizotry ny famoràna mihitsy ilay vondrona mba hanehoany  ny endrika habibiana ananan'ity fomba ity.  Mazava loatra fa tsy hiditra amin'ny antsipirihany aho satria izaho tsy olona mpivavaka saingy heveriko fa raha mihazakazaka manàkana olona mpivavaka eny an-dàlana eny ianao mba mangataka azy  hizara ny fomba fijeriny ny amin'ny fandraràna ny famoràna zazalahy, azoko antoka fa tsy hahafaly azy velively ianao ary tsy ho tompon'ny tenany izy hiteny aminao ny mba hampiasanao saina tsara!
Mamindra fo aminay! Avelao  izahay hilamina.. feno ny kapoakanay!
Fototra toy inona no anorenanareo ny fitakianareo? Ara-pivavahana sy ara-tsiantifika? Sa fialonana ny vehivavy dia nanapa-kevitra ianareo hitaky fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy nony injay hoe famoràna no resahana? Efa lany balan'ny fiarovana ny zon'olombelona ve isika eto Ejipta ka tsy hiresaka intsony afa-tsy iny lohan-javatra kely iny?
Mamindra fo aminay ..Mitalaho aminao aho!